Iza moa i Andry TGV ?

1. kelyfaniry ( 15/04/2009 10:23)
Iza moa i Andry TGV ?

Nanao fanonganam-panjakana fa mba te-ho filoha nefa tsy ho tafita mihitsy raha mandeha amin'ny ara-dalana.
Izao mangalatra ny entan'olona mba sitrany ahay satria efa mihidy daholo ny fanatsiam-bola.
Ary ity no tena mba manitikitika ahy. Inona no mba farim-pahaizan'io bandy io? asehoy hoe ny diploman'ialhy raha mba misy azo jerena fa toa tsy voaresaka an-gazety na tao aorinan'ireny sinema teny mahamasina ireny.

Miala letsy fa tsy ilain'ny vahoaka ! :lol: :-D
2. Noue ( 15/04/2009 10:36)
i tgv ve? un ptit dj fotsiny izy eee !!! :-D :-D :-D :-D
3. Mirananirina ( 15/04/2009 10:47)
Nanao fanonganam-panjakana fa mba te-ho filoha nefa tsy ho tafita mihitsy raha mandeha amin'ny ara-dalana.
Izao mangalatra ny entan'olona mba sitrany ahay satria efa mihidy daholo ny fanatsiam-bola.
Ary ity no tena mba manitikitika ahy. Inona no mba farim-pahaizan'io bandy io? asehoy hoe ny diploman'ialhy raha mba misy azo jerena fa toa tsy voaresaka an-gazety na tao aorinan'ireny sinema teny mahamasina ireny.

Miala letsy fa tsy ilain'ny vahoaka !

Kelyfaniry =D> =D> =D>
Ho goaka indray ny masony tgv rehetra amin'io
4. fafa75 ( 15/04/2009 11:28)
:-D :-D :-D goaka zany ny mason'ny TGV hoy mirananirina, ary ny mason'ny ra8 manao ahoana akia?
5. Mirananirina ( 15/04/2009 11:38)
goaka zany ny mason'ny TGV hoy mirananirina, ary ny mason'ny ra8 manao ahoana akia?

Ny azy mivandravandra retsy ry fafa75 a
6. bazylou ( 15/04/2009 12:27)
akombony ho aho an yvava rehefa tsy misy apoaka fa lany andro amin'ny fanaratsiana fotsiny !!!!!
TSy mampihena an'i tgv anie izany e!!!
7. Mirananirina ( 15/04/2009 12:46)
akombony ho aho an yvava rehefa tsy misy apoaka fa lany andro amin'ny fanaratsiana fotsiny !!!!!
TSy mampihena an'i tgv anie izany e!!!

akombony aloha ny anareo dia hangina izay,IZA NO NANOMBOKA???????????Tsy izahay aloha............ :)
8. Noue ( 15/04/2009 13:35)
bazylou:
TSy mampihena an'i tgv anie izany e!!!
zany ve ee??? izy aza efa kely fingotra kely io, fa mbola aiza no anjoha an'io ee ???


:-D :-D :-D :-D :-D
9. ravol ( 16/04/2009 08:44)
Mampalahelo sady mampihomehy e!
Aza manaratsy olona na iza izy na iza fa tsy mety zany !
Nanomboka nanao ny tolona tgv tsy hita izay nataon\'ny mpanohana ny ara-dalàna, efa ataony izao vao mibababa daholo ny rehetra.F\'inona ary ty ?????
Zao indray hiverina, hono, Dada!
Teo aza izy tsy voaarony ny sezany tsy hita izay nataony koa efa lasan\'ny alika vao hanangom-bato ??? Ahoana ihany ary izany ?????
Mieritrereta tsara ry Malagasy, avadibadiho ny zava-nisy sy ny zava-misy sy ny mbola hisy.
Hambo diso toerana sy fitiava-kely no hanaovana ny Firenena toy izao ???
Aza mieritreritra aloha hoe hotafavoaka ao anatin\'ny telo volana na folo volana raha misy fianjeran\'io fitondrana io amin\'izao e!
Ry zareo gasy vazaha any an-dafy, Ra8 mianakavy, TGV mianakavy sy ny ao @ HAT, mihinana foana ry Malagasy fa isika eto @ tanàna sy mpiakarama isan\'andro ???? ahoana ???? ny mpanohana ny ara-dalàna efa miaha ritra ny tahiry, ny mpanohana an\'ny lamasinina efa tsy nanana hatr@ izay ny ankabeazany. Sao dia taraiky eto am-piarovana ny tombotsoan\'olom-bitsy eto ry Malagasy ?????
Fa mieritreritra ny ho aiza isika ????? ny fotoana mandeha fa tsy mijanona ????? hisy tombotsoan\'ny rehetra ve raha manaraka izao fitondrana HAT izao ???? sa hanaraka ny ara-dalàna izay mbola tsy nahitàna mangirana fa ny kely teo am-pelatanana aza lasany nampitomboany ny harenan-dry zareo ????? ho aiza ?????
DINIHO SY ERITRERETO DIA MANDRAISA ANDRAIKITRA
10. Havantsika ( 16/04/2009 19:25)
Iza moa i TGV
Andeha atao ny fampitahana tsotsotra an'i TGV sy Dada
Mitovy CV Izy amin'ny lafiny iray fa Maire no lasa Filoha. saingy ilay taloha toa ratsy tantara dieny vao nanomboka fa krizy 8 volana sy alahelom-bahoaka hatramin'ny farany no nentiny nialokaloka any ivelany ary tiany hofohazina indray.
Ity faharoa, dia niezaka nanasitrana ny fery, sy naka fanapahan-kevitra politika mba hamitranana ny fihavanana amin'ny samy malagasy
Ity no profil mba hitako amin'i TGV
Tanora sahy mandray andraikitra
manana ny minimum ilaina hitondrana ( saina tony, fahendrena, fahaiza-mihaino)
mampandray anjara ny ankamaroan'ny herivelona fa tsy mampanjaka antoko tokana
Tsy manana honoris causa nefa tsy mena mitaha
Tsy diploma no maha ambony ny olona fa afaka mianatra foana ny olona na antitra aza
Be ny dingana sy ezaka mbola ataony fa raha tonga lafatra sy tsy misy kianina izy dia hirehareha sy hieboebo ka hanao ratsy noho i Dadan'ny sasany
Fa aleo izy amin'izao mba hiara mitombo amintsika rehetra

Misaotra e







© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1843