araho anie ity resaka ity e! ahoana no handraisanareo azy!

1. bobone ( 10/04/2009 12:51)
Nisy zaza tokony ho eo @ 15 taona mipetraka ato amiko ary zaza sahirana tokoa! dia nalaiko mba tezaina ary mba manampy ahy satria mbola kely ny zanako ! dia izy zany no mba namany miara-milalao azy! Izy no maka ny zanako avy mianatra ! nolazain'ny olona aho hoe manao sipa anie io zaz ao aminao io e! !! tsy nino mihitsy zaho hoe zaza kely io ve dia hanao izany sahady ! taty aorina anefa tena gaga zaho fa rehefa haka io zanako io izy dia @ 10h30 dia efa mandeha miala ao an-trano ! nefa ny zanako mirava @ 11h30 ! miteny ahy foana ny namako hoe eee! io zaza ao aminao io araho maso tsara ! sendra nirava aloha zaho niasa dia gaga tokoa fa lasa aloha izy maka mpianatra ! dia narahiko tokoa fa hay misy vhv kely tokony ho eo @ 14ans eo miresaka dia mifanondakondana nsn taitra mafy zaho ! ary tonga dia nanantonako ary taitra ry zareo nahita ahy! noteneniko mafy sady nanariko mihitsy hoe mbola tsy amin'izany mihitsy ! loza anefa fa hatraminn'ny nitenenako azy no nanao toeran-tsy zaka tao an-trano ilay lhl kely! nigafy ary niady foana izahay matetika! farany sosotra aho dia nokapohiko!!! voa maika nitombo ny fankahalana dia fosainy any @ choral namanay rehetra zaho hoe masika , ratsy toetra sns nefa dia tsy te hanana ratsy zaho ! miasa loha azho ankehitriny hoe alefako mody nefa zza mafy ady ! tsy alefa nefa maha be vatan'orona !§ raha aminareo inona no hatao amin'izany ! mba omeo sosonkevitra re ! misaotra mialoha
novalian'i bobone ny 21/04/2009 06:33
2. Mirananirina ( 10/04/2009 13:25)
Nisy zaza tokony ho eo @ 15 taona

Amiko dia tsy zaza intsony izany,efa eo aminy taonan'ny mitsiry fitiavana,tanora e.Tokony tsy horaranao izy ny amin'izany.Ilazao fotsiny izy hoe:Tandremo ny mahabevohoka zanak'olona fa miala aho.Toroy hevitra izy na eo aminy firaisana aza.Tsy mahamenatra izany fa lalan'ny fiainana.capote,ny pilule hoan'ilay sipa sns.............e.Ary tsy tokony ho kasianao tanana intsony.
3. xxx ( 10/04/2009 13:26)
Tsy misy taona ny fitiavana ; 15 taona izany bobone efa manam-pitiavana, ary ny latsak'izany aza rehefa manam-pitiavana dia manam-pitiavana, tsy misy azo averina

Tsiniako ianao ni brusquer azy , tokony noresahinao moramora izy , ny fitiavany dia efa fitiavana, tsy azonao atao n'inon'inona, fa tokony nampianarinao sy noresahinao izay manodidina ny fitiavana izy, ny risques sy ny karazany

Aza averimberinao ny hoe zaza mafy ady , ny mafy ady koa manam-pitiavana, tena mila fitiavana aza

Izay no anomezako tsiny betsaka ny malagasy sasany, alaiko i anona hipetraka ao amiko fa sahirana, dia tereko ho "moulé" araka izay itiavako azy ... satria ve sahirana ?

Miala tsiny raha mivatambatana be
4. diamondra27 ( 10/04/2009 14:01)
karakory akia bobone a!
voalohany aloha dia mizara 2 le izy , nalaina hanampy izy sa nalaina hotezainareo dia mba manampinampy anareo

samy hafa manko ny solution

ra nalaina hanampy anareo de alefaso mody izy zany
ra le cas faharoa de ataovy toy ny zanakao izy zany . Tsy vahaolana ny fikasihatanana am oul manampitiavana fa vao mainka mamporisika azy izany
Ny tokony nataonao satria efa avertie ndry de niresaka tsara taminy de miteny hoe zao sy zao no tokony atao ra mbola mikasa ny hiaraka ianareo sao de bevoka any ny zanak'olona
sous responsabilité andry io zaza io de ndry zany no mizaka ze miseho eo ra misy zaza eo io
mifanatreha nareo 3 de lazao tsotra ry zareo oe tsy afaka ny hanakana anjareo ndry nefa koa tsy mamporisika fa milaza fotsiny oe zao ny inconvenients de zao ny avantages snsn sy ny besoin

zany oe asaina maka ny rsponsabilité-ny zany le bandy kely io


de jereo oe aona no ataony , de amafiso tsara fa oe na io no sipanao na olonkafa de zay foana ny ahy hoe : miaro tena sns , de lazaindry fa tsartsara kokoa ra mba efa misy vola vao mba manao fitiavana izany satria ny vevavy tsy vokin'ny fitiavana fa mba milasokola sy biscuit koa hiiii amin'io age io zany a! demba le mahazo kdo kely ireny na de tsy kdo be e manao aona aza fa oe ty tany am ranona defa faly ery le ankizivavy

bobone andao atakal ny zanatsikaroa fa ny ahy zao vavy kely fa hummm mila arahina maso tsara dia miresaka foana
5. ari.malala ( 10/04/2009 14:28)
Fahitako anazy ndray efa tsis fanafany tsony zany migafigafy sy mifosa manaratsy zany! Raha izaho d alefako mody. Cas efa nitranga tamiko mantsy io, fa ny ahy indray ankizivavy no nipetraka tao amiko d nanao toy io nataon'ny ankizy tezain'i bobone io, nalefako! MAfy ady ny RAD, ekeko fa tsy misy taona ny fitiavana, fa zà kosa tsy haka responsabilité aminy eo ka! Nananatra ts nahazo ah fa vao mainka toy ny nampirisika anazy ilay anatra d nalefako!
6. soanja ( 10/04/2009 15:23)
bobone:

Nisy zaza tokony ho eo @ 15 taona mipetraka ato amiko ary zaza sahirana tokoa! dia nalaiko mba tezaina ary mba manampy ahy satria mbola kely ny zanako ! dia izy zany no mba namany miara-milalao azy! Izy no maka ny zanako avy mianatra ! nolazain'ny olona aho hoe manao sipa anie io zaz ao aminao io e! !! tsy nino mihitsy zaho hoe zaza kely io ve dia hanao izany sahady ! taty aorina anefa tena gaga zaho fa rehefa haka io zanako io izy dia @ 10h30 dia efa mandeha miala ao an-trano ! nefa ny zanako mirava @ 11h30 ! miteny ahy foana ny namako hoe eee! io zaza ao aminao io araho maso tsara ! sendra nirava aloha zaho niasa dia gaga tokoa fa lasa aloha izy maka mpianatra ! dia narahiko tokoa fa hay misy vhv kely tokony ho eo @ 14ans eo miresaka dia mifanondakondana nsn taitra mafy zaho ! ary tonga dia nanantonako ary taitra ry zareo nahita ahy! noteneniko mafy sady nanariko mihitsy hoe mbola tsy amin'izany mihitsy ! loza anefa fa hatraminn'ny nitenenako azy no nanao toeran-tsy zaka tao an-trano ilay lhl kely! nigafy ary niady foana izahay matetika! farany sosotra aho dia nokapohiko!!! voa maika nitombo ny fankahalana dia fosainy any @ choral namanay rehetra zaho hoe masika , ratsy toetra sns nefa dia tsy te hanana ratsy zaho ! miasa loha azho ankehitriny hoe alefako mody nefa zza mafy ady ! tsy alefa nefa maha be vatan'orona !§ raha aminareo inona no hatao amin'izany ! mba omeo sosonkevitra re ! misaotra mialoha


Miala tsiny indrindra raha toa ka miditra amin'ny zavatra somary manahirana ny iresahana azy fa amiko zany zaza 15 taona izany dia tokony any ampianarana no misy azy fa tsy atao mpanampy na hoe manampinampy.
Raha hanampy azy isika dia ny fianarany sy ny fanomezana azy sakafo sy fitiavana ary fiatrehana ny ho aviny no tokony hojerentsika. Rehefa variana mianatra izy dia mety mihena ny olana mety hianjady aminy satria sahirana amin-javatra hafa ny sainy. Nefa miankina lalandava amin'ny fiarahamonina iodinana daholo izany fa tsy voatery hoe ka toy izay tanteraka.
Raha hamaly ny fanontanianao anefa aho dia hoe aleo alefa mody ny zaza rehefa hitanao fa tsy mampivoatra azy ny hipetrahany ao aminao. Any indray izy hampiana toy ny hoe hitadiavana zavatra azony atao mba hampitombo ny mahaolona azy na hanampiany ny fianakaviany sns... Tokony tsy hitsahatra ny fitiavantsika azy fa ny fomba fanoehoana azy no atao samihafa indray.

Ny zaza dia manomboka mahatsapa fitiavana amin'ny faha-10 taona eo ary misy tonga aloha misy tarakely. Ny filazalazana azy momba izany misterin'ny fitiavana izany no hany hery ahafahana mahazo ny fony. Afaka minamana ny zaza roa mifankatia, saingy atoro azy ny zavatra fadiana sy ny mety hamoafady tokoa raha mitranga. Raha manao spaoro izy ireo na zavatra manita-tsaina mampiasa vatana dia tsy hanam-potoana variana hihevitra zavatra tsy mifanaraka amin'ny tokony ataony.



7. xxx ( 10/04/2009 15:42)
ari.malala:

Fahitako anazy ndray efa tsis fanafany tsony zany migafigafy sy mifosa manaratsy zany! Raha izaho d alefako mody. Cas efa nitranga tamiko mantsy io, fa ny ahy indray ankizivavy no nipetraka tao amiko d nanao toy io nataon'ny ankizy tezain'i bobone io, nalefako! MAfy ady ny RAD, ekeko fa tsy misy taona ny fitiavana, fa zà kosa tsy haka responsabilité aminy eo ka! Nananatra ts nahazo ah fa vao mainka toy ny nampirisika anazy ilay anatra d nalefako!


Aza hadino hoe nanomboka t@ nibedsan'i bobone azy no nivoahan'ireo toetra ireo

Fa araka ny lazain'i soanja hoe ataovy mazava ny lalao : natao hanampy izy sa zaza tezaina
8. ni81 ( 10/04/2009 16:27)
Alefao mody izy rehefa tsy mifanaraka intsony ianareo e! Aleo izy hiezaka irery @ fiainany any @ zay na mora na mafy. Samia misaraka tsy misy maratra dia mitadiava olona hafa haka mpianatra.

9. ikaretsaka ( 10/04/2009 17:00)
Tokony noresahina tsotra izy raha hoe noraisinao ohatran'ny zanaka antrano nefa tsy zanakao..
Tso zoanao koa ny mikapoka zanak'olona...soa fa sahirana izy fa raha sendra mpahay lalana mazana dia teo ianao no raisina!

amiko tsary probl izy raha manao sipa raha toa ka vitany soa ny asa ao antrano.adolantsento sy miala sakana izy ka aleo alainy tsara fa ampianaro azy ny hoe tsy hanabikina zanakolona sy hoe rehefa velony ny zanak'olona vao miditra lalina ary tsy tompon'antoka @ ze ataony ivelan'ny fakana mpianatra sy ivelan'ny trano sy ny asa nifanarahana ianao.
Na @ 9 aza izy de lasa fa vitany ny asa sy ny raharaha nasainao nataony de tsary asheko olana..raha hoe tsy maintsy miandry tranonareo izy de teneno hoe mba akaikikaikin'ny trano izy sy ny sipany no mampiaraka...
Mba flexible e
10. diamondra27 ( 10/04/2009 18:01)
na any ampianarana akia ny zaza rehefa tonga ny fotoana de manao sipa foana ny ankizy a!

mila arahina maso fotsiny wa de maka décision entitra, lazaina azy ny lalàna sy responsabilité-ny am le sipa

11. soanja ( 10/04/2009 20:03)
Tsy ny fanaovana sipa angamba no olana eto fa ny tsy fetezan'ny fifandraisan'izy mianaka???? satria ny ankizy anie ka tsy maintsy manao diso ihany noho izay mahaankizy azy izay. Tsy hadalana velively akory ny ataony fa miezaka izy mampiseho ny zavatra tsy zakany ao anatiny dia ny famalivaliana sy ny hafa no isehoan'izany ety ivelany.

Aleo omeko anao rehefa avy eo ny fomba entina anampiana azy sy ianao raha sitrakao.
12. ikaretsaka ( 10/04/2009 20:17)
ka ny nahatonga azy namalivaly anie nosimbain'i bobone kosa ny reviny e...
aza rarana ny ankizy ... fa ampafantaro azy ny azony atao sy ny tsy azony...sy ny antony hoe mahatonga ilay raha ho azo atao sy tsy azo atao

13. soanja ( 11/04/2009 00:18)
Ity ny torohevitra atolotro raha mety amin\'i Bobone: step by step izy ity zany hoe mandeha araka ny laharany avy, izay tsy mety aza manahy fa tohizo ihany mandrapahita mangirana. Efa metody misy izy ity fa tsy hoe hevitro manokana akory an. Ny RAD aty no ampianarina an\'io mba hitaizany ny zanany , indrindra rehefa tojo olana goavana ry zareo. Mino aho fa tsy mbola olana goavana ity fa fanombohana olana fotsiny ka tsara raha sorohiana mialoha. Ny antony nahatonga ahy nifidy an\'ireo dia satria matoa izy efa mahavita miresaka eran\'io momba anao dia efa tsy manao zaza fisainana intsony izy fa efa afaka mandinika tsara ka izay nataony izay no heverina fa hahatafita ny hafany.

Fananganana fifandraisana am-pitiavana sy maharitra ary tsy manimba.

1- Mifamela ianareo mianaka. Maka toerana na fotoana iray dia miresaka miadana momban\'ny fanombohana vaovao indray ny fifampitokisana. Zany hoe tsy fotoana hijerevana hoe iza no diso sy marina fa tonga dia miresaka hoe hitako fa sahirana be ianao tato ho ato mifandray amiko noho ny zavaniseho rehetra, dia mibaboka eo ianao amin\'izay hitanao fa fihetsika tsy nety (marihana fa mila fanetre-tena be ity metoda ity an) ary manantena ianao fa afaka hiresaka izy izay tsy zakany sy ny tiany ho heno avy aty aminao. Dia miresaka eo ianareo sady maka noty ihany ianao. Mahay mamaky teny sy manoratra ve izy??? Ny tianao asongadina zany dia hanomboka zero indray ny fifampitokisana ary hiara hanagana azy ianareo. Vonona ianao hisedra izany.

2- Resaho azy nahoana izy no mipetraka ao aminao? Satria noho ny fiantranao azy sy ny RAD amandreniny. Sa tsy izay? tsy teninenina hoe zah manampy anareo fa hoe ireto avy ny hitako manahirana ny RAD-ninao amin\'izao fotoana. Ny fipetrahanao aty amiko dia manamaivana ireto avy.... Nieritreritra aho fa te hanatitra anao any satria hitako fa sao hanahirana ny zavamitranga amin\'izao fotoana izao nefa alohan\'ny hakako izany fanapahan-kevitra izany dia tsara aloha mba miresaka isika satria ianao tsinona efa olon-dehibe ihany raha ny fahitako azy ary afaka maka fanapahan-kevitra ny ho avinao. Sa ahoana?? Dia henoana eo ny heviny. Anontanio izy raha tokony resahina amin\'ny RAD niny ny olana mianjady aminy izao na tsia? Dia arakarak\'izay. Ny tianao atao izany dia ny hahazo ny fony mba hahafahany hilaza aminao ny momba azy. Raha afaka misokatra izy dia mitohy ny resaka. Raha tsia dia maka fanapahan-kevitra ianao hoe tsara izany ny hisarahantsika tsy misy maratra. Misaotra anao aho tamin\'ny fanampianao ahy izay ela izay. Enga anie ka hilamina amin;izay ny fiainanao rehefa tonga any an-tanana. Be ny gasy no be ambopo ka io no matetika mitranga nefa raha tsy izay kosa

Ka misokatra anefa ny fony dia mitohy...

Fanabeazana ary fanomezana fitiavana azy mba hisian\'ny fanajana sy fakana andraikitra amin\'ny olona mety hitranga.

2- Hazavaina azy ny mahatsara sy ny maharatsy ny fiarahana amin\'izao taonany izao. Inona no heviny ary ahoana no ahafahanareo mianaka mampifandamina izany rehetra izany: asa, fakana zaza, fotoana malalaka ho azy, fotoana ho anao, sns.... Anontanio izy raha azo ataokisana amin\'ny fanapahan-keviny?? Ny tianao atao zany eto dia manontany hoe ireto avy ny olana mety hitranga dia ahoana ny hahafahany mandamina an\'io raha sanatria ka mitranga io. Eto izany dia fakana fanapahan-kevitra avy aminy izay mety ho fihetsiny momba ny resaka fitiavana sns... azonao atoro hevitra izy ny hihaonany amin\'ny namany nefa tsy hanao zavatra hafa mety mamoafady.

Ny fanamafisana ny fifanajana no betsaka.

Rehefa malalaka ianareo dia anontanio azy ny momba an-drazazavavy fa io anisan\'ny manome fisokafan\'ny fo. Fantany fa zava-dehibe aminao izy. Dia apetraho foana hoe mahatoky aho fa efa lehilahy lehibe ianao ka tsy hanaonao foana sns... fantatrao ilay resako iry. Dia diniho manomboka izay raha manaja anao izy.

Raha tsy misy fanajana ny resaka nifanaovana aty aoriana dia aza mivazavaza aminy akory intsony fa tampohy ny zava-drehetra. Atero any amin\'ny RAD niny izy dia any ianao manazava ny ezaka rehetra efa vitanao tamin\'ny fikarakarana ny fipetrahany tany aminao sy ny fandraisana azy ho isan\'ny zanaka ao antrano. Io fahafantarana fa notoloranao fitiavana io izy no hany afaka hanomezan\'ireo RAD ny fahatokisany anao satria ilay zaza mety hanaratsy rehefa tonga any. Tsy maninona anefa izany fa izay no fiainana , nahavita be ianao ary izay vitanao tsy tokony hanenenana avokoa fa nahasoa an\'ilay zaza tamin\'ny fotoana voafetra.

Zavatra iray no tadidio tsy vahaolana ny mikapoka satria vao maika mampitombo ny fanakahalan\'ny ankizy izany ary mahatonga azy hanapatra herisetra koa. Fa saingy kosa tena tsara mihitsy ny hahafantarany fa TEZITRA ianao , diso fanantenana ianao, ary marary ny foanao ary mila fantany ny anton\'izay fahatezerana izany raha mitranga saingy ao anaty RESAKA TONY no hilazana azy. Aza avelany ho tsapany ny fahalemanao rehefa tezitra fa apetraho foana ilay hoe ianao no mitondra ny baolina ary ny mahatony anao no hahafahanao hanana izany toerana izany. Fa raha ianao no misavoritaka dia hitany hoe voabe ianao sady vao maika izy hanararaotra satria hitany ilay toerana fanindriana bokotra mahatonga izany.

Amin\'ny fifandraisana dia mila mifamepetra foana ny tokony anjaran\'ny tsirairay ary inona avy ny vokany natoraly na lojika raha sanatria ka tsy voatana izay fifanekena izay.

Ny naoty ho anao izany dia ataovy lista ny mahatsara ny hipetrahany ao aminao ary ny tsy mahaeo azy intsony. Raha lasa izy , moa ve mafimafy kokoa noho izany ny fitadiavana solony amin\'ny fanampiana ao an-trano? Mety ahita olona mahatoky ve? Raha eo anefa izy zakanao ve ilay adilava sa avela izy hanao daninin\'ny kibony? Inona no tsara sy ratsy eo dia lanjalanjaina hatrany... Ny tena ilaina anefa dia ny fahafahanao hanana saina tony satria mbola betsaka ny andraikitra fa tsy izy irery , ka na hiafy hanangana fahatokisana amin\'ny olona vaovao aza dia aleo izay toy izay hiaritra ny mafy hifanditra aminy eo. Ny hialana amin\'ny fifandirana mantsy no tokony atao eto ary ny fitadiavana marimaritra iraisana.

Mahereza hatrany fa tsy mora ny mitaiza.


14. bobone ( 17/04/2009 13:55)
Misaotra anareo rehetra zaho izay nadray anjara t@ ity dinika ity! hamaly ny fanontanianareo ary zaho!
- Mpanampy sa mpiasa !
tena nalaina hiasa ao aminay io ankizy io ! ary raha samy mpiasa dia hafa no nitondrako ity ankizy ity noho ny olana mianjady aminy! misy fotoana zaho manampy azy @ asa ao an-trano rehefa avy miasa! asa na hitany manao zaho dia rehefa reraka ampiasana iny vao mikoropaka izy manao raharaha ao antrano!
Ny tena mampalahelo ahy dia zaza tsy mahay taratasy izy dia isaky ny avy miasa rehefa vita ny raharaha dia mampianatra azy manoratra aho ary efa mba nahay manoratra ny anarany izy ! misy fotoana zany rehefa eo zahay mianatra somokotra ery ! rehefa lasa miasa dia ialany ny cahier sy ny stylo dia lasa izy milalao! . Indray andro nanao clip tany Tana ny chorale -nay dia nanafatra mafy zaho hoe tandremo tsara ny trano an! sao misy mpangalatra sns! fa ny vadiko miasa dia izy irery zany no ao an-trano mandrampaha-tongan\'ny vadiko miasa! loza anefa fa very tao an-trano ny lecteur ! nanontaniana izy dia mivadibadika be ny resany ! tonga saina ny vadiko ! zaho moa mbola tany Tana! vao tonga aho zay vao gaga sy zendana naheno ilay zavatra niseho! ny viliha banga be ny vera tsisy intsony sns e! notenenina @ izany dia lava be ny molotra ! mananatra azy foana zaho fa eeeee! vizana e! dia hany hery dia noresahako ny zokiko nadefa azy taty aminay ! hoe inona no tokony hatao! ny tena loza anie dia tao @ efitranony à fandriana dia misy sperme ! dia taitra mafy izahay mivady sady nanontany tena gina tanteraka! . nanomboka teo dia nidianay ny efitranony fa nasainay @ efitra hafa izy miandry anay ! tena hita fa mailo be le zaza!!! hitanareo @ izany ary koh aiza aho no tsy hikapoka! . izaho mantsy tsy tezitezitra fahatany fa tena misy antony lehibe vao tezitra ary mikapoka @ tongotra io an! fa tsy aiza akory! marina fa tsy mety ny mikapoka fa efa trop loatra iny kohhh
izany no izy ny namako isany ! misaotra anareo rehetra e
15. xxx ( 17/04/2009 14:02)
Ka mifangaro ilay resaka bobone a, izahay rehetra teto izao dia nihevitra fa ilay izy nanao sipa no tena olana (ilay sujet eto @ fitiavana rahateo) kay ity ianao izany milaza zavatra hafa indray koa ...
16. bobone ( 21/04/2009 06:33)
xxx marina zany fa fitiavana no nitenenako azy ary olana iny fa ny sasany tsy voambarako anareo ity nambarako ity! mifangaro daholo ny zavatra manahirana e! dia ny hevitray dia nalefa nody izy ! ny tany koa tsy mbola milamina sao ahitana loza eo! ! misaotra nanome valiny e! mankasitraka!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0078