Misaotra betsaka ny fahendren'ny TIM

1. essera ( 08/04/2009 04:50)
Salama daholo e,

Haingana dia haingana ny fivoaran'ny toe-draharaha eto amintsika amin'izao fotoana.

Raha tamin'ny alatsinainy nilaza i Rasolomaso teo am kianja mahazatra antsika fa amin'ity herinandro ity no tendrena ny praiminisitra avy amin'ny Ra8 dia nivoatra be izany omaly. Na izy aza moa dia nilaza hoe : "marina fa misy forcing izany fa tsy maintsy ampitomboina ny pression".

Dia gaga dia gaga aho omaly raha nahita fanambarana avy amin'ny Mr Rasolomaso ihany fa manaiky ny hifampidinika ry zareo. Tena tsy gaga fotsiny fa tena mahatalanjona mihitsy.

Zavatra roa no mety hitranga :
1/ Tandremo sao fitaka fa misy no mody manaiky resy efa tsipazana servieta dia ianao efa mitodika any amin'ny mpijery no vesarany tampoka ny seza avy ao aoriana.

2/ Tena fantany fa tsy tafa intsony ilay hetsika na eo aza ny hafanam-pon'ny vahoaka maro dia maro manaraka ny ara-dalàna ka aleo milefitra sao voa roa sady tsy mandray anjara eo amin'ny fitondrana intsony no tsy maintsy omen'ny vahoaka notaritina ny pression indray.

Anjarantsika ny mandinika fa mailo ihany boay kely fa efa betsaka ireo namadika palitao ary tsy palitao fotsiny fa lobaka, pataloha, kasikety, slipo, nanala volom-bava ao anatin'ny ora vitsy.
novalian'i fanou14 ny 09/04/2009 08:16
2. fahamarinana ( 08/04/2009 04:57)
essera:
namadika palitao ary tsy palitao fotsiny fa lobaka, pataloha, kasikety, slipo, nanala volom-bava ao anatin'ny ora vitsy.

:arrow: essera : :-D tsy ratsy koa ilay sari-teny be dia be nampiasainao an !(l)
3. essera ( 08/04/2009 05:22)
Misaotra raFahamarinana.
4. mihitsy ( 08/04/2009 05:35)
zay mihitsy, saino tsara rehefa hiarahiasa amin'iza na amin'iza fa tsisy tandroka ny ratsy, be loatra ny miseho ho anjely ety an-tany hay devoly faran'ze mafy indrindra no ao an-tsainy ao
5. reeves ( 08/04/2009 07:03)
Na inn assises karakarain`ny HAT na inn ( tsy dia arakarak`ilay fi-geste i Ramakevelo owe , na ao na tsy ao ny TIM tsisy olana) , rehefa tsy ao ny pro-ara-dalana izay mbola mitana ny maha-ara-dalana azy aloha hatreto dia mbola tsy misy dikany io fa mbola tahakan`ny antsibe mihantona eo ambony lohan`izay mitondra eo foana ary mbola midika foana fa tsy hilamina satria nisy safidim-bahoaka voahitsakitsaka tao , izay mihitsy ny fototry ny olana eto . Tsy hoe anie ampitahorina CAPSAT sy herisetra ny olona dia milamindamin-dratsy dia hoe vita izany izay e (Izay lay hoe mandrimandry manan`aretina) ! Fa mbola mipetraka foana ilay probleme de fond . Tsy misy afa-tsy ny fifampidinihan`izy roalahy AMIM-PAHATSORANA sy AMIM-PANETRE-TENA ( TGV / Ra8) , maninona moa raha tetezamita iarahana manao ohatra , amin`izay sady legal no eo no constitutionnel , no tsy simba ny economie , tsy mihantona ny fanampiana iraisam-pirenena , avy eo tanterahina miaraka ny assise , code electorale , constitution ...sns ary farany atao ny fifidianana dia izay lany eo dia lany e . Izay lay maso mitampin`ila izay foana no nahavoa ny teo h@ zay dia mbola io fa mamerina izany ihany indray ny HAT ! Misy toe-tsaina tsy manana BON SENS mihitsy isika GASY ka lasa manaonao foana . Tenenina foana fa eeeeeeee...................
6. essera ( 08/04/2009 08:32)
Fanontaniana amin'ny reeves.

Efa hatramin'ny ela ange Dada8 no tsy vonona ny hifampidinika fa manao ilay fikana bitro kely e. Raha ny fijeriko manokana, olona tsy vonona ny hidinika tompoko ny olona mbola manao hoe :

- Herinandro voalohany :
Ho avy aho fa aza matahotra ianareo.
- Herinandro faharoa :
- miangavy ny fiombonam-be afrikana andefa ny miaramila hampandry tany.
- Avy eo aty aoriana kely, "Aza manaiky lembenana ianareo fa tohizo ny tolona
- Kelikely eo indray : hanendry praministra aho amin'ity herinandro ity.
- Poa toa izay : Vonona izahay ny hifampidinika tampoka.

aminao manokana, raha olona miditra ao an-tranonao no manao toetra ohatra izany "ohatra ny lela may, na koa ohatran'ny tanalahy ka mivadibadika manaraka izay fivoarana tampoka teo fa tsy manana hoe décision matotra".

Hafahafa be aaaaaaa



-P :
7. xxx ( 08/04/2009 09:07)
Tsy ny TIM rehetr no miandry ny hiverenan'i ra-8 fa zay hialan'i TGV fotsny no hilaharany ! samy miaro ny intérêts-ny aby ny puissances vahiny nanao investissements any, ary tsy hiala maina eo satria miova ny mpitondra... ilay fiaraha-miasa mihitsy no tsara imasohana mba tsy hampahantra ny gasy.
8. fanou14 ( 09/04/2009 08:16)
hoy i xxx"Tsy ny TIM rehetr no miandry ny hiverenan'i ra-8 fa zay hialan'i TGV fotsny no hilaharany" atolory aza ny olona fantatrareo fa mety afaka hitondra e , nareo milaza fa tsy ara-dalana ny HAT, nefa ra Directoire militaire dia nekenareo , nefa anie ra jerena efa anti- constitutionnelle zany e, fa ra8 efa nanome ny fahefany @ hafa donc efa tsy president tsony ,sady ra ny election farany anie tsisy tsy mahafantatra f'efa truqué be reny e , fa dia manaraka fotsiny , misaora an'Andriamanitra fa hita aloha ny adalany sinon angamba lasa 4mi daholo ny olona , satria ngahy ra8 dia efa nikasa anao président à vie mieritrereta ihany aloha e, ra tena tia tanindrazana marina ny Tim dia tokony tsy nihaino an'ny Soavaly be iny satria iny no ati-doha be @ zao ( information sure, zay no mahatonga an-dry zareo milaza fa miaro ny ara -dalana lasa mizara2 be ihany , ka ra tsy mitandrin ahoy aho dia ho potika tanteraka ? ka mba omeo sopapa ihany i ngahy RAharinaivo , sao lahy lany ny vola , tsy aleo ve ampiana ihany lay trano sy 4x4 be reny toa zay omena ny olon aeo ambohijatovo eo fotsiny , efa mba afaka manome porofo an'i ra8 hoe lany teo @ ambohijatovo ny vola dia miala teo @ zay .
ho an' i reeves, hita mihitsy hoe efa zatra manamparita vola ny tim dia lazaina koa fa manome vola ny tgv , ka ra nanome aza izy , ny tim no nanomboka voalohany , donc ianreo no nanazatra azy ireo , je dis bien ra tena nanome vola ny tgv satria mbola ? be izany , ra8 anie no manana vola e , hoy izy zay , ny vola misy fa ny andaniana azy no tsy misy , hay kay vola tokony hi payéna ny mpiasa-panjakan ty alaina atao amboletra ity , io ndray na inona tenenao eo dia efa meloka izy , ra tianareo tokoa M/scar dia avelao ny Vahiny hi reconnaitre ny HAT jerena eo zay tohina sady zay 19 mois ve tsy andry , c'est peu par rapport 7 ans nanjakany zany ,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0933