Tsy ny TIM no hanapoaka

1. hery ( 07/04/2009 04:30)
Raha ny fahitana ny resaka ekonomika ao Madagasikara dia 3 volana sisa dia ho lany ny tahiry rehetra. Vokatry ny tombom-barotra azo tamin'ny hetra nandritra ny fotoanan-dRavalo aza no mahatonga izany mbola misy tahiry 3 volana izany. Vita ny 3 volana dia tsy maintsy hitady fika hahazoana vola be ny fitondrana. Hiakatra be ny vidim-piainana noho izany. Ary eo amin'izay ny olona no hipoaka satria vahoaka noana.
Hikomy ireo izay zatra nokaramaina be be (kapsaty ets) satria tsy ampy insony ny saosy. Hiala tsikelikely ireo mpanao politika manohana TGV satria hitany fa ho ratsy ny tantana ka tsy te ho tompon'andraikitra. Efa zatra mpamadika palitao rahateo. Tsy hisy sécurité intsony satria ho be dia be ny vaky trano sy ny halatra. Miteraka crise sociale goavana be izany dia hitroatra amin'izay ny vahoaka. Koa satria ny TGV no mitondra dia io no haongany. Dia avy eo izy mampitaha hoe "Tamin'ny andron-dRavalo izahay tsy nilahatra vary sy menaka..." dia hitaky ny fiverenan-dRavalo indray. (jereo Ratsiraka t@ 1996)

Dia hitanareo fa tsy ny TIM mihitsy no hiantso ny fiverenan-dRavalo.

Ireo no mitranga raha mbola miziriziry tsy hanao fifidianana i Andry ao anatin'ny 3 volana hahalany ny tahiry.
novalian'i fanou14 ny 09/04/2009 07:46
2. xxx ( 07/04/2009 04:54)

Dia faly ianao noho izany rehetra izany!!!????
3. ari.malala ( 07/04/2009 05:03)
oudry :roll: nga kosa moa teo nisy niteny hoe faly fa mitatitra ny zavatra mety hitranga izy! mahaiza oà midinika :P
4. essera ( 07/04/2009 05:50)
Faniriana ny an'i RaHery io. Fa mba fanontaniana apetraka ho an'i Hery manokana :
- Avoahy ny hetra tsy naloanao hoy ny fitondrana tetezamita mantsy an'i Ra8.
- Zah tsy hiverina tampoka ozy.

Ra-Andry ange boay kely fa fetsy e. Raha olona handimby toerana ka niaina tamina orin'asa koa dia mahafantatra hoe : "alohan'ny hisian'ny continuité, dia ahoana marina aloha ny situation ?"

Ilay fiverenan-dra8 resahinao eo ambanimbany aloha izany dia efa fitadiavany raha2 iny. Ny mety ho krizy hisy dia miankina amina facteur be dia be fa tsy zavatra iray fotsiny.
5. Noue ( 07/04/2009 07:09)
dia mba inona zao no mba lazain'i essera @ ity baranahiny ity? sa zao no atao oe demokrasia tgv?

Niova tanteraka Analakely. Saingy tsy mba niova nihatsara fa niverina amin'ny baranahiny. Raha ny fanendahana sy ny asan-jiolahy mitovitovy amin'izany no mitranga amin'ny antoandro, indrindra rehefa misy ny fitokonana, dia tranga hafa no manampy izany rehefa milentika ny masoandro. Eo aloha ny fisian'ny olona mivalan-drano etsy sy eroa, mba tsy hilazàna hoe eny amin'izay tiany. Manampy izay koa ny fisian'ny mpitandro ny filaminana manao fanamiana sy mitondra basy, sady mandehandeha manerana an'Analakely nefa misotro zava-pisotro mahamamo. Asa na hadino tanteraka ny lalàna mifehy azy ireny na koa odian-tsy hita fotsiny nefa dia manome vahana ny didin'ny...besandry. Zava-misy iray hafa ary tena nahatalanjona ny firongatry ny mpivaro-tena eny an-toerana. Asa na misy ifandraisany amin'ny fikatonan'ny toeram-piasana maromaro eto an-drenivohitra izany ka nitarika fahaverezan'asa fa tena lasa feno mpivaron-tena Analakely. Tsy misy henatra intsony ny an'ireo miakatra eo raha somary mba niafinafina tany Tsaralalàna sy ny toeran-kafa teo aloha. Izany rehetra izany no mitambatra ka lasa manome fijery hafa ity toerana manan-tantara izay toa lasa ifandimbiasan'ny savorovoro sy ny asan-jiolahy amin'ny antoandro ary ny baranahiny isan-karazany kosa rehefa mody ny masoandro.
6. hery ( 07/04/2009 07:45)
essera>

Nodorana ny Tiko ary efa nikatona. Tsy misy fomba hahafahan'ny tetezamita maka ny hetra aminy akory. Izany ange no ilazàna foana hoe aza entina @ fo fa mba ento amin'ny saina e. Raha tsy nasaina nodorana daholo ny fananan-dRavalo dia ireny no namidy raha tena tsy nahaloa hetra marina izy.
7. xxx ( 07/04/2009 07:58)
Ny ahy ny tena ohatry ny mampé de ity santionan'ny kabarin'ingahy teto Majunga ity hoe:
".....Amin'ity herinandro ity dia hamidy mora ny menaka izay 2.500Ar ny litatra. Ay tsy aiza no hivarotana azy fa eto amin'ity toerana ity (sady nanondro ny tokontanin'ny hotel de ville Majunga izy)....."
Noho izany dia tsy famatsiana haharitra izan ilay menaka fa mandalo fotsiny ihany, ary tsy hahafehy ilay vidinjavatra haharitra akory izany.
8. coucou2 ( 07/04/2009 08:41)
Lazaina fa tsy nahaloa hetra ny tiko de zay no antony anakatonana azy nefa zao tambatambazana indray ny tiko mba hosokafana.Voaloha ndray nga le hetra tao???? Hita mitsy oe fialonana tsotr'izao ny any TGV
9. ravatorano ( 07/04/2009 08:44)
tena marina zany ratovoary ah
zay tokoa
essera < io resaka hetra io koa mbola tsy tena mazava amiko loatra.
Aza hadino fa tamin'ny fitondran'Ingahy Ravalomanana dia betsaka ny entana tsy notataovana hetra ary voalaza tao ami'ny lalana mamehy ny teti-bolam-panjakana izany na ny loi des finances.Boaikely aza fetsy ka vao maika fa mpandraharaha efa matihanina !
Tokony tsy antotan'isa fotsiny no avoakan'ny ao amin'ny HATfa tena misy ny andinidininy avy mikasika izany fa raha misy izany dia tsy maintsy aloan'ny orinasa notantanin'Ingahy Ravalomanana satria vola tokony hiditra ho an'ny firenena.Izao mikatona ny orinasa tiko ka inona ary no handoavany izany hetra izany sa hatao tolobidy malalaka ny orinasa ka ho raisin"ny HAT ny fanaovana izany mba hahafahany mamerina izany vola be izany
Ny marina kosa dia izao ny antsika dia lazaina fa "grand dossier" izao e ! efa misokatra ny akety e ho avy tsy ho ela ny fitsarana e fa avy eo raha vao mahazo toerana marimarina eo dia maty momoka any ilay izy hany ka na ny mpamono olona sy ny nitarika izany hatramin'ny aogositra 1991 aza izao votsotra tsisy resaka tsonya ry dia ho very maian ny rà-n'ireo olona maty tamin'izany,nefa dia ao amin' io HAT misy olona niady mafy tamin'izany ary mbola miady mafy ihany koa ny tsy amelana ny momba ny 07 fevrier 2009 teo
Dia ho hita eo moa fa efa nahazo toeranaizy io zao !
10. Mirananirina ( 07/04/2009 09:12)
Ka efa hoe miandry ny vola avy aty andafy hono ko,hiveloman'ny tgv.Isika vahoaka,mivelona aminy tany sy anatraka
11. Oay ( 07/04/2009 09:21)
Mirananirina:

Ka efa hoe miandry ny vola avy aty andafy hono ko,hiveloman'ny tgv.Isika vahoaka,mivelona aminy tany sy anatraka


Ka i Mirananirina ary tsy aty Madagasikara sa diso za! (ozy Mirananirina hoe:"miandry vola avy aty andafy tokony hoe miandry vola avy any andafy raha ohatra i Mirana aty Madagasikara)
ny traka miaraka @ menaka efa mahazatra ny sarambabebahoaka aty é!


12. Mirananirina ( 07/04/2009 10:08)
Ka i Mirananirina ary tsy aty Madagasikara sa diso za! (ozy Mirananirina hoe:"miandry vola avy aty andafy tokony hoe miandry vola avy any andafy raha ohatra i Mirana aty Madagasikara)
ny traka miaraka @ menaka efa mahazatra ny sarambabebahoaka aty é!

Oay a,eto Paris aho,fa any Madagascar foana ny saiko.Mijery ireo mpiray tanindrazana :)
13. fijo ( 07/04/2009 22:29)
tena ita hoe kitoatoa ity HAT ity ka.toa tsy misy zavatra ten avoahevitra fa toa izay nofy halian no resahina ny ampitso.
14. nancy ( 07/04/2009 23:01)
Fa maninona oa isika no mijery fotsiny e, sy manaiky fotsiny nefa efa hita fa tena tsy rariny anie izao e. Betsaka ny olona milaza fa tsy mankasitraka an'izao fitondrana jiolahy izao nefa dia tsy mihetsika....Hiandry rahoviana indray ary vao hoesorina teo ireo e?
Izaho aloha mba miezaka mitolona foana isanandro fa saingy raha izaho sy izay sasany irery anie ry reto no hiady irery dia tsy hahavita hanala an'ireo eo e, mila ampiana tosika amin'ny isan'ny mpitolona .... koa tongava re mba manatevin-daharana eny amin'ny 13 mai na/sy ambohijatovo......sao ho tara loatra lahy vao tena ho tonga saina isika ...

15. klitika ( 07/04/2009 23:39)
Nareo ve tsy mba nahatsikaritra fa misy lehiben'Antoko politika tsy mba mahazo seza mihintsy raha tsy avy manakorontana na aorian'ny korontana mantsy eh sao tezitra indray ny sasany. Iza ary io?
16. fijo ( 08/04/2009 21:31)
hihi marina mihintsy izany
17. fanou14 ( 09/04/2009 07:46)
coucou2:

Lazaina fa tsy nahaloa hetra ny tiko de zay no antony anakatonana azy nefa zao tambatambazana indray ny tiko mba hosokafana.Voaloha ndray nga le hetra tao???? Hita mitsy oe fialonana tsotr'izao ny any TGV

tsy fialonana velively ry kala io a, aleo hiodina mba hamerenany ny vola nalainy satria raha atao ny compte dia an'ny vahoaka ny tiko satria ny vola tao @ tresor no nanaovana garanti ny entana rehetra tany ivelany donc an'ny fanjakana io zany sady efa nanaiky koa anie ny rsponsable ao @ tiko e, lazaiko anao tokoa fa tsy nandoa hetra mihitsy ny groupe tiko , ra mba fatantrao mantsy ny vola tokony alohany @ douane dia ???? , fa ianareo ohatry tsy mampaninona anreo mintsy lay ra8 naka vola atsy sy eroa sy fanaovany monopolisation ny ppn , ny fakana tanin'olona , ny hazo (bois de rose sns ) fa dia ohatra ny dia tena tongalafatra ery , io zany , n'iza2 eo refa tsy mety dia tsy mety , amiko manokana nanao tsy fanao ra8 donc miala , ra tsy tianareo tgv , soloy olona hafa fa ra8 , dia aleho kosa izy mba hiala @ zay e , efa be ny azony , tsy ianao hoy aho no tratran'izany fankana ankeriny ny tany izany ka mbola tia azy , izaho mba anisan'ny nifidy ihany saingy indrisy , le jour òu il a pri nos terres , nos bois , je dis non , non et encore non , ampy izay ,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9412