fanampian'ny lafrantsa

1. diamondra27 ( 06/04/2009 13:07)
tsy vao zao @ andron'i tgv zao ny lafrantsa no manampy ny malagasy fa efa hatry ny ela tokoa

matahotra ny very fihinana koa ve sa ahoana e?

inona marina no tena tombotsoan'ny france amin'ny madagascar

http://www.iledefrance.fr/uploads/tx_base/IDF22-PLANETE.pdf
novalian'i milamm ny 06/04/2009 16:05
2. milamm ( 06/04/2009 13:56)
fangoronan'i frantsa mivantana na an-kolaka ireo harenantsika rehetra sy fanjanahana ara-toekarena,koltoraly,ara-pivavahana,fanabeazana ary fiankina-doha tanteraka aminy zareo e sy fahaleovan-tena ara-taratasy fotsiny izay no nanohanany ny padesm sy ny taranany noho ny fisaraham-bazana nisy t@ MDRM satria nahitany frantsay tombotsoa tanteraka hatr@ izao ka araho kely,

ny fisolelahany padesm sy ny taranany ary i frantsa hiara-mambotry an'i M.kara,gazety Voromahery laharana faha-85 nivoaka ny faha-20 Aprily 1948, Nanamafy izany izany RANDIMBY Albert,

«Tsy antoko politika ny PADESM, fa fivondronana, manao ho tanjona ny fampiakarana ny fari-piainan'ny Tanindrana avy amin'ny fampandrosoana ny fibeazany sy fianarany, ka avy amin'izany, dia adidiny ny mampikambana tsy misy fepetra ny mandray anjara feno ny fampivoarana ara-pitondra-tena sy ara-kirakira ity tany ity. Ireto teny telo ireto no ijoroany: firaiketam-po, fanoavana ary fanajana tanteraka an'i Frantsa, izay tao anatin'ny 50 taona izao dia tsy nitandro hasasarana mihitsy nampivelatra ny ity tany ity»
- Tsiranana Philibert
- Norbert Zafimahova
- Velonjara Pascal (père de Céline Ratsiraka et de Hortense Raveloson Mahasampo)
- Raveloson Mahasampo père
- Ratsiraka Albert, père de Didier Ratsiraka, un des principaux collaborateurs des colonialistes en 1947
- Ramambason Daniel
- Marson, père d'Evariste
- Rakotovahiny, père d'Emmanuel
- Ratsimandrava, père du colonel assassiné
- Ravony Jules, père de Francisque qui est gendre de Tsirananana
- Ramanandafy
- Albert Sylla, le père de Jacques Sylla
Nandresy ny PADESM, saingy tsy ny PADESM rehetra akory, fa ny Tanindrana irery, ary tsy ny Tanindrana rehetra koa, fa ny elatra «TELOMIOVA», izay tsy nifankahazo koa taty aoriana :
1 - ny elatra TSIRANANA Philibert, sosialy demokraty, nitondra ny Repoblika Voalohany.
2 - ny elatra Pascal VELONJARA sy RATSIRAKA Albert : sosialista revolisionera nitantana ny Repoblika faha-II.
3 - ny elatra ZAFIMAHOVA : liberaly, nitondra ny ampahany voalohany tamin'ny Repoblika faha-III.
Dia niverina hitondra ny ampahany faharoa amin'ny Repoblika faha-III hankamin'ny Repoblika faha-IV izao indray ny elatra Velonjara/Ratsiraka Albert, saingy, niofo ho homanista-ekolojika indray.
Ary ireo no jerena dia fantatrao @ izay iza avy ireo dinozoro ampian'ny club des 48(ahitana an'i Andriatsitohaina sy ireto Ramaroson ireto sns) ,50 taona fanapotehana nokolokoloin'ny frantsay nefa notanterahan'ireo mpitondra malagasy t@ ireo mpiray tanindrazana aminy,rà mandriaka vatosoa sy volamena ary ala sy vokatra ,olona sy zaza koa aza nangalarin'izy ireo teto M.kara ...i andry dia pitiny kely fotsiny nentina nandrodana ilay lehilahy fanatenan'i Gasikara dia i Ravalomanana(na dia niaiky ny tsy nety nataony aza izy miloloha lanitra ka tsy maintsy lena...)
Anjarantsika tsirairay no mieritreritra tsy ho entin'ny fo fotsiny fa ny tombotsoam-pirenena no jerena izay nopotehin'ireo olona ireo sy ny taranany,tsy momba an-dRavalomanana aho fa iny monopolisation ny secteurs clés économique iny ihany,sy ny afera DAEWOO izay tsy nisy tanteraka no fomba hiarovan-dRavalomanana tena ara-bola na tsy justifier aza nefa dia namokatra asa marobe ireo malagasy sy nampandroso zavatra marobe tsy hita teto amintsika


3. milamm ( 06/04/2009 14:05)
fehiny,tsarovy fa an'ny malagasy 20 millions i M.kara fa tsy an'ny padesm sy ny taranany intsony izay henatry ny tolona 1947 izany satria mandohalika ny fahantrana ilay nosintsika
4. Mirananirina ( 06/04/2009 14:47)
Hay,raha manampy ara-bola ary izy ,dia ahoana?
5. milamm ( 06/04/2009 16:05)
dia vatosoa sy volamena ary harena ankibo'ny tany marobe no takalony, ils ne sont jamais venu pour la solidarité ni pour donner ou aider mais pour cambrioler les français
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0764