HO INONAO...

1. Zozoro ( 06/04/2009 13:03)
...Ho inonao ny setrasetra
Sy ireo lango fandemena
Ry Fitiavana ato anaty
Izay mitafy Fahenrena.....!!!

Aza miantso tody akory
Na hanozona ny anjarany
Fa hany Hery, sy Fitàna...
...Dia Fisainana ...no Farany...

Zozoro

novalian'i Zozoro ny 03/05/2009 21:15
2. xxx ( 06/04/2009 14:20)
Zozoro:

...Ho inonao ny setrasetra
Sy ireo lango fandemena
Ry Fitiavana ato anaty
Izay mitafy Fahenrena.....!!!

Aza miantso tody akory
Na hanozona ny anjarany
Fa hany Hery, sy Fitàna...
...Dia Fisainana ...no Farany...

Zozoro

Fahendrena tanteraka... ary iderako anao manokana tokoa...ianao dia ianao ihany, fantatrao ny IANAO... Tsotra anefa ...tena marina

3. Zozoro ( 06/04/2009 15:12)
xxx : Fa iza moa ianao no miseho mahalala ny ato amp-poko ???
4. xxx ( 06/04/2009 15:18)
Zozoro:

xxx : Fa iza moa ianao no miseho mahalala ny ato amp-poko ???

Ny ao amponao tsy fantatro ...(tanteraka) ...fa ny ahafantarako na ny aminaniko anao sy ny ianao ary ny anao dia ny eny antsefatsefakin'ny tononkalonao...Izay tena kanto.

Aza mitsahatra ny manoratra fa tena ankafizina ny vetsonao.

5. benasy ( 07/04/2009 10:28)
Tsy zozoro foana no anaranao fa toetra sy fanahy koa !
Tsy folaka fa mandefitra.... Ary izany indrindra no ilay "ianao" fantatro hatrizay

"...Soraty ihany hatrany hatrany, ny hafatra nomena antsika !
Aza misy ovàna dika...."

Mankasitraka ! Lazaiko azy ny hafatrao fa hitako izy rahariva, raha sendra mazava ny etsy an-tokontany etsy !
6. Zozoro ( 09/04/2009 14:44)
benasy:

Iza izany olona izany ry benasy ?
7. benasy ( 10/04/2009 10:27)
"Izy" ve ? any "izy"; tia manetry tena izay izy ka mahasadaikatra ahy ny hilaza eto ny aminy....ndrao maha-saro-piserana !

Nanome fotoana anao izany "izy" rahariva, "rehefa miposaka ny volana" hoy ny hafatra napetrany ; asa, tsaroanao ve ?
8. sarobidy ( 10/04/2009 12:15)
mitady ilatsaka ny ranomasoko mamaky ny tononkalonareo :snif:
9. xxx ( 10/04/2009 15:05)
benasy:

"Izy" ve ? any "izy"; tia manetry tena izay izy ka mahasadaikatra ahy ny hilaza eto ny aminy....ndrao maha-saro-piserana !

Nanome fotoana anao izany "izy" rahariva, "rehefa miposaka ny volana" hoy ny hafatra napetrany ; asa, tsaroanao ve ?

Tsaroany ka... ho avy eo aho fa efa nifanao fotoana izahay, misaotra anao nampita. Aza hadino zozoro an !! rehefa miposaka ny volana ! isika ihany.
10. Zozoro ( 10/04/2009 19:45)
sarobidy:

mitady ilatsaka ny ranomasoko mamaky ny tononkalonareo :snif:

Ho an'i sarobidy

Aza mitoloko na koa latsa-dranomaso,
Fa ny vetso fitambaran'ny hafaliana, ny ankaso
Izay natao toa tononkira ampitaina any ho any
Ho an'izay nofidina mba ho tolorana an'izany...

Fehezanteny kely monja nefa mamy sy voafidy
Satria notsoingaina mba ho tahiry, ho fitadidy
Ary indro lasa kalo tena fatratra indrindra
Ho an'ireo mpakafy ireo tononkalo voarindra.

Aoka tsy hanganoano ireo masonao ireo
Fa eritreritra iny...aingam-panahy anikeho...
Ao anatiny ny mamy...ao koa ny mangidy...
Nefa aoka mba ho tsiky no handravaka an'i sarobidy.

Zozoro
11. benasy ( 15/04/2009 11:00)
Dé ahoana izany ry Sarobidy ? aza tomany tsony e !

Raha ny lasana rehetra no tanisaina tsisy farany
Dia ny ratsy sy ny soa ; mirakitra izay ho tantarany
Tao ny lasa afak’omaly nampirotsaka tomany
Tao ny mbola tsiky vao ; izay no fiaianan eto an-tany

Nefa ireny lasa ireny, tsy mba azonao tsiniana
Vovoky ny lasa ihany, fa aloky ankehitriny
Ao ireny mampitsiky, misy maha te tomany
Ka manditsoka ny fo, fa raha maso leoko ihany

Solofomanjato
12. xxx ( 17/04/2009 13:27)
Zozoro a! manorata indray aky a! miandry aho an! :)
13. Henipitia ( 02/05/2009 14:55)
tsy haiko hoe inona no hery ao anatinao entinao manoratra fa tiako raha mifindra aty amiko io hery io :D .
tsy de mahavantana ahy loatra ny mijery tononkalo ato amin'ny serasera fa, saingy vô nijery za de nifidy lohateny, de ny nahagaga ahy ze lohateny nofidiko dia ainao daholo no nanoratra azy
mankasitraka
14. Zozoro ( 03/05/2009 21:15)
Henipitia:

tsy haiko hoe inona no hery ao anatinao entinao manoratra fa tiako raha mifindra aty amiko io hery io :D .
tsy de mahavantana ahy loatra ny mijery tononkalo ato amin'ny serasera fa, saingy vô nijery za de nifidy lohateny, de ny nahagaga ahy ze lohateny nofidiko dia ainao daholo no nanoratra azy
mankasitraka

Ny herin'ny "aingam-panahy"...izay angamba no azoko ilazana azy...Azo afindra ve ? ...izay indray aloha dia tsy fantatro...ary raha azo afindra ! atao ahoana no famindra azy ?...
Be ny mpanoratra ato amin'ny serasera, ary samy mahaliana avokoa fa mazotoa mamaky sy maka fy e !
Misaotra anao mankasitraka ireo mba voasoratro.
:) :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1701