"calendrier électoral"

1. ravatorano ( 04/04/2009 06:25)
Toy izao ary ny namaritan'ireo nivory teny Ivato ny 02 sy 03 avril 2009 teo ka namoahan-dry zareo ny fandaharana isan tsikajiny eo amin'ny fifidianana
-*septembre 2009 : Réferendum fitsampan-kevi-bahoaka : lalampanorenana vaovao)
-*octobre 2009 : fametrahana ny filankevi-pirenena momba ny fifidianana mahaleotena (commission électorale indépendante)
-*decembre 2009 : fifidianana ny filohan'ny fokotany
-*mars 2010 : fifidianana solombavambahoaka (legislatives : election deputés)
-*octobre 2010 : fifidianana filoham-pirenena
-*fevrier 2011 : fifidianana ben'ny tanana sy ny lehiben'ny faritra (communales et régionales)
-mars 2011 : sénatoriales (fifidianana senatera)
Raha izao zany no fipetrany dia haharitra 19 volana ny tetezamita !
novalian'i mion ny 06/04/2009 06:55
2. RATOVOARY ( 04/04/2009 06:59)
Raha izao zany no fipetrany dia haharitra 19 volana ny tetezamita !
Amin'izay izy dia mahazo fahatra tsara, sady mety ho hadinon'ny majy koa angamba hoy ny fiheverany ny anaran'ilay Dadany :-D .
3. ravatorano ( 04/04/2009 07:11)
raha efa ho roa taoan ve mbola tsy hahazo fahatra tsara tsy miala indray hanaovan'ny hafa kle !
4. xxx ( 04/04/2009 07:17)
Mazava tsara kosa angamba io ry TIM tenda kanina, sy ry anti-TGV, ary koa ireto miseho ny tenan'ny fa miaro ny ara-dalàna, mbola ao koa ny mpitaingi-tambo, ny mpangalatra, ny mpandaka voasary makirana, sns....(Ianareo lé migrevy e).
Io ny zavatra taki-tenisany ka dia mangina amin'izay. Mandana miasa, mianatra,sns... fa tsy faly mihainoaino fotsiny.
5. BOYSGOSS ( 04/04/2009 07:23)
Tsotra ny antony, tsy maintsy atao mahazo faka tsara ny mpomba ny TGV sy ireo dinosaure efa nitondra saingy tsy nahavita na inn na inn teo @ firenena ankoatra ny fanamafisana ny fahatrana.
Hafaka manangona sy manampy ny ao am-paosiny izy.
Mba nisy tetezamita ihany teto @ firenena taloha fa tsy nanaovana calcul mba haharitra b toy izany.
Aoka fotsiny mba tsy hifanome tsiny any aorina any ianareo samy ianareo makasitraka azy ary matoa te hanova mpitondra dia mino zah fa hiova koa ny farim-piainanareo.De mba tohizo ny fanomezana MOTOCULTEUR ireo tantsaha 80%.

MISAOTRA FA TSY MISY KOZY BETSAKA
6. xxx ( 04/04/2009 07:54)
efa tsy ekena io fitondrana io tsy maintsy miala,ny vola ihany ary ny vola hatrany ,ary rehefa tsy misy vola miala hoazy ry tgv sy ny forongony
7. xxx ( 04/04/2009 08:01)
rehefa tsy miasa ny piasa, tsy mianatra ny pianatra miongana hoazy io koa ndao hanao rodombe e
8. Mirananirina ( 04/04/2009 08:35)
Tena ela marina izany.Nahoana no hanaiky izany isika.Efa lanin-dry zalahy firy moa 44+1+10+100+1000+..........................ny volampanjakana,nefa tsy haninona tsy haninona fa tetezamita tsssssss
9. andrywui ( 04/04/2009 09:18)
Iza no nilaza tamin'ni MIRANA fa hanao anzany ry zareo raha ho tonga eo ??? iza no nilaza anreo rehetra fa hanao tantely afa-drakotra ny TGV zao ?? tsy fitiavan'olona fotsiny ny anareo !! sa mahalala ny ho avy ve hianareo ka tonga de mitsara mialoha ?? ary raha mifanohitra be amzay ary ny ho avy de ahoana ndray ??? innnn ndray no holazainareo ???
10. Mirananirina ( 04/04/2009 09:28)
Iza no nilaza tamin'ni MIRANA fa hanao anzany ry zareo raha ho tonga eo ??? iza no nilaza anreo rehetra fa hanao tantely afa-drakotra ny TGV zao ?? tsy fitiavan'olona fotsiny ny anareo !! sa mahalala ny ho avy ve hianareo ka tonga de mitsara mialoha ?? ary raha mifanohitra be amzay ary ny ho avy de ahoana ndray ??? innnn ndray no holazainareo ???

tsy nisy nilaza fa ny fahitako ny toetra-tsika gasy no lazaiko.Mihinana daholo izay tonga eo na Ratsiraka na Ra8 na tgv........
ary raha mifanohitra amin'izany no mitranga dia =D> =D> =D> =D>
11. andrywui ( 04/04/2009 09:36)
Hitanao !! ny atsika de le olona mihitsy xno tsy tiana fa tsy lay tsangakevitra !! ohatra Ratsirahonana !! haratsiana be eto !! nefa rah olona ahay hitondra firenena ve mis otr azy ?? ohatr Lahiniriako Jean !! vaovao benjamin tena olona natao hitondra firenena mihitsy ra ny fianarana nataony
12. Mirananirina ( 04/04/2009 09:40)
Hitanao !! ny atsika de le olona mihitsy xno tsy tiana fa tsy lay tsangakevitra !! ohatra Ratsirahonana !! haratsiana be eto !! nefa rah olona ahay hitondra firenena ve mis otr azy ?? ohatr Lahiniriako Jean !! vaovao benjamin tena olona natao hitondra firenena mihitsy ra ny fianarana nataony

Momba anao aho amin'izay.Mila olona vaova sy manampahaizana ny gasy hitondra ny firenena fa tsy ny teo ihany no teo,fiovana no tadiavina hahasoa ny firenena,fa tsy valifaty akory.
13. andrywui ( 04/04/2009 09:40)
aza jerena amin'ny fihavianay na ny lokony ny olona !! surttt ny firazanana de tsy tokony hankahalaina olona mihitsy !! fa mamofopofona anzay rah ny fijeriko ny tena fivoizan'ny TIM le membres ao amin HAT !!! ny traikefa hananany ny fianarana nataony ny traikefa politikany no jereo amin olona tompoko de handroso ny Tanindrazantsika !!!
14. andrywui ( 04/04/2009 09:48)
ary iza mo no nilaza taminareo fa hangalatra ny volampanjakana ireo olona reo !!endrikendrika !! fanalambaraka !! tsy fitiavan'olona !! fanavakavahana !! henjana reto TIM reto kah ! zay no mba politikany !! mitovy amindrainy ihany !! ze adala hono no to andrainy ee
15. xxx ( 04/04/2009 11:42)
ho anareo mpomba ny TGV ity hafatra ity,TSY ILAINA IO CALENDRIER ELECTORAL" io ny antony dia tsotra olona mpanongam-panjakana no nanao azy ,ka na inona filazanareo izay fahaizan'izao na izatsy compétences io, dia hajao aloha ny démocratie fa tsy fandrombaham-pahefana akory no ireharehana fa na mpitarika posiposy aza no ho lasa filoham-pirenena nohon'ny safidim-bahoaka dia izay no izy dia izay fa aza asiana resaka marim-pahaizana sy fahalalana fa samy nianatra ry zalahy isanyka raha tena demokraty marina dia hajao ny vahoaka aloha,dia avy eo miresaka,ary tokony hiala teo aloha io HAT sy ny firongony ireo,satria potika ny firenena!!!!,fa ny adin'ny miseho besandry rakoto tsarovy fa mbola hisy be sandry lavitra noho ianao!!!! ka aza mirehareha loatra,ny hainao mety tsy ho hain'olo,fa ny hain'olo mety tsy ho hainao!!!!!!!
16. ravatorano ( 06/04/2009 05:35)
mahagaga tokoa fa ny olona nianatra momba ny fitatanana ny asam-panjakana ireny indrindra no mamalan-kira reefa tonga eo amin'ny fitondrana.
Tsy mila resaka fiaviana sa firazanana io fa niaraha nahita izay efa nisy teto.ny ahy dia izay efa nandalovako sy niainako no hitako fa hatramin'izay aloha mbola tsisy mpitondra nanarina an'i madagasikara izany fa nameno ny paosiny no nataony teo hatramin'izay !
Asa angaha Ingahy zafy Albert no hitako tsy nahazo firy tamin'ny nitondrany fanjakana,tsy nanodina volam-bahoaka tsy nitatatra volam-panjakana na dia maro aza ny kiana natao taminy amin'ny fandaniam-bola amin'ilay hoe mada raid nefa ireny ampahafiri'ny fampiasana force one na ny air mad izay efa io lovain'ny mpitondra vaovao io izao indray !
Koa rehefa io izany ny "calendrier electoral" navoakan'ireo nivaory tao Ivato dia hezahin'ny HAT ny hanatontosa an'io fa tsy hihemotra amin' io zareo ka na iza faly na iza hanakana amn'io dia efa io izy.T handray anjara moa ny mpanohitra azy ireo dia arahaba soa arahaba tsara tsy T andray anjara dia efa adry zareo irery ny laka ka dia hiverina amin'ny "pensée unique" ihany isika satria ho "courant unique" no hitondra amin'izay ka tsy tokony hisy hikamenona indray hoe fa naninona no ......?
17. mion ( 06/04/2009 06:55)
ka io n'inn n'inn e, na 2001 na 2012 na rôvona na rôvina de refa tsy ara-dalana ny mpanapaka ireo daty ireo de tsy ara dalà na avokoa ze arosony eo.
c pas la peine d'y participer, tout au moins fidio ny
"tsia" .
tsy tafa io HAT io e, minorité ireo, 20 000 ressortissants ve ?
un français qui parle malgache à la tête de l'Etat Malagasy, c koi ce delire
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1862