Tsy ho tafita ihany tgv

21. soanja ( 04/04/2009 00:15)
xxx:

tsy arak'i Veloo angamba ilay resaka.
Mpandefa : soanja [ Valio ] 02-04-2009 16:27:27
Lohateny : Zah vonona hisolaleka!
Tsy haiko aloha ianareo fa ny tenako dia vonona hisolelaka amin'ity fanjakana vaovao ity satria izay ihany no hitako fanafody hanarenana ny firenena na hoe fika farany azo ampiharina.
teto izy vonona hisolelaka fa eto indray izy dia
Mivavaka isan'alina ny mba hisian'ny fifidianana haingana izao no hitako fa mahamety ny Mpiandry rehetra na TIM na TGV, raha lany fotoana hitady ody sy sampy dia hozy aho hoe lany fotoana mifampitolona amin'ny zavatra tsy dia mahamaika ny olombelona Gasy loatra. Ny sakafo izao no tena mahamaika antsika mianakavy! Asa na mba afaka mikaroka sy mangataka ireo mana ry zareo avy amin'ilay Andriamanitra Iray Tsy Toha!
ka tsy araka ilay izy raha vonona hisolelaka hivavaka ve sa vonona hisolelaka @ inona marina?


Ianareo zao no atao hoe misolelaka rehefa nandinika ny fanazavan'i Fijo sy RaPa aho. Misolelaka amin'iza ? amin-dRa8. Ny ahy anie ka vonona aho hisolelaka raha ilaina izany satria fantatro ny zavamitranga tany amin'ny andron'i Ra8.

Amiko n'iza n'iza izay tonga eo dia iasako tsara fa tsy handany andro aho handrangitra olona sy hanasoketa olona eto. Vitao eto ny fisolelahanareo e! Ny ahy asa arahim-bavaka no hamitako azy!

Ary betsaka ihany kay ry zareo ato no manohana mpanompo sampy rehefa dinihina ihany hoe milaza azy ho Xtianina. Inona marina ary io finoana arahina io? sampy sa vola sa inona? sa fiantsarambelatsihy. Ny mahantra ary solotenan'i Krsity tsy hita veroka fa karedohana ao anaty bodifotsy lazaina hoe dodo nareo na andao nareo atao sorona! Mihevera tena re ry Malagasy fa tsy vitan'izay resaka ambony latabatra izy ity!

Hery> Tsy mbola nitatatra volan'iza n'iza aloha aho hatramin'izao fa raha be dia be ny avy any an-tsaha dia raisiko. Hatramin'izao aloha ry zareo nataon-dRa8 kitay fitaingenana mba handorany ny firenena.

Raha tsy nanao ny nataony Ra8 dia tsy toy izao ny firenena! Isaorako Andriamanitra hanome hery hisolelaka raha toa ka ilaina izany!




© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2682