Mesures anti-économiques rehefa tia ahazo fom-bahoaka, Lozab

1. penguin ( 03/04/2009 08:13)
Resaka tsy mitombona ary loza no ataon'ny fitondrana tetezamita. Tairina ny vahoaka ary faly sy mitsinjaka saingy tsy hainy fa tsy ho tafavoaka io. Resa-be tao anaty taxi-be satria nisy nitondra mofo 200 Ariary (1000 fmg) tamin'ny sobiaka izay nojeren'ny olona kinanjo mofo kely mampalahelo. Koa inona no tsy hividianana mofo tapany 750 fmg fa hividy ity salany kely lafo. Endriny iray io saingy mifaly satria azo ny fahefana. Dia hijaly mafy kokoa noho izao ny Malagasy satria lazain'i andry tgvendrana fa osa tsy maharaka fifaninana ny Indostria Malagasy nefa ahoana no ahafahan'izany ahenika ny tsena Malagasy. Tsy izao no mahamety hanatotofana vokatra avy ivelany hoy ity tgvendrana ity. Vitan'ny orakoraka ny toe-karena izany.
novalian'i penguin ny 03/04/2009 14:27
2. yuka ( 03/04/2009 08:50)
Ny mapime koa dia milaza fa tsisy zavatra vitan-dravalo.nefa dedaka ery mampiasa ny 5 etoile eny Ivato tsy menatra :-D :-D :-D
3. penguin ( 03/04/2009 09:07)
Iny tsy mahagaga satria tairina amin'ny hoe volam-bahoaka no nanaovana an'io fa tao amposin-DRa8. Marina izany ary aza mba mifaninana amin'ny ratsy ka hanjera tetezana. Tetezamita no hozongozo, hozongozo fa ny marina sy ny zava-bita tsy hanenenanao ary hizahavana anao amin'ny manaraka. Nanaiky ny nandatsaka ny saran-dàlana ny zotra nasionaly ka hitohy vé izany satria efa nahazo tombony izy hatrizay fa izao vao nasehony izany. Resaka toe-karena sy asa no resahina ary mbola mamerina aho hoe ho avy aty Madagasikara daholo ireo mpianatr'i Harvard, Berckley, Cambridge, Columbia sns hianatra raha vitan-tsiaka izany hifehy ny vidim-piainana tsy hisondrotra ary ho zakan'ny be sy ny maro amin'ny fahaizana izany. Soa lehibe ho an'ny tanidrazana izany koa inona moa no hiadivana amin'izany. Saingy lozabe kosa raha resaka TIP TOP manentsinentsina sy manaitaitra fotsiny.
4. Andribe ( 03/04/2009 09:11)
in le tip top kle =)) =)) =)) =)) =)) =))
5. penguin ( 03/04/2009 09:26)
Tsy nahay ny fitenin-drizalahy ny fanamboarana sy fanentsemana làlana goaka tamin'ny andron'ny deba ngah andribe ? Efa misy mitondra biriky hantsentsina lavaka ary mangataka vola izao eny fa na eto amin'ny Tunel Ambohidahy aza.
6. tsoraka ( 03/04/2009 09:46)
Aza malaina ny hiadàna ry penguin a. Efa ho tretrika indray ny Malagasy vao mimenomenona ve ka ho ataon'ny miaramila hoe: felahana ka eh eh eh, dakana ka eh eh eh, vonoina ka eh eh eh, omena vodibasy ka eh eh eh aleo tifirina ho faty mhintsy.
7. xxx ( 03/04/2009 10:22)
fita oa ry !, ampetraka aminy alalany hery ka eh eh eh, miseho etsy sy eroa ka eh eh eh, milaza fa ara-dalàna fa eh eh eh, nandefa ani Hasina tany la frantsa fa eh eh eh, nahena ny vidiny mofo sy ny lanjany fa eh eh eh, mpanonga-panjakana foana e.
8. xxx ( 03/04/2009 10:47)
hihihih i Kotozafy foana iany no Alexis ve ry x xx ? Hahaha
9. penguin ( 03/04/2009 14:27)
Mofo mahia sady fohy koa tsy naleo ihany nividy mofo tapany 750 fmg vé ry TGVendrana a ? Ny taxi-be ngah tsy ahena 1000 fmg ny eto andrenivohitra. Hahahaha. Ny karaman'ny mpiasampanjakana koa ahenao fa efa mihena ny vidim-piainana. Hahahaha =)) =)) =))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0803