Moa ve mety mitombona tokoa izany?

21. ikaretsaka ( 06/04/2009 22:53)
Inona tokoa moa ny tena antony mahatonga ilay nymphomanie e
22. tess ( 07/04/2009 05:34)
maladie ireny ry ika! otran'ny homo ihany
23. Mirananirina ( 07/04/2009 09:40)
za manana cousine izay tratran'io fa mampalahelo,nefa efa manambady;na bevohoka ary izy ka tsy eo ny vadiny,dia lasa mitady,tena aretina fa tsy makorely akory an.
24. ikaretsaka ( 08/04/2009 03:00)
Ka ny antony nahatonga azy ho lasa sy mila ohatran izany no mba tiakp ho fantatra
25. soanja ( 08/04/2009 04:40)
lemenakely:

Ny vehivavy hono rehefa miaraka @ lehilahy be dia be (izany hoe misy firaisana mihintsy) dia manjary manana toetra hafahafa ary sarotra iaraha-monina

Asa mety mitombona ve izany? :roll:


Miankina amin'ny firahamonina iainan'ilay olona no tena ankamaroan'ny fisian'izany seho izany fa saingy tsy voatery izay tanteraka anefa.

Raha nanao fanadihandihana aho resaka fanambadiana sy fiarahana ary fahasambaran'ny vehivavy manambady tao Mada dia ny vokatra azo dia raha tsy mitsaratsara olona loatra ilay fiarahamonina amin'izay zavatra sy fihetsika ataon'ny olona ao anatiny dia milamina kokoa ny zavamisy, zany hoe vitsy ny olana mitranga ara-pifandraisana. Fa raha toa kosa ambony be ny fitakian'ny fiarahamonina ny fomba fiaina sy fihetsika iriariavan''ny rehetra dia mitondra fiforetan'aina ho an'ny tsirairay izany. Ka hita taratra izany na any amin'ny zaza sy ny ankizy miaina ao aza.

Raisiko ny ohatra. Ny olona amin'ny tanana iray fantatro dia mamela tsy mitsara ny vehivavy rehetra ao aminy , izay avy amin'io tanana io fa tsy mpihavy, handeha hivaro-tena na hiakatra sambo rehefa misy sambo vazaha tonga ao. Ny olona rehetra mihitsy ao amin'ny ilay tanana no miaramietanentana amin'izany fahatongavan'ny sambo izany ary izy rehetra dia mahatsapa fa misy fampivoarana ara-toekarena amin'ny rehetra rehefa misy io fotoana io. Amin'ny andavanandro koa anefa dia rehefa miaraka ny lehilahy sy vehivavy tsy misy resaka vazaha fa samy gasy dia misy koa ny fandoavam-bola sy ny fiviadianana akanjo tsara tarehy na volamena sns... Tsy misy mifampiantso hoe ianao makorelina sns ry zareo na hoe mahazo tondro molotra raha tsy hoe misy angamba ny fifandirana fisahotahana tombotsoa ka lasa'ny hafa ny tombotsoan'ny hafa. Ireo olona ireo rehefa dinihina dia milamina ny sainy satria izay no kolontsainy ary manaiky izany ny fiarahamonina. Ireo olona ireo koa anefa tsy hanaiky mihitsy ho kilasiana ho mpivarotena nefa dia raha dinihina dia mivarotra ihany fa amin'ny fomba ankolaka. Ny manana karatra mahazo mivarotra ihany no tena izy. Ny tiako hahatongavana dia hoe ireo olona ireo no mora iraha-miaina indrindra satria matetika ireo no manana fo mahay mandray ny somary very sy ny tsy manan-kaleha ary ny fanina amin'ny fiainana, indrindra ka raha mijaly izy any ampanambadiana any. Betsaka ny lehilahy no te hiaraka amin'ireo ho elabe sy hiara miaina saingy tsy afaka satria izay ny momba azy ireo.

Misy koa anefa fiarahamonina iray, vao miova sipa indroa ianao ao anaty taona iray dia avy hatrany ny fametahana anarana sy ny fanasoketana ilay zatovovavy. Moramora amin'io vehivavy io mihitsy ny hisonkiny na hiferotra ary masiaka tokoa izy satria manao ezaka izy mba hitady izay mahasambatra azy nefa ny fiarahamonina mibedy sy mitsara tsy misy ohatr'izany. Izy anefa amin'ny tsy kilasin'ny nivarotra akory na hoe niovaova hoe isam-bolana dia hafa. Mety mbola fitsapana izany fitiavana no voalohany, fakana toky ny faharoa ary ny fahatelo vao tena fiainana ao anaty fitiavana. Nefa dia efa indro ny mpanondro molotra mahita raha tarognina.

Raha ny vazaha indray dia mazava. Fiainana samy maka ho azy ka ao ny fitaizana , ny toetra voa-janahary, ny fierehana arahina sns... I Madonna angamba tsy ny fiovaovan'ny lehilahy niaraka taminy ny olany fa ny vola ananana no maha sarotiny azy ary ny fiainany izy no tiany hitondra azy fa tsy ny hafa.


26. tess ( 08/04/2009 05:47)
IKARETSAKA: io efa nolazaiko io, resaka psikolojika lay izy ......
27. lemenakely ( 10/04/2009 11:26)
tess:

IKARETSAKA: io efa nolazaiko io, resaka psikolojika lay izy ......



OK ary e
28. ikaretsaka ( 13/04/2009 03:25)
ka le hoe inona no miyarika le psykolojia hanaop izany..
ohatran'ny hoe ny mamo lava na ny right wing freako (thanx cutie) dia misy antony ao fa tsy hoe satria olana psy fotsiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3584