Hadinon'i TGVendrana lay hoe tsy handray karama fa sehatra

1. penguin ( 01/04/2009 09:21)
Mbola any vé lay hoe tsy handray karama andry tgvendrana ry mpomba azy a ? Sa sehatra hafa ny HAT ka tsy asiana izay resaka izay ? Hiana aty Madagasikara daholo ny Harvard sy ny Cambrige ary ny namany rehefa voaporofon'ny tgvendrana rehetra fa ho fehezin'ny Malagasy tarihiny ny toe-karena ary tsy mikoso-maso amin'ny vahiny. Hahaha Frantsa mantsy tsy vahiny fa reny. Hahaha. Mbola famoahana gadra hampitahotra sy hamono ny mpomba ny ara-dàlana aloha no malaza fa ny vary mbola famerenana ny filaharana lavabe miaraka amin'ny Carnet. Mahatsiaro lay taloha vé dia ny tanora haigam-pandeha no miverina ?
novalian'i penguin ny 01/04/2009 11:47
2. tataka ( 01/04/2009 09:44)
Ahoana no tsy handray karama fa hanao azy be nohon'ny noraisin'ny solombavam-bahoaka aza no tanjona satria tsy mitovy ny isa. Izay no hanomezana roa hetsy isan'isany ireo naratra sy havan'ny namoy ny ainy hampiakarana ny tena eo amin'izao fitondrana izao. Mahampy ny naratra izay fa ny ahy sy ny membra HAT sehatra hafa. Ataovy ihany ny mijanona ho fitaovana ry vahoaka madinika.
3. Oay ( 01/04/2009 09:50)
Mahafinaritra ilay resak'i tataka fa ny mampalahelo anie ry tataka d ilay vahoaka madinika tsy manana aterineto d tsy mahita ilay kozy mahafinaritra be toa izao é!
4. papala ( 01/04/2009 10:02)
natao ho mpitolona fotsiny ihany ny vahoaka madinika ka, fa tsy natao hijery aterineto , efa misy kilasiny daholo mantsy ny olona rehetra eeeeee!. 8O 8O 8O 8O 8O 8O
5. Oay ( 01/04/2009 10:12)
papala:

natao ho mpitolona fotsiny ihany ny vahoaka madinika ka, fa tsy natao hijery aterineto , efa misy kilasiny daholo mantsy ny olona rehetra eeeeee!. 8O 8O 8O 8O 8O 8O



Ohatrany marina izany kozin-drapapala zany klé!
6. penguin ( 01/04/2009 11:47)
an an an omena vola isam-bolana ho fahatsiarovana ny herim-pony nahazoanay ny seza ka. Rehefa vendrana hoy ny TGVendrana dia alefa mirosoroso fa isiaka miala ilany fa ny fatin'ireny no ahazoan-tsiaka ny seza. Ny antsiaka ny saina no miasa fa ny an'ireny ny fony ka ny fony ihany koa no domina mba ho faly ary hihevitra fa ahazo ny vola azon-tsiaka. Sa moa tsy handray karama isiaka fa omena izay nitolona mafy. Miandry ny fampisondrotan-karama koa izahay CAPSAT é, aiza fa maika é.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0351