Manenina zay i Ra8!
21. lasa
(
01/04/2009 10:24)
Ka zay indrindra anie hoa e!samy manao politika daholo,ary samytompony ka tsy misy atao mahagaga. ;-)
22. soanja
(
01/04/2009 13:48)
ravatorano:
ny tsy azoko koa dia ity inona no nanosika an'Ingahy Ravalomanana nanao iny famindram-pahefana iny nefa "betsaka" ny olona momba sy afaka miaro azy ary koa tsy nitsanga-menatra mihitsy tamin'ny fiambenanan an'Iavoloha ?
Inona no nahatonga an'Ingahy Ravalomanana nanao iny didy hitsivolana izay tsy hita mihitsy ao anaty lalampanorenana iny zay tsy mifanaraka amin'izany mihitsy aza fa nivoana ?
Fa naninona ary izy no natahotra ka niala teto Madagasikara ? Ohatran'ny hoe nilavo lefona ranamana ary namela kamboty velon-draay ireo zanany !
Tsy azoko izany mihitsy ilay politika !
Ekeko fa nisy koposoroka tokoa nataon'ny TGTv satria ry zareo nanao auto-proclamation ! nanao gouvernement insurrectionnel teny andalam-be ! nanao fandikana ny lalampanorenana ihany koa tamin iny investiture na installation hafahafa iny ! ity koa tsy azoko ary averiko foana ny HCC ve ry olona tsy manana hazon-damosina mihitsy fa hita fa efa tsy mety izao ilay didy hitsivolna dia mbola nekena ihany hoe mitombina ah ?
Tsy azoko wa !
Ingahy Ravalomanana tokony nanome fahefana ny president Sénat tsy nanao an izany fa ny directoire militaire no nomeny azy sa Ingahy Ivan tsy sahy nandray andraikitra ihany koa ka inona no mbola mampikorapaka an i lery fa tsy mipetraka fotsiny amizao reefa tsy sahy mandray andraikitra !
Ny directoire militaire nomena fahefana koa tsy sahy nandray andraikitra fa avy dia nanome izany tamin'Ingahy Andry Rajoelina reefa nisy ireny savorovoro teny amin'ny Episcopat antanimena ireny ! dia mbola tsy azoko !
Niteny ireo jeneraly ireo fa tsy noterena na novozonana fa atsitrapo no nanaovany ilay famindrampahefana "sandoka" satria tsy manaraka ny lalampanorenana malagasy.Tsy niandry ela anefa ny HCC fa nankato izany fampindram-pahefanana izany !
Tena tsy azoko e !
Za rahateo tsy nianatra momba ny lalana amin'ny akapobeany indrindra fa ny fianrana manokana momba ny lalampanorenanan fa dia fanamarihana miaro tsy fahazahoana ny fandehan'ny raharaham-pirenena fotsiny ihany no mba lazaiko sy asehoko eto !
:wink:
Misaotra anao eram-po eran-tsaina ny tenako tamin'ny fanehoanao ny zavanisy an-kahalalahana sy izay tsapanao. Itovizantsika ny hevitra! Soanja
23. soanja
(
01/04/2009 14:08)
Noue:
yuka:izay indrindra manko eee ! fa i soanja ve mihevitra fa olona masina daholo ireo goaika ireo ee ?? mba nisy na IRAY t@ zareo ireo ve mba nanao tahaka an'i Ravalomanana? nahay niaiky ary nibaboka ny fahadisoany? aiza re zany eee !!!
Satria nahatsapa ny fadisoany izy ary efa nibaboka,dia tsarovy fa miomehy sy maneso azy ny tena vrai-devoly,faly kosa Andriamanitra raha misy panota iray mibebaka.
Noue> Raha toa ka manoritra ny zavatra tsy tiako momba an-dRa8 aho satria diso fanantenana tamin'ny zavatra nataony. Tsy nametraka ny fitokisako tamin'izay goain-kantitra aho ary tsy niady mafy , tsy natory, tsy nanao ny aiko tsy ho zavatra tamin'ireo olon-kafa afa tsy i Ra8. I Ra8 tamiko dia toy ny fahitako an'i Obama amin'izao. Tsy mora ny ady natrehana tamin'ny fametrahana an'ireo. Raha nandinika ianao tamin'ny voalohany dia Ra8 tsy mitsitsy mihitsy manala sy manatsara ny ministra miaramiasa aminy. Manao izay mety hampiodinana ny firenana ary niezaka tokoa tamin'izany saingy niova izy y taty afara ka ny fitiavan-tena no nanjaka taminy.
Noue> amin'izao fiatahan-dRa8 izao ka nahavoaongana azy dia tena very asa tokoa ny fianakaviako be dia be izay niaraniasa taminy akaiky. Nefa hilaza aminao aho fa tsy mendrika an-dRa8 ny hanana izany toerana manan-kaja izany ka aleoko koa aza tsy manana an'asa ry zareo toy izay hitsinjaka amin'ny fahasahiranan'ny hafa. Tsy toeran'ny mpanambaka sy mpambotry firenena velively ny fitondram-panjakana. Ary satria nangalatra ny hafa dia hangalatra koa aho fa kely noho ny hafa dia tsy mba fisainana mendrika izany. Tsia , tsy natao hampitahaina amin'ny nanao izay nataony sy ny ratsy nifanesy nifanaovana ny zava-masim-panjakana dia ny fitondrana ny firenena fa fijoroana amin'ny mahaOlompirenana mendrika sy mihaja ary HENDRY no tokony ho fanamby!
Marina nifona izy saingy amiko efa tara loatra izany raha oharina tamin'ny korontana sy ny ra latsaka efa nisy. Mila misaona ny firenana noho izany. Misaona ny tenako, mitomany ny aizina mangitsokitsoka zakain'ny firenena amin'izao sy izay ho avy! Manana zo hisaona isika rehetra. Manana zo koa hifamela!
Hitako ny kabariny tany amin'ny SADC. Mahafapo ahy ny teniny momban'ny hiovany. Manantena aho fa hanaraka ny fampanantenana napetrany izy raha toa ka hiverina eo.
24. fijo
(
01/04/2009 21:05)
ny hoe nanenina,mbola nitondra izy dia efa nahatsapa fa nisy tsy nety ny nataony.ary efa niomana ny hanova izany izy.saingy tonga moa ny hafa izay tsy misy atao ,hafa tsy ny manimba,ary indrindra tsy mba manana izany nenina amin'izay zavatra nosimbaina izany akory.
25. Hinagasy
(
02/04/2009 02:41)
Faniriantsika rehetra satria samy tian-tanindrazana angamba isika ny hoe mba hanana filohampirenena marina tsy mangalatra. Izay no tena zavatra iriana, ary hoe tokony hiadina! Izaho anefa, mety efa simba saina angamba aho?? dia tsy manantena an'izany intsony, fa izay tonga teo dia jereo daholo ireto nataony. Ary raha ny zava-misy amin'izao no jerena dia iza no ho tonga eo? ankoatran'i TGV, izay tsy ilaiko, toeriko ary ataoko hoe jiolahimboto, mpampihorohoro, dia iza no hita eo amin'ny sehatra politika izao?? dia tsy iza fa ireo dinosaures efa nitondra nandritra ny 25 taona teo nefa tsy nahavitan'inon'inona. Ka raha mbola tsy mahita olona vaovao, eritreretiko hoe madio aho dia mbola manohana ny fiverenan'i Ra8, izay ekeko fa nanao adalana, ary mety tsy ho mendrika ny ho filoha intsony, fa ankoatrany iza no mba hahavita?? na dia nanao ny nataony aza izy dia nisy positif ny bilan-any après 7 ans, fa nandritra ny nitondran'ireo dinosaures ireo inona no zvatra nitsangana e? Raha choix entre Ravalomanana/TGV/Ratsiraka sy ny forongony izany dia efa fantatro ny choix-ko fa maniry dia maniry anefa mba hisy olona vaovao marina hitsangana eo! kanefa matahotra koa sao hanao ohatran'ity TGV mpamitaka ity koa! efa leomboanana ny aty!!
26. Koditra
(
02/04/2009 05:10)
Raha mba ....
T@ taona 2002 dia azo lazaina ho tena natanjaka sy nanohana an’ingahy Ra8 daholo na ny ankabetsahan’ny vahoaka, na ny antoko tsy mitovy aminy, na ireo zay atao oé opérateurs éco. sns... Aiza ho aiza zany @zao fotoana ?
Mialohan’ny grevy TGV :
- raha mba hendry tsara Ra8 : angamba farafaharatsiny ho voatazony na tsy nitombo isa aza ireo mpanohana azy fahiny ireo.
- raha mba nahay niaratsaravelatsihy farafaharatsiny mba nihaino ireo antoko natao mpanolotsaina manokana sy nihaino ny hevitr’reo antoko hafa : angamba tsy nahazo kill antoko politika vtraky be òtran’zao TGV fa hiaro azy aza angamba
- raha mba nionona fotsiny t@ fisian’ny TIKO sy ny Holcim fa tsy nidirana sy nofehezina ho azy irery daholo izao sehatra rehetra izao fa mba vao maika nampiana sy notohanana aza ireo izay hita fa osaosa : angamba tsy nikolay sy tsy nanozona azy ireo opérateur éco. sy bizinesyman ireo.
- raha mba tsy nangalatra (mivantana na ankolaka) niseho niharihary sy fanta-poko fanta-pirenena sy tena nitsinjo ny vahoaka madinika tokoa : angamba lasa TIM daholo ny valalabemandry sy ny vahoaka tsimandadiharona.
- raha mba tsy nisy an’iny resaka Avion sy resaka famarotana tany ary fanakatonana VIVA iny : angamba tsy ho romotra be ny olona ary tsy nahasarika vahoaka teny @ 13 mai TGV afa tsy ireo olona efa vonona ny handroba.
Tao anatin’ny grevy TGV :
- raha mba tsy niandry ela Ra8 fa vao nahita ireo vahoaka teny @13 mai sy Ambohijatovo (ankoatran’ireo zay olona tsy afaka namonjy teny nohon’ny raharahan-tokatrano sy ny adidy maro samihafa ary ireo izay tsy eo antoerana) dia nandroso an’iny hevitra referandaoma iny avy hatrany : angamba mety tsy nisy akory ireny vonoolona sy tsakitsaky zato arivo teny Ambohitsirohitra ireny.
- raha mba naroso dieny mialoha ilay fifonana fa tsy mbola lany andro nizesta sy nihevitra fa tsy ho lasa lavitra ny mpanohitra : angamba mety ontsa daholo ny vahoaka ka TGV sy ny miaramila ary ireo lehiben’antoko miaradia aminy sisa no nanohitra sy hitan’ny havany irery teo.
............
Ajanoko fa lavabe, anjaranareo ny manohy azy.
Misaotranareo namaky.

27. soanja
(
03/04/2009 04:18)
Koditra:

Tena mahavariana tokoa! Namaste
:-* :-* :-* :-* :-*