Manenina zay i Ra8!

1. soanja ( 01/04/2009 03:28)
Mino aho fa manenina tongotra aman-tanana mihitsy izay ilay filoha vaoongana fa nahatsapa mihitsy ny hadisoany sy ny tsy fanaovana tsinotsinona ny vahoaka nentiny!

Miakolpa, miakolpa "Raha mba nihaino ny hafa dia tsy tahak'izao ny niafaran'ilay fireneko, raha mba tsy tia tena aho dia mba tsy nitroatra loatra ireo voahitsaka antampon-doha, raha mba tsy nihevitra an'iny fanofana tany iny aho dia mba tsy tahak'izao no niafarako, raha mba niandry kely aho fa tsy tonga dia nividy lay fiaramanidina ho ahy manokana dia mba .... "

Izao aiza ny firenena??? Mitomania ry taranako fa nohosena ny momba antsika! Nanaovan'olona rapadango ny safidy heveriny fa hamiratra ho lovanareo!

Misaotra anareo rehetra aho nihaino ny tarainako sy ny hevitro teto. Vita ny adidiko tamin'ny fireneko. Efa voalazako ny tiako lazaina ho ren-tany. Afaka mihaino azy ianareo rehefa mandeha amin'ny radio sns ilay izy... Misaotra anareo aho ry mpiray tanindrazana! Masina ny tanindrazana ka ny ampitso no tsinjovy tsara amin'izay!

N'iza n'iza hitondra dia manantena anareo aho tsy hivarotra tanindrazana na amin'ny fomba ankolaka na an-karihary! Io no antsika ary tsy manana afatsy io isika!


:-* :-* :-* :-* (l) (l) (l)
novalian'i soanja ny 03/04/2009 04:18
2. Hinagasy ( 01/04/2009 04:08)
Tena manenina marina izy! ary marina fa nanao ny tsy nety izy!
Izaho koa nanenina nanohana ity TGV sy misy hilana azy mpamotika firenena ity! ary tena nanenina, nifidy azy ho maire, nanohana ny mouvement-ny tamin'ny voalohany talohan'ny asanjiolahimboto sns.. Tsy nijery alavitra aho, voafitaka fa kay tao aorian'ity TGV ity dia tsy fitiavantanindrazana no tao fa zavatra mamoafady.
3. milamm ( 01/04/2009 04:11)
SOanja,tsy iverenako efa niseho fa ho tohizako ,tsy misy izay tsy mba diso hono fa izay mikiry no adala, miloloha lanitra ka tsy maintsy lena ary soa lavo hahay mamindra,ary anatra ho an'ny sisa sy angalàna lesoka foana izany satria indraindray ny fitiavan-tanindrazana tsy miseho azy eny raha tsy ao anatin'ny sarotra ary na izany aza dia tsy ho hadinon'ny Malagasy io herisetra naroson'i Andry an'ny mpitolona ho solon'ny fanantenany
4. soanja ( 01/04/2009 04:33)
Hinagasy sy Milamm> Marina ny anareo efa lasa homban'ny lasa iny fa dia ny ho avy tokoa no ilantsika fandinihana lalina amin'izay. Enga anie tsy ho sodokan'ny seho ety ivelany intsony isika fa hamadibadika ny bainga vao hamafy voa. Ny tenako no ataoko voalohany amin'izany.

Ity angamba no fotoana sarotra indrindra lalovantsika! Raha nanoratra teto aho dia tsy ny fankahalako an-dRa8 velively mantsy fa ny fampatsiahivana ny anton'izao sahotako izao. Jambain'ilay voina mitohoka ambaravarana mantsy isika ka natahorako tsy hahatadidy ny lala-malama nolalovana nahapotraka.

Mivavaka lalandava aho mba hisian'ny marimaritra iraisana ho firaisam-pirenena. Mila olo-pirenena vanona (tia sy miahy ny rehetra ary mandray andraikitra) i Madagasikara hitondra ny firenentsika. Raiso ho andraikitry ny tsirairay ny hanomboka izany amin'ny solofo sy dimby akaiky indrindra azy avy ary enga anie ka hiroso any amin'ny politikan'ny Fampianarana Torolalana sy Fanomezan-danja ny rehetra ny firenentsika amin'ny ho avy!

Tsy mahantra akory i Madagasikara fa isika Malagasy no mahantra satria nogiazan'ny tsy fahalalana ny miafina sy ny momba antsika Malagasy isanisany avy . Mazotoa daholo ary!

:-* :-* :-* :-* (l) (l)
5. yuka ( 01/04/2009 05:07)
Satria nahatsapa ny fadisoany izy ary efa nibaboka,dia tsarovy fa miomehy sy maneso azy ny tena vrai-devoly,faly kosa Andriamanitra raha misy panota iray
mibebaka.Ary na mena toy ny jaky aza hono ny fahotana vita,dia hain'Andriamanitra ny manova izany ho toy ny orampanala,na koa manipy azy any amin'ny afobe fa tsy natao ho anjarantsika ny hitsara azy :D
Tsy nihaino ny hafa ravalo hoy ianao,dia mbola tsy niova io fa ny pitondra no niova,sy ny vahoaka henoina koa niova toa zary ny vitsian'isa sy matanjaka ihany izao no tena vahoakan'ity fanjakana vaovaobe ity :)
Aiza marina moa ny firenena izao???
Mba jereo ireo anarana notendrena omaly fa dia olona fanetriben'ny firenena
ary ireo no panongampanjakana eto satria tsy manana antonasa ny akamaroany fa manao BIZNA SEZA ka raha tsy ireo no mahazo toerana dia mikorotana ny firenena.Dia hitomany tokoa izahay na dia tsy taranakao aza satria hameno paosy eo indray ireo mamba noana sady goaika antitra sy jiolahimboto,ry sareraka avy ankehitriny no lasa pitondra tena afa ity indray mitoraka ity!
Fa fantatr'i TGV fa ireo no COCO amin'ny fanonganana dia nomeny toerana haigana mba hahamaritoerana ny seza mety ilay hevitra fa ny fihatraikan'izay
amin'ny volampanjakana anaramana azy ireo no tsy noheritreretiny kely akory.
Ny adidinao no vita fa ny tantara sy vokany mbola hojerentsika eto :)
6. lasa ( 01/04/2009 05:08)
Izaho koa de mibaboka fa tena diso fanantenana tanteraka t@ ty TGV ty, nahita an'reto goaika antitra sy efa naloan'ny vahoaka miaraka aminy ireto,mampalahelo.
7. yuka ( 01/04/2009 05:12)
Mbola tsy sarotra nohon'ny tamy2002 io fa aza ampitombona hoa fa zaho na aty japon aza mahalala tsara ny zavamisy any,asako rahateo io.
fa ny hoavy atohoato no tena henjana rehefa lany ireo vary sy menaka TIKO nobodoina ireo.
Maninona no hamidy ireo entana ireo fatsy zaraina fotsiny satria tsisy masokarena ireo fa adalatompo angamba!
8. xxx ( 01/04/2009 05:16)
Ka ireto goaika antitra ireto ange no nangataka ho ao anatin'ny lisitra e, izay no tambin'ny fanosehana an'i Andry nataony satria fantany tsara fa rehefa tonga ny fifidianana de tsy ho lany velively izy ary tsy hahita seza ao na dia iray aza raha tsy hoe hisolelaka indray angamba ( ohatry ny nataon'i Manandafy t@'i Dadanareo). Ny sasany amin'ireo aza hiverina antsopitra raha afaka kelikely eo kou.
9. Hinagasy ( 01/04/2009 05:22)
Tena mampalahelo marina! ary efa nisy feo tamin'ny voalohany hoe miaraka amin'ny Ratsiraka fa dia lery nefa nanda mafy ery! Ka n'inon'inona lazain'io fanjakana sandoka io dia tsy mino intsony aho; ary betsaka tokoa ny fafy lainga alefa na antoerana na any ivelany. Ary eto no hahitana hoe mahery ry zalahy ka mahatonga fanontaniana hoe misy raha tadiavin'ireto firenena ivelany ireto satria ny vaovao omena dia mitanila! surtout ny média frantsay (io no tena hitako!)
Vao nanao didin'ny be sandry, namotika tanana, nanao autoproclamation dia tsy eken'ny saiko.
Inona no fianarana hajanontsika amin'ny any aoriana hoe izay te hitondra ka manao didin'ny be sandry dia mahazo hitondra? izany ve no tantara avela eto Madagasikara?
Tsy momba an-DRavalomanana aho, fa amiko ny fanonganampanjakana amin'ny sandry fa tsy par voie légale dia tena anti-démocratique; N'inona n'inona zavatra nataon'i Ravalomanana betsaka ny recours légal afaka natao, fivoariana voalohany teny Ambohijatovo nitory ny zvtra tsy mety nataony. Fa izaho kosa aloha tsy iray tsikombakomba amina jiolahimboto TGV mpandroba firenena ity. Trop ny ataony!
10. Noue ( 01/04/2009 05:24)
yuka:
Satria nahatsapa ny fadisoany izy ary efa nibaboka,dia tsarovy fa miomehy sy maneso azy ny tena vrai-devoly,faly kosa Andriamanitra raha misy panota iray mibebaka.
izay indrindra manko eee ! fa i soanja ve mihevitra fa olona masina daholo ireo goaika ireo ee ?? mba nisy na IRAY t@ zareo ireo ve mba nanao tahaka an'i Ravalomanana? nahay niaiky ary nibaboka ny fahadisoany? aiza re zany eee !!!


11. lasa ( 01/04/2009 05:25)
Dia tsy hita intsony ty leretsy fa samia mitondra ambavaka ny rehatra na ny any Japon,na Chine,na Australie,na Indonesie,...sns, zay Malagasy rehetra miparitaka erantany.
12. tsiafoi1 ( 01/04/2009 05:44)
Mahavelombolo ny fahasahian'ny tanora toa an'i Maître Vony Rambolamanana, izay sahy mijoro hiaro ny fiandrianam-pirenena. Mba aiza ho aiza @'izao ry Norbert Lala Ratsirahonana, ry Sylla sy ireo HCC voavidy.

http://www.france24.com/fr/20090327-ledebat-madagascar-nouvelle-ere-2

SAHIA MIJORO FA MASINA NY TANINDRAZANA
13. ravatorano ( 01/04/2009 06:15)
za aloha tsy momba an-dRavalo ary tsy makafy tgv ihany kosa fa ny fandehan javatra misy sy ny raharaham-pirenena no jereko.
Ravalo mantsy dia nandika ny lalampanorenana ary izay no tena nahadiso azy ankoatran'ny fampivadina ny Tiko sy ny firenena malagasy ka nahatonga ny hantsana nihalalina teo amin'ny vahoaka sy ny mpitondra.
Ny tsy fananany fahaiza mihaino ny manodidina azy ihany koa dia efa isan'ny nahavoa azy ary efa betsaka ny mpanolotsainy no mandalo fotsiny ihany fa tsy tafajanona amin'ny toerany na koa lasa mpanolotsaina mandray karama isam bolana fotsiny fa tsisy asa satria tsy henoiny akoriny na tsy akany hevitra akoriny ka izay no tena hitako kilemany diso tafahoatra.
Ilay lalampanorenana lazaiko eo ambony io dia ireo didy hitsivolana namindrany fahefana tamin' ny miaramila.
Ity fitondrana entin'ny HAT ity indray dia tenamarefo be loatra satria vao niandoha dia efa najavozavo ny tetika ho entina hampandroso ny firenena fa ny fidiana seza no tena nafotaka ao anatiny ao.
Rehefa voazara indray ny seza dia tsy araky ny teny nomeny hoe ho olom-baovao no ho hitanareo nefa dia mbola ry Dinozoro izay olona fanta-bahaoka hatramin'izay fa anisa'ny efa nitondra ka namotika ny firenena ity ihany koa nanomboka tamin'ny fitondrana "mena" ka atramin'izao.
Marina tokoa ilay hoe "aleo omena seza ireo efa mahay manongana" nefa "tsy mahay managana ny soa sy ny tsara ho an'ny firenena"
Ny gadra politika miaraka avotsotra amin'ny tsy gadra politika fa asosoka any ny anaran'olona hafa izay hita fa tena nanao heloka tamin'ny fandrobana ny fananm-bahoaka tokoa.Jereo ny gazety sasany mpiseho isan'nandro eto Madagasikara fa nitantara sy nanadihady momba an'izany ary tao no kakako izany resaka izany! mampalaelo !
Izao efa mitaraina indray ny tompon'ny resto gasy fa hoe tsy misy mandoa ny vola lanin'ireo gadra politika napetraka tao?Iza no handoa izany ?Raha ny filazan'ilay tompon'ny hotely dia efa nandefa fitarainanana momba izany tamin'ny tompon'andraikitra mahefa ry zareo(jereo midi madagasikara sy gazetiko nivoaka androany) fa tsy nisy valiny nahafapo ! Dia tohizo ihany re izany ny fampiantranoana an'izay mbola ao fa tsy ho azonao eny ihany ve ny volanao ah !
Raha izany ary no zava misy dia ahoan no atao ?
Manahirana be satria na ny daty hanaovana ny assises aza efa mampifanolana ka mahatonga ny fiaraha monim-pirenena tsy hanatrika izany nohon'ny fahatomoran'ny fotoana.Vao tsy miandoha dia efa misy ny misintaka !
Ka raha fifidianana malalaka sy tena demokratika no tetehina hatao eto dia ho sarotra ihany ny hanatontosa izany nefa izay sisa fara herinay valalabemandry satria io ihany no fotoanana hahafahanay mampiseho ny herinay sy ny tanjakay,amin'ny alalan'ny fandatsaham-bato anaty efitrano kely,izay ihany !
Ka raha izay aza dia ahona no atao ?
Tsotra ihany miandry fifidianana malalaka izahay
14. xxx ( 01/04/2009 06:31)
Milay be ravato a! ity hevitrao ity mihitsy dia efa ela no notakiko ity hoe: inona marina moa ny loko politikanao ity. Hay enao toa mitovitovy hevitra amiko ihany. Ka dia hialako tsiny etoana izay tsikera nataoko taminao taloha tany.

Mazava izy ity.

Tsiky dia ampy hoy izay mpiandraiktra iray izay.
:)
15. tsiafoi1 ( 01/04/2009 06:35)

"ALEO HIANDRY FIFIDIANANA"

Ka zay foana anie no efa notenenina teto @'ny firenena hatrany ampiandohana fa tsy nety ry TGV fa matahotra fitsaram-bahoaka. Fantany tsara fa tsy hisy 25% ny malagasy akory no hankasitraka azy??? Naleony nanao koposoraka nanao coup d'Etat sitrany azo ny seza, de mba afaka mangala-bato rehefa tonga eo. Sarintsarim-pifidianana no atao eo imason'izao tontolo izao.

Rehefa tsy tiana anie ny Filoha Ravalomanana de azo natao tsara ny niandry ny fifidianana, namafisina ny propagandy, ary natao toy ireny fifidianana maire teto Iarivo ireny. Fantatr'ireo TGV tsara fa hahavita zavatra goavana ny Filoha Ravalomana mandritra ny faraparan'ny mandat-ny de naleony nosoparana izany, ary nesorina ankeriny teo @'ny fitondrana izy.

Izao anefa, ny vahoaka tsy adala ka tsy hahalala ny setroka sy ny tomany. Indrindra ny eto Antananarivo. Sodoka ny akanga tsara soratr'Iarivo t@'iny fifidianana Maire farany teo iny. Fa aleo ny ho avy no hanambara ny ao an-tsain'ny majorité silencieuse. Tsy adala ny Frantsay ni-bascule moramora, fa ho bomba à retardement ny ho avokan'ireto Antananarivo ireto atsy ho atsy.

TANDREMO!
16. xxx ( 01/04/2009 06:55)
za aloha tsy momba an-dRavalo ary tsy makafy tgv ihany kosa fa ny fandehan javatra misy sy ny raharaham-pirenena no jereko.
TOKONY hanao toa anao koa ireo mpivavaka fa tsy hisafelika atsy sy eroa. :)
17. chiquitta ( 01/04/2009 08:37)

Na iza na iza mitondra dia ahitan'ny olona tsininy foana, amiko dia aleo hiasa hiangana ilay tetezamita rehefa io aloha no eo, io anie mandalo fa tsy natao hitondra eo e. Ny zava-dehibe dia ny fifidianana ka alao ataony haingana ny fandaminana an'izay fifidianana izay fa hikorotan-dava eto ve no atao raharaha, samia moa isika malagasy samy mahay mampandefitra kely ilay hambom-po e. Izaho tsy momba n'iza n'iza fa ny hahasoa sy hampilamina ny firenena no tanjona. Dia misaotra antsika rehetra, samia mivavaka mafy ho an'ny Firenentsika.
18. ravatorano ( 01/04/2009 08:41)
ny tsy azoko koa dia ity inona no nanosika an'Ingahy Ravalomanana nanao iny famindram-pahefana iny nefa "betsaka" ny olona momba sy afaka miaro azy ary koa tsy nitsanga-menatra mihitsy tamin'ny fiambenanan an'Iavoloha ?
Inona no nahatonga an'Ingahy Ravalomanana nanao iny didy hitsivolana izay tsy hita mihitsy ao anaty lalampanorenana iny zay tsy mifanaraka amin'izany mihitsy aza fa nivoana ?
Fa naninona ary izy no natahotra ka niala teto Madagasikara ? Ohatran'ny hoe nilavo lefona ranamana ary namela kamboty velon-draay ireo zanany !
Tsy azoko izany mihitsy ilay politika !
Ekeko fa nisy koposoroka tokoa nataon'ny TGTv satria ry zareo nanao auto-proclamation ! nanao gouvernement insurrectionnel teny andalam-be ! nanao fandikana ny lalampanorenana ihany koa tamin iny investiture na installation hafahafa iny ! ity koa tsy azoko ary averiko foana ny HCC ve ry olona tsy manana hazon-damosina mihitsy fa hita fa efa tsy mety izao ilay didy hitsivolna dia mbola nekena ihany hoe mitombina ah ?
Tsy azoko wa !
Ingahy Ravalomanana tokony nanome fahefana ny president Sénat tsy nanao an izany fa ny directoire militaire no nomeny azy sa Ingahy Ivan tsy sahy nandray andraikitra ihany koa ka inona no mbola mampikorapaka an i lery fa tsy mipetraka fotsiny amizao reefa tsy sahy mandray andraikitra !
Ny directoire militaire nomena fahefana koa tsy sahy nandray andraikitra fa avy dia nanome izany tamin'Ingahy Andry Rajoelina reefa nisy ireny savorovoro teny amin'ny Episcopat antanimena ireny ! dia mbola tsy azoko !
Niteny ireo jeneraly ireo fa tsy noterena na novozonana fa atsitrapo no nanaovany ilay famindrampahefana "sandoka" satria tsy manaraka ny lalampanorenana malagasy.Tsy niandry ela anefa ny HCC fa nankato izany fampindram-pahefanana izany !
Tena tsy azoko e !
Za rahateo tsy nianatra momba ny lalana amin'ny akapobeany indrindra fa ny fianrana manokana momba ny lalampanorenanan fa dia fanamarihana miaro tsy fahazahoana ny fandehan'ny raharaham-pirenena fotsiny ihany no mba lazaiko sy asehoko eto !

:wink:
19. lasa ( 01/04/2009 08:45)
Angaha ianao gaga? Ataoko ity fa ny mpivavaka anie @zao fotoana no tena tompon'ny politika e!
20. ravatorano ( 01/04/2009 09:24)
na mpivavaka na tsia samy manao politika avokoa raha mbola olombelona ihany saingy nohon'ny fisian ilay etikety no mahasamy hafa azy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0413