Resaka hetra tsy naloan-dRa8
1. soanja
(
31/03/2009 04:43)
Ny tiako resahina dia ny tsy nandoavan-dRa8 sy ny orinasany ny hetram-panjakana. Mba nahoana loatra re!! Ekenareo ve ny tsy nandoavany an'io volabe io?
Milaza aminareo aho fa ny mpamokatra miara miasa aminay any hidinan'ny mpiasam-panjakana tsy ankijanona hijereveny hoe sao misy tsy mandoa hetra ny olona. Sao misy olona vaovao mitady tsy handoa sns... Isaky mandalo ireo olona ireo dia miferotr'aina ny mpamokatra sady mitaraina mihitsy fa hoe fa maninona izahay no andehanana lava aty tsy amelana mihitsy?
Indray mandeha izay, nisy tsy nahaloa hetra ny fianakaviana iray manana orianasa fa nisy fasahiranana tampoka. Nanantena be ry zareo vondrona mpamokatra fa tsy hitaky ny handoavan'io fianakaviana io hetra aho. Niteny mazava anefa aho fa raha io no takian'ny fanjakana dia tsy manan-tsafidy isika fa mila mandoa an'io ny rehetra. Hitako ny mason'izy ireo nipitrapitra sy nanantena hoe hiady ny momba andry zareo aho. Tsia anefa ny valiny fa raha tiana ny asa ka tsy tianao ny helingelenin'ireo olona mpitaky hetra (fanjakana) ireo dia mila vitaina ny adidy.
Mazana anie tompoko ny mijery ny mason-jaza tsy mahita afitsoka tamin'izany fahasahiranana izany nefa dia tsy afa manoatra ianao!
Ka akory rey olona ny hatairako naheno fa 20 Miliara ny hetra tsy naloan'ny filoha tamin'ny orinasany nefa izy no tokony ho modely voalohany. Malahelo aho e. Nahoana loatra re no mba miangatra nefa dia efa any aminao ny volabe. Mba nitsinjo ny hafa ve izy nieritreritra tsy handoa an'io??? Tsy rariny mihitsy! Io no tena fambotriana firenena mivaingana!
Mahaiza mifidy filoha amin'ny ho avy fa ny teo aloha dia efa nampidradradradra ny madinika tokoa!

novalian'i ravonjison ny 02/04/2009 14:21
2. sitlo
(
31/03/2009 05:08)
Tena maaraka marina ve ianao sa ahoana?
Voaloha aloha dia iza no nilaza an'io atontan'isa io? Raha izaho koa no teo amin'ny fitondrana ka tiako hosoketaina ny mpitondra teo alohako dia azoko atao tsara ny mamoaka atontan'isa tahaka izao.
Faharoa, "falsification fiscale" no nambara fa tsy hoe hetra tsy naloha. Anontanio an-dRakaroka ny dikany fa izy mankamamy an'io teny io tsara.
Fahatelo, ary saika tsy hiteny an'ito mihitsy aho hatramin'izay, vao lany Ravalo dia nofohanana nandritra ny roa taona ny hetra amin'ny fitaovana mandeha amin'ny herinaratra. Samy nanararaotra an'io daholo ny olona rehetra. Fa ny volana vitsivitsy niandohany ihany no nahazoan'ny mpanjifa tombony, fa taty aoriana dia nampiakarin'ny mpivarotra ihany ny vidiny. (ordi, frigo, ...)
Fa ny tsikaritro dia tamin'io ny TIKO no nanararaotra namatsy fitaovana ny orinasany.
Dia rehefa tonga ny 2009 dia hoe tsy mandoa hetra ny TIKO?
Tsy fantatro ny tena ao anatiny fa mba mila manadihady tsara kosa ianareo vao mitsikera.
Izany akory tsy midika hoe dory ny tanàna.

3. essera
(
31/03/2009 05:14)
Salama Soanja,
Efa ela no nisy io zavatra io. Tsy manohana be fahatany ny tantaranao aho fa na any amin'ny ministera aza dia rotaka be ny fidinan'ny tiko boys izany. Miferotr'aina ny olona.
Ny tena mampalahelo dia betsaka ny manampi-tsofina, maso. Omaly aho niteny hoe : raha hotanisaina eto ny zvtr tsy nety nataon'ny ancien régime d mis mamaly ah hoe lava loatra.
Feheziko am teny tsotra fotsiny : Aza atao plivava le manaraka ny ara-dalàna ry zareo fa fakafakao ifotony. Tsy omeko tsiny izay tsy mahafantatra fa mitolona mafy izao. Tadidio fotsiny hoe : betsaka tsy fanarahan-dalàna nataon-dra8 fa ianao ange no asainy mameno ny kitapom-bolam-panjakana e. Ary mitondra faisana a.

5. essera
(
31/03/2009 06:12)
3. Mpandefa : sitlo [ Valio ] 31-03-2009 07:27:52
Lohateny : Re : Resaka hetra tsy naloan-dRa8
Mitaky hetra eny amin'ny minisitera.
Ihomehezako mahalakilaky.
Anjekaky ô. Sady voazoga no mbola miady hozogaina. Iny indray no tsy hitako. :-D :-D :-D :-D :-D :-D
6. tsiafoi1
(
31/03/2009 06:15)
Ny hoe tsy fanarahan-dàlana omeo ny porofo vao mitatata. Ka TVA sa IRNS sa IRSA sa sa IRCM sa IR no tsy voaefa? Aza manasoketa raha tsy manana porofo mitombina.
Ny fahaizana nanararaotra ny opportunité ny détaxation no nataon'ny Filoha Ravalomanana fa ny hetran'ny Orinasany rehetra de voaloa tsara avokoa. Ary modely @'izany ny orinasany hatrany @'ny faritany rehetra.
7. tsiafoi1
(
31/03/2009 06:20)

8. yuka
(
31/03/2009 06:35)
Eto dia misy tsy mandry andro amanalina mihintsy mitady izay anasoketana andravalo,tsy menatra satria maro ny fanaratsiana natao tamin-dravalo nefa tsy nampihembotra ny olona tsy hanaraka azy iazy.
Androany moa dia anjaran'ny gadra afaka indray no manakorotana sy maka ny kianjan'ny demokrasia etsy Ambohijatovo,ny eny amin'ny 13 Mai moa dia tsy azo atao ny mandingana eny :roll: Afa be ny demokrasianareo sy ny fomba fitondrana ny vahoaka.
Ary raha toa ka tsy nandoha hetra marina ny TIKO maninona no tsy atao lavanty ny fananany,fa robaina sy angalarina tsotra izao :roll:
MALAZA PANOMPO SAMPY RAVALO MAHAGAGA ANEFA FA MAHAY MANDEFITRA
SY MAHAFOY NY FANANANY
NY MILAZA HO PIVAVAKA INDRAY IZAO NO MAZOTO MITSARA SY MANENJIKA
9. andraso
(
31/03/2009 06:53)
[quote=yuka]
rehefa tsy mifanaraka am sitra-ponareo de lazaina oe lainga, fa adala daholo zany ireo rehetra ireo no lazaina ho manasoketa an-dra8? raha mihevitra ny tenany ho innocent ary ra8, naninona izy no mifona? izy tenany ary mahatsapa ny fahadisoany, fa ianareo mpomba azy, asa azon'ny odiny (de lazao indray fa lainga, nefa olona akaiky andra8 no niteny ahy an'io) sa nanatsipazany kely de miseho miaro azy eo sao very fihinana eo

10. yuka
(
31/03/2009 07:12)
Mazava be ny teniko hoe ataovy lavanty ny fanany,raha tsy nandoha hetra izy!
Ka tsy misy olombelona tanteraka izany eto antany na dia iray ary.izay no nahatonga azy nifona.Zaho pomba azy aloha tsy haiko na voan'ny odiny na tsia
satria tsy anjarako no mitsara izany!
mmiaro azy aho satria olona mananjo amin'ny safidiko aho,tsy azonizaniza ahodina amin'ny safiko aho,toanao miaro olona............
Ny hoe nanipazany ve,tsy voatery mahazo tambiny vao afaka manoana olona iray,tsy ilako izany mahavelona ahy ny karamanay ato antrano,mbola bobaka koa ny tahiry,saingy tsy volangasy ireo aoka hazava!

11. essera
(
31/03/2009 07:34)
tsiafoi1:
Ny hoe tsy fanarahan-dàlana omeo ny porofo vao mitatata. Ka TVA sa IRNS sa IRSA sa sa IRCM sa IR no tsy voaefa? Aza manasoketa raha tsy manana porofo mitombina.
Ny fahaizana nanararaotra ny opportunité ny détaxation no nataon'ny Filoha Ravalomanana fa ny hetran'ny Orinasany rehetra de voaloa tsara avokoa. Ary modely @'izany ny orinasany hatrany @'ny faritany rehetra.
Azo antoka fa voavaly io. Vao teo amin'ny commune ange dia efa silaka be ilay pasy pasy baolina e. Kanjo latsaka tampoka.
Ny mampahonena aminareo dia averiko tsara : "Sady voazioga no voambaka, mbola miady ihany hoe ziogao tsara aho, ziogao mafy, ziogao miaraka. Ambakao be be kokoa.
Izahay mazoto mandoa hetra ary vonona handoa hetra fa maninona ianao no tsy mandoa ry Dada. Toy ilay olona miteny amin'ny zanany hoe : "Iza no mapiteny ratsi-(...teny ratsy be ....) anao ry zanako".
12. bozyboleta
(
31/03/2009 08:28)
Be ny zavatra tsy fantatr’ireto mpandainga ireto.
Nisy resaka menaka hoe tsy nandoavan’ny TIKO hetra.
Fantaro ary fa,
- nisy tetik’asa anisan’ny lehibe nataon’ny fanjakana amerikana teto Madagasikara. Famatsiam-bola @ alalan’ny fanafarana entana io tetikasa io na “Monetization”. Nafarana avy any etazonia ny entana ka natao tolo-bidy ho an’izay sahy mividy izany. Ny Consortium niraisain’ireo fandaharanasa amerikana nisy teto Madagasikara (Care International, ADRA, ary Catholic Relief Service) no nanao ny famarotana io entana io ary rehefa lafo ny entana dia nozarain’ireo Consortium ireo ny vola hamatsiany ny tetikasa nataony.
- Isan’ny entana namidy ny menaka CDSO (Crude Degummed Soy Oil), menaka mbola tsy madio ary namidy ambongadiny. Noho izany dia izay orinasa manana fanodinana sy ny foto-drafitr’asa sahaza izay ihany (ohatra pipeline) ary mahasahy mividy lafo no nahazo ny tolo-bidy. Mbola ben’ny tanàna Atoa Marc Ravalomanana t@ izany dia efa nahazo io tsenan’io menaka io. TIKO ihany no sahy niditra t@ io Monetization io. Nitohy hatrany ny fiaraha-miasany t@ io Consortium io taty aoriana raha lasa Filoha izy.
- @ maha- tetikasa tafiditra @ fifanarahan’ny firenena roa tonta, dia anjaran’ny firenena ampiana ny miantoka ny hetra mifandray @ fanafarana entana. Noho izany ireo fanampiana ataon’I Etazonia amin’ny alalan’ny masoivohony USAID anisan’izany ireo entana amidy @ Monetization ireo dia TSY ANDOAVAN-KETRA isan’izany ny fadin-tseranana. Tsy menaka ihany no namidy t@ izany fa nisy ihany koa lafarina. I edgar razafindravahy mahalala tsara fa ny kobama t@ izany dia anisan’ny nividy io entan’ny Consortium io. Fa tsy nitohy moa ny an’ny kobama satria nisy koa ny mpifaninana hafa t@ dia ny sipromad t@ izany.
Aleo manadihady toa izay milaza zavatra tsy hay.

14. xxx
(
31/03/2009 08:59)
Tsiafoi : aza tonga dia miaro be fa manaova fanadihadiana raha afaka. Betsaka ny zavatra tsy fantatrao, ny orinasany no tena tsy manara-dalàna indrindra raha ny eto madagasikara. Eritrereto fa na ny délégués du personnel aza tsy nisy tao fa vao hainga vaonoforonina nefa mpiasa diry no ao ? raha misy fitaraiana tonga dia any amin'ny chef pesonnel, nefa tsy rarahianay, manara-dalàna ve izany ? ny karama le 40 na le 35 vao voaray, sns...ny volan'ny mpanatitra ronona mila tsy ho azo nefa izy be vola, dia ahoana ? modely ve zany ?
Tsy mitady valiny aminao aho fa mahalala aho matoa miteny, misy antony ny tsy itononako ny pseudo ko.

16. Oay
(
31/03/2009 09:58)
Yuka a: ka inn no himenomenomana eto fa ny anreo ary izany efa tsy vola gasy fa Yen klé,
Sitlo a: falsifier=dénaturer pour tromper, d rehefa voafika ilay olona d mihena ny vola aloha d misy vola tsy naloha izany.
bozy a: rehefa juge et parti d tsy maintsy mivoaka @ ara-dalana. d ny zavatra tokony hofantatr'isika koa d hoe ny lalàna rehetra d notefena hahampety ny bizin'ny filou rehefa tonga teo @ toerana izy.
Mila averina indray ve fa ny be kintana d nahatsapa fa efa nivoaka @ aradalana ny mpitondra satria nifangaro ny tombotsoampirenena sy ny tombotson'olon-tokana.

17. bozyboleta
(
31/03/2009 10:34)
Efa andrasako hoe tsy maintsy hamaly ana zao i oay.
Vakio tsara le nosoratako. Efa t@ Ravalomanana maire izay mbola i ratsiraka no filoha t@ izany no nifanaraka t@ USAID ny TIKO.
Tsy maintsy misy foana ny fifanarahana iraisam-pirenena eo @ lafiny fifanampiana : accords bilatéraux na multilatéraux. Izany no mahatonga ny mpamatsy vola tsy mandoa hetra fa anjaran'ny firenena mpandray "host country" no miantoka an'io. Ka izay fanampiana rehetra omena na @ endriny inona na @ endriny inona dia tsy andoavan-ketra fa anjaran'ny fanjakana no miantoka izay. Tsy vao 7 taona no nisian'io fifanarahana io fa manaova aloha fanadihadiana.
Averiko ihany fa misy animosité manokana amin-dRavalomanana io ambasadaoro amerikana io. Tsy hevitry ny firenena soloiny tena io fa heviny manokana ary miezaka manonitra izay izy izao satria tsapany fa nanaonao foana...

18. yuka
(
31/03/2009 12:15)
Oay nga raha yen ny vola,dia tsy mahazo maneo hevitra eto :D
eto anie tsy 13mai na Ambohijatovo e!
aiza ilay demokrasia e!
eto anie tsy 13mai na Ambohijatovo e!
aiza ilay demokrasia e!
19. ndenn
(
31/03/2009 13:09)
Hoy ianao ry boziboleta hoe "misy animosité manokana amin-dRavalomanana io ambasadaoro amerikana io " , fa ahoana no hitenenanao izany ? mba lazao kely hoe raha sao dia misy acte politique ny fihetsiny ao Mada ao . Mila handraisana fanapahan-kevitra ; sa mitady main mise @ -na zavatra miafina ao koa ilay rangahy io ka manao financement parallèle au noir . Ary sao dia anisan' ny namatsy vola handrotehana an' i Mada koa izy io ?
20. soanja
(
31/03/2009 13:12)
bozyboleta:
Efa andrasako hoe tsy maintsy hamaly ana zao i oay.
bozy a: rehefa juge et parti d tsy maintsy mivoaka @ ara-dalana. d ny zavatra tokony hofantatr'isika koa d hoe ny lalàna rehetra d notefena hahampety ny bizin'ny filou rehefa tonga teo @ toerana izy.
Vakio tsara le nosoratako. Efa t@ Ravalomanana maire izay mbola i ratsiraka no filoha t@ izany no nifanaraka t@ USAID ny TIKO.
Tsy maintsy misy foana ny fifanarahana iraisam-pirenena eo @ lafiny fifanampiana : accords bilatéraux na multilatéraux. Izany no mahatonga ny mpamatsy vola tsy mandoa hetra fa anjaran'ny firenena mpandray "host country" no miantoka an'io. Ka izay fanampiana rehetra omena na @ endriny inona na @ endriny inona dia tsy andoavan-ketra fa anjaran'ny fanjakana no miantoka izay. Tsy vao 7 taona no nisian'io fifanarahana io fa manaova aloha fanadihadiana.
Mila averina indray ve fa ny be kintana d nahatsapa fa efa nivoaka @ aradalana ny mpitondra satria nifangaro ny tombotsoampirenena sy ny tombotson'olon-tokana.
Averiko ihany fa misy animosité manokana amin-dRavalomanana io ambasadaoro amerikana io. Tsy hevitry ny firenena soloiny tena io fa heviny manokana ary miezaka manonitra izay izy izao satria tsapany fa nanaonao foana...
Bozyboleta > Aleo indray zany izahay mbamin-dry Obama hijery ny momba azy!
Misaotra anao nanome sopapa!