Resaka hetra tsy naloan-dRa8
21. soanja
(
31/03/2009 13:18)
sitlo:
Faharoa, "falsification fiscale" no nambara fa tsy hoe hetra tsy naloha. Anontanio an-dRakaroka ny dikany fa izy mankamamy an'io teny io tsara.
Tsy fantatro ny tena ao anatiny fa mba mila manadihady tsara kosa ianareo vao mitsikera.
Izany akory tsy midika hoe dory ny tanàna.
Mampandrimpandry saina an'i Sitlo ve zany maheno an'io na hetra io n'inona n'inona dia tsy rariny ny zavanisy. Nanararao-pahefana izy. Ary ny madinika tena vosiriny tsy amelandry zareo. Azafady tompoko! Izay tsy manambaka sy mambotry vahoaka no itadiavo hevitra fa tsy izay olona tsy mampisalasala anao akory ny zava-dratsy vitany fa mibaribary toy ny masoandrobe lohataona.
Mahamenatra ihany raha izany no tohananareo!
Amiko izay nanao ny tsy rariny dia hahazo vokany tsy zakan'ny ainy tokoa. Indrindra fa raha ny madinika tsy manantsiny no iaparan'izany. Tsy misy tia ny fandorana tanana velively akory fa raha mba nahalala nihaino ny maharary izy dia tsy nandalo izany akory ny firenentsika!
22. bozyboleta
(
31/03/2009 14:12)
Hoy ianao ry boziboleta hoe "misy animosité manokana amin-dRavalomanana io ambasadaoro amerikana io " , fa ahoana no hitenenanao izany ? mba lazao kely hoe raha sao dia misy acte politique ny fihetsiny ao Mada ao . Mila handraisana fanapahan-kevitra ; sa mitady main mise @ -na zavatra miafina ao koa ilay rangahy io ka manao financement parallèle au noir . Ary sao dia anisan' ny namatsy vola handrotehana an' i Mada koa izy io ?
Bozy indray tsy mi-blao!
Ireo ambasadaoro amerikana nifandimby hatr@ naha-ben'ny tanàna an-dRavalomanana ka hatr@ naha-Filoha azy dia nifankahazo tsara taminy daholo: Shirley Barnes, Wanda Nesbitt, James Mc Gee.
Ilay ambasadaoro farany izao ity kosa dia nifankahazo "loatra" t@ ilay chargé d'affaire an'ny masoivoho frantsay. Ity farany ity no tena nandoto ny lohan'ilay bekintana ka nahatonga anazy ho tsy tia an-dRavalomanana.
Tsy te-hipolemika aho fa ireo taloha nolazaiko ireo mantsy maizina ary tsy dia nifankahazo loatra t@ frantsay fa ity farany ity ndray fotsy ary tena nifandray akaiky be t@ ilay madama chargé d'affaire io.
Anisan'ny nanoso-kevitra ratsy an-dRavalomanana ity ambasadaoro bekintana ity hivarotra an'i TIKO. Nefa ny groupe frantsay Bolloré efa miandry fotsiny ao ambadika ao. Tsikombakomba ve??? Aoka ny tantara no hitsara azy.
Tsy nanaiky hatramin'ny farany moa Ravalomanana dia io mbola tantara mitohy io ny amin'ny TIKO.
23. rakaroka
(
31/03/2009 14:37)
'zany mihitsy ry Soanja an, dradradraina eto ery hoe : "ny ara-dalàna ah ny ara-dalàna ! l'exemple vient d'en haut an . Dia le hafa ireto moa satria nomeny pitipitiny ihany anie, dia tsy misaina akory hoe "TSY METY TENA TSY METY ANIE" ny nataon'ity olona arovany ohatry inn?....fiarovan-tombotsoa
essssy e, de toute façon raha hiverina i dadanareo dia ho takian'ny firenena
aminy mazava loatra ny trosa tsy naloany ! C'est plus juste non ?...
essssy e, de toute façon raha hiverina i dadanareo dia ho takian'ny firenena
aminy mazava loatra ny trosa tsy naloany ! C'est plus juste non ?...
24. bozyboleta
(
31/03/2009 14:55)
Tsy fiarovana be fahatany fa miaina eto an-toerana ary mahalala ny zava-misy marina fa tsy manao télé-détection...
Ohatrinona ary le trosa???
Ny fantatro manana trosa aloha izao de i cousin monja e.
Teneno dadilahy hiresaka amin'i monja andoavany ny hofan-tranony sy ny vidin'ny fiarany.
Ohatrinona ary le trosa???
Ny fantatro manana trosa aloha izao de i cousin monja e.
Teneno dadilahy hiresaka amin'i monja andoavany ny hofan-tranony sy ny vidin'ny fiarany.
25. Oay
(
31/03/2009 14:59)
Yuka a! ka ianao milaza hoe ;"tsy voatery mahazo tambiny vao afaka manoana olona iray,tsy ilako izany mahavelona ahy ny karamanay ato antrano,mbola bobaka koa ny tahiry,saingy tsy volangasy ireo aoka hazava!" d izay no mahatonga ana niteny an'io fa eto tsy 13 mai ny eto ka!
d za ary mbola misaotra an'i Mister Hery satria ohatrany hitako ihany ny hetsika nataony fa toa tsy nitohy moa ilay izy.
Bozy fa angaha misy milaza ho miblao bozy, bozy ndray d tsy miblao izany bozy fa amboariny @ mahamety an'i dada fotsiny ny zavatra teneniny.
Momba an'ilay fifanarahan'ny TIKO t@ USAID d tadidio ilay tenin'i Pierrot Rajaonarivelo hoe "nampiana araka izay azo natao ny TIKO mba horeharehan'ny Malagasy" mbola mila averina amin'i bozy ve hoe tsy nisy ny TIKO raha tsy nisy Razakaboana izay ARetimandoza.
Momba ny ambasadoro moa d hevitrao manokana iny resaka loko iny fa ny hitanay aloha d ny ambasadoron'i be kintana no maso ivoho vahiny farany niresaka t@ i Marc Ravalomanana d aminay ny be kintana no nadroaka an'i Marc Ravalomanana hiala teto Madagasikara.

26. soanja
(
31/03/2009 15:55)
rakaroka:
'zany mihitsy ry Soanja an, dradradraina eto ery hoe : "ny ara-dalàna ah ny ara-dalàna ! l'exemple vient d'en haut an . Dia le hafa ireto moa satria nomeny pitipitiny ihany anie, dia tsy misaina akory hoe "TSY METY TENA TSY METY ANIE" ny nataon'ity olona arovany ohatry inn?....fiarovan-tombotsoa
essssy e, de toute façon raha hiverina i dadanareo dia ho takian'ny firenena
aminy mazava loatra ny trosa tsy naloany ! C'est plus juste non ?...
Raha mba nanao ny ara-dalana mantsy izy! Izy aza nahavita nanipy gants de hoe ampodiano aho.
No way!!!! Refa lasa dia lasa , ianao nanao ny tsirambina!
Rakaroka>NAMASTE !
27. fijo
(
31/03/2009 22:16)
soanja an,mety nisy hetra tsy nalohan'ny tiko.za tsy mahalala fa ,mino aho fa mety nisy izany,fa ny tarehimarika nomena ,dia natao hisarihana ny olona teo amin'nt 13 mai.ka aza sodokan'ny teny toa ireny,fa tarehimarika politika io,fa tsy hay izay tena misy ao
28. soanja
(
01/04/2009 03:13)
fijo:
soanja an,mety nisy hetra tsy nalohan'ny tiko.za tsy mahalala fa ,mino aho fa mety nisy izany,fa ny tarehimarika nomena ,dia natao hisarihana ny olona teo amin'nt 13 mai.ka aza sodokan'ny teny toa ireny,fa tarehimarika politika io,fa tsy hay izay tena misy ao
Fijo a, na ariary aza no tsy naloan'i Tiko sy ny kompania hafan-dRa8 dia tena iadivako mafy aminy izany ary hanetreko ny momba azy. Ny vahoaka madinika ary angaha tsy fantatr'i Fijo fa tena mahamay mihitsy no anaovandry zareo angaredona hitakiana hetra sady tsy misy hantra ny fakana azy.
Izao aza nisy fanovana goavana be indray hoe atao online ny famenoana sy fandoavana azy. Izany hoe izay ilay madinika sy mbola sinoa vao mivelona ary , izay tsy mahalala ambony ambanin'ny atao hoe internet sy ny solosaina dia asa fotsiny indray no ho fanambakana hianjady aminy.
Izay olom-panjakana rehetra mitondra dia tokony ho modely daholo ary mila miady ho an'ny vahoaka aloha satria ireo no valalabemandry!
29. Hinagasy
(
01/04/2009 04:22)
Ekeko ny fanenjehana an'I Ravalomanana fa izy nanao ny tsy nety, fa hono ho'aho ekenareo izany ity TGV ity?.
Izaho tsy manaiky ny hipetrahanio TGV mpandroba io mandritra ny 24 mois. Vao folo andro ve no teo dia tahakan'inona ity demokrasia a! demokrasia nodradraina nefa manaporitra olona fottsiny izao. Dia rariny ve ity zavatra ataony e?
Dia hoe satria ve manana basy dia manao amboletra toy izao! izany ve no atao marina hoe demokrasia! mifona aho fa tena tsy levoko ity ataony ary ireo lisitry ny HAT navoakany, tena tsy inona fa ry Ratsiraka et compagnie.
Misy afaka milaza ve eto fa nahavita noho i Ravlaomanana i Ratsiraka?

30. soanja
(
01/04/2009 04:48)
Hinagasy:

TSIA TSY TIA TGV ny tenako ; ataoko ary hantsoina ho fahavalon'ny fireneko izy. Tsy afa manoatra anefa ny tena satria be herisetra loatra ry zareo ka tsy tsara angamba ny hiadivana an-dalambe ny amin'io fa dia asa angamba ny ra mandriaka isanandro. Amiko aleo izy hitondra dia hita izay hafitsony.
Nambotry firenena koa ry Ratsiraka ary tena nampitondra faisana ny firenena.
Hatramin'izao aloha dia mbola tsy nisy ny nahafapo. Izay no lazaiko hoe tsy hampitaha isika fa samy nanana ny fotoana nitondrany avy sy ny hasina ary talenta nananany. Anjaran'ny tsirairay ny mampivoitra izany famirapiratana mampiavaka izany raha tany ka hitondra firenena! Ny tantara tsinona eo foana hitsara.
Amiko tsy takaitran'ny fanjanahan-tany no mahazo antsika fa kilalaon'ny tsy fananana Fanabeazana mitory fahatsapan-tena!
31. milamm
(
01/04/2009 07:35)
raha ny fitambarany antontan'isa aloha dia mitentina 199 milliara malagasy,ny fanalàna haba sy hetra ireo orinasany manokana izay afaka nanefa izany tokoa ,raha tsy ho lazaina ny haingitraingitra @ fiara-manidina 2 sns,tsy maintsy ho avy ny fanotaniana nefa tsy aleo ve ny tokonam-baravarana ve no ho dikaina mialoha avy eo vao hijery ny vovonana e.Ny filaminana ihany no ombako fa tsy iza n'iza ka ny fiverenan'i Ravalomanana ihany no lalana azo iampitàna @ fikaonan-dohampirenena marina dia azo atomboka ny tsimo-kevitra hanapahana ny fitsi-pidalao @ fifidianana
32. ravonjison
(
01/04/2009 09:17)
Izay indray ilay aretina mbola mila fitsaboana any Dago: manendritendrika tsy misy porofo.
Ireo zavatra rehetra voalaza fa tsy ara-dalána nataon-dRavalo ireo dia tokony asiana POROFO aloha ( tsy porofo akory ny fidradradradrana eny @ 13 mai, na zavatra voasoratsoratra @ internet ..). Satria raha fanendrikendrehina tsy misy forofo no hanesorana na hamonoana olona , dia hiverimberina koa izany atsy aorina kely. Misy olona mipoitra eo te haka seza, dia mody manendrikendrika izy, afangafangarony ny toe-draharaha mba tsy ho hita direct, adaladalainy ny vahoaka, dia manao coup d \'Etats izy. Dia avy eo hoy ny sasany hoe : avelao aloha izy hitondra.
Tsia, lalána tsy azo aleha izany. ASIO ALOHA ILAY POROFO.
Misy afaka manome porofo mazava mikasika izany ve ?

33. rakaroka
(
01/04/2009 19:06)
soanja:
Amiko tsy takaitran'ny fanjanahan-tany no mahazo antsika fa kilalaon'ny tsy fananana Fanabeazana mitory fahatsapan-tena!
^:^ ^:^ ^:^ ^:^ IZANY MIHITSY ^:^ ^:^ ^:^
Laniandro manilika ny tsy fetezana noho ny hafa fotsiny! Nefa tsy hita 'zay "moindre effort" mba nanajariana ny fiainan'ny tena!
NAMASTE akia :-* :-* :-* :-* :-* :-* :-*
34. Hinagasy
(
02/04/2009 03:18)
Izaho taloha dia nanohana ny mouvement TGV raha mbola tsy nisy herisetra, tsy mbola nisy ny autoproclamation president HAT, mety hoe nokaikerin'ny amboa kely tiana aho tsy maninona, fa tena diso fanantenana marina tamin'ity TGV ity, hay tao ambadikany efa nisy lahatra maty paika hanonganana fanjakana, hamotika firenena sy hampihorohoro!
Ny zavatra noteneniny rehetra lainga avokoa, mamafy lainga isan'andro, manao victime foana. Ka raha misy ny resaka hoe tsy nandoa hetra i Ra8, ka raha mbola avy amin'i TGV sy ny forongony no loharanom-baovao namoaka izany dia tsy hino tanteraka aho, hakatoko ny sofiko. Izaho tsy miteny hoe tsy nanao izany i Ra8 an! fa be loatra ary trop ny lainga efa nolazain'i TGV. tsy miaraka amin'ny dinosaure etc... fa inona koa! ka tsy te ho victime ny laingany hafa itnsony aho!
Ny mahatonga antsika ohatra izao indray, tsy haiko raha takaitra ny fanjanahana, fa ny tena marina dia ny fitiavantena ny mpanao politika malagasy; Ny firenena matanjaka moa ve tsy hitady izay tombontsoany hahazoana izay mety azo aty amintsika, fa raha misy ny fitiavantanindrazana marina, ny tsy fitiavambola be loatra dia mety tsy misy afitsoka izy ireny. Kanefa izany tsy milaza fa madiodio koa ireny firenena mpamporisika ireny.

35. ravonjison
(
02/04/2009 14:21)
Hinagasy:
Izaho taloha dia nanohana ny mouvement TGV raha mbola tsy nisy herisetra, tsy mbola nisy ny autoproclamation president HAT, mety hoe nokaikerin\'ny amboa kely tiana aho tsy maninona, fa tena diso fanantenana marina tamin\'ity TGV ity, hay tao ambadikany efa nisy lahatra maty paika hanonganana fanjakana, hamotika firenena sy hampihorohoro!
Ny zavatra noteneniny rehetra lainga avokoa, mamafy lainga isan\'andro, manao victime foana. Ka raha misy ny resaka hoe tsy nandoa hetra i Ra8, ka raha mbola avy amin\'i TGV sy ny forongony no loharanom-baovao namoaka izany dia tsy hino tanteraka aho, hakatoko ny sofiko. Izaho tsy miteny hoe tsy nanao izany i Ra8 an! fa be loatra ary trop ny lainga efa nolazain\'i TGV. tsy miaraka amin\'ny dinosaure etc... fa inona koa! ka tsy te ho victime ny laingany hafa itnsony aho!
Ny mahatonga antsika ohatra izao indray, tsy haiko raha takaitra ny fanjanahana, fa ny tena marina dia ny fitiavantena ny mpanao politika malagasy; Ny firenena matanjaka moa ve tsy hitady izay tombontsoany hahazoana izay mety azo aty amintsika, fa raha misy ny fitiavantanindrazana marina, ny tsy fitiavambola be loatra dia mety tsy misy afitsoka izy ireny. Kanefa izany tsy milaza fa madiodio koa ireny firenena mpamporisika ireny.
Izao dia miombonkevitra aminao , saingy somary ampiako ireo hevitra:
- ka efa hita hatr@ voalohany fa tetika maty paika hakána seza, ampiarahana @ lainga sy fanaratsiana no nataon\' i TGV. Ianao ary io mba efa tongasaina, fa misy olona mbola jamba sy voasasa atidoha hat@ izao ary mbola mieritreritra foana fa ara-dalána sy tsara foana io ataon\' i TGV io, misy koa ireo minia manakipy maso.
- ny tena olana matsy dia izao : resaka PRINCIPE NA DEMOKRASIA ilay izy : ny fakána fahefana ankeriny, miaraka @ lainga, fanaratsiana, fanendrikendrena, dia tsy tokony hekena mihitsy. Satria raha ekena io dia hiverimberina foana any aoriana any.
Raha misy zavatra tsy ara-dalána nataon-dRavalo dia aoka hasiana POROFO mazava izany, ary araka izany no hitsarana azy, ary anontaniana ny olona na hifidy azy na tsia, na izy ho lany na izy tsy ho lany. Izay ihany no lalana azo aleha. Fa ny ankoatr\' izay dia fanaratsiana sy fanararaotana.
Tsy i Ravalo na i Rajoenilna mihitsy no olana vahana eto, fa io PRINCIPE io.
Nisy \"cas concret iny\" mba ho fitsapana ny Mcar, ka dia hita fa tena tsy mbola mahazaka demokrasia isika. Na ny tafika , na ny HCC dia nandamoka daholo.
Misy olona betsaka mifanerasera ato, tena kely fisainana mihitsy, dia tsy mety mahatakatra izany voalazako izany, na mahatakatra fa manakipy maso.
Rehefa arahinao anefa ny tantaran\'\' ny pays afrikana rehetra voazanaka frantsay, dia mitovitovy @ izay daholo: raha vao mba te hiataka kely @ frantsa ny filoha, dia tsy maintsy misy olana mipoatra foana, satria samy manaraka ny tombotsoany avy ny tsirairay ( ny vahiny mpitrandraka, ny eo @ gouvernement, ny antokon\' olona isan-karazany..). Ary tsy maintsy misy foana ny kentrina toan\' i Andry, izay azo atao saribakoly.
Ka hoan\' ireo mpanaratsy an-dRavalo, asio aloha ireo POROFO.
Miandry izahay.