Mety tsara ny tenin'i Phillipes Rajaona teo
41. rakaroka
(
31/03/2009 20:33)
milamm:
aza mikorotana ry reto fa mbola tsy torontoronina akory zany fanjakam-bahoaka sy tsiokany rivom-pahalalahana izany,mifanotany sandry eny andalam-be sy basy ary tafondro ihany aloha zao no malaza(1972-2009) satria izay no fampianarana notezainy reny malala ,aza mifampihaino sy miresaka izany fa sandry ihany no teny ofisialy any @biraony prezidansa ampitahory de tonga de ajedaka raha be mokony, i Zafy Albert ihany no tsy nahavanon-doza otran'io sy Ravalo(ny Emmonat teo Ambohitsirohitra moa dia mutins tsy misy hafa @ kapisaty e zany hoe stratégie-nyi Andry hi-destabiliser-na an'i Ravalo volera ihany iny)
Azafady ry milamm fa mi-grevy impiry impiry ny olona eto Frantsa fa tsy mitifitra izany Rafanja eto , ka io no mahatonga ahy mametra-panontaniana hoe, "tena completement" tsy misy "afitsoka afa-tsy ny manenjika ny Frantsay lé gasy" , lazaina fa noho ny Frantsay daholo na ny vary tsy miditra any am-bavany aza! QUELLE ABSENCE DE RESPONSABILITE !
42. fijo
(
31/03/2009 22:42)
soanja,tsy mbola misy tany lafo akory hatramin'izao.
rah ahoresahan anefa io zavatra io(fampanofana tany hoan'ny daewoo)aoka hojerena ny zavatra misy.
mbola kely aho no efa nahalala an'i tampoketsa.hatramin'iao io tampoketsa io tsy mbola misy gasy mitrandraka sy mampiasa azy.ka rah amisy hafaka hanao izany ve,dia fahotana ny mampanofa izany aminy?????fivarotana tanindrazana ve izany???raha fivarotana tanindrazana izany,dia fivarotana tanindrazana koa ny famelana ny compania petrolina avy any ivelany hitrandraka ny solika misy ao amintsika.io fitrandrahana solika io anie ,dia mahamaika antsika gasy ,ny hivoahany haingana ,hanalana ny fahasahiranana.koa nahoan ano fivarotan atanindrazana ny fampanofana tany,nefa tsy tsy fivarotana tanindrazana ary andrandraina fatratra ny fitrandrahan'ny vahiny ny solika????saina tsy miangatra hitsarana ireo resaka roa ireo.

43. soanja
(
01/04/2009 03:08)
Fijo> Ny tsy mamitovy ny fitrandrahana solika sy fampanofana tany ambolena dia ny tany dia manana lanja manokana amin'ny Malagasy. Io no ivo ifaharantsika ary reharehantsika. Ny tany dia ifandraika amin'ny hasin'i vary sy ny omby amin'ny maha Malagasy. Izany mivarotra tany izany dia toy ny mivarotra tanindrazana eo amin'ny Gasy. Isika mety mihevitra fa misy mahatsara azy io fa saingy raha io tany io no iriariavan'ireo vahiny mandritra ny 90 taona mihoatra ka isika nampanofa aza efa lasana dia mba asa fotsiny ny hevitry ny taranaka monba antsika.
Tsia, hoy aho na tamin'ny hevitra aza! N'inona n'inona fahantrana dia ny tany tsy ahofa ary tsy hamidy! Ary Shame ho an'izay nihevitra ny hanao izany. Izany no ataoko hoe mandatsaka ny mahaMalagasy antsika sady manimbazimba ny tany navelan'ny razana. Io no olako amin'ireo olona manadino ny mahaMalagasy ka manao tsinotsinona ny kolontsaina. Mba fantaro aloha ilay kolontsaina vao manao programa!
Marina fa tsy nisy ilay izy saingy hilaza aminao aho ry Fijo fa izahay taty US dia nahazo filazana ofisialy mihitsy avy tamin'ny ambasady hoe hanomboka tsy ho ela ny fikarakarakana ireo tany ireo ary nanome fanazavana momba ilay kompinia miandraikitra azy izy ireo. Tena saika tafapotraka tamin'ny tany aho nahazo ilay filazana. Mba inona loatra!!!!
Adidiko ny miaro ny mahaMalagasy antsika na dia mahamenatra ahy aza ny zavamisy amin'izao. Ijoroako ny hevitra. Raha nanankevitra izy dia nahavita tokoa raha tsy nisy ny sakana avy tamin'ny mpanohitra!

44. milamm
(
01/04/2009 04:00)
eny,rakaroka inona moa no antsoina hoe andraikitra raha atao toy ny valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia,ary ireo mpanoro lalana no manao tari-bato vilam-bava @ fampiasàna hery fa tsy saina(izy ireo no tompon'antoka voalohany @ fanabeazana ara-tsaina sy ny maha-olona ary indrindra maha-malagasy izay tratran'ny fangolen'ny frantsay ) amiko no tsy te ahalala ny andraikiny sy niamboho ny adidiny @ tanindrazana izy ireo satria maso natao hitsinjo ny lavitra nefa namarina ny tena any an-kady