Nahilika ve ny TIM tamin'ny assise nationale ???

1. essera ( 30/03/2009 05:52)
Salama daholo e !!!

Misy izany ny mpanao diversion eto amin'ny tanàna sady miezaka manao magie. Mba gaga ihany aho nahita lohanteny hoe : "nahilika ny TIM momba ny assise nationale", nefa koa mba nijery vaovao ihany aho ka nahita mpitarika teo Ambohijatovo nilaza mazava hoe : "Tsy handray anjara amin'ny assise nationale izahay". Mety voam-bolana malagasy izany no adika amin'ny teny hafa angamba.

Manaraka izany, ny zavatra nahafinaritra ahy niseho omaly dia ny olona tonga teny Mahamasina maro nitondra am-bavaka ny filohan'ny FJKM. Ny somary nahataitra kely ahy fotsiny dia nisy partie tao amin'ny andalan-teny tao nivoy ny resaka somary fandranitana eny antsefatsefany teny. Tsy hotohizako angamba iny fa ny tena tiako avoitra dia ny hoe : "Tsy adaladala ange ny mpandinika maro teto an-tany nametraka ny hoe tsy tokony afangaro ny fitondrana sy ny fivavahana e." Tsy mandatsa akory fa kosa mba mampatsiahy kely ny zavatra tsy tokony averina. Raha nijery larousse aho izao dia izao no voalaza amin'ny momba ny laïcité mba tsy ho ny hevitro loatra no atsangako eto :
Laïcité : Système qui exclut les Églises de l'exercice du pouvoir politique ou administratif, et en particulier de l'organisation de l'enseignement public. (c) Larousse.


Fahatelo, nisy sujets nataoko tamin'ny zoma 27 marsa teo : 8 bonnes raisons pour convaincre Ra8 de rester au Swaziland (mba andamo vakiana ihany). Dia nisy tezitra mafy ny sasany ka nampifoka anay rongony mihitsy. hihihi. Izao anefa, miaina amin'ny réseau internet isika ka tsy tokony hakatona ny maso fa mivandravandra ny fandrosoana nefa terena hikipy vao tsy mifanaraka amin'ny eritreritry ny tena. Mahazo manao fikarohana daholo isika ry se fa efa nomena ny fitaovana fa ianao no mandà tsy hampiasa. (eightman, fijo, sns no mba asaiko mihitsy hiady hevitra amiko raha tena liana fandrosoana). Saika adino, irey mpanao pseudo "xxx" namaly tao nefa tsy hitako izay fomba iresahana aminareo fa ianareo sady miafina be koa :@ :@ :@ .


Tandremo re olona fa sao dia efa fantatra ny tsy mety fa mbola atao ihany.

Misaotra anao namaky hatramin'ny farany.



novalian'i essera ny 30/03/2009 10:00
2. Mandefitra ( 30/03/2009 05:56)
Sambatra ianao ry essera mbola mahita hafaliana @ zao toe javatra misy any @ tanana zao ihany.
3. essera ( 30/03/2009 06:11)
Mandefitra:

Sambatra ianao ry essera mbola mahita hafaliana @ zao toe javatra misy any @ tanana zao ihany.


Fomba fijery iray tokony ilaina ny tsy dia manao négatif foana fa aleo mba asiana positif kely ombieny ombieny e.
4. Mandefitra ( 30/03/2009 06:33)
Tsy hitako aloha zay positif @ zao ataon i tgv zao ...
Henatra, fahantrana, fandrobana, fanamparam pahefana, fahapotehan ny tanana, fampiasana miaramila ho herim pamoretana ....
Mediocre hoy lay sipakely juriste tao @ france 24
5. KALACK ( 30/03/2009 08:47)
Ka ts mijery atsipirihan-javatr mihits anie hianareo Tim ref manao zavatr n mamal fa tong de valy boraingona na tong de juger-na ze mb manohitr hevitrareo e, io zo i essera tong d jereo anie :
fahantrana, fandrobana, fanamparam pahefana, fahapotehan ny tanana, fampiasana miaramila ho herim pamoretana ....
Mediocre hoy lay sipakely juriste tao @ france 24
de jereo ko anie no teny namalian Mandefitr e boraingona daol :
Sambatra ianao ry essera mbola mahita hafaliana @ zao toe javatra misy any @ tanana zao ihany.
6. essera ( 30/03/2009 10:00)
Ny mahalasa saina dia efa mitoraka voninkazo ny pro-ra8 aho amin'ny teny lazaiko sasany ary tsy misy fiatsrambelatsih fa ataoko teny mahitsy dia mbola omen' zalah ny boraingina ihany ah.

Lasa saro-tiavina koa ve nareo sa efa afo atsangana mihitsy no marina no tianareo e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0502