Androany no hiadivako ny filaminan'ny Madagasikara!

1. soanja ( 28/03/2009 21:41)
Fantatro fa tsy rariny ny nakana ny fitondrana nisaloran-dRa8. Herisetra no nisy. Aleo re hojerena indray ity fitondrana iray ity dia afaka manatsara isika raha mety. Tsy aty amintsika ny fandaminana ny firenena satria tsy ampy ny hery sy sandry ary fitaovana fa mba aoka kosa re ny rotaka sy ny kivorivory sy ny fihantsiana ady hamerenana izay efa niala.

Avelao hilamina amin'izay ny firenena. Mangataka aho androany dia tsy hiverina hiresaak Politika intsony ny tsy hisian'ny fitakiana ny fiverenan-dRa8 satria io no hanapotika sy hanimba tanteraka ny filaminam-pirenena. Avelao izay eo hampiseho ny fahaizany sy ny fitondrany. Omeo fotoana izy hanangana-javatra tsara.

Mangataka aho ary hangataka hilelapaladia aminareo. Avelao ny ady seza. Aleo hitondra izay eo aloha dia enga anie hisy ny fifidianana tsy ho ela. Raha ny faniriako dia homany izay filoha tsara any hapetrantsika eo. Tadivo io olona io, nadao isika hikaroka sy hampiasa saina miaraka. Fa avelao izay any izay efa lasa!

Misaotra ary manantena ny fahendrentsika hitia ny taranaka mifandimby!
novalian'i bazylou ny 29/03/2009 16:15
2. Andribe ( 28/03/2009 21:46)
kay ve fitondrana le eo io ee heveriko fa HAT :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
3. sitlo ( 28/03/2009 21:48)
Amin'ny fomba tsotra dia hoe:

Efa fantatra fa hery setra no nahazoany fitondrana fa aleo izy hitondra ihany na izany aza. Iza no mahalala?

Tsia kosa hoy aho.
4. pink ( 28/03/2009 22:10)
Avelao mba henoina daholo izay miteny .
Ry Rajoelina nanao izay farantampony nanao critique sy fanaratsiana any Ra8.
Nihaino izao tontolo izao ary nahita koa fa avelao ny hafa hiteny koa dia hihaino sy ahita izao tontolo izao .
Efa manomoka misokatra be by sofina sy masony izao tontolo izao...

Ny fihetsempo tsy mandeha intsony
5. myari ( 28/03/2009 22:12)
mba tena tsy maka sarotra tokoa ary moramoraina tokoa @ filazana hoe aleo izy aloha hitondra na dia efa fantatra izao hoe t@ alalan'ny hery no nangalana ny fahefana, ka mitodika manokana @ ilay nametraka io hevitra io aho ka saika hametra-panontaniana aminy hoe:raha ny vady tianao ao an-trano ve no misy mandrombaka anao dia valianao hoe: aleo aloha entiny sy hiterahany any fa tsy maninona fa ho hita eo ihany raha mbola ho tia ahy izy avy eo!!!!!
6. xxx ( 28/03/2009 22:20)
tsotra b ra soanja tsy milamina tsony zany io ra tsy miverina ra8, anao inona eo radomelina tsy hahavita nininona eo mihitsy io akory sao hadinonao aza fa tsy misy hamatsy vola anio mpangalam-pitondrana io anie ny mpamatsy vola é! ary miankina bdb @ izy reo ny fampandrosoana an'i Mcar ka inona no ho vitany eo, ary tsy adala ny mpiasam-panjakana raha higrevy @ alatsinainy satria efa fantatr'izy reo fa atsy ho atsy d efa tsy handray karama izy reo na ny projet ny asan'izy reo aza d efa tapaka ny famatsim-bola ka inona no ataony eo. Ka tsy mijanona tsony ny grevy raha tsy miala eo radomelina!
7. rakaroka ( 28/03/2009 22:24)
De toute les façons mitohy hatrany ny tantara; ny fanamarihana hoe t@ hery...
T@ hery foana no nialan'ireo mpitondra niziriziry tsy nety niala tsotra taorian'ny fangatahan'ny olona "Demission" ; Donc tsy dramatisé-na ity iray satria LOJIKA izany !
Tsarovy ny "tsak! tsak zato arivo nampiongana an'i Tsiranana. Ny 10 Aout Iavoloha nampiongana an-Ratsiraka, ny fanenjehana ny olona maaaro vitan-Ra-8 t@ ireo noheveriny fa olon-dRatsiraka. Nisy maaaty betsaka koa fa tsy hay na nodian-trsy hita, nisy voaenjika tsy fidiny, ary afaka manome referansy mihitsy aho raha ilaina!

DONK "aza manamarin-tena satria tsarain'ny tantara sy ny fhm!
Fa miandrandra filaminana sy fandriapahalemana koa aho!
8. soanja ( 28/03/2009 22:29)
myari:

mba tena tsy maka sarotra tokoa ary moramoraina tokoa @ filazana hoe aleo izy aloha hitondra na dia efa fantatra izao hoe t@ alalan'ny hery no nangalana ny fahefana, ka mitodika manokana @ ilay nametraka io hevitra io aho ka saika hametra-panontaniana aminy hoe:raha ny vady tianao ao an-trano ve no misy mandrombaka anao dia valianao hoe: aleo aloha entiny sy hiterahany any fa tsy maninona fa ho hita eo ihany raha mbola ho tia ahy izy avy eo!!!!!


Zavatra roa tsy azo ampitoviana ireo satria ny iray raha resaka vady tokony tsy hisy ra mandriaka sy olona voapotsopotsitra ary fijaliana tsy roa aman-tany.

Matoa miady ny tsy hisian'io tolona hamerenana an-dRa8 io dia tsy ny hoe tsy fitiavako azy tanteraka velively akory fa ny tsy fankasitrahako ny fisian'ny ra mandriaka eo amin'ny daholobe. Satria fantatro ny hisy eo raha mitohy izany.

Raha resaka vady indray tompoko dia tsy ahita vady tsara mihoatra ahy izy. Ka mino aho fa nahamirapiratra toy ny inona azy ny any tsy hisy hahatoraka izay efa nomeko azy sy natokako ho azy! Iny efa mandrakizay fa aza manahy.


:wink:

Tsy mba hiady vady izany aloha aho raha ny fahitako azy fa aleo dia tsorina raha samy olombelona ihany. Andriamanitra mahalala ny anjaran'ny tsirairay matoa lasa iny dia izay no nataony. Tsy anjara hozy ny gasy!
9. hery ( 28/03/2009 22:34)
Tokony tamin'ny fevrier i soanja no niantso tahaka ity hoe "Aleo re miandry fifidianana"...

Mba samy tia fandriam-pahalemana sy filaminana daholo isika. Tsy satry ve mba hilamina sy hisy passation tahaka ny any amin'ny firenena mandroso rehetra rehefa misy fisoloana mpitondra?

Efa fantatra fa fanjakana alaina amin-kery tahaka ireny (noterena hi-demissionne ny min. fiarovana, natositosika ny mpanelanelana, notsofina rano handoro sy handroba ny mpitolona, etc.) dia tsy maintsy hampiasa hery foana. Nahoana no tsy tamin'ireny fotoana ireny i soanja no niantsoantso fandriam-pahalemana?

Raha manaiky tsy avela hilahatra dia hanaiky ny jadona isankarazany... ka tsy lasa. Raha resaka jadona ihany dia aleo ilay jadona malefaka toa izay ity mamono mahafaty ity.
10. xxx ( 28/03/2009 22:37)
ka marina zany rakaroka t@ hery no nanalana azy teo, ary tsy manaiky an'izany ny vahoaka,ny vato nalatsakay t@ 2006 mbola tsy tapitra ny fetrany mbola misy 2taona na mety nataony na tsy mety,tsy maintsy haverina eo izy hanapitra ny hambim-batony, ary efa nifanarahana t@ mpamatsy vola zany, mitohy ny tolona, raha nianatra sy ny saina ary tia tanindrazana marina radomelina tokony tsy nanongana.
11. soanja ( 28/03/2009 22:47)
hery:

Tokony tamin'ny fevrier i soanja no niantso tahaka ity hoe "Aleo re miandry fifidianana"...

Mba samy tia fandriam-pahalemana sy filaminana daholo isika. Tsy satry ve mba hilamina sy hisy passation tahaka ny any amin'ny firenena mandroso rehetra rehefa misy fisoloana mpitondra?

Efa fantatra fa fanjakana alaina amin-kery tahaka ireny (noterena hi-demissionne ny min. fiarovana, natositosika ny mpanelanelana, notsofina rano handoro sy handroba ny mpitolona, etc.) dia tsy maintsy hampiasa hery foana. Nahoana no tsy tamin'ireny fotoana ireny i soanja no niantsoantso fandriam-pahalemana?

Raha manaiky tsy avela hilahatra dia hanaiky ny jadona isankarazany... ka tsy lasa. Raha resaka jadona ihany dia aleo ilay jadona malefaka toa izay ity mamono mahafaty ity.


Hery o, efa ela aho no niantso fandriampahalemana. Efa ela no nidradrako ny tsy tokony hisian'ny herisetra sy ny tsy rariny, ny fironana amin'ny fitoniana.

Asa aloha ry Hery fa raha ny teto amin'ny Forum dinika Politika dia tena hitako fa tena tsy nisy nifandresana ny teny ratsy/ny ompa sy fanabatiana ary ny fandrerahana atidoha. Na dia tiako aza ilay fireneko tamin'ireny dia miala tsiny fa tsy zakako ny namaky ny ompa vary raraka teto. Manketo aho izao satria fa mba nihatsara hoy aho ny fandehany eto. Enga anie ka hitohy.

Raha manoratra eto aho amin'izao dia hitako fa manam-panahy ny eto hijery sy hiatrika zavamisy matotra.

Tsia, tsy tsara ny natao'ireo nandrombaka ny fitondrana tamin'ny tsy rariny sy ny fanafiana ary fanapotehana ny fananam-pirenena saingy hoy aho hoe raha lasa i Ra8 dia nanala tena tokoa izy ka enga anie ny mpomba azy mba hahalala fa tsy zakany intsony ny zioga nentiny dia mba omeo rivotra izy hiaina sy hahalala izay tokony ataony. Mino aho fa hahavita zavatra tsara lavitra izy any amin'izay misy azy toy izay hiezaka hiverina hitondra an'i Mada indray, hanome ra mandriaka maro tsy ho voaisa intsony.

Hevitra ny ahy anefa fa aleo ny tantara no hitsara ny tsirairay.


12. soanja ( 28/03/2009 22:51)
xxx:

tsy maintsy haverina eo izy hanapitra ny hambim-batony, ..., mitohy ny tolona, .


Io hevitra TSY MAINTSY IO INDRINDRA no hanimba ny zavadrehetra! Apirimo aloha rey olona ny teny hoe TOLONA fa tsy mahatsara antsika io aloha amin'izao.

Hoy aho hoe NDAO HOJERENA HAINGANA IZA NO HASOLO AN-DRA8 fa izy efa tantara ny nitondrany teo. Ndao hatao tsara ny fifidianana manaraka eo hanasoavana ny faramandimby fa ambilao eky aloha ny adiseza!


13. xxx ( 28/03/2009 22:55)
raha sitrak'Andriamanitra no nahalany azy teo t@ 2006 d tokony tsy nahongana izy fa navela nanapitra ny mandat any!
14. soanja ( 28/03/2009 22:59)
Tsy sitrak'Andriamanitra ny zavadrehetra feno herisetra mino aho! Isika no manangana olana amintsika. Fanirin'Andriamanitra kosa ny hihavanantsika sy hifankatiavantsika.

Matoa misy ny zavatra iray dia satria nisy ny fahatongavana tamin'izany.

Tsy misy idiran'Andriamanitra ny fitondrana eto an-tany fa ny fifandraisantsika eto kosa sy fanamasinana ny aina no tena imasoany tokoa toy ny anaka andriamaso ny mahazavadehibe izany!
15. bazylou ( 28/03/2009 23:04)
de tsy menatra ve ianareo ra8ista ireo midradradradra hoe tsy misy mpamatsy vola intsony raha ilay io no eo fa aleo ihany le8!! tsy menatra ve!! ianareo ireo izany le olon andevon'ilay8 sy kamo lahy isany daholo ka tsy haninkohanian raha tsy eo ilay io hivarotra ny abobony!!!
Tadidio fa ny mpamatsy vola dia misy foana na iza eo na iza!! Dia izy tompony aza efa nilefa , dia ianao izay ary antokotany indray ve no miantso hoe avia!! tsssle, efa tara be le film e!!
Tsy mahaeo miverina eo iny !!koa raha tsy nofa ry tgv kle!!! :-D :-D :-D
16. xxx ( 28/03/2009 23:10)
mba halefaso zany mpamatsy volan-dradomelina zany ho jerena é! tandremo sao ny tanindrazana no atao takalony.
17. zandikely ( 29/03/2009 00:11)
Raha resaka fifandraisana amin'ny mpamatsy vola dia efa niato kely hatramin'ny Ravalomanana teo. Tsy teo angaha nareo tamin'ilay resaka fitakian'ny FMI tatitra mazava momba ny nahazahoana iny Force one II iny.
Efa impiry ny gouvernementa nandresy lahatra fa tsy mbola naharesy lahatra ny FMI.
18. soanja ( 29/03/2009 07:43)
xxx:

mba halefaso zany mpamatsy volan-dradomelina zany ho jerena é! tandremo sao ny tanindrazana no atao takalony.


Ka raha i Ra8 naika hivarotra ny tanindrazana tamin'ny Koreana ve tafiditra amin'io famatsiana ara-bola io ihany koa ny fisehony?

Tandremo fa ny mpamatsy vola koa dia manana ny tanjony ary mila dinihina tsara avokoa ny firosoana amin'izany sao dia very anjambany ny ezaka sy ny aina nafoy noho ny tolona lavitr'ezaka.

Isika dia ho latsaka ankaterana tokoa noho ny zavamisy ary manahy tokoa ny ho avy akaiky ny Gasikara aho saingy diniho tsara ny zavamisy fa mety handripaka ny ain-dehibe ny firenena iray manontolo mihitsy.

Enga anie ry izy mianakavy ka mbola ho mamim-bahoaka i Ra8 resahinareo. Fa raha tsy izay dia ahita faisana isika hoy ny tenako matahotra adilahy politika mivadika ra mandriaka!


19. hery ( 29/03/2009 07:51)
Raha izany anie maninona no tsy mirotsaka amin'ny fifidianana avy hatrany i Rajoelina e?
Inona no misakana azy amin'izany? tsy efa eo am-pelatanany ve ny fahefana?
20. soanja ( 29/03/2009 08:01)
hery:

Raha izany anie maninona no tsy mirotsaka amin'ny fifidianana avy hatrany i Rajoelina e?
Inona no misakana azy amin'izany? tsy efa eo am-pelatanany ve ny fahefana?


Inoako fa izay tokoa ny tiany hahatongavana ary amin'ny fomba rehetra hitany fa metimety aminy. Tsy miteny amin'ireto HAT sy ny tariny ny atao hoe rariny sy ny hitsiny ary ny ara-dalana sns... ka handripaka aina aza dia tsy hampihotsina akory ny volomasony.

Raha mbola olona manana ny fanahy mitsinjo ny tokony atao mahavelona sy mahasoa ary maharitra isika dia aleo omanina tsara ny fomba hamerenana ny fiandrianam-pirenena ao anaty saina tony.






© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2403