Androany no hiadivako ny filaminan'ny Madagasikara!

21. xxx ( 29/03/2009 09:14)
ka ry zareo reo anie manomana ny fomba angalaram-bato zao no tena imasoany e , radomelina tsy nianatra fa bac aza tsy ananany , roindefona tsy diplomé fa autodidacte ny ankoatr'izay dinosaure ka inona intsony fa na iza eo na iza de ny hatsembohan'ny tavanao no hihinananao fa tsy hisy hanome vola anao eo , mbola hilentika lalina ny firenena efa mba nandroso teo mantsy
ary aza manantena ny sadc e ua e onu international e fa ireo ny tombotsoany no arovany satria naninona ra teo de efa nanohana fa tsy efa lasa ra8 vao mody hoe hanampy fa tsy manaiky io hat io , vao ahitany tombotsoa io hat io de mivadika ireo toy ny miaramila ory vola ihany mitovy @ makorelina tsy mahalala afatsy vola; zao ka menaky ny tiko no lokoina de mody oe mahita menaka mora , amidio alou hovidiana e , mofo no natao kabary t@ tele eisy e ry mofo rey e groupe rey hahaha aiza ny minisitra , ireo vice hat 6 , vice pm 3 , conseils suprêmes bedebe , seza zany seza zany fa misy hono ny vola;
vao nandray fitondrana de nisy maty tao mahamasina noho ny fifanosehan'ny maimbo helika rehetra; tsy misy fotoana hieritreretana fa tonga daolo ny alika jamban'ny taolana rehetra milahatra ho ao ambohitsirohitra hiresaka @ i lucky luke : tsy misy tia tanindrazana fa samia tia ny tenany fa aza mamono oul fotsiny
22. ravonjison ( 29/03/2009 12:25)
hery:

Tokony tamin\'ny fevrier i soanja no niantso tahaka ity hoe \"Aleo re miandry fifidianana\"...

Mba samy tia fandriam-pahalemana sy filaminana daholo isika. Tsy satry ve mba hilamina sy hisy passation tahaka ny any amin\'ny firenena mandroso rehetra rehefa misy fisoloana mpitondra?

Efa fantatra fa fanjakana alaina amin-kery tahaka ireny (noterena hi-demissionne ny min. fiarovana, natositosika ny mpanelanelana, notsofina rano handoro sy handroba ny mpitolona, etc.) dia tsy maintsy hampiasa hery foana. Nahoana no tsy tamin\'ireny fotoana ireny i soanja no niantsoantso fandriam-pahalemana?

Raha manaiky tsy avela hilahatra dia hanaiky ny jadona isankarazany... ka tsy lasa. Raha resaka jadona ihany dia aleo ilay jadona malefaka toa izay ity mamono mahafaty ity.



Miombokevitra aminao sy Myari aho, saingy somary ampiako kely ireo hevitra:

- izaho tsy d\' accord mihitsy@ ilay resaka fangalana fahefana ankeriny, na i Ravalo na tsy i Ravalo no nitondra teo. Ny antony dia izao: efa hita fa mbola mianatra demokasia i Mcar, noho izany mila fitaizana sy fanaovana prevention. Ny fangalána fahefana ankeriny toy izao dia manome OHATRA RATSY hoan\'ny olona tendankanina sy marivo fisainana. Raha ekentsika io dia milaza direct @ ireo olona ireo isika fa ny fakana seza @ alalán\' ny hery dia zavatra normal ( ny sasany mody milaza fa azo atao io satria tranga hafa i Mcar), indrindra moa fa raha misy zavatra azo kianina ny nataon\' ny filoha teo aloha. Noho izany io fakana seza ankeriny io dia hiverina indray afaka fotoana fohy ( izany dia tsy miankina @ Ravalo mihitsy, olon-kafa no hanao izany ). Misy antokon\'olona tsy faly fotsiny , dia hoy izy hoe : ndao hanao coup d\' Etats fa zavatra efa mahazatra eto izany. Rehefa tonga eo isika dia tsy maintsy eken\' ny vahoaka foana.
IZAY NO ZAVATRA ATAHORANA SY TOKONY HIALANA.

FEHINY: ny tsy fanekena an\' io dia coup d\' Etats io dia ny mba tsy hiverimberenan\' ny coup d\' Etats any aoriana sy mba hitaizana ny vahoaka malagasy ny atao hoe demokrasia, ......fa tsy resaka Ravalo mihitsy na Rajoelina.

Noho izany tsy maintsy tokony hiala eo Rajoelina ary tsy tokony hitondra mihitsy. Tsy maintsy hatao ny fifidianana, ary i Ravalo tokony hirotsaka candidat, satria izy nesorina ankeriny, hohita eo raha mbola tian\' ny olona izy.


23. soanja ( 29/03/2009 15:00)
Ny tenako koa dia tsy mankasitraka Coup d'Etats ary izay no nampifendroka ny atidohako rehefa nitranga ilay izy. Fa kosa ny mbola hanisy ra latsaka fanindroany , fanintelony sns indrindra ho an'ireo tsy manantsiny dia tena laviko tanteraka izany.

Aleo ny SADC sy izay ho avy hanao ny fandaminana sns... ary raha averiny eo Ra8 tsy manahy raha izay no sitrany sy sitrakareo fa kosa ny mbola hanentana olona atao sorona eny an-dalana no mahatonga ahy himenomenona.

F'inona marina moa isika no hanao tohatra fiakarana lava ny madinika??? Mba jereo akaiky io fika iray io fa tena manimba ny firenena!

Iasao mafy io fifidianana manaraka io!

24. bazylou ( 29/03/2009 16:15)
izany le8 izany aloha diatsy hotafaverina eo intsony e!! ny teo aza tsy zakanyfa nilefa izy !! dia haverina indray ve, tsssle!! mila ambonimbony kokoa noho izany e!! :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1182