marary maso

1. myaina ( 27/03/2009 11:12)
miarahaba antsika rehetra!!
isaky ny manao contrôle any am Dr aho, dia mi dégrade foana ny masoko!!!
izao ny ho solomasok dia -1 sy -0.75, raha niantomboka -0.25.
tao anatin ny 6 taona izay!!
dia misy fomba tokony hataoko ve mba haha stable azy!!
efa nanontaniako ilay Dr fa tsy namaly izy!!
matahotra aho faraha izao no mitohy dia asa mandrapaha antitra!!!
misaotra anareo!
novalian'i sarobidy ny 16/04/2009 13:17
2. hana ( 31/03/2009 12:35)
Miarahaba anao myaina,
izaho koa manao solomaso fa mifanohitra aminao indray : niainga -1 aho t@ 2004 dia lasa -0.25 izao. Ilay dokotera koa gaga fa tsy azony hono hoe inona no niseho
Momba ahy manokana dia ny mitandrina no ataoko. Tsy fantatro ny asanao, raha mampiasa ordinatera dia tsara asiana antireflets ny solomaso rehefa mividy azy. Ny asa tanana toy ny peta-kofehy dia hitako ho mandreraka maso be, atao mazava tsara foana ny toerana iasàna, raha vao mahatsiaro ho reraka dia maka aina kely aloha.
dia ezahina tsy vizanina be ny maso, hajaina ny elanelana @ télé hoe 6*n'ny diamètre, izany hoe raha télé 56cm dia tokony ho ery @ 3m miala azy ianao no mijery, na raha tsy tratra io dia mba tsy akaiky kely loatra. Ny famakiana boky tafahoatra koa mandreraka, ny miasa alina sns.
Ankoatr'izay, ny sakafo karaoty maha-tsara maso; dia mahereza mihinana na andrahoina io na atao lasary. Ankoatry ny vitamines sy pro-vitamines A isan-karazany, anaty fromage, tamenak'atody, voatabia ets. Dia mahereza mihinana poisson gras toy ny maquereaux, sardines, tilapia sy bara, misy koa any Madagasikara hoe banane (trondro ihany io), ireo trondro madinika toy ny vary lava, pirina sns. Araka izay azo atao dia asio an'ireo in-2 isan-kerinandro ny sakafo.
Toromarika teknika kely : ataovy madio tsara foana ny veran'ny solomaso. Raha incassable dia diovy @ lamba malefaka madio tsara, raha zavatra hafa sao manakiaka azy. Azo sasàna @ rano sy savony koa raha ilaina dia fafàna @ mouchoirs jetables avy eo.
Ireo aloha no haiko fa tsy fantatro ny namana hafa
hana
3. xxx ( 31/03/2009 13:21)
Asa firy taona ianao, ny zanako mbola kely myope koa, fa dia midina midina hatrany ... en 6 mois izy no mahazo izany hoe -1,25 lasa -1,75 fa normal hoy ny Dr , h@ taona anankiray, mety hatrany @ 25 ans any vao tena stable ... Avy eo vao miakatra tsikelikely
4. myaina ( 31/03/2009 13:28)
misaotra anareo !!
"xx">>> za zao efa 30 taona, saingy tsy nanao solomaso raha tys t@ 2003!
misaotra an i hana koa: hiezaka aho hanao ireo lazainao ireo!!
myaina
5. sarobidy ( 01/04/2009 07:54)
Nanomboka tam 1995 aho no nanao solomaso tam mbola mpianatra fa izao aho nony niasa de najanoko tsy niandry toromarika avy any am dokotera akory. 2003 aho no nisolomaso farany -0.50 izy 2 tamzay fa natahotra aho hisy fiantraikany fa hatramzao tsy misy iantraikany fa hitako oe rehefa reraka aho de mangana iny ambany masoko iny, izay ihany!
Fa hatramzay nanajanonako azy ka hatramzao de diovina am ranona dité sahambavy ny masoko, atao anaty vilia madio ilay dité de sokafana ny maso ao anatiny eo mandritra ny fotoana vitsi².
Izao aho tsy maninona mihitsy nefa ny zavatra rehetra ataoko mandreraka maso daholo.
6. Naxy ( 14/04/2009 06:14)
Jus de carotte no hitako nampiasain'olona dia mety aloha e, ka andramo sotroina matetika fa vitamine be koa ireny.
7. sarobidy ( 16/04/2009 13:17)
jus de carotteio koa efa fanaoko sady tsara be
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3426