ny ririn-dasa tsy tsaroana................
21. mibalika
(
28/03/2009 12:33)
Miarahaba ny rehetra ,
mbola mamerina ny fisaorana anareo tsirairay avy,samy nanolokevitra ampanajana,ho an'i soanja :ianao izany nisy ho hanina tam androndratsiraka?ary
inona no olana nahatonga ny olona any ambanivohitra tsy nihinana tam andro RA8?ny ahy ny hevitra tiako ampitaina ,dia hoe samy mikaroka isika izay ahasoa ny firenena fa tsy hiandry andRlita na na rakoto ,mahereza
mbola mamerina ny fisaorana anareo tsirairay avy,samy nanolokevitra ampanajana,ho an'i soanja :ianao izany nisy ho hanina tam androndratsiraka?ary
inona no olana nahatonga ny olona any ambanivohitra tsy nihinana tam andro RA8?ny ahy ny hevitra tiako ampitaina ,dia hoe samy mikaroka isika izay ahasoa ny firenena fa tsy hiandry andRlita na na rakoto ,mahereza
22. ravonjison
(
28/03/2009 13:07)
Oay:
Ka ny hikazako anao hoe ao ambadikin\'ny tamboho ianao d ny hoe:
>>>Tsy mila manaporofo intsony ianao fa napetraka ny fanalalahana teto Madagasikara satria izay ilay zavamisy erantany.
>>>Raha tianao hofantatra d fantatro tsara ohatra ny fiarahamiasa teo @ Sinoa sy ny CUA t@ andron\'ny Rafalimanana, olona fantatro ny mpanelanelana teo @ resaka fa ny tsy fantatrao d hoe: natao izay hahamafy ny sinoa sy ny amerikanina ary nezahina novonoina ny frantsay, ny nahagaga anefa ary mahagaga ana hoe maninn no tsy mety hohazonao d mbola ny frantsay ihany no mbola nitondra vola betsaka teto Madagasikara.
Porofo mitohaka amin\'ny tenda ny naneken\'ny amerikana sy ny sinoa ny nanampian\'ny frantsay t@ fanonganana an\'i Ravalomanana satria tsotra ny resaka ny frantsay no be vola miasa eto Madagasikara ka rehefa tsy milamina i Madagasikara d ny frantsay no maty antoka amin\'izany.
Ny tsy hifanarahantsika d hoe volonté politique n\'i Ravalomanana ny famonoana ny orinasa frantsay teto Madagasikara satria iny anie efa nazava hatramin\'ny voalohany, ary raha mandinika ianao d resaka perso ihany ilay izy.
D ny mbola tsy hifanarahantsika mianaka ihany koa d ny hoe nopotehan\'i Ravalomanana ny mpanakarena teo aloha fa ny nataony kosa d nangalatahaka ny fanaon\'ny teo aloha. Izay no mahatonga ana hoe ao ambadikin\'ny tamboho ihany ianao nefa ny fahitako indray d tena miaro ny nataon\'i Ravalomanana fotsiny tsotra izao ianao d tonga ary @ ilay teniko hoe sao d culte de personnalité na kosa angamba ny tena marina d mpiaramisosy ianareo ka raha izay no marina d efa hatrany amin\'ny tsinaymainty ilay izy ka lasa polémique izy ity fa tsy hisy vahaolana knou!
Isika gasy dia mbola variana ary tsy mety tonga @ rangoro fototry ny afo : io fiankinantsika @ frantsay irery io mihitsy no tsy mampandeha ny rahara.
1- voalazanao hoe: ny volan\' ny Frantsay no miasa betsaka eto Mcar. Mitovy ny hevitsika @ iny fa saingy ny tsy takatry ny sasany dia ny hoe : io fiankinantsika @ frantsay io mihitsy no ratsy.
2- fa tsy azoko kosa ilay raisonnement -nao hoe: \"Porofo mitohaka amin\'ny tenda ny naneken\'ny amerikana sy ny sinoa ny nanampian\'ny frantsay t@ fanonganana an\'i Ravalomanana satria tsotra ny resaka ny frantsay no be vola miasa eto Madagasikara ka rehefa tsy milamina i Madagasikara d ny frantsay no maty antoka amin\'izany\".
Mcar nge nilamina teo e , fa i Andry sy ny tariny no nitondra ireo korontana. Izay ve no noatdiavin\' ny Frantsay? Ary izao dia efy hita fa mbola hitohy ny tantara, satria tsy misy manaiky fanonganam¨-panjakana izany.
Mazava fa manaraka ny tombotsoany i Frantsa. Kanefa izany dia mifangaro @ cous d\' Etats sy korontana. Izay mihitsy ilay voalazako etsy ambony hoe: miankina loatra @ Frantsa isika, ka tokony hovana izany, izay mihitsy no tsy mety. Ka tsy azoko ny hoe: maninona i Andry no manaiky izany ?
3- voalazanao : Ny tsy hifanarahantsika d hoe volonté politique n\'i Ravalomanana ny famonoana ny orinasa frantsay teto Madagasikara satria iny anie efa nazava hatramin\'ny voalohany, ary raha mandinika ianao d resaka perso ihany ilay izy.
Izaho kosa tsy miombokevitra aminao mikasika an\' iny . Ianao milaza fa famotehana ny orinasa frantsay, izaho kosa mahatsapa fa io fiankinana@ frantsay io no tian\' i Ravalo hialána, noho izany dia niezaka izy hizarazara ireo fiaraha-miasa @ pays sasany. Izany anefa mazava hoazy fa tsy maitsy hahatezitra ny frantsay.
Eritrereto tsara fa izay filoha na pays afrikana( ireo zanatany teo aloha) niezaka ny tsy hiankina @ frantsay dia ratsy fiafara daholo.
Ny politika frantsay @ pays afrikana mihitsy no ratsy , isika gasy anefa dia minia tsy mahatsapa izany fa laozantsika mifamely antrano.
23. mibalika
(
28/03/2009 14:07)
zaho miteny efa hatry ny ela isika no ataony misarabazana fa ry zareo misoko mangina eto,tsy mbola azon'ny gasy ihany io izao d mizarazar na ny mpianakavy aza,asa ho aiza isika ity
24. soanja
(
28/03/2009 18:52)
mibalika:
,ho an'i soanja :ianao izany nisy ho hanina tam androndratsiraka?ary
inona no olana nahatonga ny olona any ambanivohitra tsy nihinana tam andro RA8?ny ahy ny hevitra tiako ampitaina ,dia hoe samy mikaroka isika izay ahasoa ny firenena fa tsy hiandry andRlita na na rakoto ,mahereza
Raha io farany io hevitra nomenao voalohany dia manaiky aho hoe aza manantena fanjakana fa izay hitanao fa mahasoa ny fianakavianao sy ny ankohonananao ary ny fiarahamonina iriariavanao no imasoy izay mahatsara azy. Aza asiana hoe tsara ny an-dranona fa ratsy tamin'ny andranona.
Samy nanana ny faharatsiany sy ny fahatsarany aby ireo nandalo ireo. Ary samy foistra daholo ny fanimbana an'i Madagasikara tamin'ny lafiny isan-karazany.
Hamaliako ny teninao dia ny tenako izao no nifoha tamin'ny telo maraina nilaha-bary, savony, siramamy sns.. tamin'ny andron-dRatsiraka. Tany ambanivohitra niainako rehefa weekend dia nahitako fa tsy nila nilahabary ireo olona niaina tany fa ny mangahazo sy ny katsaka ary izay nisy no nohaniny sy nanatsarany ny fiainany. Nisy ny fananganana sekoly EPP eran'io ary nisy ny famatsiana ara-tsakafo ny toerana sahirana tamin'izany sakafo any an-tsekoly izany. Tsy fantatro izay fiainana tao Antananarivo ka tsy resahiko fa ny hany fantatro dia nijaly ny mponina tamin'izany fotoana izany satria nilahatra sakafo hovidiana.
Tamin'ity indray mitoraka andron-dRa8 indray dia efa tsy nipetraka tamiko ilay olana sakafo fa ny olona atrehako isanandro niarahako niasa dia nahitako tokoa fijaliana tsy misy ohatr'izany. Ny sakafo hohanina mihitsy no tsy nisy. Mpamboly vanille ireto tantsaha alaiko ohatra ireto fa dia tsy nisy na dia izay vola hividianana sakafo satria notapenan-dRa8 ny tsena iraisam-pirenana izay mba nahafahan'ny mpividy vanila sy mpanondrana azy fa nalainy ho azy ka dia foana ny fividianana vanila tamin'ireo toerana ireo.
Ireo olona be dia be sahirana ireo dia miantehitra amin'ny tsena iraisam[-pirenena izay ifandraisan'ny mpandraharaha isan-tokony avy ka nony nalainy ho azy manokana ny fananterahana izany dia foana tsy nisy intsony ny tsena tany ambanivohitra hividianan'ny mpanondrana hatramin'izay. Izy ireo anefa dia tsy mpamboly vary fa ireo no asa nifotorany. Ka asa re izay fahitanareo azy fa dia aoka ny hitsiny no jerentsika.
Sahirana ny tantsaha na tamin'ny andron=dRa8 sy Ratsiraka ary samy nanao ny nataony aby ireo. Koa aleo hazava fa tsy nisy masina ireo ary tsy samy tsy nitana ny teniny avy fa dia anjarantsika ny mampahalala ny zanantsika izay fanatsarana ataontsika avy enga anie ka tsy hitongilana.
Amiko dia fotoana ny fialana amin'izay efa nisy izao ary mijery ny fanatsarana ny ho avy. Mitohy ny dia fa tsy miverin-dalana! Izay nisy dia nisy fa izay hisy kosa aleo izay vitantsika dia ataovy izay hahatsara azy avokoa. Mandraisa andraikitra daholo! Tys vitan'ny ambony latabatra! Misaotra tompoko!
