mahagaga an!! ny olona mpiseho ho mpivavaka

1. bazylou ( 26/03/2009 23:10)
ihany no tena devoly alika maty sy mpanompo sampy!!! :roll: :roll: :roll:
Mahita ilay hevitra hoe vidiako ny fiangonana, sy ny lanitra ary andriamanitra!! :-D :-D
répondu par soanja le 20/04/2009 02:56
2. ratavao ( 27/03/2009 05:22)
Marina Andriamatoa, iza no niseho ho mpivavaka indd teto amin'ny firenena ? nef ambadik'izany inona? Dia i R-8 tsy mataho-tody!
3. LL52 ( 27/03/2009 06:15)
Marina mitsy zany voalazanareo zany, mody ho mpivavaka be, nefa devoly. taiza ko no mbola nisy filoha nanakatona fiangonana rah tsy i Dago, mampalahelo, ny aody eran'Ambotsirohtra sy Iavoloha tsy lazaina tsony;
4. KALACK ( 27/03/2009 17:55)
Angah tsy hitanareo le sary nalefan diamondra teto iny oe nahitana toeran faaovan fanafody gasy sy fijoroana fanaovana sampy ony ozy le gazety nalefan'i diamondra teto teny amin'ny tendrombohtr manodidin rehetr teny iavoloha teny , ten zavadoz
5. soanja ( 27/03/2009 20:48)
Ny devoly dia tsy misy fa ny olombelona no be siasia!
6. niryna ( 28/03/2009 05:38)
bazylou:

ihany no tena devoly alika maty sy mpanompo sampy!!! :roll: :roll: :roll:
Mahita ilay hevitra hoe vidiako ny fiangonana, sy ny lanitra ary andriamanitra!! :-D :-D

Raha mbola tsy nirotsaka taminao ny fanahy masina dia mivavaha fa ho fantatrao ny atao ho herin'Atra ry bazylou a

Tsy fantatro aloha no tena tianao ho tenenina hoe devoly alika maty sy mpanompo sampy e,iza? manana porofo niaraka tamin'ilay olona angaha hianao ?
Dia tsy mbola mazava ihany koa ny hoe vidiako ny fiangonana sy ny lanitra ary Atra ? vidiana amin'ny inona ohatraninona no vidiny ,hi,hi
mampitoma koa ra bazylou izany
-------------------------------------------------
Raha miaraka amin'Atra dia mahafantatra ny fisian'i satana ary ny baiboly no efa manazava fa Kristy aza nalain'i satana fanahy : ny vato ho tonga mofo,ny fahefany erak'izao tontolo izao omeny azy raha hiankohoka aminy... ny herin'Atra teo anatrehany raha tena zanak'Atra marina dia mianjera ......
Raha tsy mino ny tenin'Atra izany dia mazava ho azy fa tsy hino ny satana koa dia tazomy ho an'izay manaiky am-piasan'i satana sy mampianatra vilana hoe tsy misy izy,matoa izy ha,ha dia ny tena no menatra
7. soanja ( 28/03/2009 17:26)
Hoy i Nyrina> [quote=niryna]
[quote=bazylou]

Raha miaraka amin'Atra dia mahafantatra ny fisian'i satana ary ny baiboly no efa manazava fa Kristy aza nalain'i satana fanahy : ny vato ho tonga mofo,ny fahefany erak'izao tontolo izao omeny azy raha hiankohoka aminy... ny herin'Atra teo anatrehany raha tena zanak'Atra marina dia mianjera ...... "

Fa hoy kosa aho:"

TSY LAFATRA- TSY TONGA LAFATRA- TSY FANAPERANA- ZANY ILAY KRISTY RESAHINAREO SATRIA IZY AZA IZANY MBOLA VITAN'NY SATANAREO NALAINA FANAHY.

Mahavariana! nefa Izy ihany koe no heverinareo fa Andriamanitra!

Amiko, dia tsy ny satana ( na zavatra/olona/fanahy hafa ankoatra tsy ao anaty vatantsika )no maka fanahy fa ny tenantsika no be fihevitra sy be vinany manantena hahazo mihoatra ny tokony ho anjara. i Jesoa raha tonga teto an-tany dia vatana toa antsika. Nanan-tsaina toa antsika. Niaina toa antsika . Mahatsapa maharary ary mahatsapa filana toy ny rehetra. Isika olombelona anefa dia Vatana, Saina ary Fanahy mitambatra. Io koa i Jesoa. Indraindray dia mibaiko antsika ny vatantsika sy ny saintsika. Sarotra ny mihaino ny Fanahy ao anatintsika tsirairay avy. Mila fahaizana sy fiomanana io ary fanetre-tena tokoa.

Andriamanitra dia fanaperana. Tiany isika matoa namboariny. Nomeny ny safidy ny hanaganantsika ny fiainantsika tsirairay avy. Tsy mitsara Izy ary tsy handringana. Miverina any aminy daholo isika rehetra fa Zanany. Tsy misy tsara na ratsy amin'ny zavatra namboariny. Izy nanamboatra dia nanamboatra ny tsara indrindra eo imasony. Efa fantany ny lalantsika. Izy mitantana ary manoro ary mahalala ny zanany rehetra. Be famindram-po Andriamanitra ary mitantana ny rehetra amin'ny diany na sarotra na ny mora. Izy no fiatombohana ary Izy no hiafarana. Isika no tempoliny. Ao amintsika tsirairay avy izy na amin'ny mafy na ny mora.

TSY MISY I SATANA. Tiavo Andriamanitra ary tiavo ny hafa na ny mitovy aminao na ny tsy mitovy ka fantatrao aza fa manalavitra anao. Fantaro fa ao anatin'ireny no misy an'i Kristy izay tadiavintsika isanandro iainantsika ho modely sy filamatra. Mitsilo antsika ny Fanahy na ao anaty haizina aza. Aza manahy rehefa miaraka amin'i Kristy. Izy no fanilo. Foana tsy misy ny satana raha mino ny fisian'Andriamanitra ianao ka Izy no namorona ny tontolo iainanao sy ny momba anao manontolo! "

Soanja

8. xxx ( 28/03/2009 18:45)
Sao dia betsaka loatra ny fampianaran-diso resahinao izany ry Soanja ?
Io efa nolazaiko, afangaro etsy sy aroa ilay finoana dia tsy hita intsony ny misy anao. Atao hoe : kristianina, nefa toa mifanohitra @ izay ny zavatra soratanao. Mba nianatra karazam-pinoana betsaka ihany aho, fa nentiko nanamafisako ny finoana misy ahy izany fa tsy nafangaroana be fahatany toy ny ataonao io.
Bon rah izay moa no ampianaran'ilay fanahy ao anatinao, izay tanisainao lava io dia mazotoa, nefa diniho ihany hoe, fanahy avy aiza.
Ok
9. xxx ( 28/03/2009 19:18)
Fa hoy kosa aho:"
TSY LAFATRA- TSY TONGA LAFATRA- TSY FANAPERANA- ZANY ILAY KRISTY RESAHINAREO SATRIA IZY AZA IZANY MBOLA VITAN'NY SATANAREO NALAINA FANAHY.
Mahavariana! nefa Izy ihany koe no heverinareo fa Andriamanitra!

Toy izao no voalazan'ny BAIBOLY:
Apokalypsy 12:9 ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy . APOKALYPSY 12. Araka ny hevitrao izany dia tsy marina io teny io ve?

Io teny io dia manambara sy manaporofo fa misy SATANA.

10. xxx ( 28/03/2009 19:30)
Ho an'ireo tsy Kristiana dia mazava ho azy fa tsy Andriamanitra i Kristy.
11. soanja ( 28/03/2009 20:01)
xxx:

Sao dia betsaka loatra ny fampianaran-diso resahinao izany ry Soanja ?
Io efa nolazaiko, afangaro etsy sy aroa ilay finoana dia tsy hita intsony ny misy anao. Atao hoe : kristianina, nefa toa mifanohitra @ izay ny zavatra soratanao. Mba nianatra karazam-pinoana betsaka ihany aho, fa nentiko nanamafisako ny finoana misy ahy izany fa tsy nafangaroana be fahatany toy ny ataonao io.
Bon rah izay moa no ampianaran'ilay fanahy ao anatinao, izay tanisainao lava io dia mazotoa, nefa diniho ihany hoe, fanahy avy aiza.
Ok

Ka tsy ny fianarana karazam-pinoana isan-karazany no ahatsapana ilay Fanahy ao anaty Mpampihavana sy Mpamelombelona ary Mpanome Fanantenana, fa izay tsapanao ao anatinao ary manoro anao ny lalan-kizorana sy mitsilo anao amin'ny fahamarinana sy ny fitiavana ny hafa ary indrindra manokatra ny masom-panahinao tsy horebireben'ny hevitry ny hafa manala anao amin'ny lalana mazava dia ny fitiavan'Andriamanitra anao.

Manerana ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fitsinjovany antsika. Tsy ao anaty boky iray ary tsy ho voafetra ao anaty sain'olona vitsivitsy fa manenika ny tsy voahevitra akory aza!

12. soanja ( 28/03/2009 20:04)
xxx:

Fa hoy kosa aho:"
TSY LAFATRA- TSY TONGA LAFATRA- TSY FANAPERANA- ZANY ILAY KRISTY RESAHINAREO SATRIA IZY AZA IZANY MBOLA VITAN'NY SATANAREO NALAINA FANAHY.
Mahavariana! nefa Izy ihany koe no heverinareo fa Andriamanitra!

Toy izao no voalazan'ny BAIBOLY:
Apokalypsy 12:9 ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy . APOKALYPSY 12. Araka ny hevitrao izany dia tsy marina io teny io ve?

Io teny io dia manambara sy manaporofo fa misy SATANA.

Io APOKALYPSY io indrindra no soratra voasoratra ao anaty baiboly tsy eken'ny momba ahy iray manontolo satria tsy mahalaza ny momba an'Andriamanitra sy ny hafany izay feno FITIAVANA SY HATSARANA NY NAMBOARINY, ny voalaza ao ANEFA AMIKO DIA hevitry ny mpanoratra na nofinofin'ilay nihevitra fa hevitr'Andriamanitra. TSIPAHIKO TANTERAKA! Arahinareo mino azy ary io e! Misaotra anao!

13. soanja ( 28/03/2009 20:07)
xxx:

Ho an'ireo tsy Kristiana dia mazava ho azy fa tsy Andriamanitra i Kristy.

Sady Kristianina aho no sady koa tsy ho voatery koa. Tiako ny fampianaran'i Kristy saingy ny nanoratana azy betsaka ny olana ao. Tsy IZY TSINONA NO NANORATRA FA RAHA IZY MANTSY! Tsy tadiditra ao anaty faritra IRAY ny finoako fa mandray ny rehetra manome ny Fanahy Fahamasinana rehetra manerana ny tontolo MISY.

14. xxx ( 28/03/2009 20:20)
Io APOKALYPSY io indrindra no soratra voasoratra ao anaty baiboly tsy eken'ny momba ahy iray manontolo satria tsy mahalaza ny momba an'Andriamanitra sy ny hafany izay feno FITIAVANA SY HATSARANA NY NAMBOARINY, ny voalaza ao ANEFA AMIKO DIA hevitry ny mpanoratra na nofinofin'ilay nihevitra fa hevitr'Andriamanitra. TSIPAHIKO TANTERAKA! Arahinareo mino azy ary io e! Misaotra anao!
Tsy misy fisaorana. Tsy ao @ APOKALIPSY ihany akory no misy resaka momba ny atao hoe DEVOLY fa maro ao anatin'ny baiboly. Tsy Kristiana indray izany ianao eto? :)

IPetera 5:8 Mahonona tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; IPETERA 5
15. soanja ( 28/03/2009 20:33)

Ny mifamaly amin'ny resaka finoana angamba no mety tsy hety amiko fa dia hevero toy ny Devoly ny fisiako sy ny finoako ary ny momba ahy. Fantatro fotsiny dia ianao io dia hotiaviko sy hohajaiko amin'ny momba anao ary manantena aho fa hihaona any amin'ny fiombonana amin'Andriamanitra isika rehetra samy tiany sy tsinjoviny avokoa!

Tsy ny etikety Xtianina sy ny tsy Xtianina no zavadehibe fa ny FITIAVAN'ANDRIAMANITRA ANTSIKA ARY NY FAHALALANY FA ISIKA DIA MIAHY IZANY FITIAVANY IZANY HO AN'NY HAFA KOA! Rehefa any dia HO IRAY AMINY ISIKA REHETRA!

Izy no namorona ary Izy no mandray. Izy no nanoro ary Izy no hitantana. Aza manana ahiahy manana Azy fa hazava ny lalan-kizoranao!

:) :) :)
16. xxx ( 28/03/2009 20:42)
Ny mifamaly amin'ny resaka finoana angamba no mety tsy hety amiko fa dia hevero toy ny Devoly ny fisiako sy ny finoako ary ny momba ahy. Fantatro fotsiny dia ianao io dia hotiaviko sy hohajaiko amin'ny momba anao ary manantena aho fa hihaona any amin'ny fiombonana amin'Andriamanitra isika rehetra samy tiany sy tsinjoviny avokoa!

Ianao milaza ny devoly ho tsy misy no mahatonga ahy nanazava sy nijery andininy misy resaka hoe DEVOLY, fa tsy milaza anao aho akory hoe DEVOLY sanatria dia sanatria. Tsy anjarako ny mitsara ny olona ho toy itsy na ho iroa fa resaka no azavain-tsika eto
17. soanja ( 28/03/2009 21:01)

Hay mazava tsara tokoa! Misaotra anao tsy mitsara ny hafa!

Ny Devoly amiko ry xxx dia zavatra noforonin'olombelona hampitahorana ny hafa AMIN'IZAY MBA HITODIKA AMIN'ANDRIMANITRA satria feno tahotra ny fiain'olombelona izay tena mampalahelo tokoa.

Ny teny ao anaty baiboly dia ekeko fa miresaka io Devoly io tokoa saingy ny hevitro dia hoe Soa loatra Andriamanitra ka tsy hamorona Devoly hanapotehana ny zavanoforoniny sy tiany indrindra. Soa loatra Andriamanitra ka tsy HANIMBA sy hanisy ratsy ary hitsara sy handripaka ny noforoniny. Soa loatra Andriamanitra ka tsy handray ireo nomeny safidy hanaraka izay lalana tiany hizorana. Soa loatra Izy ka tsy hinoako ny fanaratsiana momba azy haelin'ny sasany izay tsy ampy fahaizana momba azy tamin'izany fotoana zany saingy nahatsapa tokoa ny hahalebeny.

Niaina tamin'ny tahotra ny olona taloha ary ireo no fomba hijerevany azy. Inona anefa moa ny mampiavaka izaho sy ianao tamin'ireo olona ireo ka tsy hahatsapa ny fahalehiben'Andriamanitra sy ny fitiavany ary ny fahatontosany? Mitovy lenta tamin'ireo nanoratra ny baiboly ny saintsika sy ny momba antsika , tsy misy tombo sy hala. Raha nahavita nanoratra momba an'Andriamanitra izy ireo dia ianao koa mety hahavita. Aza heverina fa tsy mandray ny fanahy masina ianao.

DEVOLY = TAHOTRA

Ny Fanahy masina dia ao anatintsika tsirairay avy ary manoro ny lalana mahitsy sy mazava ho antsika. Tokony tsy hisy tahotra mihitsy. FOANA HOY AHO NY DEVOLY ARY TSY MISY IO IRAY IO RAHA HITANAO NY HAZAVAN'I KRISTY! Namaste!

18. niryna ( 29/03/2009 04:02)
xxx:

Sao dia betsaka loatra ny fampianaran-diso resahinao izany ry Soanja ?
Io efa nolazaiko, afangaro etsy sy aroa ilay finoana dia tsy hita intsony ny misy anao. Atao hoe : kristianina, nefa toa mifanohitra @ izay ny zavatra soratanao. Mba nianatra karazam-pinoana betsaka ihany aho, fa nentiko nanamafisako ny finoana misy ahy izany fa tsy nafangaroana be fahatany toy ny ataonao io.
Bon rah izay moa no ampianaran'ilay fanahy ao anatinao, izay tanisainao lava io dia mazotoa, nefa diniho ihany hoe, fanahy avy aiza.
Ok

aleloia .... misaotra anao aho ry xxx fa mitovy hevitra isika sy hianao ,tsy vao izao izy no nampianatra diso ka,miditra kely izy aloha mampiantatra diso hoe tsy misy satana dia miala indray dia miverina indray rehefa feno ny olom-baovao eto

mampalahelo ny olona toa azy fa tsy fantany,mivavaha ho azy isika fa ny olona ao anatin'ny maizina dia tsy ahita fahazavana raha tsy ny fony no misokatra ho an'ilay kristy.
asa izay nanoro voana azy hatramin'izao.ny tontolo hianana aho hoe ,ny tenanao no miteny hoe misy izy na tsia,tsy mba fampianara kristiana tokoa izany fa dia miala tsiny ry soanja,raha zavatra tsy mba nomena dia aleo mihaino sy manontany fa aza manompa ny fanahy masina : blasphemy io raha adika mazava,satria manao an'i kristy ho mpandainga hianao ..( Kristy nalain'ny fanahy efa-polo andro ;;ny mofo,ny fahefana,ny mahazanak'Atra azy) raha tsy tadidinao .
Aleo aho anao ohatra :
raha miteny izy hoe aza mijangajanga,raha manana vady mihoatra ny iray dia efa mijangajanga izany na lahy io na vavy...oops,raha mijery sy mitsiriritra fotsiny koa ka maniry izany olona izany ao anaty dia efa mijangajanga.Ny manambady lahy kanefa miraka ny vavy( adultery gay,lesbian.) dia tsy hiditra ny fanjakan'ny lanitra raha tsy mibebaka toy ny rehetra ka hiala ny fahazarandratsy fanaony.kanefa dia misy tsy mino izany fa manao izany hoe fiainana tsotra ary dia manohitra ny tenin'Atra ny sasany satria tsy mino ny tenin'ATra koa .toy ny fahotana rehetra ka rehefa tazomina sy tiana dia ATra no lazaina fa tsy misy,satana no lazaina koa fa tsy misy ,misy olona mitovy hevitra aminao toa izany ary tena mampalahelo mihitsy kanefa akory atao ,izay no ao anatiny dia miandry ny fanahy masina ampianatra azy ny fahamarinana isika ,ny kristiana (dia ireo izay mpanaraka an'i kristy,mino ny tenin'i kristy,mino fa Atra koa izy) mizara fotsiny no anjaran'izy ireo fa ATra no manodina ny fony ho hino azy na efa fantany koa fa tsy hino dia azo ampiasaina ary dia vao maika hikatona ny fony ary dia anome hevi-diso sy fampianarana diso satria izay no niraian'ny fony ( nomena safidy toy ny rehetra ihany)
Marary ilfay teny,maray ny manitsy olona ,tsy te iresaka aminao mikasika ny satna intsony aho satria tsy ao aminao ny hetaheta ,izay any aoriana any no asa fa miankina amin'Atra ihany io , aleo lavitra anefa mamonjy fanahy iray toa izay mandambolambo amin'ny teny mamy kanefa fitaka satria mety tsy ho anao ity androany fa mety misy olona alefan'Atra mitovy hevitra aminao na tsy mahalala ,dia iny no asehon'Atra ny voninahiny .

Raha miteny Atra hoe aza manana ATra hafa afa-tsy izao ihany ,raha ny firenena misy ny hafa no manao Atra hafa ny sampy,ny dadarabe ,ny famonoana omby fa teraka woe,ny kristal, ny hoe namaste i ranona kanefa fantatra fa teny diso izao ilay fampianarana ... sy ny sisa dia efa voararan'ny baiboly dia efa meloka eo anatrehan'Atra

Tsotra ihany ny teniko ,miverena mamaky baiboly izay halanareo mianadahy lava eto,aza mampianatra vilana fa mahafantatra ny voa hafafiny ny olona fa tsy adala akory.Raha ny fahaizana amam-pahalala tompoko no anaovana an'Atra ho tsy hisy dia ho fadiranovana mihoatra lavitra noho ny rehetra isika. Ny adalan'izao tontolo izao no alefan'Atra ihitory teny ny hendrin'izao tontolo izao mba ampahamenatra ireo hendrin'izao tontolo izao ireo (woise).
Ny fatahora an'Atra no fiandoham-pahendrena . the fear of the lord is the beginining of wisdom tafiditra amin'izany fatahorana izany ny fanekena ny teny izay nomeNy

Mampalahelo fa dia mivavaka ho anao aho ry soanja ary tsy hamaly izay teneninao misy na tsy misy intsony satana efa betsaka izay fa hianao ihany dia mahfantatra izany na ny fihetsika na ny fiteny indrindra ny fiainana izany tafiditra ny fanambadiana sy ny fiaraha-monina rehetra misy antsika avy

.Misy firenena mantsy mampianatra ny manambady lahy sy lahy na vavy sy vavy na lahy sy vavy dia miaraka amina lahy na vavy koa izy ireo na efa manambady aza na manambady maro ,ary izay no nampianarina azy dia tsy diso izy hoy izy ireo eo anatrehan'Atra fa izay no safidiny ary dia miditra ny fiangonana mihitsy aza manao izany ka raha tsy mandray azy ny fiangonana iray dia mandeha ny fitoriana ,hmm

.Tokana ny teniko ,vakio ny baiboly ary mangataha amin'Atra mba ampianatra anao ny teniNy sy anome anao ny fanahy masina fa amin'izay fotoana anaovanao izay no ihiratra ny masonao ary dia hifampitolona amin'i satana hianao satria tsy tiany hiaraka amin'Atra intsony hianao ary dia hianao indray no ilaza aminay fa hay ve misy satana e.(miambena ,miambena) mahereza hatrany ary aza mitsahatra ny mivavaka amin'ilay kristy izay zanak'Atra ,Atra mahery ,mpanome ny fanahy masina raha manaiky azy hianao.

Vita tompoko ,tsy misy tohiny intsony

*** tadidio fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra fa mitolona amin'ny fanahy izay miparitaka ,mihanaka erak'izao tontolo hiainana izao.Satana tsy itena aminao mihitsy hoe misy aho.

Raha efa nahita experiences angamba hianao miresaka ny odi-gasy marobet,ireo karazam-panafody fiarovana e,fanao amin'ny tsena e,tsy aiiko fa ireny tapatapakazo maro ireny dia fantaro hoe hery avy amin'izay ireny: ny varatra mipoaka sns ny mosavy,ny mivoaka amin'ny alina hoentiny fanafody sns mino aho fa mahalala betsaka hianao

niryna
19. niryna ( 29/03/2009 04:38)
soanja:

Tsy ny etikety Xtianina sy ny tsy Xtianina no zavadehibe fa ny [b]FITIAVAN'ANDRIAMANITRA ANTSIKA ARY NY FAHALALANY FA ISIKA DIA MIAHY IZANY FITIAVANY IZANY HO AN'NY HAFA KOA

19 Raha misy mandre ny tenin'ny fanjakana, fa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Dia izany no ilay nafafy teny amoron-dàlana. Matio 13:19

Inona moa tia etikety ity? ny kristiana ve ? inona no antsoinao hoe kristiana ? mampiseho fa hoe fitiavan'Atra a? amin'ny inona? amin'ny tsy finoana ny teniny? raha misy rano madio eo ka asiana ranomainty pentika kely e,dia tsy madio intsony izany rano izany.Ny etikety tompoko dia efa nomena ho an'izay mandray ny tenin'Atra ,izay mino ny zanany no ahazony ny fiainana mandrakizay,izay mino ny teny izay nampitondrana,nanambara vaovao mahafaly betsaka izy kanefa dia nolaviko ny iray tamin'ireny ,dia efa voaheloka aho ,fa tsy misy hoe efa niitazona ny didy sivy aho fa iray ihany no nodikaiko.Efa manao an'Atra ho hafa hianao ,mandray ny fampianarana diso ,mampianatra ny hafa ho tsy misy ilay fahavalo izay efa resiny dia efa mpamadika azy koa hianao izay e.Tsy ny fahaizana miteny no zava-dehibe fa ny fandraisana ny teny izay nampitondraina ka nizara izany tamint'ireo izay tsy mba mahalala an'ilay kristy mpanavotra .
"Mandehana amin'izao tontolo izao ka mitory ny filazantsara,fa izay mino sy atao batisa no ho vonjena ,ireo izay tsy mino kosa dia efa meloka avy hatrany....

20. xxx ( 29/03/2009 21:30)
Aleo aloha hazava ny resaka, resaka fivavahana sy finoana ity dinika ity, azo resahana eto avokoa na fivavahana silamo, na bodisma na kristianina sns ... Tsy hoe rehefa tsy silamo ianao dia atao hoe devoly na mpampianatra diso, na hoe rehefa tsy kristianina dia atao hoe devoly na mpampianatra diso, jereo ny marimaritra iraisana dia ny finoana an’Andriamanitra nahary an’izao tontolo izao, hatraiza ny finoanao an’Andriamanitra, ny heriny, ny fitiavany? Mba mahaiza mandray hevitra, mahaiza mi-forum, raiso ny tsara, zay tsy azoazo avelao. Za xtianina nefa rehefa nandinika an’io voalazan’i Soanja manao hoe “Ny devoly dia tsy misy fa ny olombelona no be siasia” dia afaka maka sary an’eritreritra ny mety ho fahamarinan’izany, ohatra, raha misy lehilahy iray tsy mbola nandray ny karamany nefa ny vady amanjanany efa tsy misy hohanina intsony, fantany fa tsy hisy olona afaka hampindrana vola azy nefa ny zanany tsy mahalala tsy misy, hangalatra izy mba ahafahany mamonjy ny zanany, asan’ny devoly ve izany sa ilay tsy fisiana sy olana eo @ samy olombelona no nahatonga an’io halatra io? Ny azo ambara dia ny hoe nanao zavatra tsy mifanaraka @ sitrapon’Andriamanitra io olona io, izany hoe nanota no fomba ilazantsika azy, tsy misy resaka devoly.
Ok ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0501