mahagaga an!! ny olona mpiseho ho mpivavaka

21. rasobakobako ( 31/03/2009 14:56)
ho an'i SOANJA

JESOSY DIA ANDRIAMANITRA NAKA NY ENDRIK’OLOMBELONA
- “tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny tEny tao amin’Andriamanitra, ary ny teny dia Andriamanitra. Ary ny Teny dia tonga nofo ka nona tamintsika…” Jao 1 : 1-14
- “ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka … INdro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; ary ny anarany hataon’ny olona hoe Imanoela; izany hoe, raha adika : amintsika ANDRIAMANITRA” Mat 1 : 22 – 23
- “fa zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; ary ny fahapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolotsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana” Isa 9:5
22. soanja ( 31/03/2009 19:31)
rasobakobako:

Raha mamaky baiboly koa anefa ianao dia miteny ny Genezy hoe Nataon'Andriamanitra mitovy endrika aminy isika.

Ka ahoana marina izany?

Ny baiboly koa no milaza fa i Jesoa dia niteny hoe Izy no fahazavana!

Sady niteny koa izy hoe tamin'ny apostoly hoe Ianareo no fahazavan'Izao tontolo izao.

Noho ireo rehetra ireo dia hilaza aho fa FAHAZAVANA ISIKA. Raha manana ny fahazavana ianao ka miaina ao aminy sy mizara azy amin'ny hafa dia tsy ahita velively ary tsy hanana velively aizina na tahotra ary ny fisian'i Devoly dia ho foana tanteraka.

Tsy misy ny Devoly amiko satria Andriamanitra nanao antsika mitovy endrika aminy. Izay tsy inona fa Fahazavana.

Azoko hazavaina lalindalina io amin'ny manaraka. Misaotra!

23. rasobakobako ( 01/04/2009 08:24)
SOANJA a!
Miray hevitra aminao tanteraka aho, afa tsy ny hoe TSY MISY NY SATANA
Raha Baiboly no fototra iaingantsika, dia diso hevitra tanteraka ianao momba io.
HAZAVAIKO :
Andriamanitra no namorona izao tontolo izao sy ny zava-manan’aina rehetra
“tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany” Gen 1 : 1

“fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety ambon’ny tany”
Kol 1 : 16

“hitahy anareo anie Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany. Ny lanitra dia an’I Jehovah, fa ny tany nomeny ho an’ny zanak’olombelona” Sal 115 : 15,16

tonga lafatra ny tany tami’nny nanoloran’Andriamanitra azy ho an’ny olombelona.

Namorona antsika Andriamanitra
Ary Andriamanitra nanao hoe : Andeha isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika, ary aoka izy hanjaka … amin’ny tany”Gen 1 : 26

Tonga fanahy manan’aina ny olona
Ary vovo-tany no namoronan’I Jehovah Andriamanitra nyolona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy . Gen 2 : 7

Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe : tsy tsara raha irery ralehilahy, dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray izy ka nanakombona nofo ho solony. Ary ny taolan-tehezana izay nalain’I Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilaly dia nataony vehivavy, ka nentiny tany amin-dralehilahy” gen 2 : 18,21,22

Ny dikan’ny fahany manan’aina dia ho any amin’ny toerana iray mandrakizay isika

TSY NANKATO AN’ANDRIAMANITRA ADAMA SY EVA

Tsy tokony hihaino an’I satana mihitsy isika
“ary Jehovaha Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy. Ary Jehovaha Andriamantira nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe : ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia zonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao aydia ho faty tokoa hianao” Gen 2 : 15 – 17

NAMETRA-PANOTANIANA AMIN’NY FAHEFAN’ANDRIAMANITRA NY MENARANA, ANTSOINA KOA HOE DEVOLY NA SATANA , ARY NILAZA LAINGA.
Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy : tsy ho faty tsy akory hianareo. Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany … ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny, ka dia nihinana izy.” Gen 3 : 4,6

Tsy nahazo nijanona tao amin’ny saha edena intsony I adama sy Eva
“ka dia nesorin’ny Jehovah Andriamanitra tamin’ny saha Edian izy hiasa tany izay nanalana azy … ary nampitoeriny .. ny kerobima sy ny lelafon’ny sabatra mihebiheby hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina” Gen 3 : 23 , 24
ANDRO NANJOMBONA HO AN’NY OLOMBELONA NY NANOTAN’I ADAMA SY EVA
“… tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tonotolo izaon ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana” Rom 5:12

Zavatra ho tadidiana
Teraka tamin’hy ota ny olona tsirairay ary ho faty indray andro any satria ny fahafatesana dia avy aminn’y ota

PLANIN’ANDRIAMANITRA HAMONJENA ANTSIKA AMIN’NY FAHOTANA NO NANIRAHANY NY ZANANY LAHITOKANA
- mba hidirany amin’ny olombelona dia tsy maintsy tonga tahaka ny zazakely naterak’olombelona ny zanak’Andriamanitra
- “ka hiteraka zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe JESOSY fa izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany” Mat 1:21
- “fa ao amin’ny tenany no itoeran’ny fhafenoan’ny fomban’Andriamanitra rehetra” Kol 2:9
24. Veloo ( 01/04/2009 12:38)
mitandrema tsara isika fa efa kely sisa ny andron'i satana, devoly, mpamitaka ka mitady izay azony ho fitahina rehetra izy.
Asan'i satana daholo ireny hoe tsy misy izy, angaha tsy faly ery izy izao mahita an-draolombelona confus....
Mivavaha isan;andro mba tsy idiran'ny fanahy ratsy.
25. soanja ( 01/04/2009 14:51)

Tsy afaka ny hiteny aho hoe fototra iaingan'ny finoako ny baiboly. Isan'ny boky fakako aingam-panahy ary hijereko izay fahendrena sy tenin'Andriamanitra ampitaina amintsika olombelona amin'ny alalan'ny fahendren'ny hafa tany aloha ny baiboly. Saingy tsy io mihitsy ny fototra amiko satria Andriamanitra dia mifandray amintsika tsirairay avy amin'ny alalan'ny momba antsika. Izy mahalala ny nohariana sy ny mifanaraka aminy.

Ireo nanoratra ny baiboly dia olombelona tahaka ahy ary nitsilovin'ny fanahy masina tahaka ahy. Nitady ary nikaroka an'Andriamanitra tamin'ny fomba rehetra izay fantany sy hainy nifanaraka taminy. Isan-karazany ny fomba fikatsahana an'Andriamanitra ary isan-karazany ny fomba firesahan'Andriamanitra amintsika. Tsirairay no isan'Andriamanitra ary tsy aiza fa ao anatintsika sy ny manodidina antsika ny tarany.

Ny fotoana sy ny fiainana misy ary ny fiatrehan'ny tsirairay izany no ifandraisan'Andriamanitra amintsika.

Fahazavana Andriamanitra ary izy dia lalana sy torolalana ary fiainana. Ao anatin'ny tsara sy ny ratsy no iasany. Ny famirapiratany dia ny fifandraisan'ireo. Ny hazavana asehony dia amin'ny alalan'ny fahitana sy hihiratan'ny saintsika olombelona hahalala ny fahamarinana sy ny fitiavany ary inona no hatsarana iombonana ho anao sy ny hafa.

Ny Devoly sy demony dia anisan'ny zavatra noharian'ny olombelona hanazavany ny maizina isan-karazany niainany ka tsy nahitany valin-teny. Amin'izao kosa dia mahalala isika fa ny fisian'ny zavatra tsy azoazontsika sy ny manahirana antsika ary ny maharary antsika dia ny fitondrana amin'ny FAHAZAVANA. Ao anaty haizina no mitsilo ny hazavana. Isika no hazavana. Izy Andriamanitra no fifandraisan'ireo roa tonta ireo.

Izay tahotra rehetra manjaka dia iasan'io haizina io avokoa ary tonga tao amintsika io mba hananantsika ny safidy hiasana tsara sy itomboana. Toy ny examens any ampianarana ny haizina, sarotra nefa manome fihoarana.

Fahazavana isika ary Andriamanitra no nanolotra antsika zanany hanana izany. Tohizo ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra amin'ny fomba isan-karazany. Tsy voatery ao amin'ny baiboly ihany ny tenin'Andriamanitra fa na dia amin'ny asa andavanandro iainanao aza dia miresaka izy.

Samy notiavin'Andriamanitra isika rehetra izay misy eto an-tany ary tsy hisy ny haringany sy hodorany fa Izy Andriamanitra dia tena fanaperana tokoa ny FITIAVANY!

26. bimanoa ( 02/04/2009 11:15)
tsy mijery ny resaka etsy ambony aho fa tonga d valiako le sujet, Atra tsy tonga hiantso ny marina fa ny mpanota mba hibebaka, ary koa, aza mitsara mba tsy ho tsaraina ! Esory aloha ny andry eo imasonao vao manala ny sombinkazo eo @ mason ny namanao !
27. soanja ( 14/04/2009 07:04)
niryna:

[.

Raha efa nahita experiences angamba hianao miresaka ny odi-gasy marobet,ireo karazam-panafody fiarovana e,fanao amin'ny tsena e,tsy aiiko fa ireny tapatapakazo maro ireny dia fantaro hoe hery avy amin'izay ireny: ny varatra mipoaka sns ny mosavy,ny mivoaka amin'ny alina hoentiny fanafody sns mino aho fa mahalala betsaka hianao

niryna

Rehefa tsy hainao dia mangina fa aza ny olona no tsaraina. Aza mialona fa io tena ota be tokoa. Rehefa hainao indray ilay izy dia alefaso eto izay mahasoa.

Rehefa tsy mitovy ny finoantsika dia disoy koa izany ilay Andriamanitra hinonareo nanamboatra ahy satria raha mino ianao fa Andriamanitra no nanamboatra ahy dia tsy tokony nanamboatra zavatra diso izy satria izay Andriamanitrareo izay nanao zavatra diso be dia be tokoa.

Fitiavana Andriamanitra ary ianao io no tiany voalohany raha mitia ny hafa amin'ny mahasamihafa anareo!

28. rasobakobako ( 14/04/2009 08:49)
hoy Soanja :
Ny Devoly sy demony dia anisan'ny zavatra noharian'ny olombelona hanazavany ny maizina isan-karazany niainany ka tsy nahitany valin-teny. Amin'izao kosa dia mahalala isika fa ny fisian'ny zavatra tsy azoazontsika sy ny manahirana antsika ary ny maharary antsika dia ny fitondrana amin'ny FAHAZAVANA. Ao anaty haizina no mitsilo ny hazavana. Isika no hazavana. Izy Andriamanitra no fifandraisan'ireo roa tonta ireo.

- fa inona no mahatonga an'i Soanja hiteny hoe ny olombelona ihany no nahary ny satana ?
- inona izany amin'i Soanja ny voalaza ao anaty baiboly rehetra momba an'i satana ? tsy misy akony aminao ve ?
- Raha ny fahitako azy, i Soanja dia mazoto manao fikarohana, mazoto mamaky, mazoto mandalina, ka mba alalino kely ange ny baiboly e! fa hohitanao ao ny momba an'i satana rehetra sy ny fomba iadiana aminy
29. soanja ( 20/04/2009 02:56)

Rasobakobako> Tsy hadinoko velively ny hamaly ny fanontanianao fa raha vao malalaka aho dia velabelariko eto ny fahitako ny Satana sy ny Helo ao amin'ny baiboly. Lavabe tsinona lay izy. Misaotra indrindra anefa manontany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0391