... zary finoana

1. itaramasoandro ( 26/03/2009 01:39)
afindrako etoana ny hafatra napetrako teo @ sehatry ny fiaraha monina satria karazan-kevitra afaka mandingana sehatra maro ny firaisankina, araky ny fihevitro. Izao korontana eto @ Nosy izao dia manalavitra antsika any io firaisankina io. Io ihany, ankoatran'ny resaka tsy hitoviana, no hanandratra ny Nosintsika ho @ fahaleovan-tena sy fampandrosoana.

Ady hevitra ihany ireo fa ny fotony dia ny maha-Malagasy iray antsika ka harovy izany.

aza mety horanitin'ny mpanankaso na avy eto an-toerana izy na avy any ivelany fa TSY NISY, TSY MISY ARY TSY HISY NAOVIANA NAOVIANA, ny fampiadiana ny Malagasy iray fototra-iray fihaviana.

jereo ny lasa sy ny tantaran'ny Nosy ary ekeo fa nitambatra ny sakalava sy ny merina tsy hidiran'ny frantsay hanjaka, ary nitambatra ho iray ny Malagasy nohon'ny fahaizan'Andrianampoinimerina izay nilaza andrariny fa ny ranomasina no valamparihin'i Madagasikara, tany iray vahoaka iray tsy azo zarazaraina, miteny teny iray izay nanaja hatrany ny tenimparitra satria noraisina tao @ tenim-pirenena ny teny hitoviana ary manaja ny hitenena'ny tsirairay ny tenin'ny faritra hiainany.

ary manankaikeza kely ny taonjato hiaintsika fa ny mdrm dia Malagasy iray fototra, tsy misy hoe foko aty na foko ary, fa iray no nitambatra hanafaka ny tanindrazana teo ampelatanan'ny mpanjana-tany frantsay. Nopotehin'ny mpanjanaka anefa izany firaisankina izany.

ankehitriny, isika Malagasy indray va re no hamerina ny natoan'ny mpanjanaka? Sanatria.

TSY NISY, TSY MISY ARY TSY HISY NAOVIANA NAOVIANA, ny fampiadiana ny MALAGASY IRAY FOTOTRA-IRAY FIAVIANA.

itaramasoandro 8)
novalian'i rhina ny 23/09/2009 11:24
2. rhina ( 23/09/2009 11:24)
misy hevitra itovizako aminao fa izao angaha no azoko lazaina:

isika eto afovaon-tany mihintsy no manana saina 'conservatrice na conservateur ' ve no mahalaza azy ka raha vao maningotringotra ny hoe : 'andrina' sns dia ohatrana tezitra isika fa tsy misoka mintsy zany tsika eo @ zay lafiny zao oe: mba manaiky ra manaiky fa m/car nosy 1 ny ponina ao dia 1 e!!!
efa ela no nandinihako an'io misy ny mila zao : miala tsiny fa zany mintsy no marina indrindra ny eto afovoan-tany:tsy mahay ninina ny faritra avy atsy ra ohatra oe mahita ministra ohatra tsy avy eto afovoan-tany sy avy atsy
tena otran borné mintsy tsika : izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary e!!
ka eo no fototra iadiantsika

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2154