inona ihany no tena izy e?????a
21. soanja
(
28/03/2009 17:45)
fijo:
vao itako tamin'ny gazety"le figaro" androany ity:"sida:le vatican reconnait l'efficacite du preservatif en ouganda"ka izy iona enao mihaiky nyasa dia mamela azy na tsia,fa aza manao resaka manakorontam bahoak atoa izao.
Amiko dia tsy fiangonana y fiangonana iray raha nanome teny iray ho an'ny olombelona ahiany fa tsy azo iodivirana sy tsy azo amboarina mba hanatsarana ny fiainan'ny zanakolombelona ny hevitra ampitainy.
- Ny fiangonana taloha ka mety hatramin'ny avaizo dia efa nivoy sy mivoy ny hevitra hoe tsy tokony hisy firaisana ankoatran'ny ao anaty tokatrano. Ny atao hoe tokatrano dia izy olondroa voatsodrano sy nandray ny sakrametan'i mariazy.
Ka raha io no zavamisy dia tsy hilaina sy tsy hoampiasaina ny kapoty satria madio ny fifandraisana eo.
SAINGY ny olana anefa dia tsy vitan'io fiangonana io ihany ny namitrana izany heviny izany hipetaka ao antsain' ireo izay nobeaziny fa vao maika aza amin'izao mivarilavo raolombelona ary tena manao ny tsy fanao. Ankoatr'izay dia tsy voafehiny akory aza ny olona izay heverina fa hanome ireo hevitra ireo ho modely tsara. Noho izany ny fiangonana no manana olana fa tsy ny olombelona entiny satria raolombelona dia hanao izay tiany atao sy mahatsaratsara azy nefa tsy mahalala izay hanimba azy.
Noho izay dia raha mbola tia sy miahy io olombelona entiny io ny fiangoanana dia tokony sy rariny raha hijery mazava hoe aiza sy amin'ny fomba ahoana ho an'ny tsiraidray ny fampiasana Kapoty. Io fanomezana fanavana io no toeran'ny tokony iasan'ny fiangonana amiko. Ilaiko za Soanja ve ny kapoty raha toa ka manana tokatrano aho? Ilain'i Rakoto ve ny Kapoty nefa izy tsy manambady sady tanora nefa virjiny? ilain'i Soa efa nanandrana ny filan'ny nofo ve ny Kapoty nefa izy mbola te ho isan'ny mpino nefa tsy nanambady azy ilay nanimba azy? Ahoana no ahafantarako fa ilaiko ny kapoty? isika sy ny saintsika, ny zavatra ataontsika fa tsy ny hafa no mametra an'io amin'ny alalan'ny fampianaran'ny fiangonana raha misy izany. Raha tsy misy dia ny fahatsapan-tena!
Amiko ny fiangonana dia tokony hivoy hoe AZA MIJANGAJANGA fa io no didy napetrak'Andriamanitra.
22. ari.malala
(
30/03/2009 08:17)
Aoka aloha ho tsarovantsika mandrakariva, fa tsy voatery ho avy @ firaisana anie no ahazoana aretina e! indrinra ny SIDA! Isika rehetra mahalala fa ny fitaovana tsy voadio, toy ny fanjaitra fanondronana, na ny antsikely fampiasan'ny dokotera ka mihosin-drà dia mety mamindra aretina! Koa raha sanatria ve ilay olona manam-bady ara-dalàna, sendra tratran'ny tsy fidiny nahazo aretina vokatry ny fitaovana tsy voadio tany @ toeram-pitsaboana tany dia tsy hahazo hampiasa kapaoty rehefa hiray @ vady andefimandriny? Fiarovany ny olon-tiany tsy hifindran'ny aretina izay azony tsy fidiny no anaovany an'iny. Izay anie ilay fanontaniako tany @ dinika hafa hoe ireo olona tratry ny aretina tsy fidiny ve izany dia condamnés tsy hahazo hanao firaisana insony mintsy? :°)
23. rasobakobako
(
01/04/2009 08:30)
Sady ilaina ny kapoty no tsy ilaina. Araka izay ampiasana azy io.
Raha entina amin'ny fijangajangana dia tsy mety, izany hoe ampiasaina ankoatra ny ao anaty fanambadiana.
Ho ahy ohatra, mampiasa aho, satria tsy resy lahatra aho amin'ny fanabeazana aizana rehetra, tsy afaka mikaonty andro koa anefa aho satria miovaova ny cycle-ko, noho izany dia aleoko mampiasa kapoty satria mikasa ny tsy hiteraka intsony zahay, nefa dia amin'ny vadiko ihany, efa hifanarahanay io, fa tsy hoe ijangajangana.
Raha entina amin'ny fijangajangana dia tsy mety, izany hoe ampiasaina ankoatra ny ao anaty fanambadiana.
Ho ahy ohatra, mampiasa aho, satria tsy resy lahatra aho amin'ny fanabeazana aizana rehetra, tsy afaka mikaonty andro koa anefa aho satria miovaova ny cycle-ko, noho izany dia aleoko mampiasa kapoty satria mikasa ny tsy hiteraka intsony zahay, nefa dia amin'ny vadiko ihany, efa hifanarahanay io, fa tsy hoe ijangajangana.
24. fijo
(
01/04/2009 21:43)
io fanazavana omen'i ari malala io mihintsy no tena mila ny fandinihan'ny fiangonana.ilaina ny fiangonana hijery sy hiaro ny mpino,fa tsy hanimba azy akory.raha mino izy fa zavaboaharin'andriamanitra ny olombelona
