MAHAGAGA SADY MAHAVARIANA

21. Mandefitra ( 20/03/2009 11:50)
zaho de gaga ra Caprio ... antonony tsara ho an ny mpanohana an i tgv ihany le fisainana ngamba
22. xxx ( 20/03/2009 11:57)
k'efa oe i ranaritsimba milisy lay manao sarin-tava be reny mitsy, ireny mpampiorohoro , mpanapoaka grenady sy mpaka otage ireny , nefa mbola misy mafantatra iany , natao tsisy ahafantatra ??? rariny ny azy raha miaro ny frantsay e
23. ravatorano ( 20/03/2009 12:06)
:-D :-D :-D
lasa milisy indray ve ranaritsimba kle
=)) =)) =)) =)) mamaky an ireo voalaza rehetra eo ambony eo ireo !
24. ifiona ( 20/03/2009 12:59)
ny tsy tonga tao an-tsainao fotsiny dia ny hoe mety hoe nalefa nianatra taty izahay mba ho avin'ny firenena MALAGASY mamiratra kokoa. Nianatra t@ sekoly frantsay moa ny tenanay fony mbola kely ka tsy azo omena tsiny raha nanohy t@ sekoly frantsay aty ivelany. Tsy midiaka anefa zany hoe mankasitraka ireo frantsay, fa ny fahalalana no aleha aty.
25. ravonjison ( 20/03/2009 13:24)
naritsimba:

Maro aminareo manoratra eto no mipetraka any Frantsa.
Ny tena mahagaga ahy sady mahavariana dia maro ireo milaza fa ny Frantsay no tao ambadiky TGV, ekeko ho marina izay raha ny trangan-javatra miseho, fa kosa mahalasa saina ahy hoe: raha tany frantsa aho no mipetraka dia nody aho satria tsy ankasitrahako ny zavatra nataony, maro be mantsy ny olona hitako manoratra eto no monina any Frantsa nefa dia manenjika ny fitondrana Frantsay, raha olona any Etazonia na ireo monina any ivelan\'ny La frantsa no miteny izany dia ekeko, amiko izay fisainana izay no tsy mbola mety amintsika Malagasy.
Mody tsy tia nefa ny ao am-po taralila.
Milaza tsy tia Frantsa nefa dia ao ireo manao afera mihitsy hialana eto Madagasikara hipetrahana any Frantsa, tsy zany ve no lazaina hoe aza ny ataoko no atao fa izay lazaiko ekeo sy henoy.
Dia tena gaga sy variana ny tenako aloha hatreto.




Misy azo raisina tsara izany hevitry Naritsimmba izany . Midika izany fa isika dia miankina tanteraka @ frantsay, noho izany tsy afaka mi-critiquer azy isika.
Rehefa tsy afaka mi-critiquer azy isika dia ataony ihany izay ataony( mitady ny tombotsoany). Ary misy ifandraisany mihitsy ny raharaham-panjakana sy ny resaka fipetrahana sy fakána ravinahitra ao Frantsa.

Ohatra : eritrereto hoe asaina mody daholo na alefa any @ toran-kafa ny gasy rehetra ao Frantsa.Tsy misy gasy intsony izany ao Frantsa ( na i Ratsiraka aza). @ izay fotoana izay dia azontsika atao direct no milaza @ Frantsay hoe: aza miditra @ aferanay intsony ianareo fa mampisy olana fotsiny . Mino aho fa tsy handa mihitsy ny Frantsay @ izay.
@ izao fotoana izao anefa raha hilaza izany isika dia izao no mety malin-teniny: mangiana ianao fa raha tsy izany dia asaiko mody daholo ireo gasy atý, ary hotapahiko ny fanampiambolanareo, ary tsy hisy gasy hianatra atý izany intsony. Eritrereto ny vokatr\' izany atý amintsika.

Araka io voalazako io dia hita fa sarotra @ gasy ao frantsa tokoa ny hanakiana ny frantsay, noho izy ireo mipetraka ao. Mbola miankina @ frantsa foana isika @ zavatra sasany.
Izany no mahatonga aho milaza hoe : tsara raha mba zarazaraina @ firenena hafa ny fiaraha-miasa fa tsy avela @ frantsay fotsiny. Raha tsy izany dia mbola hotsetsefin\' ny frantsay foana isika : tapohany tapany dia manome erany .
26. xxx ( 20/03/2009 13:25)
Ifiona : d mody zany rhf vita ilay fianarana elabbbbbb sa hanohy hiasa, satria tsy mety milamina aty an-tanàna ? :°)
27. xxx ( 20/03/2009 13:32)
22. Mpandefa : ravatorano [ Valio ] 20-03-2009 13:06:41
Lohateny : Re : MAHAGAGA SADY MAHAVARIANA

lasa milisy indray ve ranaritsimba kle
mamaky an ireo voalaza rehetra eo ambony eo ireo !

ravatorano : dia tena imehezanao ilay izy a , kanefa dia tena marina ary tena marina ireo voalaza ireo , raha tsy mahatoky ianao dia ny olona akaiky azy indrindra no anontanio na izy tenany , na omeo toaka ohatra ny mahazatra dia miboredika eeee , aona oe lay teny am bypass fa inona ilay napoakanareo iny , ary ny bikandrangahy tena milay kosa ao anatin'ilay kata sy cagoul a , de kopy nareo oe aona tokoa zany kile
28. tovolahy007 ( 20/03/2009 14:47)
Ity mba misy tantara mba ihomehezana kely e. Samy efa somary valaka iany @ le pilitika ka aleo mba ihomehy raim.

Tonga i ngahy patron zany Frantsay izy io dia niantso andra Gasy izy: Hoy izy: Heyy, mon colonie, dia hoy i Ra Gasy: wii M'se.

Za ko mo zany tsy mahay teny frantsay fa de nadikako @ zay mahenoko an'ilay fiteniny izy io.
29. majakely ( 20/03/2009 15:27)
iza ianareo no tsy manana havana miasa any Frantsa??? Iza ?enao io ve ,de aza be fialonana zany ann?Kony an?Avelao ao ny havanay ao France any fa tsy hody izany,ny any amintsika aza efa tsy misy hohanina ko haninona hody any,andraso aloha rehefa manamb-bola be de mody amizaayy?Zah tsy any Fance ah,sao de hamorona eo!!!hehehhehe,saingy manan-kavana any France aho ary fière anî zareo satria tsara asa daholo ry zareo any ,ary zara aza misy anazy mba hanampy le sahirana any Dago amizao knooooooo!
30. naritsimba ( 23/03/2009 05:31)
ravatorano>>> hihihihihihihi milay ilay izy ka, tena ady hevitra malalaka, tena demokrasia, ny tsy hain-drizalahy dia asa na oviana aho no nisotro toaka farany izay mahalala ô!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0362