pasitera nihinanemaniny
1. xxx
(
18/03/2009 22:35)
SOURCE : GAZETIKO
vaovao misongadina 19-03-09
Manameloka ny Fjkm omaly teny Andrainarivo
Nasaina nisotro ny fivalanan-dranony ny pasitera Rasendrahasina Lala
ImageMiantso ny kristiana rehetra ho tony ny Fiangonana Fjkm, ary niantso ny Malagasy handala ny fihavanana, ny fanajana ny “Aina” sy ny “Raiamandreny” ary ny zon’olombelona.
“Novonoina ny Pasitera Rasendrahasina Lala. Nasaina nivalan-drano izy ary avy eo nasaina nosotroiny izany. Izany no notantarain’ny Pasitera Rasendrahasina tamiko. Indroa nihaona izahay androany. Mitaraina izy fa marary azy ny ilany havia rehetra”. Toy izany ny fitantaran’ny Mpitandrina Razafindrakoto Hasinarivo ny nanjo ny Filohan’ny FJKM, ny mpitandrina Rasendrahasina Lala nandritra ny nitazonana azy taorian’ny nisamborana azy teny Antanimena ny talata lasa teo. Nitafa tamin’ny mpanao gazety mantsy ny Birao Foibe FJKM taorian’ny fanompoam-pivavahana natao teny amin’ny FJKM Andrainarivo.
Raiamandreny
“Manamafy ny maha-Raiamandreny ny mpitandrina Rasendrahasina Lala, ny Fiangonana Fjkm. Melohiny ny herisetra amin’ny endriny rehetra ataon’olon-tsotra, na ataon’ny miaramila. Miantso ny fiangonana rahavavy eo anivon’ny FFKM mba hihevitra sy handray andraikitra manoloana izao zava-tsarotra nanjo ny iray tamin’ny Filoham-piangonana izao izy. Niharan’ny herisetra ny tenany nanomboka tamin’ny nisamborana azy teny Antanimena sy nandritra ny fotoana nitazonana azy”, hoy ny fanambarana novakian’ny Sekretera Jeneralin’ny FJKM, Atoa Marinasy mpitandrina, tamin’ny mpanao gazety. Fanambarana izay efa novakiana nandritra ny fotoam-pivavahana omaly ary haparitaka any amin’ny FJKM rehetra.
Zon'olombelona
Feno hipoka ny Fiangonana Fjkm Andrainarivo. “Miantso ny kristiana rehetra ho tony ny Fiangonana Fjkm, ary niantso ny Malagasy handala ny fihavanana, ny fanajana ny “Aina’ sy ny “Raiamandreny” ary ny zon’olombelona” ireo mpikambana ao amin’ny Birao Foiben’ny FJKM notarihin’ny Mpitandrina Ramambason Laurent, Filoha mpanamy. Naneho firaisankina ho an’ny mpitandrina Rasendrahasina Lala ny kristiana Fjkm izay tonga maro tokoa teny amin’ny FJKM Andrainarivo. Nitarika izany ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana, ny mpitandrina Radimisaon Jonah. Nitory teny ny Filoha Lefitra ny mpitandrina Ramambason Laurent; ary namaky ny fanambarana avy amin’ny FJKM ny Sekretera Jeneralin’ny fiangonana ny mpitandrina Marinasy. Tonga marobe ireo vahoaka kristiana avy ao amin’ny Fjkm. Fitondrana am-bavaka manokana ho an’ny Filohan’ny Fjkm, ny mpitandrina Rasendrahasina Lala no natao tamin’izany, izay marihina fa efa navoaka. Fantatra nandritra izany fa efa nisy antso sy taratasy fampaherezana avy amin’ny kristiana any ivelany voarain’ny FJKM noho izao tranga izao.

novalian'i moi ny 20/03/2009 06:55
2. xxx
(
18/03/2009 22:37)
izany indray ny style capsaty e,raha vao tsy d'accord an'i tgv dia antsoina rapide ny capsat hampihinanemaniny amin'izay miseho belo :-D :-D :-D
vive president tgv
vive president tgv
3. fijo
(
18/03/2009 22:39)
tsara fiantomboka wa ity tetezamita ity izany.tena hita fa kilalaon jaza ilay izy
4. xxx
(
18/03/2009 22:44)
andao harodana rapide ary e,efa nisotro ny aleoko maty ihany ry pasitera izany kle
5. fijo
(
18/03/2009 22:47)
avelao aloha fa revy be ity e.avelao ho itann'y vahoak atsara aloha ny zavatra misy
6. xxx
(
18/03/2009 22:50)
ka le milalao voromaty io ihany no nahavoazan'i tgv an'i ra8.Variana mitsapa ny heriny izao no vokany
7. fijo
(
18/03/2009 22:52)
ka izy tgv ko.ny vahoaka anie momba azy e.efa misy bahoaka 30000 momba azy dia ampy izay
9. papala
(
19/03/2009 05:54)
ne ny le foza orana io tgv io , tsy ho ampy 1taona de ny TAINY MIHINTSY no hohaniny. fa jerenareo eo ange e! :evil: :evil: :evil: :evil:
10. essera
(
19/03/2009 10:27)
Vaovao tsy marina io fa "ny valala misy ny mpilaza mahay". Ny voadaroka mety poinsa.
11. TIMTIKO
(
19/03/2009 10:47)
mbola misy hihinantainy koa refavieo vao nihinanemaniny iny aloha =)) =)) =)) =)) =))
atomboka @ pastera de aveo mopera de presbitera de masera de vakuy ny vera fa tgv milako ze mitacveracvera

12. Mimhie
(
19/03/2009 10:58)
essera: vaovao tena marina io, nalefan'ny Ma Tv mihintsy, ny TV plus moa tsy de nilaza f'efa hay ny position ny, tena fihetsika mamoha fady mihintsy!
14. moi
(
19/03/2009 12:27)
Toy ny fahita ihany, nanao fanazavana tao amin'ny RNM tamin'ny vaovao 12h30 teo ilay miaramila nisintona an'i pasitera nihizingizina fa tsy nisy an'izany, ary nanontany an'i pasitera izy raha voahosotra marina ity farany na fôpla no dia ...
Asa aloha fa za tsy nahita ! raha mbola omaly ny androany dia hoy aho hoe ataovy analyse maika hijerena trace ny ao anaty kibony ...

15. tovolahy007
(
19/03/2009 12:36)
Tsy mbola nisy Malagasy nanao an'izao toetra izao t@ na mpitarika fivavahana izany hatramin'izay. Fa raha izao ny zava-misy de miheritrereta ra Malagasy fa nivadika ho FANAHI-BIBY ilay FANAHY MAHA MALAGASY. Angatahahiko @ A/tra mbola mba hisy na dia 10 fotsiny aza sisa mbola mba manana io toetra maha Malagasy io.