Arabaina ianareo nahazo filoha bogosy sy zatovo
21. soanja
(
22/03/2009 19:28)
vilambava:
Tsy fantatro ny hevitrao ry Soanja na te-hanamarin-tena satria nisy nanohatra ny voalazana na tsia, fa raha mandinika na ny lohatenin\'ny dinika izay napetrakao fotsiny aza dia manala ny tenanao tsy ho isan\'ny malagasy ianao. Mahamenatra tokoa izany. Ny hoe tsy hangina dia tsy milaza avy hatrany fa hanao izay hisian\'ny rĂ mandriaka fa hitaky hatrany ny rariny sy ny tokony ho izy fa tsy hijanona hanjakan\'izay be sandry isan-karazany. Tsy ianao akory no hatoro ny tenin-drazana manao hoe: \"tsy misy lehibe ohatra ny vatolampy fa raha mangina taingenan\'ny vorona\". Koa amiko na tsara na ratsy ny zava-misy sy mitranga eo amin\'ny fireneko dia mijoro amin\'ny maha-malagasy ahy aho: tsy midika hoe manaiky an\'io zava-misy io akory izany.
Sahala amin\'ny ao an-trano ihany io: tsy hoe raha hendry sy metimety ny ao an-trano dia faly aho hilaza hoe ireny ny fianakaviako, fa raha sanatria manao malotoloto eny imason\'ny olona ny fianakaviako dia hodiako tsy fantatra na sanatria ho lazaiko hoe iny ny mpanampy ao an-tranonay. Indrisy nefa misy ny manana izany toe-tsaina izany ary ireny no tena mampalahelo sy tokony hahamenatra. Aza atao tsobo-dranon-dRamiangaly ka raha marivo hirosoana ary raha lalina hiverenana ny maha-malagasy anao.
Vilambava a, tsy manana hery hifanazava sy hanamari-tena sns aho momba ny resaka Madagasikara sy ny Malagasy. Toherinao ny hevitro dia manaja izany aho satria fantatro fa tianao i Madagasikara. Midera anao noho izany aho.
Inona moa ny fanamarinan-tena? satria diso dia mitady lalana marina? Inona avy moa ny hadisoako raha nilaza ny safidiko aho. Miankina amin\'ny tsirairay ny atao hoe diso sy marina. Ny marina aminao, mety ho tsia amiko. Amiko manko dia tsy misy ny diso sy marina fa ny safidy ao ampo no mitondra ny rehetra sy ny soatoavina imatimatesan\'ny tsirairay.
Miarahaba ny Malagasy aho nahazo filoha vaovao. Heveriko fa fahendrena ny manaja izay misy eo nefa koa tsy voatery ho isan\'ireo izay hiaina an\'izany raha mbola misy hevitra hafa azo isorahana ny adilava sy ny herisetra. Malahelo ve ianao fa ny hafa mety tsy afaka hanatsafidy toa ahy? asa tsy manan-kavaly ny hafa aho fa aleo omeko ny hevitro:
Afaka manala ny tenako tsy ho Malagasy aho raha tiako izany. Manana izany fahafahana izany koa ny tenako ka tsy hitako mihitsy izay mahasarotiny anao amin\'izany. Safidiko zah manokana ny tsy hiseho ho Malagasy aloha amin\'izao. Menatra ny MahaMalagasy ahy aho satria taratry ny fahelemeko ny zavamisy eo amin\'ny firenentsika. Tsy ampy ny fitaovana teny ampelatanako hanatsarana izay mba azoko natao. Raha mba i Ghandi aho na ny hafa izay afaka nanova zavatra dia faly tokoa ny tenako. Nefa aiza moa ry Inde amin\'izao na izany aza? Amin\'izao anefa dia ketraka aho satria zava-poana ny zava-drehetra mandrapahitako mangirana ny fomba entina hanampiana indray an\'i Madagasikara.
Tsy mahalala ahy ianao ry Vilambava, zah koa tsy mahalala anao. Hajaiko ny mahatezitra anao raha nanala ny tenako ho Malagasy aho amin\'izao fotoana misy izao. Fantatrao ve fa isan\'ny vitsy Malagasy i Amerika raha oharina amin\'ny haben\'ny velarantany. Nefa dia izahay na isika Gasy aty dia efa hitako taratra fa hizarazara noho ny politika ratsy ny tanindrazantsika. Mampalahelo ahy fa ny fitiavan-tena sy ny fitadiavana seza ary ny vola sns dia nanjaka lavitra noho ny fitiavana ny fanatambarana ny Malagasy ho iray. Misarantsaraka isika na tianao na tsy tianao ny hiatrika an\'io. Efa nihaona tamin\'i Malagasy iray nanary ny mahaMalagasy azy aho taty ary gaga ny hevitra nahatonga izany. Ny fianakaviany sy ny finoana ananan\'ny fianakaviany no nahatonga izany. Ny tenako izao dia nanao izay ezaka rehetra namerina azy hiatrika ilay tanindrazany ary mavitrika izy amin\'izany amin\'izao isika miteny izao. Ny tenako kosa raha hanala ny MahaMalagasy ahy izao dia tsy ny hanadino an\'i Madagasikara toy ny nataony fa hitady fomba hafa hanantonako azy akaikaiky kokoa azy saingy amin\'ny fomba tsy hahafaty antoka ny tenako. Ny fahitako azy dia raha mihataka amin\'ny fifikirana amin\'ny mahaMalagasy ahy aho dia hahatsapa fa afaka hijery akaiky ity firenena ity amin\'ny lafiny isan-karazany ka ho mora kokoa aza ny hiandraketana ny fanatsarana azy satria tsy misy fifamatorana ara-pihetsepo ny zavamisy. Mety tsy ho azonao io teknika io satria ianao dia mety isan\'ireo ho faty noho ny tanindrazana iray fa ny ahy kosa dia hoy aho hoe aleoko manatsara ny fifandraisan\' izao tontolo izao toy izay hifantoka amin\'ny zavatra iray mety tsy ahitako famokarana amin\'izao.
Masina ny tanindrazana ary ny tenako dia mandala ny mahaMalagasy tokoa saingy kosa misy fetrany izany rehefa hitako fa tsy mahasoa ahy sy ny fomba fiatrehako ny fiainana.
Tsy mahasoa ahy ny hifamaly resaka politika na dia manao politika aza aho. Voafetra ny fahaizako ary voafetra noho izany ny fitiavako hivalampatra amin\'ny zavatra tsy ahitako tombostoa ary hitako fa tsy hahazoan\'ny maro tombotsoa.
Tianao ny hitenenako hoe maneso anareo Malagasy aho fa nahazo filoha bogosy sy tanora. Tsia, hoy aho tsy maneso aho fa tena mametraka ny tsindry hoe miarahaba ireo izay mandray azy ho filoha aho ary hitako ny hatsarany amin\'ireo lafiny nolazaiko ireo. Ireo dia efa afaka hananganana zava-baovao sy mety hisian\'ny fanantenana. Saingy kosa raha amin\'ny zavamisy toy izao dia mbola afaka milaza ny tenako ho Lakota aho satria afaka ho Lakota koa ny tenako. Samy tiako ireo firenena ireo. Tsy misy ambony sy ambany. Samy iriariavan\'ny fiainako sy ny momba ahy.
Koa mamela ahy hisafidy izay tiako fa izay no fanomezana sarobidy indrindra natolon\'Andriamanitra ho antsika. Ny fanajana ny safidin\'ny hafa tsy manimba ny hafa no mariky ny fitiavana ny hafa.
ps: Mangataka an\'i Vilambava manokana aho hamaky ny hafatro rehetra izay mba vitanao vakiana eto amin\'i Forum. Ireo no momba ahy. Tiako ny tanindrazako saingy tsy mahafeno ny zavatra takiako aminy izy aloha amin\'izao. Tsy manana ohabolana mifandraika amin\'io aho koa aho fa miala tsiny. Mety mbola hikaroka raha vonona na hamorona raha mana-pahendrena amin\'izany. Isaorako anao mitandro ny mahaMalagasy!