Arabaina ianareo nahazo filoha bogosy sy zatovo

1. soanja ( 18/03/2009 17:03)
Miarahaba an'i Madagasikara sy vahoaka ao anatiny izany nahazo filoha vaovao. Enga anie hanam-pahendrena hanatanteraka ny fikarakarana an'i Mada amin'ny fomba mihaja sy matomboka izy. Misaotra. Soanja.
novalian'i soanja ny 22/03/2009 19:28
2. lasa ( 18/03/2009 18:06)
miarahaba antsika isika e! manantena isika fa hisy fandrosoana @ity indray maka ity,fa raha tsy izany dia very foana ireo ra niraraka ireo.
3. fahamarinana ( 18/03/2009 18:15)
:arrow: eka eka ! miarahaba tsy maty fo aman'aina dia ho tratra ny manaraka miaraka amin'ny soa sy mahafinaritra ! Finoana - fanantenana - faharetana sns rehetra e !
:-* ho an'ny malagasy mpiray tanindrazana amiko indrindra ireo miaina any tanteraka ! (l)
4. kotobekibo ( 18/03/2009 22:12)
arabaina dôly e!
fa ny indro kely d " tokony ny miaramila ihany aloha no nampitondraina klé " :-P
5. noufe ( 19/03/2009 11:28)
arbaina daholo e . redony indray ny ilay hira malaza hoe : afaka aho afaka @ gadrako . mbola tadidiko mantsy t@ 2002 nihira mafy ery aho kanjo vao maika voakenda . tena tsapako hoe kendan ny vomanga nasesiky ny tanako aho . fa i andry aloha tsy vomanga e . TGV ny anay io . sa ahoana hoy ianareo?
6. mmmhh ( 19/03/2009 11:58)
Miarahaba e,
Enga anie ka handamina tsara izy mandritra ny volana vitsivitsy hitondrany io, mba hidiran-tsika am-pilaminana @ fifidianana manararaka.

Tsy ho very maina anie ireny ra latsaka ireny. :wink:
7. Samoana ( 19/03/2009 15:48)
Tsy afaka mamaly arahaba ny tenako manokana satria ny tonga ihany hono no arahabaina e! Isika ity anefa toa mainka manalavitra ny "arrivée" :cry:
(za rahateo sady tsy bogosy no efa soara :@ )
8. soanja ( 20/03/2009 01:45)
Samoana> Tsy manan-javatra hiderako ny presida vaovaontsika aho dia io ny ahy no mba hany fafinaretako rehefa mahita azy ao anaty gazety na sary sns...

Mino aho fa misy mahatsara azy ny hatanorany. :-* :-* :-*
9. vilambava ( 20/03/2009 19:03)
Arabaina fa izao isika vao tena hitoka-monina eto amin'ity Nosy ity ve? Ny Union Afrikanina mitsipaka, ny Union Europeanina tsy mankasitraka, ny SADC manameloka, ny firenena hafa hampitsahatra ny fanampiana antsika, sns....
Izany no arabainao sa teny fanesoana ny anao ry Soanja?
10. cutie ( 20/03/2009 19:11)
marina zany ry vilambava a , ny amerikana koa aza tsy manaiky an'io fitondrana io lol.
11. cutie ( 20/03/2009 19:40)
tohiny http://news.bbc.co.uk/2/hi/africa/7954356.stm
12. soanja ( 20/03/2009 22:57)
vilambava:

Arabaina fa izao isika vao tena hitoka-monina eto amin'ity Nosy ity ve? Ny Union Afrikanina mitsipaka, ny Union Europeanina tsy mankasitraka, ny SADC manameloka, ny firenena hafa hampitsahatra ny fanampiana antsika, sns....
Izany no arabainao sa teny fanesoana ny anao ry Soanja?

Sambany aho hatramin'izay no menatra/ ketraka sady vingitra amin'ny mahaMalagasy ahy. Tsy mbola nahatsapa toy izany aho; ny antony dia noho ny herisetra sy ny firefarefana toe-tsaina misy eo amintsika Malagasy vitsy nohon'ny maro saingy kosa tena mahery vaika ka tsy tosiky ny famoram-po mitavozavoza. Mampalahelo ahy ny fanararaotan'ny hafa ny mahantra sy ireo izay tsy mba nahita mahiratra amin'izay mahaolona.
Miarahaba ny filohanareo aho. Miala tsiny e! Tsy ho ahy io fa ho an'izay tia azy! Soa fa tsy gasy aho fa vazaha aloha mandrapaha. Raha misy manontany dia teneniko hoe Lakota aho. Mazotoa daholo.

:-D :-D
13. vilambava ( 21/03/2009 17:23)
soanja:

Ka rehefa menatra ny maha-malagasy anao dia aza manoratra teny gasy eto koa. Ka na hanaiky ianao na tsia aloha dia filohan'ny malagasy io mandram-pa, ka aza manilika hoe filohanareo fa tsy nisy nifidy io, kanefa tsy afaka mitroatra aloha fa tratran'ny be sandry. Aza mifaneso sy mifanaratsy am-pitoerana tahaka izao fa tsy tsara, na dia vazaha an-taratasy aza ianao amin'izao fotoana izao ary toa mahatsiaro fa tsy mahakasika anao ny olana mianjady amin'ny iray rà aminao. Tsarovy fa fà malagasy no mikoriana ao anatinao na tianao na tsy tianao.
Izaho dia tsy any Madagasikara ary menatra amin'ny zava-misy kanefa miezaka manazava amin'ireo miresaka ary milaza hoe menatra aho kanefa atao ahoana fa izao no sitraky ny be sandry. Tsy hangina fotsiny nefa izahay fa tsy maintsy hisy ny farany amin'izao.
14. Samoana ( 21/03/2009 19:53)
Izaho aloha hatramin'izay ka ho mandrakizay tsy ho menatra ny maha-malagasy ahy e! Na mivahiny an-tanin'olona aza dia ezahiko arovana foana ny maha-gasy toetra ahy. Marina fa misy ny lesoka sy ny fotoan-tsarotra tsy maintsy diavina saingy na ny tany mandroso aza manana ny maha-menatra azy lavitra mihaotra ny maha-malagasy ahy. Ny torohevitra azoko omena dia ny miezaka hatrany hampangina ny vavan'ny olona mitady handetika ny maha-malagasy anao satria tsiriritina mafy ny toetra tsotra sy mendrika hananantsika amin'ny ankapobeny. Saingy saonjo iray lohasaha moa tsy ilaozan'izay mamarara. Fandalovana i Andry fa ny fihavanana amin'ny maha-malagasy antsika tsy maintsy hiverina ihany ao aoriana kely . Masina ny tanindrazantsika ary tsy ho ravana rivo-doza mandalo!
15. ikaretsaka ( 21/03/2009 20:32)
Le izy lehiretsy tsy ny fisentosentoana sy ny fahamenarana akory no hampiova inona na inona fa ny fanekena ny hoe mivadika ny pejy dia miaina sy mandrindra ny rehetra arak iny sy manao izay tratrra eo @ tandrify aloha nohon'ny manaka-danitra
16. xxx ( 21/03/2009 20:33)
koa raha tsy otran'ny obama lany ny vahoaka manerana ny firenena izy ity ka harabaina, hery setra sy fandrombahana no nahatonga azy eo aloha hatramin'izao ka harabaina amin'ny ahoana :roll:
17. soanja ( 21/03/2009 20:43)
vilambava:

soanja:

Sambany aho hatramin'izay no menatra/ ketraka sady vingitra amin'ny mahaMalagasy ahy. Tsy mbola nahatsapa toy izany aho; ny antony dia noho ny herisetra sy ny firefarefana toe-tsaina misy eo amintsika Malagasy vitsy nohon'ny maro saingy kosa tena mahery vaika ka tsy tosiky ny famoram-po mitavozavoza. Mampalahelo ahy ny fanararaotan'ny hafa ny mahantra sy ireo izay tsy mba nahita mahiratra amin'izay mahaolona.
Miarahaba ny filohanareo aho. Miala tsiny e! Tsy ho ahy io fa ho an'izay tia azy! Soa fa tsy gasy aho fa vazaha aloha mandrapaha. Raha misy manontany dia teneniko hoe Lakota aho. Mazotoa daholo.

Ka rehefa menatra ny maha-malagasy anao dia aza manoratra teny gasy eto koa. Ka na hanaiky ianao na tsia aloha dia filohan'ny malagasy io mandram-pa, ka aza manilika hoe filohanareo fa tsy nisy nifidy io, kanefa tsy afaka mitroatra aloha fa tratran'ny be sandry. Aza mifaneso sy mifanaratsy am-pitoerana tahaka izao fa tsy tsara, na dia vazaha an-taratasy aza ianao amin'izao fotoana izao ary toa mahatsiaro fa tsy mahakasika anao ny olana mianjady amin'ny iray rà aminao. Tsarovy fa fà malagasy no mikoriana ao anatinao na tianao na tsy tianao.
Izaho dia tsy any Madagasikara ary menatra amin'ny zava-misy kanefa miezaka manazava amin'ireo miresaka ary milaza hoe menatra aho kanefa atao ahoana fa izao no sitraky ny be sandry. Tsy hangina fotsiny nefa izahay fa tsy maintsy hisy ny farany amin'izao.

Tsy mbola nihevitra ny rako hiova tsy ho gasy aho saingy tsy azoko sakanana ny fahamenarana ao anatiko toy ny hafa tezitra, ny ahy tsy atezarena no tena manjaka fa io iray io na dia mifangaro fikaikonana aza ny zavatra tsapako. Tsy midika mihitsy izany hoe tsy tokony hanoratra teny gasy aho na hoe tsy hihinam-bary na tsy hanompo ny tanindrazako. Io no tsapako tsy misy afaka ny hanala an'io tsapako raha tsy ny tenako ihany. Mahazo tezitra an'io tsapako io koa ianareo fa io no tsapako.
Io voalaza eo no fomba iatrehako azy aloha mandrapahitako fika hafa. Zah kosa anefa dia hilaza fa filohan'ny Madagasikara i Rajoelina na tiantsika na tsy tiantsika. Koa miarahaba ireo izay manohana azy aho izany raha izay no mahamety kokoa ny fijerenareo azy. Maneso ve aho, tsia. Tena amin'ny foko tokoa no iarahabako ireo izay manaiky fa filohan'io. Ny tiako tenenina angamba dia izay mahatsara ahy no imasoako kokoa.

18. soanja ( 21/03/2009 21:08)
Samoana:

Izaho aloha hatramin'izay ka ho mandrakizay tsy ho menatra ny maha-malagasy ahy e! Na mivahiny an-tanin'olona aza dia ezahiko arovana foana ny maha-gasy toetra ahy. Marina fa misy ny lesoka sy ny fotoan-tsarotra tsy maintsy diavina saingy na ny tany mandroso aza manana ny maha-menatra azy lavitra mihaotra ny maha-malagasy ahy. Ny torohevitra azoko omena dia ny miezaka hatrany hampangina ny vavan'ny olona mitady handetika ny maha-malagasy anao satria tsiriritina mafy ny toetra tsotra sy mendrika hananantsika amin'ny ankapobeny. Saingy saonjo iray lohasaha moa tsy ilaozan'izay mamarara. Fandalovana i Andry fa ny fihavanana amin'ny maha-malagasy antsika tsy maintsy hiverina ihany ao aoriana kely . Masina ny tanindrazantsika ary tsy ho ravana rivo-doza mandalo!

Raha menatra aho dia noho ny fitiavako azy no mahatonga ahy ho toy izany fa tsy ny hoe ny fankahalako azy. Tiako i Madagasikara ary enga anie hihoatra lavitra amin'izay efa vitako no ho fifandraisako aminy.
Ny zavatra tsapako momba azy kosa dia toy ny fahatsapako hoe may isanandro ny ala any aminay dia matahotra aho noho izany satria ho fongana ny biby niara nilalao tamiko ary tsy hanana holovana ny taranako. Miala tsiny fa izay no tsapako eto menatra aho satria tsy manan-javatra atoraka amin'ny toy izao nefa dia eo ambavan'ny hady lalina ny fireneko. Menatra aho satria tsy afaka ny hifampiraharaha ny samy Malagasy ka hitady vahaolana hafa afa tsy ny herisetra. Menatra aho satria tiako i Madagasikara nefa tsy tiako ho taratra ny momba azy ny momba ahy!
Ny fahalemeko no hitako fa ny ankoatr'izay dia tsy misy azoko atao. Miarahaba ny fahatongavan'i filoha vaovao no azoko hanatsarana voalohany izany fifandraisako aminy izany. Manaiky fa resy. Menatra aho satria resy.
Tsy mbola nisy olona nitady hanaratsy ny MahaMalagasy ahy anefa fa dia ny saiko no milaza amin'ny tenako hoe maneke izay misy fa ny momba anao no hovao izay azo ovana fa ny tsy azo ovana tsy misy azo atao momba izany.

19. soanja ( 21/03/2009 21:21)
vilambava:

soanja:

Sambany aho hatramin'izay no menatra/ ketraka sady vingitra amin'ny mahaMalagasy ahy. Tsy mbola nahatsapa toy izany aho; ny antony dia noho ny herisetra sy ny firefarefana toe-tsaina misy eo amintsika Malagasy vitsy nohon'ny maro saingy kosa tena mahery vaika ka tsy tosiky ny famoram-po mitavozavoza. Mampalahelo ahy ny fanararaotan'ny hafa ny mahantra sy ireo izay tsy mba nahita mahiratra amin'izay mahaolona.
Miarahaba ny filohanareo aho. Miala tsiny e! Tsy ho ahy io fa ho an'izay tia azy! Soa fa tsy gasy aho fa vazaha aloha mandrapaha. Raha misy manontany dia teneniko hoe Lakota aho. Mazotoa daholo.

Tsy hangina fotsiny nefa izahay fa tsy maintsy hisy ny farany amin'izao.

Io hevitrao io no tsy hampitovy antsika sy ianao. Izaho vonona ny hangina sy hiaritra ary hanaiky. Ianao tsy hanaiky. Ny tenako dia tsy toa an'i Mandela ka hiady hatraminy farany , tsy manana izany hery sy sandry ary fahaizana amin'izany aho sns Misy tokoa mantsy ny hiady na hisy ra latsaka sns dia eo ihany fa tsy manaiky izahay sns.... Tsia, hoy aho. Alefaso eo izay mety fa zah mandray, ny hoe kosa hanindrahindra ny mahaMalagasy ahy amin'izao toe-javatra toy izao dia miala tsiny fa misitrika toy ny sifotra ny tenako ary aleoko mivadika bibin-dady mba ho lolo indray andro any hanao zava-tsoa hafa any an-kafa tsy misy idiran'ny Politika.

Samy manana ny fomba iatrehany olana ny rehetra ary tsy voatery hitovy ny taktikan'ny tsirairay. Ny zavadehibe dia na sinoa aho na peruvianina raha mbola tsy manary an'i Gasikara ny tenako dia isaorako an'Andriamanitra izany.

20. vilambava ( 22/03/2009 16:58)
Tsy fantatro ny hevitrao ry Soanja na te-hanamarin-tena satria nisy nanohatra ny voalazana na tsia, fa raha mandinika na ny lohatenin'ny dinika izay napetrakao fotsiny aza dia manala ny tenanao tsy ho isan'ny malagasy ianao. Mahamenatra tokoa izany. Ny hoe tsy hangina dia tsy milaza avy hatrany fa hanao izay hisian'ny rà mandriaka fa hitaky hatrany ny rariny sy ny tokony ho izy fa tsy hijanona hanjakan'izay be sandry isan-karazany. Tsy ianao akory no hatoro ny tenin-drazana manao hoe: "tsy misy lehibe ohatra ny vatolampy fa raha mangina taingenan'ny vorona". Koa amiko na tsara na ratsy ny zava-misy sy mitranga eo amin'ny fireneko dia mijoro amin'ny maha-malagasy ahy aho: tsy midika hoe manaiky an'io zava-misy io akory izany.
Sahala amin'ny ao an-trano ihany io: tsy hoe raha hendry sy metimety ny ao an-trano dia faly aho hilaza hoe ireny ny fianakaviako, fa raha sanatria manao malotoloto eny imason'ny olona ny fianakaviako dia hodiako tsy fantatra na sanatria ho lazaiko hoe iny ny mpanampy ao an-tranonay. Indrisy nefa misy ny manana izany toe-tsaina izany ary ireny no tena mampalahelo sy tokony hahamenatra. Aza atao tsobo-dranon-dRamiangaly ka raha marivo hirosoana ary raha lalina hiverenana ny maha-malagasy anao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1913