Ilay reny malala (tononkalo)

1. xxx ( 18/03/2009 15:59)
Ry neny malala


Diam-penina tsotra sy andalana vitsivitsy
No entiko hanehoana ny zava-misy
Raha toa ianao nahatsapa fa tara
Dia manasa anao hanaraka ny tantara

1896 :

Daty voalohany ato anaty tantara
Lasa zanatany frantsay Madagasikara
Fanandevozana nihoatra ny loha
Izany no nanjo ny razambentsika taloha

Ompa, fanalikàna, asa an-terivozona
Izany hono ny “ration” ho an’ny olom-boazona
Ny teny marary sy fanambaniana
Tsy maintsy nekena ary tsy nifamaliana

Satria” Gasy kely “ dia tsy nahazo niteny
Tanterahana fotsiny izay baiko nomeny
Izany no niainana na alina na andro
Foana tanteraka ny anjara masoandro

1947:
Mafy tokoa zany hoe te ho “afaka”
Amin’ity zioga vy izay tsy mety tapaka
Nitolona mafy ireo mahery fo
Satria te-hisaraka amin’ity “Reny” ratsy loha

Siaka sy enjika ary vono no navaliny
Ny tolona tsy azo ekena ary tsy nahazo rariny
Ny azy efa vita ny kaonty sy ny “plan”
Tsy mahafaty antoka hono ny mamono iray “wagon”!

1960:

Nifaly sy nibitaka hatramin’ny moana
Fa afaka ny geja amam-polon-taona
Hamindra irery sy handroso amin’izay
Ity Madagasikara, tanindrazanay!

1975 – 2002:

Dia nifandimby teny ireo fitondrana
Tsy nisy fandrosoana fa toa mihanahana
Ny paosiny ihany no hita mihangeza
Izay hono no tombony rehefa “tsara seza”!

2002:

Aleo indray mitolona fa miharovi-damba
Tsy hitany izany satria izy jamba
Aleonay mpitondra misaina mivelatra
Na dia mpivaro-dronono avy any Andranomenalatra!

Dia roso ny dia ary tsy hihemotra intsony
Ny tany nandroso ary ny saina tony
Voaroaka sy voahilika tsy nisy hantra
Veloma tanteraka ianao La Frantsa!

2008:

Dia nipoitra indray ary ty TGV
Bandy kely endaka fa danzéré
Fa Andriamatoa Ravalo hono tsy maintsy miala
Hay ao andamosiny ilay “Reny Malala”!

Ny miaramila no nokaramainy
Fa ny mission hono tsy maintsy vitainy
Ireo “dinosaure” koa avy ato aoriany
Manomana ny toerana izay ela notiliana

Tsy misy farany ny fandrobàna
Tsy maintsy voaroba rehefa tsy karàna
Ny mpamatsy vola indreo fa nitsoaka
Ialao! hoy izy fa ady no mipoaka!

Dia tsy nanaiky mihitsy raha tsy niala ny Filoha
“Coute que coute” fa io no baiko tsy maintsy to
Na inon-kidona na inon-kitranga
Tsy maintsy tafakatra hono i Lava Sanga!

Dia malahelo ny foko ry Malagasy namana
Tsy sanatria noho hoe lasa Ravalomanana
Fa noho ity tranga iaraha-mahalala
“Eh bien, re-bonjour” dit Reny Malala!

Entiko hamaranana ity tantara
Tena marina io tsy sanatria valahara!
Hiverina indray zao ny antokon’ny mpahana
Tonga soa indray ianao ry fanjanahana!


Mahereza ry Mpiray Tanindrazana amiko!

Hoy Aho

novalian'i 08051972 ny 18/03/2009 16:45
2. 08051972 ( 18/03/2009 16:45)
=D> =D> =D> =D> =D> ! Bis e!!!! Milay le tononkalo fa misy ny indro kely hoy ny mpandrafitra! Na i Reny malala na Amerika de izao no tsarovy fa tsihisy vazà manampy mainty gratuis zany fa samy mila tombotsoa daôlo e! Ny mpitondra no tokony hisaina vao miroboka ; misaina ny TOMBOTSOAM-BAÔKA!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1545