Mba valio hoe...
1. Fanhaiky
(
18/03/2009 10:38)
Mba lazao izay hevitrao, fa ny ahy dia izao no maha lasa ny saiko.
1- Ravalomanana: nametra-pialana: fahalemena ve sa fandeferana, sa izay no fahitany fa hamahana izao olàna izao, tsy mpomba azy akory fa midera ny fahasahiany satria tokoa, inona moa no tombotsoa azo raha hikorontana eto foana.
2- Tsy toy ny fanomezana mifono poizina ve no natolotra an'Atoa Andry RAJOELINA jereo ny zavatra simba sy ny krizy misy eto amintsika angamba mbola ho ela izany vao ho voaharina raha ny fandinihana azy, ireo very asa maro, sns...ny 1,2,3 volana vita ihany fa ny hanaraka ao kosa tsy ho maro no himenomenona satria mety hihamafy ny fiainana nefa moa ny hirariana dia ny hifanohitra amin'izany.
3- Ary ireo tafika toa tsy ho hita zay hevitry ny sasany inona no mety ataony tsy hay fa mbola mistery izany aloha hatrami'izao.
4- Fahalalako aloha dia mikatso avokoa ny fifandraisana @ ny any ivelany mandra-paha isian'ny tena andrim-pajakana marina misy izany dia vokatry ny fifidianana izay mbola hatao.
Tsy haiko aloha izay mety ho tohiny fa ny mba tao an-tsaiko fotsiny ireo.
am-pitiavana foana eh...

répondu par caprio le 18/03/2009 11:37
2. Oay
(
18/03/2009 10:51)
Ela be izy izany ry Fanhaiky an!
1°Ravalomanana d nametrapialana satria efa tsy nisy azony natao intsony, raha olon-kendry marina izy d tokony hatramin'ny vao nanomboka ny krizy politika d efa nanaiky niresaka izy fa tsy miandry aty ao aoriana be aty, tadidio fa na ny alina alohan'ny nialany aza d mbola nampanantena ny mpomba anazy izy fa na ny ainy aza d afoiny fa izy tsy hiala izany.Nampalahelo anie ny nahita ireo mpomba anazy tsy nety nihino hoe efa tsy ao intsony ilay arovany é!
2°Tena fanomezana mifono poizina tokoa satria ny korontana d hitohy d avy eo indray mivadika ny rasa ka lasa ny TGV indray no henjehina ny vahaolana amiko d ny fanomezan'i Andry Rajoelina ny fikarakarana ny tetezamita @ vondron'ny tafika miaraka @ FFKM sy ny olona tsotra manana ny mahaizy azy.
3°Tsy misy herimpamoretana maharitra izany, ary ny fangenjana d mitarika ny olona ho tia karokaroka noho izany ireo tafika hiaran'ny jadona d tsy maintsy hisy anakiray sahy hijoro d raikitra ny ady.
4° raha nanaraka tsara ianao d nahita fa ny ONU d mahatoky ny FFKM noho izany raha ny FFKM no manomana ny fidirana @ repoblika vao² d manaraka ny iraisampirenena.
Fomba fijery io ry Fanhaiky fa tsy aleo ve ilay gitara beso no ampanenona tsara é hihihi... mandrampanoratra indray rahalahy a!

3. caprio
(
18/03/2009 11:37)
Tokony tsy asiana resaka betsaka tsony ,fa sady tsy fahalemena no tsy fandeferana ny andR8 fa tena fatahorana ny mety hoavin'i fihainany manontolo ka naleony niala mora satria efa tsisy niaro azy tsony ny miaramila,fa amiko ny fialana tahaka izao dia tsy fitiava-tanindrazana fa famelana ny vahoaka irery,zany we mandosotra adidy kanefa haiza ilay vava be natao reny vao nanomboka kely io korotana io,zay no lazaiko we aleo mangina tahaka anay tsy mahay politika toy izay ampiasa vava nefa avy eo matahotra,zao ny vokany de aiza doly nareo pomba an-dRa8 eto @ serasera toa tsy misy miteny, indrindra fa i Hery saa efa lasa nandositra any dago koa i Hery? :lol: de mbola mahita lazaina ndray zao nareo reo fa mody ragitiko kely fotsiny :lol: ny sasany moa efa hita zao fa pomba dia ampiasaina foana ilay fiteny we:(tsy we momba an'ny anona na i anona za miteny an-zany)nefa hita zao fa tena momba ilay olona resahina mintsy ny fomba feresakany.Tena mampalahelo ny firenen-tsika fa ho avy ndray ny Ratsirakista ary efa misy tafiditra ao dago aza ry zalahy sasany nitsoaka taty an-dafy @izao,de ahoana zany ny ho avin'ny firenen-tsika fa ilay vosotra mba nantenaina ity singambolo dia nandavo azy?Azo lazaina fa filalaovana afo hiany ity resaka politika ity ka izay tsy mahay milalao dia tsy maintsy ho may,de anao ahoana ny ho tohiny fa i Ra-TGV koa ity toa ilay gohaika antitra be reo daholo no hiarahana milalao koa tsy ho may eo ndray ve raha tsy mahay, @izay ilay AREMAndoza reny daholo,tena matsiravina mintsy poa poa poa marikoriko,mampalahelo enao ry fireneko kanefa tiako foana (l) (l) (l) (l)