INFO IMPORTANT: SOURCE SURE ET fIABLE
1. bradley7
(
17/03/2009 20:18)
Raha manao izao fanambarana izao aho dia satria mety hisy zavatra lehibe, na zava-doza hitranga eto @ firenentsika ity. Mikasika ny fanonganana ny filoha Ravalomanana izany. Source tena atokisana no nahazahoako izao vaovao izao satria officier supérieur ao @ Capsat, anisan'ireo manamboninahitra mikarakara izany fanonganam-panjakana izany no nilaza izany.
Raha nahatsikarika isika dia somary efa nisy fotoana nihareraka ny tolona notarihan'i Andry Rajoelina. Betsaka no efa nieritreritra fa izay no izy @ io tolona io. Tampoka teo nefa, toa nivadika ny baolina, araka ny fitenenana, ka nahazo vahana be indray ity fihetsiketsehina ity.
Raha ny nambaran'ity manamboninahitra ao @ Capsat ity, dia i Norbert Lala
Ratsirahonana no nanome hevitra an'i Andry Rajoelina, ary nilaza azy fa tsy
mahatafavoaka an'ity tolona ity izy ireo raha tsy mahazo fanampiana avy ao @ tafika. Ary ny manamboninahitra ao @ Capsat no nasainy nantonin'i Andry Rajoelina. Nanambara araka izany ity manamboninahitra ao @ Capsat ity fa notambazan'i Andry Rajoelina vola be izy ireo, ary misy sasany aza nomena toky fa hahazo toerana ao @ governemanta mihitsy.
Mbola i Norbert Lala Ratsirahonana ihany no nanome hevitra ireto mpitolona hametraka fitarainana any @ HCC. Fantatsika rehetra moa fa Ingahy Ratsirahonana no filohan'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana na HCC teo aloha. Mazava ho azy fa efa nantonin'i Andry Rajoelina koa ireo mpitsara ao @ HCC.
Araka ny filazan'ity manamboninahitra ao @ Capsat ity ihany, dia nanafatra mpikarama
an'ady na mercenaire vahiny ny filoha Ravalomanana, ka tokony hiditra eto amintsika
avy eny amorontsiraka. Nisy camion iray nalefa hitsena ireo mpikarama an'ady izay
efa voasakan'ny Capsat. Ny Capsat koa dia efa nandefa miaramila hisambotra ireo mpikarama an'ady ary haka ny fitaovam-piadina avo lenta entin'izy ireo.
Namindra fahefana iny Ravalomanana ary hitantsika tsara ny zava-niseho sy ny tohiny rehetra tsy ho tantaraiko eto intsony satria efa maro mpahalala ...
Efa maro izao ny olontsotra sy miaramila sy ny sisa voatana ao @ fonjan'ny Capsat, ary mety mbola hitombo ny isan'izany ato ho ato.
Hamaranako ity fanambarana ity, dia voaporofo izany izao fa Ratsiraka no ao
ambadik'izao korontana mahazo ny firenentsika izao. Niantso an'i Andry Rajoelina i Pierrot Rajaonarivelo nilaza azy fa tsy manaiky ireto ministra tetezamita voatendry ireto ry zareo satria dia tsy zay no efa nifanarahana tany ampiandohana. Mbola tatara mitohy koa ny azy io satria hisy indray ny ady seza amin'ireto mpanohana ara-bola ny tolona sy ireo mpanaradia mpanohana teny amin'ny 13 Mai.
Misaotra anareo namaky hatramin'ny farany. Nilaza izay zavatra fantatro fotsiny aho fa anjaran'ny tsirairay no mandray andraikitra @ izay hitany fa mahasoa ity firenentsika ity!!!
Ho an'ny Tanindrazana!
novalian'i cocorie ny 18/03/2009 14:57
2. xxx
(
17/03/2009 20:20)
efa mazava izany fa ny grevy general no ataovy masaka tsara vive madagasikara miaraka ny ra8
3. ifiona
(
17/03/2009 20:21)
Efa ela tokoa enao no niteny an'io. Zao dia voaporofo mitsy.
Mbola azontsika ovaina anefa ny tantara, les malgaches construisent leur histoire, font leur histoire.
A nous de la changer.
Mbola azontsika ovaina anefa ny tantara, les malgaches construisent leur histoire, font leur histoire.
A nous de la changer.
4. majakely
(
17/03/2009 20:23)
aaaaa ka ,aleo i wiwi alouha hahazo ny volany kosa ee!!!!oadrayyyyyyy inn ary ty!!!???
6. majakely
(
17/03/2009 20:29)
aiza kosa de hiala maimaipona izy amin ompa be nataony olona teto zay!!!hajanony aloha i V eee!!!hehehehhehehe wiwi 8)
7. rabingogilabanga
(
17/03/2009 20:38)
ifiona:
Efa ela tokoa enao no niteny an'io. Zao dia voaporofo mitsy.
Mbola azontsika ovaina anefa ny tantara, les malgaches construisent leur histoire, font leur histoire.
A nous de la changer.
d'accord à 100% amin-dry aho, ARY IANAREO TIM Mijoroa dieny izao, satria hiafara eny ambony latabatra hatrany ny resaka any amparany any, ka raha matanjaka ianareo, misy ny contre-pouvoir, dia afaka mi-peser @ ilay balance ny negociation ianareo
ny Info-nao moa ranamana dia logique be daholo ireo tantarainao ireo, ka na marina na tsy marina ny source-nao, dia logikan-javatra ny hoe hiady seza ny mpikambana ao @ mpanohitra, ary hanohana an'i TGV i ratsiraka sy pierrot.
Tadidio fa raha misy Mapnohitra matanjaka eo, ka manohitra an'i TGV, dia logique fa tsy maintsy ho tohanan'i RAVALO
8. bradley7
(
17/03/2009 20:40)
Tena efa baikon'ny vola tanteraka ny hetsika rehetra ataon'drà Olombelona e!
Aleo aloha hijery financement matanjaka noho ny an'i tgv ndray vô mety afaka manàla an lery teo iviadianana an'ireo hery rehetra misy eto am-tànana ireto!!lol.lol. :lol: :lol: :cry: :cry:
Aleo aloha hijery financement matanjaka noho ny an'i tgv ndray vô mety afaka manàla an lery teo iviadianana an'ireo hery rehetra misy eto am-tànana ireto!!lol.lol. :lol: :lol: :cry: :cry:
9. bradley7
(
17/03/2009 20:41)
Tena efa baikon'ny vola tanteraka ny hetsika rehetra ataon'drà Olombelona e!
Aleo aloha hijery financement matanjaka noho ny an'i tgv ndray vô mety afaka manàla an lery teo iviadianana an'ireo hery rehetra misy eto am-tànana ireto!!lol.lol. :lol: :lol: :cry: :cry:
Aleo aloha hijery financement matanjaka noho ny an'i tgv ndray vô mety afaka manàla an lery teo iviadianana an'ireo hery rehetra misy eto am-tànana ireto!!lol.lol. :lol: :lol: :cry: :cry:
11. bradley7
(
17/03/2009 20:48)
ranamana a!!le izy nge tsy hoe hanohana fa nahohana e! ary tompon-kevitra tamle izy mintsy fa tsy oe ...
12. Noue
(
17/03/2009 20:48)
ka zay no nolazaiko oe aleo aloha hi-savouré an'io lazain'i tgv io oe victoire-ny io izy pour l'instant, dia manantena ve izy fa ireo dinosaure nanosika azy hanao an'zao dia hijanona fotsiny @ zao?? dia mihevitra ve izy fa tena izy marina no hitondra ny fanjakana?? aleo aloha izy mba hanofy eee ! mbola tsy hainy mantsy fa izy no natao pantin fa rehefa azony kosa ny zavatra notadiaviny tao ambadika tao dia ho hitany tsara ny vokany
13. zandikely
(
17/03/2009 21:12)
TSY MILA ANTITRA INTSONY E!
TSY MILA OLONA MIHOATRAN'NY 45 ANS INTSONY AMIN'NY FITONDRANA
REVOLISIONINA LEHIBE NATAON'I TGV IO KA TSY HITA NY ANTONY TSY HIFALIANA
NASEHON'I ANDRY MIHITSY NY FAHAIZANY,
MALAKY BE ILAY TGV, 2 VOLANA DIA AZO NY FITONDRANA
FELICITATION À ANDRY RAJOELINA,
TSY MILA OLONA MIHOATRAN'NY 45 ANS INTSONY AMIN'NY FITONDRANA
REVOLISIONINA LEHIBE NATAON'I TGV IO KA TSY HITA NY ANTONY TSY HIFALIANA
NASEHON'I ANDRY MIHITSY NY FAHAIZANY,
MALAKY BE ILAY TGV, 2 VOLANA DIA AZO NY FITONDRANA
FELICITATION À ANDRY RAJOELINA,
14. vilambava
(
17/03/2009 21:36)
Za aloha ry zareo mbola tsy afaka ny hilaza hoe faly na tsy faly a. Misy zavatra tsy matiko lolo kely: Iza no ao ambadik'ireo mutin ireo? Ny antony hilazako an'io dia izao: voalaza fa sous-officier izy ireo, ny eto Madagasikara nefa misy firy ny Officier sy Jeneraly ambony grady noho azy ireo? Ka raha ny fandinihako azy dia tsy maintsy misy maro amin'ireo miaramila ambony grady no mialoka sy manome baiko ao ambadik'ireto lazaina fa mutin ireto, fa ireo izay miseho hita maso dia mpanatanteraka fotsiny: teny voalazan'ilay CEMGAM moa izany hoe "mbola tsy nahazo baiko hanafika any Iavoloha izahay, fa ny teto Ambohitsirohotra no nanirahana anay, ho hita eo ny baiko manaraka". Raha izay no izy dia mari-pototra ny hetsika nataon-dry zalahy ireo ary ho sarotra ny handravana azy. Raha tsy izany kosa nefa dia tsy maintsy hihetsika ireo maramila ambony grady hitroatra sy hanohitra azy ireo, na farafaharatsiny hampihatra ny lalàna maramila amin'ny tsy fanekena sns.... Ka mety ho inona ny hiafarany raha izay tokoa ny zava-misy?
15. fijo
(
17/03/2009 21:49)
izao vao tena hanomboka ny korontana,satria izao vao hifanipak aankaron anympanohitra;i pierrot izao ef amanomboka niseho taty france"taminn'y france 24" androany.
ary za koa nahalala ny fisian'io resaka vola tamin amiaramila io.fa ny fiaviann'y vola no tsy arako.
maty aho taniko
ary za koa nahalala ny fisian'io resaka vola tamin amiaramila io.fa ny fiaviann'y vola no tsy arako.
maty aho taniko
16. Noue
(
17/03/2009 21:52)
aza mivatravatra ry zandikely aaa ! ho tapaka lalandrà @ tsinapany eo ianao eee ! ahirato fotsiny ny maso fa tsy hamela velively an'zao ny vahoaka ary surtout ireo dinosaure nanosika azy hanao an'zao eee !! mbola ho aiza nefa ee ?? zao vao tena hanomboka ny tolony dia ho hitantsika eo zany!
18. xxx
(
17/03/2009 22:44)
MALAHELO TSY RARINY IZAO NY SOLUTION DIA NIFY SOLONY NIFY :evil: :evil: :evil: ,AVONDRONY NY HERY
20. andrywain
(
18/03/2009 07:51)
tsy zaza izany tsony rehefa 34 ans ee efa manana ny ma izy azy efa mahay zavatra
ki ki ki ki ki
ki ki ki ki ki
