malahelo

1. younous ( 17/03/2009 09:29)
fantatra amin'ny anarana hoe radio DonBosco ity radio ity donc radio evangelique satria misy ny anaran'i Olomasina, noho izany malahelo aho isaky izay mihaino azy satria tena lainga sy tsaho daholo ny vaovao politika mandeha aho, asa na efa vavaka mihambahamba angaha ny antsika na ahoana fa tena mahamenatra nefa aho mino fa mbola afaka miala @ izany ihany ianareo marihiko eto fa izaho izay manoratra dia katolika iringiriny.Ka mangataka an'i Père Cosimo Alvati sy Luca Treglia aho mba ieritreritra io voalazako io dia misaotra tompoko
2. ni81 ( 17/03/2009 09:56)
:roll:
3. xxx ( 17/03/2009 10:19)
Ny mety aminao dia ny manoratra na miresaka mivantana amin'ireo olona voalazanao anarana ireo, izay hinoako fa mifandray aminao satria fantatrao izato anarana ny fanampin'anarany, na fara faharatsiny mahalala ny fomba hihaonana aminy ianao na dia izay nahazoanao ireo anarana ireo fotsiny ihany aza.
Ka tsara ny manatona azy ireo mivantana raha tena malahelo ianao. Satria ny zavatra ataonao tahaka izao dia tsy fanehoana alahelo fa toa mifono fanaratsiana ihany raha tena zohina.
4. fahamarinana ( 17/03/2009 12:09)
:arrow: za manokana aloha dia tia izay mety ho radio gasy rehetra na manohana na tsia ary mbola tsy mitsahatra misaotra ireo namako tato nizara izany ! Fa kosa na radio evanjelika aza i radio donBoscodia tsy resaka evanjelika ranoray koa no heno ao fa misy karazany maro sy hira samihafa ihany koa. Samy manana ny tiany marina ny tsi11.... :D (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5462