Iavoloha

1. Jackychan ( 14/03/2009 20:28)
14 mars 16h30: IAVOLOHA
Du monde à Iavoloha. centaine de voitures garées le long du by-pass. Des milliers de gens au bord de des familles entières avec femmes et enfants , calmes, sereins en apparence.
On bavarde tranquillement, on attend malgré l’anxiété que l’on lit dans les regards. C’est un peuple de travailleurs , des gens simples qui savent que le pays est réellement en danger. On est très loin des “clients” de TGV, qui vous font peur quand on les croise.
A Iavoloha il y a la foi, en Dieu peut-être mais aussi en la patrie. On ne vient pas par hasard à Iavoloha , on vient pour soutenir une autre société que celle que nous a montré TGV et sa clique.
Quelle que soit l’issue de cette crise, ce s gens qui sont à Iavolo depuis hier, ne resteront pas les bras croisés.
Et quand on les voit, l’espoir renait: non ce pays n’est pas foutu. Tot ou tard on gagnera! :D
2. xxx ( 14/03/2009 20:41)
misaotra ary mankatelina hoan'ny firenena (l) (l)
3. xxx ( 14/03/2009 20:44)
isika koa tsy hanaiky hiala eo zany é!
4. vilambava ( 14/03/2009 20:46)
Omeo le source vaovao fa lasa tsaho
5. xxx ( 14/03/2009 20:56)
Hita tokoa fa sarotra ny mionona. Anefa, matokia fa Andriamanitra dia mahay maha tony ny fo maratra. Aza misosoka alahelo intsony tompoko.
Jesoa no tsy mandao. Izy no itokio, fa ingahy ra8 efa nolaviny.
Aza misosok'alahelo intsony tompoko.
6. yvonKEL ( 14/03/2009 21:22)
xxx,1,2,3
izahay letsy tsy malahelo fa mbola ny filoha nofidinay sady lanim-bahoaka no filohan'i MADAGASIKARA a! de aona le ultimatum 4 heures mampmé be le ult fa tsisy taitra fa efa zatra ult tgv ny oul
De le oul teny @ bay- pass oul manana ny maha izy azy daoly fa tsy nanana fiara t@ fandrobana fa niezaka vao nahazo an'izany ary vonona hiaro ny filohany izay nofidiny. de le oul teny @ tgv oul te hanana tampoka manofy ny hanana nefa tsy miasa hihihihi . ta ndremo antananarivo tsy vendrana ka hanaiky ny hatao sorona. averiko aminy ny tenin' i andry lava nify hoe: ny arivolahy tsy maty indray andro
ary tgv tsy merina fa avy ao fandriana = betsileo ka tsy tokony hangalatra ny idole nay antananarivo
7. xxx ( 14/03/2009 21:33)
jereo eto ny fanohanany ny olona ny filoha vaovao france2 t@ 20h eo @ 4mn29 no manomboka:
http://jt.france2.fr/20h/
8. xxx ( 14/03/2009 21:41)
Hoy Yvonkel
ary tgv tsy merina fa avy ao fandriana = betsileo ka tsy tokony hangalatra ny idole nay antananarivo

Moramora lesy zandry e! fa toa ohatran'ny mananga-pahavalo ny vavanao izany.
9. yvonKEL ( 14/03/2009 21:51)

ry xxx 1,2,3
hisosoka alahelo ahoana
mahafehy ny firenena ve ny tgv vorika = NON
10. xxx ( 14/03/2009 21:57)
Izaho letsy sady tsy Ra8 no tsy TGV fa vahoaka Malagasy iharan'ny adalan'izy roa lahy a! Tsy misy izay hirarahiako azy roa lahy ireo na dia ho vonoinareo azy! Velaro ny saina fa tsy hoe rehefa tsy TGV dia TIM izay.
Izahay dia vahoaka Malagasy tsy miditra caffouilage @ adalanareo merina izay miady seza ao Antananarivo ao. Ary avelao ny resaka foko fa ndrao hanahirana.
11. xxx ( 14/03/2009 22:10)
io samy vahoaka daholo, ny akamarony samy tsy TIM no tsy TGV, fa kosa misy ny voafidy ara-dalana na misy aza ny tsy mety nataony ka tokony hajaina ihany zay ara-dalana zay.
12. xxx ( 14/03/2009 22:19)
Ka rehefa tsy mahay mifanaja ve tsy aleo samy esorina. Hoatra ny aretina izy roa lahy ka ny fanasorana azy no fanafody. Sa ny lojikanareo hoe aleo tazomina ny iray fa mahafinaritra ilay mba manana aretina???
13. ifiona ( 14/03/2009 22:26)
esorina dia iza no atao eo??

nareo ve dia tena tsy mijery alavitra mihitsy fa hoe esorina fotsiny zay efa eo dia ny tohiny ahoana? iza no ho mpitondra hizaka ny vokatry ny krizy? zay tsy eto dago fotsiny fa maneran-tany?
14. xxx ( 14/03/2009 22:43)
Tsy ohatra ny miteny amin'ny Malagasy ve izany ianao hoe vendrana daholo ny reste-ny gasy afatsy Ra8 sy Andry ary Ratsiraka ihany no mahay????
Ny krizy indray dia efa ao an-trano io ka na iza na iza no handray ny toerana dia tsy maintsy hizaka ary mbola + ilay krizy mondial.

Tsy hanonona anaran'olona aho fa tokony anjaratsika vahoaka no mitady izay mety asolo azy roa lahy. Aretina hoy aho izy roalahy.Ary tsy ho vitavita foana io raha mbola ny iray @ izy roa lahy no ho eo. Ity aho miteny!!!
15. ifiona ( 14/03/2009 22:50)
Amiko aloha ry xxx, raha mbola tsy misy olona afaka hisolo azy tonga ao an tsaina dia tsy tokony hanao an'izao kitoatoa zao = coup d'Etat, izay ilay fomba fiteny hoe " il faut assurer ses arrières", fa nga moa izy io hoe: esorina fotsiny dia ho hita eo.

Tsia, tsy niteny aho hoe vendrana daholo ny gasy dia hoe ra8 sy Andry ary Ratsiraka ihany no mahay, tsy any mihitsy no tiako hahatongavana, fa ho an'ireo tgvistes mihevitra fa ny fialan'i ravalo dia vahaolana @ zao crise izao ary oe rehefa tafiala ravalo dia ho mangamanga ny lanitra, nefa ts manana candidat tolorana akory.
16. xxx ( 14/03/2009 23:05)
Araka ny nolazaiko t@ nao etsy ambony dia : tsy hilamina intsony io raha tsy izy roa lahy no miala. Ity resaka amin'izao fotoana izao ity ary anie dia mbola misy fifandraisany t@ 2002 e!

Ohatra fotsiny no homeko anao mba hanazavako ny resako.
Ny vahoaka malagasy= tompon'i M/car/ ekenao ve?
Ny mpitondra Malagasy = nofidina sy nokaramaina hanatanteraka ny adidy hoan'i Malagasy sy M/car/ Ekenao ve?

Dia mitovy amin'ny hoe ianao sy ny fianakavina no tompon'ny automobile ka manakarana chauffeur ianao. Ny iray t@ fianakavinao no natao chauffeur. Midika izany fa atokosanareo izy fa tsy hanao accident na mamo lava na mpanao point sy ny adalana hafa...???
Nafa dia niseho ny adalana! ary miady ny sam ho chauffeur ny fianakaviana.
Fanotaniana: Moa ve tokony ho avela hitondra fiara ihany izy sy ilay miady aminy? mahatoky azy ireo ve ianao fa tsy hifamaly faty izy ireo?
Koa mba hialana amin'izay no tokony hijerevana olona hafa azo itokisana hitondra ny fianakavinao tsy hivarina any an-kady.
17. ifiona ( 14/03/2009 23:12)
Ka raha toa ka izy roa tsy havela hanana fahefana, iza no arosonao ho solony?

tedavo aloha ilay solony zay vao soloina
18. xxx ( 14/03/2009 23:26)
Ka izay ilay nolazaiko tetsy ambony hoe isika vahoaka Malagasy no tokony hitady fa tsy hiandry olona hanonon-tena satria isika no mitady chauffeur mahay sy hatokisana. Mety azo atao hoatra ny mi-recruter mpiasa ohatra ? hevitra ny ahy fa mila velarina sy dinihina ilay hevitra azo tanterahina.
19. xl ( 15/03/2009 08:34)
TOMPOKOLAHY SY TOMPOKOVAVY
2012 TENA MAHITA SOLON NY RA8 ISIKA REHETRA
MANOME TOKY ANAREO AHO
FA HATRETO ALOA DIA ZEFALININA DAHOLO
Monja : taux d'election presidentiel : 0.000000001%
andry tgv : 34 ans !§
ratsiraka : vautours
ndremanjato : mimaste fotsiny
.....
TSY MISY
MANANA 03 TAONA ISIKA HANOLORANA CANDIDAT
MAHEREZA DAHOLO
NY INTELLIGENT INDRAY MANDEHA IHANY NO HAZAVAINA
FA NY ... OMENA OHATRA MARO MBOLA MAY KILA N NY AFO IHANY
MISAOTRA TOMPOKO
20. ravonjison ( 15/03/2009 10:11)
xxx:

Araka ny nolazaiko t@ nao etsy ambony dia : tsy hilamina intsony io raha tsy izy roa lahy no miala. Ity resaka amin\'izao fotoana izao ity ary anie dia mbola misy fifandraisany t@ 2002 e!

Ohatra fotsiny no homeko anao mba hanazavako ny resako.
Ny vahoaka malagasy= tompon\'i M/car/ ekenao ve?
Ny mpitondra Malagasy = nofidina sy nokaramaina hanatanteraka ny adidy hoan\'i Malagasy sy M/car/ Ekenao ve?

Dia mitovy amin\'ny hoe ianao sy ny fianakavina no tompon\'ny automobile ka manakarana chauffeur ianao. Ny iray t@ fianakavinao no natao chauffeur. Midika izany fa atokosanareo izy fa tsy hanao accident na mamo lava na mpanao point sy ny adalana hafa...???
Nafa dia niseho ny adalana! ary miady ny sam ho chauffeur ny fianakaviana.
Fanotaniana: Moa ve tokony ho avela hitondra fiara ihany izy sy ilay miady aminy? mahatoky azy ireo ve ianao fa tsy hifamaly faty izy ireo?
Koa mba hialana amin\'izay no tokony hijerevana olona hafa azo itokisana hitondra ny fianakavinao tsy hivarina any an-kady.



Tsotra loatra kosa sady tsy ampy ilay fanazavanao na ny mikasika ny chauffeur na ilay mikasika ny aretina.
ARETINA : eritrereto hoe misy ankizilay roa ao andakilasy, i Koto sy Naivo. I Naivo dia vaomiera voafidy tao ampianarana, saingy misy mangana kely ny tanany. Dia hoy i Koto hoe : i Naivo voan\' i SIDA fa mangana ny tanany, noho izany tokony hiala ho vaomiera izy ka izaho no hisolo azy. Tsy neken\' i Naivo izany ary dia nanomboka niady izy roalahy, ary mikorontana ny ao andakilasy.
Dia hoy ianao hoe : samy marary izy roalahy ka samy horoahana.
Ny hevitro kosa dia tokony ho porofina fa misy SIDA tokoa i Naivo( izany hoe raha marina ny nolazain\' i Koto). Raha misy SIDA i Naivo dia tokony hitsabo tena ary arakaraky ny lazain\' i dokotera no hijanonany na hialany @ io vaomiera io. Fa raha tsy misy SIDA kosa i Naivo dia tokony ho roasina i Koto satria nandainga, ary tokony aseho @ ankizy rehetra fa tsy tsara ny mandainga.
Izany hoe tsy tokony ho roahina be fotsiny izy roalahy satria ny iray amin\' izy roalahy mety tsy nanao ratsy, kanefa ve dia horasina fotsiny. Tokony havahina tsara izay mandainga sy manao ratsy ka iny no tokony roahina.
CHAUFFEUR: ilay chauffeur mbola mitondra kosa tsy roahiko izany raha toa ka mbola tsy nanao accident.Avy eo atao mifandimby ny mitondra ny fiara, araka ny fepetra voafetra. Fa raha ny olona tsy manantsiny kosa no roahina avy atrany dia tsy mety e
Fehiny: tsy tokony esorina izany izy roalahy, raha esorina fotsiny @ izao ny tsy manantsiny izay miaro ny tenany dia tsy mety. Ny vokatr\' izany any aoriana dia izao : tsy misy olona tsara intsony hiakatra eo satria na ratsy ianao na tsara dia tsy maintsy ho voaroaka foana.
Tsy maintsy avahina, iza no nanao ny ratsy ny nandainga, ka iny no esorina na sakanana.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0365