"sitlo" Aza kitikitihina ny fiangonan'olona

1. essera ( 12/03/2009 13:13)
Efa hatramin'ny ela no kitikitihan'-drangah foana ny eglizy katolika. Teto amin'ny forum politika anefa dia tsy nisy niresaka loatra fivavahana hafa mikambana ao amin'ny FFKM ny mpisera.

Mahita ambara ny tenanay raha hiresaka momba ny fiangonana hafa ao amin'ny FFKM kanefa tsy niteny ary tsy hiteny ka dia aza kitikitihina ny Eglizy sy ny Arsevekanay fa mba mahaiza miaina. Am-panetren-tena no anaovany an'io fanelanelanana io kanefa ny anao dia ny hitsikera fotsiny fa tsy manolotra vahaolana na dia kely aza.

Ny hamafy ady sy hampifandrafy olona olona no tena tadiavin-drangah.

Solution mba soratana ato amin'izay fa NY TSY MANAO IHANY NO MAHAY MANAKIANA

Raha mahita solution na dia kely aza ianao dia omeko bizoroka be.

Misaotra stilo amin'ny fahendrenao.
novalian'i essera ny 13/03/2009 05:49
2. andrywui ( 12/03/2009 13:19)
Nahamay sitlo kléé!!! aza mamaly letsy fa marina ny an'i essera !!!
sao rafitrady eo ndray laisany !! ra tezitra de misotroa rano mangitsy kely aloh de il faut gardE sang froid dada a!!!

:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
3. xxx ( 12/03/2009 13:24)
Raha tsy stilo no miteny dia misy hafa hiteny foana eto raha toa ka misy ny tsy mety ataon'ny fiangonana

Asaivo mitondra tena araka ny tokony hoy izy ny arsevekanao dia tsy hisy ny tsindro-paingotra sy ny tsikera

Raiso ny tsikera ary jereo fa mety mahasoa . Tsy voatery ho ny mpitsikera no mitady ny solution, "fonctions" 2 samihafa ireo

Aza misalasala miteny raha misy tsy mety ataon'ny FFKM, mosavy ny tsy miteny ny tsy mety ataon'ny namana sy havana

Misaotra stilo @ izay lazainao fa tsy hoe "eny môpera" lava tsy misy fandinihana

Izaho tsy stilo aloha an, par principe aho tsy mamoaka ps.
4. essera ( 12/03/2009 13:39)
Satria moa izany ilay miafina ao aorian'ny bouclier xxx mitady dia omeko izay hitako mety sahaza anao ianao.

Iza no filohan'ny FJKM ary iza no filoha lefitry ny FJKM ?
Dia hainao koa angamba ny dikan'ilay hoe juge et partie ?

Ny nahafinaritra dia ny fiverenan'i Eveka, ary tokony hihaino tsara koa ry be volombava isany rehefa mihaino vaovao fa tsy miahino vilana amin'ny halako bika tsy tiko tarehy, fa tsy nisy mihitsy tompoko teny notenenin'ny Eveka namporisika ny olona hiady na nandrao fandranitana. Hendry ny anay io ary tsy fan's club be fahatany izahay.

Raha voavalinao ireo dia mazava aminao ny zava-drehetra.

Ny tenako manokana anefa dia mametraka hoe ilaina dia ilaina ny FFKM fa tsy apetraka amin'ny olana mety mitranga ohatran''io nolazaiko eo ambony io. Mijereva ianao entité mety mahasolo hanao ny médiation ? Adala ve aminao ny firenena mikambana sy ny fikambanan'ny masoivoha eto Madagasikara nangataka ny FFKM hanao an'io.

Manonona fikambanana iray eto Madagasikara ianao fa ho lany andro eo satria ny antony dia tsotra... Tsy maintsy hisy hiteny eo hoe an'i Ra8 na an'i Andry na mitongilana amin'ny ra8 na mitongilana am Andry foana izay entité atsofoka eo.

Ary rehefa miresaka dia amiko fahalala-pomba ny tsy miamboha olona fa mifanatrika, ilay pseudo xxx eo no tiako tenenina.

Misaotra tompoko
5. andrywui ( 12/03/2009 13:56)
Voa maharary tam essera koa iny !! asehoy hainga letsy ny PS fa afabaraka be elah ra mbol mifina be ao a!! aleo mitraka ho lehilahy asehoy any ze PS tsis dikany io !!!

=D> =D> =D> =D> =D> =D> =D> =D> =D> =D> =D> =D> =D> =D> =D> =D>
6. ratavao ( 12/03/2009 14:09)
Raha mahay manaova
7. xxx ( 12/03/2009 14:36)
essera:

Satria moa izany ilay miafina ao aorian'ny bouclier xxx mitady dia omeko izay hitako mety sahaza anao ianao.

Iza no filohan'ny FJKM ary iza no filoha lefitry ny FJKM ?
Dia hainao koa angamba ny dikan'ilay hoe juge et partie ?

Ny nahafinaritra dia ny fiverenan'i Eveka, ary tokony hihaino tsara koa ry be volombava isany rehefa mihaino vaovao fa tsy miahino vilana amin'ny halako bika tsy tiko tarehy, fa tsy nisy mihitsy tompoko teny notenenin'ny Eveka namporisika ny olona hiady na nandrao fandranitana. Hendry ny anay io ary tsy fan's club be fahatany izahay.


Izaho aloha tsy finaritra @ izany e, handeha aho, hiverina aho, izao ny conditions-ko .... Aiza no misy médiateur mametraka conditions eto ambonin'ny tany ?????

Sao dia natahotra fa hitongilana @ Ra8 ny FJKM raha tsy ao Môseinera dia niverina faingana .

essera:


Raha voavalinao ireo dia mazava aminao ny zava-drehetra.

Ny tenako manokana anefa dia mametraka hoe ilaina dia ilaina ny FFKM fa tsy apetraka amin'ny olana mety mitranga ohatran''io nolazaiko eo ambony io. Mijereva ianao entité mety mahasolo hanao ny médiation ? Adala ve aminao ny firenena mikambana sy ny fikambanan'ny masoivoha eto Madagasikara nangataka ny FFKM hanao an'io.

Manonona fikambanana iray eto Madagasikara ianao fa ho lany andro eo satria ny antony dia tsotra... Tsy maintsy hisy hiteny eo hoe an'i Ra8 na an'i Andry na mitongilana amin'ny ra8 na mitongilana am Andry foana izay entité atsofoka eo.

Ary rehefa miresaka dia amiko fahalala-pomba ny tsy miamboha olona fa mifanatrika, ilay pseudo xxx eo no tiako tenenina.

Misaotra tompoko



Tsy nametraka olana ny @ FFKM aho, fa en @ la personne en votre Archevêque. Diniho tsara fa tsy izaho irery no mahita io fanamarihana io ?

Mahaiza manaiky tsikera ho aho , mampandroso io. Indrindra fa raha olona mandeha @ forum

essera:

Ary rehefa miresaka dia amiko fahalala-pomba ny tsy miamboha olona fa mifanatrika, ilay pseudo xxx eo no tiako tenenina.


Ha ha ha ... sao dia ho adala ianao, izaho angaha havanao sa inonao no iresahano ohatr'izao ?

Ara-dalàna tsara ny fampiasàko xxx fa azonao anontaniana Mr hery . Raha tsy manaja olona aho efa nesorini' Mr hery teto soa aman-tsara !



8. sitlo ( 12/03/2009 17:25)
Hihi! misaotra fa saingy misy ny atao hoe hafatra manokana.

Malahelo aho milaza aminao fa ny ray aman-drenibeko kaloalika, ny ray aman-dreniko katolika, ny rahalahy sy anabaviko katolika. Izaho koa aza efa mitady ho katolika.

Fa saingy le fait est le fait!
Anontanio ingahy Archevêque hoe nahoana no dia tamin'ny anaran'ny fiangonana no nilazany ireny?
Anontanio koa (iza re eh!) hoe: talohan'ny zava-nitranga rehetra, nahoana Ratsiraka no nahalala hoe tokony hihaino ny katolika ny fitondrana?

Tsy misy afaka manompo tompo roa...
9. Oay ( 12/03/2009 17:27)
Izao ry XXX a! marina ny anao momba ny XXX fa azo atao io satria ara-dalana araka ny fitsipika mifehy ny serasera dinika eto, hetaheta fotsiny ny anay hoe fahalalampomba rehefa miresaka no mifampijery ka ny fomba hifankahitantsika eto d ny solon'anarana (PS) d izay no mahatonga ny mpisera mba maniry ny ahitana hoe iza marina ity olona mananak'olazaina ity kanefa tsy miseho.Mazava anefa moa fa zavatra sarotra atao ilay izy satria isika Malagasy d olona sarotahotra sy mpiatsaravelatsihy izay ihany ka matahotra ny miteny imasombahoaka.Lava be iny raha hovelambelarina.
Ny momba ny FFKM d aoka ho fantatrao fa Ray amandreny am-panahy izy ireo ary fantatsika tsara ihany koa fa ny mpitondra mandalo anio TIM rahampitso TGV omaly AREMA afak'omaly UNDD fa ny FFKM d mijanona FFKM
koa amin'izany maha Ray amandreny ampanahy azy izany d tsy maintsy miaro anjanany izy ireo tsy hifamono d tsarovy ny zavatra napetrany @ maha ray amandreny azy.
_Ho an'ny TGV d ny fampitsaharana ny 13 mai mandritra ny fifampidinihana
>> nanaraka izany ny teo @ 13 mai ary afaka milaza isika fa anisan'ny nahatonga ny olona hokivy izany ka nihavitsy ny olona avy eo.
_Ho an'ny mpitondra d nangataka ny ray amandreny:
-mba tsy hifambisambotra ny mpirahalahy valiny avy amin'i rahalahy Marc nosamborina i Théodore.
-nangataka koa ny ray amandreny ny mba hahafahan'ny zanaka sasany hiteny valiny avy @ rahalahy Marc nogejainy ho azy irery ny fampielezam-peo sy ny fahita lavitra.
Koa raha miteny ianao hoe Mpanelanelana (médiateur) mametraka fepetra d ny valiny tsotra ray amandreny mametraka ny hahatsara ny zanany.
Ohatra omeko anao , enao moa tsy aiko na lahy na vavy, fa eritrereto anie hoe misy fifanolanana eo aminao sy ny rahalahinao na anambavinao na rahavavinao d ahoana ny ataon'i dadanareo na i neninareo : Manelanelana izy ary rehefa manelanela izy d tsy maintsy izao no ataony hoe :manomboka izao aloha d ajanony ny fihantsiana, ajanony ny fihetsiketsehana, ajanony ny fampiasan-kery, avelao haneo ny heviny ny mpiraytampo aminao ka inona ary hoy ianao no mahadiso ny ray amandreniny manelanelana mametraka anireo fepetra ireo.Tsarovy ilay tenin'i Ingahy Vice amiral:"mivavaha ho an'ny fahavalonareo"


10. essera ( 13/03/2009 05:49)
Misaotra betsaka ry Oay fa manam-panahy sy olona mahay mandinika ianao fa tsy entanin'ny fo fotsiny.

:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1354