Raha ny fanadihadiana nolazain'ny ambasady amerikana eto M/car tao @ BBC dia hita sy tsapa fa efa atomotra ny ady an-trano eto M/car.
Raha ny fihetsik'ireo miaramila mantsy dia hita fa efa misy hitovizana be dia be t@ ireo fiatombohan'ny ady an-trano tany @ firenena maro izay nisian'izany no miseho eto M/car.
Ka asa re ry Malagasy , indrindra ireo roalahy (Ravalomanan & Rajoelina) raha izany no fanirinareo hatao eto @ firenena?
Isika vahoaka koa dia tokony ho tonga saina tanteraka. Satria dia tsy vitan'ny ho adin'ny TIM# TGV fotsiny izy ity fa dia hiafara @ adi-poko.
Tsy holazaina @tsika angamba ny mety ho vokatry ny ady an-trano izany?
Koa raha hendry isika vahoaka dia ny fampiatona azy roalahy eo @ andraikitra izay ataony no vahaolana tokony hangatahintsika.