Kabarin'Andriamatoa Marc RAVALOMANANA, Filohan'ny Repoblikan

1. Noue ( 10/03/2009 19:46)

Kabarin'Andriamatoa Marc RAVALOMANANA, Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara

Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana,

Te hitafa amin’ny Vahoaka Malagasy aho androany, hilaza aminy amin’ny fomba tena mahitsy ny zavatra mitranga eto amin’ny Firenentsika sy ny fomba ahafahantsika miroso amin’ny fampandrosoana. Tonga eo amin’ny kiondalana isika ankehitriny. Afaka manaraka ny lalan’ny korontana sy ny adilahy politika isika, na afaka manaraka ny lalan’ny firaisam-pirenena sy ny demokrasia. Amin’ny maha Prezidan’ny Repoblikan’i Madagasikara ahy, dia mandala hatrany ny firaisam-pirenena, ny firaisankinam-pirenena ary ny Demokrasia aho.

Tokony hitsahatra amin’izay izao krizy andalovan’ny Firenena izao. Be loatra ireo olona efa nitondra faisana. Maro ny aina nafoy, ary maro ny orinasa rava. Ny lazan’i Madagasikara mihitsy no voatohintohina. Tsy azo ekena ny fitarozahan’ny toe-draharaha. Tsy vahaolana velively ny fandrobana sy ny asa fanakorontanana. Tsy tia herisetra isika Malagasy. Tokony hifampihaino, hifampidinika, ary hifanaja isika ahafahana mamaha ny olana haingana.

Ankehitriny, fantatra eran’izao tontolo izao i Madagasikara noho ny ezaka ataony amin’ny fanamafisana ny demokrasia sy noho izy nifidy ny lalan’ny fampandrosoana haingana.

Satria isika mandala ny demokrasia, dia zava-dehibe ny fanajana ny Lalàmpanorenana. Masina ny Lalàmpanorenana, ka tokony hohajaina. Ary mbola averiko eto indray fa efa nanao fianianana aho fa hanaja ny Lalàmpanorenana toy ny anakandriamaso.

Mitodika aminareo izay tsy mitovy hevitra amiko aho. Aoka isika samy hanaja ny Lalàmpanorenana. Io no lalàna ambony indrindra eto amin’ny tany sy ny Fanjakana.

Noho izany, dia mbola averiko ihany ho antsika. Aoka hitsahatra ny asa fanakorontanana. Rehefa ny Lalàmpanorenana sy ireo Andrimpanjakan’ny Repoblika no voatohintohina, dia ny demokrasia sy ny fananganana Firenena tena vanona no voatohintohina.

Mbola marefo ny demokrasia eto Madagasikara, ka tokony harovana. Tiako hanana ny maha izy azy, ka handray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ny ankolafin-kery rehetra eto Madagasikara.

Nefa tsy maintsy ao anatin’ny fanajana ny lalàna izany.
Amin’ny maha Filohan’ny Repoblika ahy, dia tsy maintsy mijery ny tombontsoan’ny Malagasy rehetra aho.

Ry Vahoaka Malagasy,

Holazaiko aminareo ny tena ato am-poko. Am-panetretena lehibe no anaovako izany. Tiako ho fantatrareo raha nisy tsy mety nataoko. Izay no maha olombelona, nefa soa lavo hahay hamindra. Raha misy heverinareo fahadisoana nataoko, dia raisiko ho andraikitro izany. Ho anareo izay mahatsiaro fahatezerana, azoko tsara ny fahatezeranareo. Miara ory aminareo aho, ary tsapako ny fangirifirianareo. Tiako ny milaza aminareo fa vonona hihaino anareo aho, ary manome toky aho fa handray fepetra hitady vahaolana amin’izay zavatra itarainanareo.

Zava-dehibe ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra nasionaly ataontsika manomboka ny Alakamisy izao, ary haharitra telo andro. Manantena isika fa hitondra vahaolana haingana amin’izao disadisa misy eto amin’ny Firenena izao izany fihaonana izany.

Mijoro aho ankehitriny amin’ny maha Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ahy. Averiko indray fa mandala hatrany ny firaisam-pirenena, ny firaisankinam-pirenena, ary ny Demokrasia aho. Hiasa miaraka isika, satria ny tanjona dia ny fampandrosoana ity Tanindrazana malalantsika ity sy ny fanatsarana ny fiainanan’ny isan-tokatrano.

Masina ny Tanindrazana!
Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra !

2. virjiny ( 10/03/2009 19:55)
efa tena kely finoana izahay mpanohana an'i ra8 e,efa lasan'ny tgv ny miaramila eto tana
3. Noue ( 10/03/2009 20:03)

Fanambarana avy amin'ny Zandarmariam-pirenena

Manoloana ny trangan-javatra izay niteraka savorovoro eo amin’ny fiainam-bahoaka, fanimban-javatra, fandrobana, faharatrana ary famoizana ain’olona dia manao izao fanambarana izao izahay ato amin’ny Zandarimariam-pirenena.

Tsorina fa disadisa ara-politika misy eto amin’ny Firenena no niteraka izao, ary hita fa misedra fahasahiranana eo amin’ny fanatanterahana ny andraikiny ny Mpitandro ny Filaminana rehetra.

Koa manoloana izany toe-javatra izany dia :
Miara-kory amin’ireo rehetra niharam-boina ny Zandarimariam-pirenena sy mirary fahasitranana tanteraka ho anareo izay maratra.
Manome toky ny vahoaka ny Zandarimariam-pirenena fa hitandro mandrakariva ny tarigetra ijoroany dia ny « TANINDRAZANA SY LALANA » ka hifototra hatrany amin’ny fampiharana ny lalàna amin’ireo izay mandika izany mba ho tombon-tsoa ho an’ny rehetra.
Hanavaka mazava tsara ny fiarovana ny ain’ny olona sy ny fananany amin’ny fanoherana ny fandrobana araka ny andraikitra manandrify azy amin’ny fandaminana nateraky ny savorovoro politika iainana eto amin’ny Firenena.
Koa miangavy ny mpanao politika rehetra mba hifandray tanana amin’ny famahana ny olana araka izay tandrify azy mba hamerenana amin’ny laoniny ny fandriampahalemana eto Madagasikara.

Mitaona ny tsirairay mba ho tony fa ny Zandarimariam-pirenena tsy mivaky dia vonona mandrakariva hampihatra ny traikefany amin’ny fiarovana ny vahoaka ao anatin’ny firahalahiana ka hotanterahina miaraka amin’ny fiaraha-miasa matotra amin’ny Tafika Malagasy sy ny Polisim-pirenena.

Omena baiko ihany koa ireo zandary rehetra manerana ny Nosy mba tsy hitsabaka amin’ny raharaha politika fa hanaja hatrany ny asany ary hitandro mandrakariva eo am-panatanterahana izany ny ain’ny olona sy ny fananany ary ny zon’olombelona.

Ny Sampan’asa Seraseran’ny Zandarimariam-pirenena.
4. heidi ( 10/03/2009 20:18)
Tsy vahaolana velively ny fandrobana sy ny asa fanakorontanana. Tsy tia herisetra isika Malagasy. Tokony hifampihaino, hifampidinika, ary hifanaja isika ahafahana mamaha ny olana haingana.

Manome toky ny vahoaka ny Zandarimariam-pirenena fa hitandro mandrakariva ny tarigetra ijoroany dia ny « TANINDRAZANA SY LALANA » ka hifototra hatrany amin’ny fampiharana ny lalàna amin’ireo izay mandika izany mba ho tombon-tsoa ho an’ny rehetra.


eka ouzy
5. xxx ( 10/03/2009 20:21)
VAVAN'NY MATY AN-DRANO IZANY RA8 A!!!, KOBAKAM-BAVA . EFA ELA NO TOKONY NANAOVANAO IZAO KABARY IZAO , FA NDRISY MOA FA BE MARENINA IANAO. RAHA HENDRY IANAO SY AKAMANAO DIA MANOMANA NY EXILE NO ATAOVY
6. xxx ( 10/03/2009 20:53)
namono olona tsy nahalala maty, taraiky lotra ra8 an! tara loatra...miresaka demokrasia le ranamana,nefa fanapenambava no tena talentany...miala sisa no vahaolana eh!
7. endrika01 ( 10/03/2009 20:56)
Asa fa tsy kabary tsony no handrasana avy amrehetra.
8. Andribe ( 10/03/2009 21:00)
tsss avy ndray i noue sy ny copier coller tsy eo mantsy ra wiwi an :-D :-D :-D :-D
9. xxx ( 10/03/2009 21:07)
efa nisy fiovana i noue, tsy mirehoka eran'ny tanana tsony! :-D (l) :-D (l)
10. fijo ( 10/03/2009 21:20)
minoa fotsiny ihany e
11. zakilinina ( 10/03/2009 22:03)
Manam-pandeferana sy fanetren-tena lehibe ity filoha ity. Hikororosy fahana i Madagasikara raha ilaozany isika. Angamba hanome tsiny ahy ianareo anio saingy aoriana kely ao vao hahatsapa marina ianareo ka hanenina. Efa betsaka ny mponin'Antananarivo no nanenina mafy nanome 63% an'i tgv t@ fifidianana maire.
12. fijo ( 10/03/2009 22:05)
marina izany
13. Andribe ( 10/03/2009 22:19)
aleo hanao hahita eee rehefa lasa ny mamy vao mitsako ny matsatso ary hihinana ny mangidy allez tgv avance ndao tairo tairo haharaka foana ny olona vitsy ary y mahantra hitombo zay ngamba no milay korotany ihany alha ny tanana eh rehefa tsisy kaly ve tsy hifaminan ny a...
tairo eo ihany tairo ny demagozia ze tsy mahataty mila an
:-D :-D :-D :-D :-D :-D
14. vale ( 10/03/2009 22:44)
be menomenona koa ry tgvistes ato anefa inn moa ny manakana an'i ra8 hanasazy an'i tgvendrana?? hita fa oul mandika lalam-panorenana izao ka inn indray?? tena oul be fandeferana mihintsy i ra8!! :^) :^) :^)
15. xxx ( 10/03/2009 22:54)
Tsy hoe be fandeferana fa matahotra satria eo ambanimason'ny community International ny zavatra tsy mety vitany ka tsy afaka mihetsika. Zavatra ohatra izao ve dia handeferan'i Ra8??? peugeot 505 ny'ny kaominina Fianar aza no nanjavona, any am-ponja hatramin'izao i ngahy Pety.

Tsy fandefefrana no ambadik'izao tompoko fa tahotra.
I TGV koa aloha tsy ilainay na izany aza e!
16. patrick2002 ( 11/03/2009 00:19)
vale:

be menomenona koa ry tgvistes ato anefa inn moa ny manakana an'i ra8 hanasazy an'i tgvendrana?? hita fa oul mandika lalam-panorenana izao ka inn indray?? tena oul be fandeferana mihintsy i ra8!! :^) :^) :^)



izay no hataoko anareo Ravalomananiste rehetra hoe diniho @ fo tony ny toe-draharaha ,fa aza mora misafoaka ,fa manontany anao izaho fa inona no nanakana an'i Ratsiraka tsy hamono an'i Ravalo ampahafiriny olona efa najedaky Ratsiraka iny ,satria Ravalo nisy mpiaro tamin'izany dia ny union europeen izay ny allemagne no mibaiko azy .
Amin'izao i Ravalo dia harovany Frantsay ,tsy mitovy @ voninahitsa na i pety .
17. virjiny ( 11/03/2009 00:27)
ra8 efa enjana t@ ireny,ary raha ratsiraka no nahafaty na nahasambotra an'i ra8 izay voa tena guerre be,ary tsy ho afa bela intsony ry rasiraka ny sy forongony
18. pikatti ( 11/03/2009 00:37)
Vita matavy lesy iny rah tsy nitsoaka a :-D :-D :-D :-D :-D
19. patrick2002 ( 11/03/2009 00:43)
ka ohatry ny izany koa izao toe-draharaha izao ,vao maika niha henjana i Andry ,nandritra izay tolona izay tonga ny ankolafi-kery miaro azy ,ka efa tsy ho tokony ho gadraina na vonoina intsony izy ,raha tia tanindrazana marina i Ravalo ,fa raha tiany ny hisiany guerre civile dia hasaivo vonoiny na samboriny , ny any Ravalo mako tsy fitiavana Tanindrazana fa bizna mandeha ihany ,tsy mampaninona azy raha ho faty i Andry misy ny guerre ,fa ny malagasy tsy maintsy mividy vary sy menaka .
20. virjiny ( 11/03/2009 00:46)
avelao hanjaka ny totozy e,tena tia tanindrazana be marina aloha tgv e,jereo ny mpanaraka azy ireo,ny tantara no hitsara sady ny olona koa anie misaina eh,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1817