mortalité néonatale

1. Naxy ( 10/03/2009 09:38)
Manaona daholo.
Izaho dia teraka t@ volana janvier teo, herinandro anefa dia maty le zaza, tsy hay hoe naninona fa za fotsiny 4j nihetsi-jaza foana. te mba hanontany za hoe rahoviana no tsara manan-janaka indray fa efa te-hanana mafy mihitsy izahay mivady.Misaotra
2. soanja ( 10/03/2009 10:14)
Naxy:

Manaona daholo.
Izaho dia teraka t@ volana janvier teo, herinandro anefa dia maty le zaza, tsy hay hoe naninona fa za fotsiny 4j nihetsi-jaza foana. te mba hanontany za hoe rahoviana no tsara manan-janaka indray fa efa te-hanana mafy mihitsy izahay mivady.Misaotra


Miara-miombona alahelo aminareo ny tenako. Aza misosoka alahelo! Aza kivy tokoa fa mitahy foana Andriamanitra.
Raha ny fahaizako azy dia rehefa miverina amin'ny laoniny tsara daholo ny fahatanjahana ara-batana sy ny fadim-bolana ary ny herintsaina hiatrika vohoka vaovao dia efa mety. Io anefa dia miankina amin'ny toe-batan'ny tsirairay. Mankanesa aminny dokotera na Gyneco dia anontanio tsara ny fotoana mahamety anao. Mahereza hatrany.


:-* :-* :-* :-*
3. Lejoba ( 10/03/2009 12:34)
Mahereza eh, mahaiza mionona
4. elyzo ( 12/03/2009 09:11)
Mba fara fahakeliny afaka 6 mois eo enao vao tokony hametraka ndray!
5. myaina ( 31/03/2009 13:07)
manatona dr fa izy ihany no afaka manao évaluation hoe ahoana no nahatonga an ilay pb nao sy ny solution-ny!!
mirary soa!!
6. fahamarinana ( 31/03/2009 13:23)
:arrow: Naxy : Mahereza be dia mirary soa ho anao aho !
Ilay saina koa mila atao milamina tsara sy ny fahasalaman'ny vatana dia izay vao miatrika ny manaraka satria zaza hafa indray no ho avy !.. :-* (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4018