Tsy ny Katolika velively no miteny fa i odon irery, tsy ilai

1. tsimatimanota ( 07/03/2009 12:06)
TARATASY MISOKATRA HO AN'NY FIOMBONAMBEN'NY EVEKA ETO MADAGASIKARA SY NY MPITONDRA FIVAVAHANA REHETRA ARY NY KRISTIANINA

Ny tenako izay manoratra dia Katôlika nahazo ny Sakrameta fanomen'ny Eglizy ny zanany.

Nefa tsy hiteny amin'ny anaran'ny katôlika aho eto fa hiteny amin'ny anaran'ny tenako, satria ny fanjakan'ny kristianina katôlika dia tsy amin'izao tontolo izao fa ilay Jerosalema vaovao antenain'ny mpino kristianina rehetra.

Amin'ny maha Mpisorona sy Mpaminany ary Mpanjaka ny tenako toa anareo mpitondra fivavahana ireo koa anefa dia manana zo sy adidy aho hitondra ny bitsiky ny Fanahy ato anatiko mba ho anareo:

1- Aza mandrava fa tsy natao handrava akory no nahatongavan'i Kristy izay solointsika rehetra tena , fa Andriamanitra no nametraka ny mpitondra tsirairay ho eo amin'ny toerany ka na mety na tsy mety ny ataony dia asakasak'izy nanankinan'Andriamanitra izany adidy masina izany amin'ny fotoana farany.

Ny TSY MAINTSY (fa tsy TOKONY) ataontsika dia ny mivavaka mba hotsilovin'i FANAHY MASINA hatrany ny sain'ny mpitondra antsika hanany fo nofo sy fahendrena amin'ny fitondrana ny vahoaka.

2- Fotoanan'ny Karemy isika izao noho izany aoka HINO fa hitondra fibebahana ho an'ny mpitondra ny fifehezana ataontsika ary minoa an' Andriamanitra fa aza mino ny hoe “tsy hiova toetra intsony RAVALOMANANA”.

3- Mivavaha mba tsy hoazon'ny fakampanahy ianareo ka hitondra fisarahambazana eo amin'ny ondry andrasanareo sy ny Malagasy.

Samy hotahian' Andriamanitra anie isika , amin'ny anaran 'i Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy MAsina Amen!
répondu par piste le 08/03/2009 13:14
2. Andribe ( 07/03/2009 12:09)
sao dia lasa gera katolika sy protestanta otran ny any irlane ndray ty aloha
3. bozyboleta ( 07/03/2009 12:50)
sao dia lasa gera katolika sy protestanta otran ny any irlane ndray ty aloha


Fa maninona no hoe gera?
Tsy natao hankahalana ny katolika mihitsy ny nambaran-drazanaKorona satria azy samirery io. Maro ny mpino katolika no tafintohina @ ataon'io lehilahy io.
F'angaha koa moa rehefa tsy katolika dia tsy maintsy protestanta???
Tsy ireo ihany no karazam-pivavaha eto. Ahoana izany ny hafa???
4. yuka ( 07/03/2009 13:13)
Tsy aleo ve ry reto tsy voizina be loatra le anarapiangonana a!
sa ahoana??
5. andrywui ( 07/03/2009 13:17)
salut yuka ieéé marina zan y


jereo eto
6. Andribe ( 07/03/2009 13:25)
bozyboleta:

sao dia lasa gera katolika sy protestanta otran ny any irlane ndray ty aloha


Fa maninona no hoe gera?
Tsy natao hankahalana ny katolika mihitsy ny nambaran-drazanaKorona satria azy samirery io. Maro ny mpino katolika no tafintohina @ ataon'io lehilahy io.
F'angaha koa moa rehefa tsy katolika dia tsy maintsy protestanta???
Tsy ireo ihany no karazam-pivavaha eto. Ahoana izany ny hafa???



mpanelanelana satria lasa gera hafa ndray koa lasa korotna bedebe
7. tsinjo ( 07/03/2009 13:27)
refa tsy zaka wa le maina rawiwiwi de ajanony aa :@
8. zandikely ( 07/03/2009 13:31)
Tena miteny amin'ny anaran'ny Katolika i Mgr Odon Razanakolona satria izy no nomen'ny fivondronan'ny eveka eto Madagascar ( Conférence épiscopale) izay fahefana izay amin'ity raharaha ity.
Hitanao ny tenin'ny Mgr Rabemahafaly izay président ny conférence épiscopale eto Madagascar hoe zahay eveka rehetra no manohana an'i Mgr Odon amin'izao fanelanelanana ataony izao.

Tsy vitan'ny hoe miombona amin'ireo eveka rehetra rahalahiny izy fa dia maka tsy tapaka ny hevitr'ireo eveka namany ireo.

Ny katolika dia anisan'ny institution hiérarchisée, olona iray iany ny azy miteny amin'ny anarany.

Tsy hitako mihitsy izay nolazain'i Mgr Odon tokony hatafintohina katolika sa izy milaza ny zavatra tsy mety eto amin'ny firenena. Tokony hangina ve izy? Tsia mpanompon'Andriamanitra izy ka tsy maintsy milaza ny tsy mety, raha izay no manafintohina olona tsy maninona fa ny olona efa feno faharatsiana izany tsy tia ny marina. Na i Jesoa Kristy aza nilaza ny marina foana firy tafintohina.

MARINA FA MILA FIVAVAHANA I MADASIKARA, MILA FIVAVAHANA NY MALAGASY, EFA LASA BIBY TANTERAKA IZY AMIN'IZAO, EFA VERY NY FANAHY MAHA OLONA

MAHANTRA TANTERAKA MADAGASCAR SATRIA NY MBA HARENY, NY FIFANKATIAVANA, NY FIFANAJANA, FIFANDAMINANA AZA EFA NOPOTEHINY. LASA BIBY TANTERAKA NY MALAGASY INDRISY


9. ndenn ( 07/03/2009 13:36)
Dia ahoana ny eritreritrareo@ ireo tsy mino ny fisian'Andriamanitra ? Moa ve tokony hivavaka izy ireo hamonjena ny tanindrazana ? hivavaka @ iza? Mba manana ny maha-olombelona koa izy ireny na dia tsy dia mitovy @ fisainan' ny ankamaroan' ny olona aza ny fisainany. :?: :?:
10. yuka ( 07/03/2009 14:04)
Mazava ho azy fa mivavaka amizay hinony izy ry ndenn a! :D
11. ndenn ( 07/03/2009 14:12)
Ary raha tsy mpivavaka mihinty indray ary ? dia ahoana no fipetrany .
12. Mirananirina ( 07/03/2009 14:17)
Ny mpitondra fivavahana ve tsy natao handamina e!tsy hitako izay olana
13. piste ( 07/03/2009 16:50)
Ny olana dia tsy zakan'ny mpisolelaka ny marina voalazan'ny Eveka.

14. xl ( 08/03/2009 08:37)
satria le eveka dadatoan'i pety rakotoniaina lehiben'ny dahalo dia mazava be ny coté any
vita kabary
15. piste ( 08/03/2009 13:14)
Le hoe : " dadatoan'ny Pety " aloha dia fanendrikendrehana tsy mari-pototra :
Fa le hoe : ny mpisolelaka sy ireo zélateur sy ry zélatrice no tsy mahazaka ny Marina voalazan'ny eveka dia tsy azo lavina.

Ary le hoe : Ra8 manoatra lavitra ny lehiben'ny dahalo dia tsy azo lavina, satria tsy vitan'ny mpangoron-karena sy mpivarotra tanindrazana fa mpamono olona koa.
Dia izay izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1305