Andry TGV :tsy hijanona intsony ny fihetseham-bahoaka

1. xxx ( 03/03/2009 12:00)
Miantso ny sehatra tsy miankina mba hanatevin-daharana ny hetsika amin’ny alarobia. « Tsy misy antenaina intsony amin’io fitondrana io fa aoka ianareo ho tonga saina », hoy ireo mpandaha-teny eny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Fitokonana faobe no natao nanomboka omaly. Nampiavaka ny hetsika omaly ny famerenana ny raki-peo misy ny tenin’ny Filohampirenena, Marc Ravalomanana, raha nitolona teny amin’ny 13 mey izy tamin’ny taona 2002. Isan’ny nambarany tamin’izany ny filazana ny zavatra nataon’ny “Rnm” sy “Tvm” tamin’izany fotoana izany. Voalazany ihany koa fa “ianareo miasa amin’ny haino aman-jerim-panjakana ireo, mbola hifototra aminareo ny ataonareo, ary aza mamafy lainga fa tsy mety”. Kanefa dia iaraha-mahalala ny zava-misy ataony amin’izao fotoana izao. Tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro no tonga ny Filohan’ny fahefana ambonin’ny tetezamita, Andry Rajoelina. Mbola nandray anjara fitenenana ny antoko politika manohana izao fihetseham-bahoaka izao, ka isan’izany ny depioten’i Madagasikara teo aloha, voafidy tany Amboasary Atsimo, Reboza Julien. Nanambara izy fa “manao izay ho afany ny loholon’i Madagasikara Kaleta any amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny mba hanohanana ny fitondrana misy ankehitriny, saingy tsy miraika amin’izany ny vahoaka fa nambaran’ireto vahoaka ireto ho tsy nahalala ny zanak’iny faritra iny ny fitondran-dRavalomanana hatramin’izay, fa ny fitondran’i Andry Rajoelina dia nametraka ny zanakay ho Praiminisitra. Tsy izay ihany fa sakanan’ny vahoaka tsy mahazo mivahiny any Toliary ihany koa ny Filohampirenena”.
Miantso ny mpandraharaha
Ny Filohan’ny “Hat” kosa dia “nanentana ary miantso ny sehatra tsy miankina mba hanatevina ny tolona, mba ahafahana mampahafantatra ny besinimaro ny tsindry hazo lena mahazo ny mpandraharaha sy ny sehatra tsy miankina, ka ny maraina no mitondra sora-baventy sy milahatra fa ny hariva kosa dia miverina miasa. Nantsoiny toa izany koa ny mpiasam-panjakana mba ho sahy hijoro amin’ny fahoriana mahazo azy”. Manomboka amin’ny alarobia ho avy izao no hanatanterahana izany filaharana izany. Mikasika ny fanelingelenana ny “Tv” sy “Radio Viva” sy ny tsy fahafahana miteny amin’ny haino aman-jerim-panjakana, dia nilaza izy fa “efa nanafatra teknisiana sy manampahaizana ny Filohan’ny fahefana ambonin’ny tetezamita, mba hanamboatra ireto haino aman-jery ireto ho afaka manenika an’i Madagasikara”. Mikasika ireo razana hita tao ampin’ny “Trading Center” dia nanambara ny Filohan’ny “Hat” fa “niniana nodorana tao amin’ity tranom-barotra ity ireo namantsika ireo. Vokatry ny fiarovana ny fahefana no nahatonga izany”. Mbola nahatratra valo ny isan’ireo razana hita tao araka ny fanazavana nomeny teny amin’ny kianjan’ny 13 mey
novalian'i yuka ny 04/03/2009 00:59
2. andrywui ( 03/03/2009 12:04)
zany ve ra-xxx tena milay zany zavatra soratanao zany ra-xxx fa tonga rangah de avoahy ny ps nareo fa tsy misy atahoratsika eto a !! zay TIM kely vitsy anisa reo ve !!! tonga de avoahy ny ps nareo de miara mampihinana ze tonga eo tsika ! kitana elah
3. andrywui ( 03/03/2009 12:07)
amin'ny Alarobia zany tonga de ministera rehetra no alaina na innn na inn mitranga !! tsy maintsy azo ireo !! le tenin'ny Ravalomanana tam 2002 ireo ato amiko aza misy antsipirihany aminizy io fa tena !! otran ny oe trafo-kena mitsy no atao toko oe raha ny firesany tamzany
4. ronaldo09 ( 03/03/2009 12:14)
Za ihany leitsy io ry andrywui fa tsy haiko ze nampiova an'le izy teo ho xxx tsika tsy matahotra zany e!Ny tany Toliara ange ka tsy sahin'leiry aleha intsony ,ny ao Ambositra nitsoaka rasenatera sy radepy sy rasefoderezio,ato indray ataontsika mihintsana ny nifin-dry tsy maty voalavo ankibo ireo!!!
5. myari ( 03/03/2009 12:14)
Na dia alefa eny @ 13 mai aza ny tolona t@ 2002 , zavatra tsy mitovy @ zavamisy miseho ankehitriny anie izany e! tadidio fa ny vahoaka anie efa naneho hevitra t@ fifidianana , ary saika ny vahoaka rehetra mihintsy , ny @ ity indray mitoraka ity dia saika vondron'olona mpandroba fotsiny ary tsy arahin'ny maro an'isa akory , raha tena te handrodana marina ny vahoaka tsy miandry antso lava greve generale isan'andro izao , fa tonga dia mirona tsy vohizina , ary efa fatampoko fatampirenena koa anie hoe iza ireo manaraka ao ambadika sy mindry kitapo latsaka fotsiny , tadidio fa ny vahoaka tsy azo fitampitahana intsony, efa ho fito taona anie ireo no tsy nitsahatra nitarika vahoaka anefa tsy nisy vokany. ka mahereza e!
6. ronaldo09 ( 03/03/2009 12:23)
Rehefa tsy arakao ny ny vaovao niseho teto amin'ny firenena dia mangina ianao ,tsy nahasahy nanao ny 2em tour ny anao lahy dia nitokona teo amin'ny 13 mey ary tsy lany zany izy tamin'iny ary mbola tsy lany izy ny 2006 teo!
Ny t@ 13 mey t@ 2002 dia Antananarivo irery fa tsy nisy ny tany amin'ny faritany fa ity dia madagasikara iray manontolo no mitokona!
NY TOLONA TSY MAINTSY MANDRESY!!!!!!!
7. yuka ( 03/03/2009 12:25)
Efa sasatra ny manazava an'io aho ry myari fa tsy miditra @ lohan'Radomelina izany,fa ny azy ireo fanjakana jiolah mboutou no tiny ajoro eto! :twisted:
8. andrywui ( 03/03/2009 12:25)
OKAY letsy ronaldo fa mihinana ireto TIM reto androany fa efa hitako ao ko i Ralalaina teo !! ary ny an'ny TIM le famonoan'olona be nataony hodiany tsy hita na hodiany Hamasinina be ny azy fa mahagaga !! mody oe Famonoan'olona !! de famonoan'oloa Amin'ny Fahamasinina !! Fitifirana vahoaka amin'ny Fahamarinana !!! Fahamasinana rà mandriaka !!! Fahamarinana fandrobana tanin'olona !! sy Fahamasinana fanodinana volam-bahoaka !! zay no mba fiadin'ireo TIM reo !! io Fahamasinana sy Fahamarinana io no atao ampinga fiarovana
9. xxx ( 03/03/2009 12:34)
ronaldo09:

Rehefa tsy arakao ny ny vaovao niseho teto amin'ny firenena dia mangina ianao ,tsy nahasahy nanao ny 2em tour ny anao lahy dia nitokona teo amin'ny 13 mey ary tsy lany zany izy tamin'iny ary mbola tsy lany izy ny 2006 teo!
Ny t@ 13 mey t@ 2002 dia Antananarivo irery fa tsy nisy ny tany amin'ny faritany fa ity dia madagasikara iray manontolo no mitokona!
NY TOLONA TSY MAINTSY MANDRESY!!!!!!!

toa hoe ela anie hono no lany t@ 2006 e izany no feo mandeha

:-D :-D :-D :-D
10. ronaldo09 ( 03/03/2009 12:36)
Ka olon'i Satana ange ireo TIM ireo e!Satana tsinona mila ran'olona kah,ary mba iza tamin'ireo TIM ankoatry an'i Syllah moa no tonga teny amin'ny HJRA sy Kianja mitafo?Ireo TIM ireo ange be vava ato nefa Ra8 efa mila resaka amin'i Andry e!Matoa ravalo manao izany dia ao raha fa mangina ianareo ry ledevoly reto a!
Tolona tsy maintsy mandresy ary TGV roso fa tsa mimpody koa!!!HI,HI,HI
11. ralalaina ( 03/03/2009 12:46)
tena hita fa dondrombelona mihintsy ity YUKA ty,variana any japon tsy mahita mahazo ny gasy ,aza matahotra fa alefa mody aty madagascr enao asaho eo @ 13 may hoe mpamafy lainga eto @ forum
12. yuka ( 03/03/2009 12:48)
Andrywui ny anareo masina ny tanindrazana satria kila toy ny kitoza ny pitolonareo namaky trano sy nandroba :twisted: :twisted:
Masina ny tanindrazana tompokovavy sy tompokolahy maty t@ jono natao ireo vahoaka sahirana nentina nandroba!!
Masina ny tanindrazana dia karamain-dRatsiraka hamotika izay vitan'r8 sy handoro ny fananam-pirenena!
Mbola masina ihany ny tanindrazana ka lotoina sy azera i Madagascara raha vao mitady hijoro!!
Aza ireo mahantra ireo sy ny karamany no atao fitaovana,fa tsy vao izao akory vao nisy mahantra teto madagasikara.Firy taona i Ratsiraka no teo dia toy inona ny fiainan'ny Malagasy tamin'izany panakarena be daholo ve?
be karama be daholo ve?
Aza mandrebireby fa efa teo no niala ireo dinosore ireo ee!
Maninona raha miasa toy ny vahoaka ireo goaika antitra ireo fa tsy manao fivelomana amin'ny fiainapirenena!!
izy ary moa efa retirety sy jamba koo hiasa aiza :roll: :roll: za ty koa mba lalina kah!
13. ralalaina ( 03/03/2009 12:55)
aleo lavitra be ramatoa ty ratsiraka toa izay ra8,raha mba misaina kely ianao avy @ ra8 daholo no nahatonga ireo zavatra notanisainao ireo izy ihany no manakarama olona hanakorotanana any madagasikara mba hamonoana ny tolona ataony vahoaka,inona no mba tombotsoa azo ny vahoaka t@ ra8
didy jadona ,fangalarana,mody aty fa eo no aza may vava ecran eo
14. rohy ( 03/03/2009 13:04)
mbola mana-kohanina zany matoa mbola lava resaka e. Refa tena mby ankoditra ny fahantrana tsy maintsy manatevin-daharana etsy ankianjan'ny teloambin'ny folo mey ihany.Eo no ahafahana mitaraina ny tsy zaka ataon'ny fitondrana
15. yuka ( 03/03/2009 13:06)
zany foana wouaaa!!
aleonao ratsiraka marina ny anao satria ianao AREMA VERY SEZA!!!!
EFA HITA MIBARIBARY OMALY FA PITOLONA IREO MAY IREO NETINA TEO AMIN'NY !13MAI ANIE NY FATY OMALY EE!
ARY AZA RAVALO FOANA NO HIALANA VONKONA,MANINONA NO MIHENA ANTOERANA NAREO EO AMIN'NY !13 MAI!
TSY HILAIN'NY OLONA FA MANAMAIMBO TANANA :evil:
16. andrywui ( 03/03/2009 13:08)
an an an YUKA a! le voatifitra teo Ambohitsorohitra reny nodorana reny de nafenina tao ny fatiny de nohorakorahina be amzay afaka ry Ramosé be
17. yuka ( 03/03/2009 13:15)
aza mba zatra manely tsaho toy io fa tsy mety!
dia jamba otran-dratsiraka daholo nareo panarakazy ireo tsy nahita ireo nitatitra faty tao?
inona no hisahiranany hibata faty ho ao ra marina izany, fa tsy nodorana teny @ fasa-karana dia vita :roll:
18. andrywui ( 03/03/2009 13:21)
tezitra ve iYuka ?? ka le olona tsy hita voatifitra teny Ambohitsirohitra anie Yuka reny nodorana rey oa e !!! de avy eo notaterina fotsiny ny faty !! mbola misy toerana vao2 aseho ndray zao oe nahitana faty satriaampolony maro le voatifitra teny reny ka tsy omby toerana iray !! ary ianao tsy mamaly Yuka an!
19. ari.malala ( 03/03/2009 13:30)
Mikasika ireo razana hita tao ampin’ny “Trading Center” dia nanambara ny Filohan’ny “Hat” fa “niniana nodorana tao amin’ity tranom-barotra ity ireo namantsika ireo. Vokatry ny fiarovana ny fahefana no nahatonga izany”.
euh... niniana nodorana sa main'ny afo natsangany? ataoko ity hoe tsy sahy nivoaka tao ireo olona ireo fa natahotra polisy? hafahafa iany... ary refa mandroba de ts naman tgv fa refa may d lasa mpitolona mahery fo andrasana eny am 13 mai... lela may mivadibadika...


yuka:
Firy taona i Ratsiraka no teo dia toy inona ny fiainan'ny Malagasy tamin'izany panakarena be daholo ve?
be karama be daholo ve?
ekeko fa nahantra mintsy ny Gasy tam ratsiraka teo, fa tam ra8 mbola pire ka! izy nampanantena hoe hampanana ny tsy manana, fa ireo nanana kely aza tamizany efa lasa mahantra velona mitsipozipozy amizao fotoana izao! firifiry moa ny olona nalaina an-keriny ny taniny? ny orinasany no miroborobo fatratra teto am tanàna fa tsy nisy na 1 aza ka concurrent any direct navelany niangana! porofon'izany, iza no tena opérateur ny resaka menaka teto am tanàna? tsy ny tiko? an'iza ny tiko? ny resaka ronono, nahoana ftsn zao ny ronono avy any Antsirabe no tsy maintsy mandoa ristourne raha hiakatra aty Tana? nga Antsirabe faritany? fa refa tsy manaiky mivarotra am vidiny faran'izay mora ny ronono @ tiko mants d ts mains mandoa ristourne, na lazaina ftsn tsotra izao fa mis aretina le izy de alaina ankeriny fa hoe ao am tiko misy fanafody... izany no toetran ra8nareo...

mbola mana-kohanina zany matoa mbola lava resaka e. Refa tena mby ankoditra ny fahantrana tsy maintsy manatevin-daharana etsy ankianjan'ny teloambin'ny folo mey ihany.Eo no ahafahana mitaraina ny tsy zaka ataon'ny fitondrana


tsy resaka manankohanina fa aleo miasa! refa miasa ianao mitomboka ny andronao de afaka mandoa ny karamanao ny mpampiasa! eny am 13mai nga misy vola raisina? sa omena vola ianareo mande eny?

Na iza mpitondra eo na iza mpitondra eo de ny asanao sy ny fiezahanao iany no mampisondrotra ny faripiainanao fa tsy manantena mana milatsaka avy any andanitra izany e! ny an'ny panao politik anie refa azon ny toerany de bye bye amizay enao e! ahoana ouz mahaleo nony azony ny toerany mikarama vola be, ny sakafonao no ferany, izy anie ka be klé, eo elà vao midanaka hoe tena dadany ilay baka, nefa elà efa voadaka lovy tsy nahazo laka, nefa elà efa voadaka fa lasan'olona ny laka! fa marina io! diniho ftsn ze nitranga tam 2001-2002 d hotsapanareo manohana anjambany ireo ny fahamarinan'izany!
20. rohy ( 03/03/2009 13:52)
raha mipetraka eto antanana ianao dia mahatsapa fa na ny fitadiavana asa aza dia efa gidraka :
-ny manana diploma dia tsy afaka miavon'asa raha tehivelona fa ny patro tsy hahatakatra karama mifanaraka @ diplaomanao (sady tsisy traik'efa)
-ny tsy de manana moa dia efa mionona fa asa tsotsotra saingy io aza mbola ifanotofana izay tsy izy.
Raha hanangana ho an'ny tena moa vao mainka raharaha satria ny fond kely, ny traikefa tsy ampy,ny mpifaninana bobaka sns....
hita @ fiainana andavanandro ireo rehefa mipetraka eto Madagasikara.
Ka tsy hitako hoe hifofotra hiasa aiza nefa ny asa mitsy no tsy ampy?????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.101