UA mbola hisy ve sa tsia

1. diamondra27 ( 02/03/2009 07:45)
ahoana ny hiafaran'io hisy sa tsisy?

sa mbola hiandry an'i RAMBO sy tsingory hoe iza ihany no hahatafavoaka ny tunnel
2. Andribe ( 02/03/2009 08:06)
Iza daholo indray izany ry diamondra mba hazavao kely hoe :?: :?: :?: :?:
3. andrywui ( 02/03/2009 11:05)
hoy diamondra

Iza daholo indray izany ry diamondra mba hazavao kely hoe


izy no mahalala zany ko
4. diamondra27 ( 02/03/2009 14:52)
ity re e
[URL=http://img299.imageshack.us/my.php?image=komndokarategasy1.jpg][IMG]http://img299.imageshack.us/img299/5422/komndokarategasy1.th.jpg[/IMG][/URL]

[URL=http://img299.imageshack.us/my.php?image=komndokarategasy1.jpg][IMG]http://img299.imageshack.us/img299/5422/komndokarategasy1.th.jpg[/IMG][/URL]

Indray andro hono dia nisy, mpivaro-dronono iray, tsy dia nianatra firy izy saingy tena olona mazoto miasa sy be fikirizana. Ilay sinin-dronono nafatotra tamin'ny bisikileta no tena nahalalana azy fa taty aoriana, noho ny fiezahany dia tonga mpanakarembe i Mpivarodronono (izay mahita an'ily siny ianareo mba ampirimo tsara iny fa azo apetraka any amin'ny musée hojeren'ny touriste). Rehefa nandroso sy niroborobo ny orinasan-dronono dia nitatra, nitatra, nitatra ihany... Tao anatin'izany dia mba nirotsaka tampoka hofidiana ben'ny tanàna i Mpivarodronono, tsy nisy nanampo, efa nankaleo ny vahoaka koa moa ireo mpifaninana taminy ka tonga ben'ny tanàna izy, ny bizina ronono mitohy hatrany, nihanandroso hatrany ary ny orinasan-dronono sy ny maro hafa, nahita tsirony i Mpivarodronono ka mba nanandrana nirotsaka hofidina ho filoham-pirenena, tsy avy hatrayn dia lany toy ny tamin'ny faha ben'ny tanàna anefa fa mbola niady mafy tsy hanao 2ème tour, ilay mpifaninana aminy moa efa “jamban'ny vola” ka mora taminy ny nampiasa ny vahoaka hanohana azy hampitaha ny valim-pifidianana, dia tonga filoham-pirenena i Mpivarodronono, dia nitombo, nitatra hatrany, nitatra, nitatra ny orinasany.... Mba nahita izany hono ity Tsingory, mpandihy, mpampandihy, ka mba nanandrana koa, hanaraka ny dian'i Mpivarodronono, mba nanandrana nirotsaka ho ben'ny tanàna dia indro fa lany soa aman-tsara. I Tsingory moa Tsingory ihany, tsy mahazaka feon-tsodina ka vao nitsoka sodina ilay “jamban'ny vola” dia avy i Tsingory nanao vela-tanana, tsy henony intsony ny feon'ny vahoakan'ny tanàna nentiny fa ny feon-tsodin'Ilay jamba ihany no arahiny. Mitehaka mandrobo azy koa moa ireo tsy nahita rirany tamin'i Mpivaro-dronono. Teo ma-pandihizana dia mba nieritreritra kely ihany i Tsingory ny amin'izay ho tohin'ny diany, ilay Jamba moa efa Jamba rahateo ka mitsoka mitsoka ny sodiny hatrany, na dia efa mivalana sy mankarenin-tsofina aza izany, i Tsingory menatra ny hijanona satria mba nitehafan'ireo te hahazo ranondranony. Vokatry ny dihin'i Tsingory sy ireo mpanaraka azy anefa dia potipotika daholo izay nolalovany, ny tanjony dia ny handihy eo amin'ny kianjan'i Mpivarodronono, fetsy anefa i Mpivarodronono ka tsy manaiky, ny mpitsoka sodiina, Jamba,mitsoka ny sodiny ihany...I Tsingory moy zaza vao miala sakany ka tsy hay ajanona, ny mpitehaka manantena ny seza eo amin'ny devant raha azon'i Tsingory ny sehatry ny Mpivarodronono... Sarotra anefa ny lalana, manoboka mihena ny mpitehaka an'i Tsingory, manahy ny sezany hianjera i Mpivarodronono, raikitra ny sahotaka, nifanasa vangy (fa samy mahay, samy tsy dia nianatra aloha izy roalahy e!), avy eo mba nampihaonin'ny Ray aman-dreny sao mba mety hilamina, saingy indrisy, i Tsingory Gisa lahy homa-ketsa, izy magalatra indray no avo Vava. I Mpivarodronono matin-kambo....
...Inona no ho tohin'ny tantara? Ny ampitso no hilaza azy.
Angano angano arira arira, .... raha samy tsy fidiny dia leo manaraka an'i Mpivarodronono toy izay i Tsingory fa mamarina an-kady ny sodin'Ilay Jamba

De toaka gasy voarara sur topmada.com
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.043