Ho an' i Mgr Odon Razanakolona

1. maditra ( 27/02/2009 12:56)
Voalohany aloha dia miala tsiny fa manonontonona ny anaran'olon-dehibe.

Katolika ny tenako ary manaja tsara ny structure mifehy ny fiangonana Katolika na eto madagasikara izany na any Vatican. Kanefa, gaga ihany ny saina naheno hoe niala an-dàlana i Mgr Odon amin'ny asa fanelanelanana satria tsapany fa tsy mandeha ilay izy.

Mpanompon'Andriamanitra anie ianao ry Mgr e. Tsy mpanao politika ianao ary tsy nokaramaina hanao an'io. Ny fanompoana an'Andriamanitra dia tsy moramora ary tsy hitako ao amin'ny Baiboly ao ny hoe, "mitsoaha an-daharana ianao raha toa ka sarotra ny làlana diavina." Tsy izay mihitsy ny niantsoan'i Jesoa Kristy antsika Kristiana. Ahoana no eritreretinao ho fandikanay tanora katolika an'ireny fihetsika ireny?

Ny antony nomenao manko dia hoe sao lasa complice. Complice amin'ny ahoana? Complice amin'ny fitadiavana vahaolana amin'izao krizy andalovan'ny firenena izao ve? Sa complice amin' inona? Ny mampiahiahy ahy manko dia sao dia mba tahotra ny hotenenin'ny VIVA ho tsy miara-dia amin'ny "tolom-bahoaka" no nahatonga iny fanapahan-kevitrao iny. Raha izay manko dia mangataka tompoko aho ny hieritreretanao indray hoe, iza no tompoiko ary iza no tokony atahorako.

Miala tsiny indrindra Mgr Odon fa, olona maventy ianao, ary niandraindrainay tanteraka ny fahendrenao, ary mbola hiandriandrainay indray, kanefa lasa ihany ny eritreritra hoe nitsoaka an-daharana ianao. Tsy matahotra ve ianao sao ho lasa complice amin'ny faharatsian'ny situation sy ny tsy fahitam-bahaolana?

Mangataka re aho tompoko ô, ny hieritreretanao indray.
2. Mirananirina ( 27/02/2009 13:07)
Mbola tsy arako ilay tantara dia tsy mazava amiko ilay izy
3. jodasy2009 ( 27/02/2009 13:22)
ny tenako koa dia nalahelo nahare ireny fanapahan-kevitra ireny, tena izay tokoa ve no vahaolana farany?
4. patrick2002 ( 27/02/2009 13:25)
Koa na dia mpanompon'andriamanitra ve lety izy hiaraka @ devoly ah! ,efa nanao izy nefa toa misy mamingavinga ,koa tsy aleo manaja tena ,
Sa ianao mpanompon'Andriamanitra io rehefa misy mpivady miady ,ka ianao handamina indray no tsy hasina hasiny ,mbola ho tohizanao ihany ny fampihavanana.
5. Noue ( 27/02/2009 13:26)
Ny mampiahiahy ahy manko dia sao dia mba tahotra ny hotenenin'ny VIVA ho tsy miara-dia amin'ny "tolom-bahoaka" no nahatonga iny fanapahan-kevitrao iny. Raha izay manko dia mangataka tompoko aho ny hieritreretanao indray hoe, iza no tompoiko ary iza no tokony atahorako.
nefa dia tena mitombona io eee ! io dia anisan'ny nialany noho ny horohoro natao azy ! mampalahelo eee !
6. Noue ( 27/02/2009 13:36)
araky ny vaovao vao nivoaka zao @ izao hanoratako eto zao dia HIVERINA EN TANT QUE MEDIATEUR MGR ODON RAZANAKOLONA ^:^ ^:^ ^:^ ^:^
7. maditra ( 27/02/2009 13:38)
Miala tsiny patrick2002 fa tsy mazava amiko ny valin-teninao. Amiko dia tsy raharahan-tokantranon'i Rajoelina sy Ravalomanana akory ny raharaham-panjakana. Satria napetraka ho olo-maventy eto Madagasikara ny FFKM dia manana adidy izy ireo amin'ny zavatra miseho eto. Tsy i Ravalomanana sy i Rajoelina hanao bisous akory no tadiavina fa ny hiverenenan'ny filaminana eto Madagasikara.
Noho izany dia tsy mitombina ny fampitahanao ny asa ataon'ny FFKM eo amin'ny raharaham-pirenena amin'ny olona miezaka mandamina mpivady miady.
Dia devoly amin'ny ahoana kay no teneninao fa manomboka ho tsy azoko ny tianao ambara?
8. zandikely ( 27/02/2009 13:39)

1- Ataoko fa tsy misy médiateur crédible tahaka azy ao anatin'io FFKM io, izy mitazona ny Neutralité foana. Olona tena manana ny maha izy azy iny rangahy iny, tsy adalany mihitsy ny tsy nanaiky ho alaina tamin'ny Helicopter avy @ président, izy avy tany avaratra handray ny poste eto Tana, ny tsy nandraisany ny 4X4 nomen'i Ravalomanana azy.
2- Tsy resaka tahotra velively ny fiheverako azy fa ny tsy fahitana vokany mihitsy amin'ilay ady hevitra natao no tena antony. Tsy misy zavatra atahorany mihitsy, efa firy ny faniratsirana tsy maripototra natao azy fa tsy nisakana azy handray andraikitra izany.
3- Marina fa manana adidy amin'ny firenena izy, fa nefa tsy dia hitako mihitsy ny hanomezana tsiny azy amin'izany, efa nanao ny azony atao izy. Mipetraha moa ianareo amin'ny toerana dia ahoana ny mety fihetsikareo.

PAX MALAGASIBUS




9. xxx ( 27/02/2009 13:47)
Noue:

araky ny vaovao vao nivoaka zao @ izao hanoratako eto zao dia HIVERINA EN TANT QUE MEDIATEUR MGR ODON RAZANAKOLONA ^:^ ^:^ ^:^ ^:^


Ny vava no tsy atao be dia ny mamerina azy no sarotra.
Indrisy fa niverina indray ilay arseveka efa be vava sy nitsoaka!!. Ary niverina koa i TGVendrana efa dedaka sy nizesta t@ Gazety eto antoerana sy any andafy fa tsy hiresaka intsony.
Jereo tsara ny fihajan'i Ra8, tsy mbola nilaza fa tsy hiresaka nefa izy ary President.
Aiza re izany eeee.
Mitady ho lany bala sy tsy avela ho eo @ 13 mai ry TGVendrana isany rahampitso dia mody manaiky milefitra indray aloha hoe hiresaka...

Asio ihany ny 13 mai rahampitso fa manisa fotsiny izahay eee
10. rohy ( 27/02/2009 13:53)
marina ny hevitrao namana a.Aza de fohy fisainana ianareo fa matoa niala izy dia misy antony:mety ho noravizana vola angamba (nefa hampiova inona)
na koa tokony hiandany @ fitondrana (satria io no ara-dalana????)
Ilay avonavon'ny mpidinika koa etsy andaniny manampy trotraka fa mila tambatambazana be.
Mety hitany koa fa iretsy namany efa somary mihilana fijery(tsy neutre)
de amiko tsy fahadisoany mihitsy ny mamela toerana @ izay mahavita azy fa tsy manao hoatra ny sasany hoe zatsy hiala e!!!!!!!!!!!!!!!!!
11. Noue ( 27/02/2009 13:59)
ka ny zavatra mba tadiavina anie dia ny mba hampilamina ny firenena eee ! ka sao dia ny fisiany ho mediateur mba hampiova ny fandehan-javatra eee ??? dia avela @ zao zany ny firenena ??? zao fijalian'ny olona izao ??? raha mba ry zareo samy zareo ihany anie no mijaly maninona moa ee ?? fa ny vahoaka mijaly no tsy rariny kosa eee ! jereo fotsiny ireny zavatra niseho nataon'ny olona teny mahamasina omaly ireny eee !! tsy afaka mivarottra ny mpivarotra, hanaovana menace ny mpiantsena sns ????
12. maditra ( 27/02/2009 14:09)
Izay mihitsy anie ry Noue no tiako ambara e.

Tsy haiko izay ao an-tsain'ny namana sasany fa tsy ny fitongilanana amin'ny ranona na ranona mihisy no resahiko eto. Tsy te-hiresaka ny neutralité na tsy neutralité du FFKM na du Mgr Odon mihitsy no tiako ambara eto fa ny fitsoahany an-daharana amin'ny fanelanelanana izay hany mba mety ahitana vahaolana amin'izao fotoan-tsarotra izao.

Ny angatahiko amin' i Mgr Odon dia ny hieritreretany indray ny adidy masina izay hiantsorohany. Maro ny Katolika eto Madagasikara ary mino aho fa mizaka ny tsy afaka hozakaina izy ireo satria mandalo krizy ny firenena. Miandrandra an'i Mgr Odon izy ireo hitady vahaolana miaraka amin'ny FFKM izay tarihiny, noho izany.

Isaorana aloha ny fiverenany amin'ny fanelanelanana ary enga anie ka ahita vahaolana izy ireo ka hiverenan'ny filaminana indray eto Madagasikara.
13. hery ( 27/02/2009 14:22)
Arahabaina raha toa ka niverina hanelanelana indray i Mgr Odon Razanakolona.

Eritreritra tsotra fotsiny ny ahy, fa izaho koa mba katolika.

1. Tsy amin'ny anaran'ny tenany no ijoroan'i Mgr. Odon ao anatin'ny FFKM fa misolo ny Fiangonana katolika EKAR izy. Noho izany dia tsy tokony entim-po hiala fotsiny izy rehefa tsy mandeha ny dinika fa tokony izy aza no hiezaka hitady vahaolana.

2. Tokony amin'ny maha mpanelanelana azy hatrany no hanehoan'i Mgr. Odon hoe tsy manaiky izay fandrahonana, na fandrebirebena. Tokony hasehony fa neutre izy. Ny fialàny amin'ny fanelanelanana dia mampiseho sahady fa tsy ho neutre izy.

3. Na tsy eo aza i Mgr. Odon dia hotohizan'ny FFKM foana ny fanelanelanana... koa tsy aleo ve eo i Mgr. Odon mba ho solontenan'ny EKAR amin'ilay FFKM manelanelana toa izay ataon'ny sasany amin'ny tsy maha eo azy?

inoako fa efa nisaina ireo i Mgr. Odon ka niverina hanatanteraka ny ADIDINY .

14. tsikivy01 ( 27/02/2009 16:24)
Tsotra fotsiny e ! Anontanio i Odo hoe naninona ianao no niverina. Fomba fanehoana hevitra koa ny fisitahana, izany ve anefa no tsara ? Ny fantatra anefa dia tsy credible ny FFKM raha tsy ao i Odon satria miloso ena olona maro izy ao. Ny ahiahiko anefa dia hoe hanaiky ny conditions apetrak'i Odon ve ny andaniny sy ankilany ? Satria dikany dia tsy nahafehy ireo fihaonana ireo ny FFKM matoa niseho iny incident iny.
15. patrick2002 ( 28/02/2009 12:54)
maditra:

Miala tsiny patrick2002 fa tsy mazava amiko ny valin-teninao. Amiko dia tsy raharahan-tokantranon'i Rajoelina sy Ravalomanana akory ny raharaham-panjakana. Satria napetraka ho olo-maventy eto Madagasikara ny FFKM dia manana adidy izy ireo amin'ny zavatra miseho eto. Tsy i Ravalomanana sy i Rajoelina hanao bisous akory no tadiavina fa ny hiverenenan'ny filaminana eto Madagasikara.
Noho izany dia tsy mitombina ny fampitahanao ny asa ataon'ny FFKM eo amin'ny raharaham-pirenena amin'ny olona miezaka mandamina mpivady miady.
Dia devoly amin'ny ahoana kay no teneninao fa manomboka ho tsy azoko ny tianao ambara?


Raha azoko tsara ny teninao eny Mboalohany dia milaza ianao fa tsy tokony hiala mihintsy ny cardinal na inona fahasarotany ny fifampidiniana na inona .
Ka eo no tsy hitovizantsika ,izaho milaza fa misy condition minimum, dia ny fifanajana ,miala tsiny fa mahamenatra ilay izy satria raharaham-pirenena no ho dinihana ,nefa na dia zavatra farany izay bitika izay aza tsy misy ,nataony Ravalomanana ,ny olona miandry anao ,ianao lasa mankany Toamasina sy Mahajanga ,avy eo ianao mi-s'exscuser fa hoe be loatra ny olona nentiny Andry ,tsy izy izany amiko ,rehefa matahotra ny securite nao ianao ka maninona raha nasaina nateriny blinde na ny miaramila 2 camions tany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0692