Manaiky Andry

1. tanymasina ( 27/02/2009 12:07)
Tsy mifampiraharaha Atoa Andry Rajoelina
Manaiky ny zavatra mitombina entin’ny andaniny Andriamatoa Andry Rajoelina rehefa eo amin’ny fifampiraharahàna.
Hoy ny tatitra : “Naneho ny fahavononany sy fankatoavany ireo tolokevitra efatra [natolotry ny Filoha Ravalomanana] Andriamatoa Andry Rajoelina ho fitsinjovana ny tombontsoampirenena… Nitohy ny dinika ka tonga teo amin’ny fanekena hanamafisana ny fandriampahalemana sy ny fiarovana ny olona sy ny fananany ka ao anatin’izany ny fampiharana ny lalàna velona”.
Nekeny tsara izany ny loha-hevitra faha-4 izay azony nararaotina nametrahana ny DEMÔKRASIA nampanantenainy ny vahoaka : falalahana amin’ny fitenenana ho an’ny rehetra, falalahana amin’ny fanehoan-kevitra ho an’ny mpanohitra, fifaninanana malalaka amin’ny fandraharahàna, mangarahara amin’ny fitantanana ny vola sy ny fananam-panjakàna, fitondràna tetezamita, fialàn-dRavalomanana, sns.
Tsy ireo anefa no nentiny nifampiraharaha fa « fangatahana » 4 izay novalian’ny Filoha Ravalomanana tsara, araka ny foto-kevitra efa nifanarahana etsy aloha.
Mitsoa-teny
Rehefa avy nanaiky an’ireo Andriamatoa Andry Rajoelina dia niantso mpanao gazety ary nilaza fa tsy nivonona hifampiraharaha momba ny « fitakiam-bahoaka » mihitsy ny andaniny fa ny Firaisambe Afrikanina sy MAP no natao anton-dresaka tao.
Vokatr’io izy namadi-dresaka io dia tsy navelan’ny mpanelanelana nanao fanambaràna intsony ny mpiara-midinika taorian’izay.
Ankoatr’izany dia natao ho azy mirahalahy mianaka ihany aloha ny dingana fifampiraharahàna hatreo. Avy eo vao hiampita amin’ny solontenany. Rehefa hiditra amin’ny dingana manaraka anefa tamin’ny 25 fevrie dia nentin’Atoa Andry Rajoelina teny avokoa ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo, izay tsy solontenany amin’ny fifampiraharahàna akory.
novalian'i andrywui ny 27/02/2009 16:35
2. Noue ( 27/02/2009 12:18)
ka ny olana @ tgv dia zao eee ! midinika ry zareo roa tonta dia tokony efa be ny zavatra nifanekena saingy raha vao miala eo izy ny hariva dia ireo ao an-damosiny no manosika azy tsy hanaiky indray, hany ka ny ampitson'iny dia zavatra hafa indray no angatahiny fa ilay resaka natao omaly dia tsy mety hidirany intsony eee !!!
nihafaran'io fihaonana io moa dia
tsy tonga ny delegasionany ny maraina handalinana ny resaka hatao ny aprèmn satria oatrizao ny fandehany hatramizay
hany ka rehefa nahita an'io Ravalomanana dia iny izy nijanona tany @ province , eny na dia nanao fanambarana aza izy oe ho avy hanenjika io fotoana ioo!!
ny antony iray tsy nadehan'i Ravalomanana koa dia nanao angaredona indray ry tgvendrana satria nohentiny tany avokoa ny delegasiona nahatratra 40 , fa haninona any daholo ireo eee ????
3. kalovao ( 27/02/2009 12:50)
raha azoko tsara zany de rôbô ty Andry ty, zahay aty Diego mantsy tsy mba maheno vaovao fa de tsaho lava zao, ny olona koa manaraka ambokony fotsiny hoe mafy ilay TGV e de iny tokoa fa manaraka, tena mampalahelo ny vahoaka madinika.
4. chiquitta ( 27/02/2009 13:04)


tsia, tsy robot ary tsy vendrana izany i Andry fa ny mpanaratsy no mahita
ambara, mitandrema ianareo any amin'ny province fa betsaka ny olona milaza
zavatra tsy mitombina akory. Tena mitolona izy ary mahery fo.
5. Mirananirina ( 27/02/2009 13:14)
Tena mitolona izy ary mahery fo.

Ahoana moa izy no tsy hitolona.Toerana no tadiaviny,fa rehefa azony eo koa io dia mameno paosy indray izy sy ny tariny.
Sahy mihinihana ve ianareo fa hiova tokoa Madagasikara ry tgv???????????????
Sa ny manana, manana ihany ;ny mahantra,mahantra ihany.
6. kalovao ( 27/02/2009 13:37)
Sa ny manana, manana ihany ;ny mahantra,mahantra ihany.

Tena marina akia io a, ny mampalahelo de ny vahoaka madinika no atao tohatra
7. curieux ( 27/02/2009 13:56)
chiquitta:



tsia, tsy robot ary tsy vendrana izany i Andry fa ny mpanaratsy no mahita
ambara, mitandrema ianareo any amin'ny province fa betsaka ny olona milaza
zavatra tsy mitombina akory. Tena mitolona izy ary mahery fo.



Ajanony amin'izay ny rongony fohanao any fa efa tsy zakanao tsony izy izany ka miteniteny foana ianao!!!!
8. ifiona ( 27/02/2009 14:21)
curieux: aza treromina moa izy e! :-D
9. andrywui ( 27/02/2009 14:25)
Ifiona a! fangatahako manokana ity ra mety !!! azo ovaina ve io sary io fa mataoatra be an'io foana aho isakizay mitranga io ?? fangatahana ny ahy a !!!
10. ndenn ( 27/02/2009 15:13)
Ny ahy ry tanymasina ny momba ilay tany naika nahofa t@ daewoo no mbola atahorako raha hitohy ,tena misy gasy manao ny sasany ho tsinontsinona mihintsy ao @ ministera ao ! izahay aty an-tany lavitra aty dia vaka ny saina ny @ tanindrazana tadiavin-dry zalahy atao varoboba .Any ampotony mihintsy no tokony tonga dia fongorana io projet mamoa fady io, fa raha ny fitondrana tsy mahatohatra izany velively rehefa kely ny ho enti-manao .Tsy ny fanenjehana an-dra 8 no tena alaolana fa ny mikaroka ireo rangory fototry ny afo maro ao Mada na aty ivelany .
11. Andribe ( 27/02/2009 15:53)
kiiiiii le andrikely no nahazo fa za andribe kosa tsy manaiky asio betsabetsaka aloha aty anaty paosin ny bandy eee ry ra wiwi ve nama nahazo de za tsy nahazo tsy mety zao aleo asiana korotana kely aloha :evil: :evil: :evil: :evil: :evil: :evil:
12. andrywui ( 27/02/2009 16:35)
Andribe !! tsy azoko lety fa naazo inonn aho zany letsy fa tena maizina le kozinlah io ??? inon no azoko de inonn no tsy azonlah oe lety ii !!!??
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0573