tele viva milaza lainga hoan'ny mpiara-belona

1. nalison ( 27/02/2009 09:38)
Tena manahirana ity fiainana ity .hatramin'ny radio sy tele tokony hitaiza no milaza lainga.
Raha mba sendra nihaino VIVA aho mantsy dia tezitra sady sorena mitsy.
nilaza mantsy ry zareo mpanao gazety tao amin'io haino amanjery io fa nanao fandaharana hoe "anao ny fitenenana" dia izao no zavatra nitranga tao
nilaza ry zareo fa misy entana "colis" tsy azo novahaina nampidinina tamin'ny avion teo IVATO ny talata 24 fev 2009 tamin'ny 12 ora aalina.Voalaza tamin'izany fa etan'ny filohan'ny rapoblika malagasy hoy izy ireo.
Tsy vitan'izany fa misy lazaina fa hoe POLICE mitsy atao fanadihadina tao ary dia milaza lainga koa io olona io.
Gaga anefa isika raha ilazako fa hoe amin'ny valo ora alina (20h du soir) no mifarana ny asa atao ao amin'ny aeroport Ivato hatramin'ny nisian'ny krizy io.
Koa asa re raha mba seranana taiza no nisy io zavatra nitarnga io ?
Raha mba misy mpiasan'ny VIVA mamaky ity dia mba ovay ny fomba fitaizana ataonareo.
Toa lasa tezainareo hahay andainga ,hahay mamaky trano ,hahay hamono ny mpiray firenena aminy ny malagasy
SAMIA MAHAY MANDINIKA REHEFA MIHAINO FA LOZA HO ANTSIKA NY VOKANY RAHA RAISINTSIKA AMBOLONY NY VOALAZAN' IO HAINO AMANJERY IO
novalian'i ratavao ny 04/03/2009 10:24
2. almada ( 27/02/2009 10:23)
Manao ahoana daholo
Ny loza ataony ary dia maka onde ny radio sasany hamafaza lainga tena mampalahelo lay Viva indrandra reo mpanentana fa dia mokaramaina ohatrinona mihitsy
3. xxx ( 27/02/2009 10:38)
ary ny tvm an'elà any iavoloha io nga tsy milaza lainga! efa fanana'i le8 manokana mihintsy, ka rariny ra dorana faty any!!
4. nalison ( 27/02/2009 10:50)
xxx:

ary ny tvm an'elà any iavoloha io nga tsy milaza lainga! efa fanana'i le8 manokana mihintsy, ka rariny ra dorana faty any!!



ny tvm lety tsy nanao ela an'i tgv a.na nilaza we tgv mpanofana mpamaky trano a
5. ari.malala ( 27/02/2009 10:55)
xxx fa aminao kay vola ohatrinona vao mahazo ireny fitaovana rehetra ireny no hoe rariny raha dorana? sa tsy zavatrao manokana dia rariny raha dorana? ankoatr'izany, ny fitaovana may azo soloina (tsy manamaivana sanatria) fa ireo archives rehetra ny bandes magnetiques rehetra may lasa lavenona ahoana ny aminy sa rariny koa izany aminao? misaina hoa vao manao zavatra fa tsy entimpo ftsn d manaonao foana!
6. tanymasina ( 27/02/2009 12:09)
Tsy mifampiraharaha Atoa Andry Rajoelina
Manaiky ny zavatra mitombina entin’ny andaniny Andriamatoa Andry Rajoelina rehefa eo amin’ny fifampiraharahàna.
Hoy ny tatitra : “Naneho ny fahavononany sy fankatoavany ireo tolokevitra efatra [natolotry ny Filoha Ravalomanana] Andriamatoa Andry Rajoelina ho fitsinjovana ny tombontsoampirenena… Nitohy ny dinika ka tonga teo amin’ny fanekena hanamafisana ny fandriampahalemana sy ny fiarovana ny olona sy ny fananany ka ao anatin’izany ny fampiharana ny lalàna velona”.
Nekeny tsara izany ny loha-hevitra faha-4 izay azony nararaotina nametrahana ny DEMÔKRASIA nampanantenainy ny vahoaka : falalahana amin’ny fitenenana ho an’ny rehetra, falalahana amin’ny fanehoan-kevitra ho an’ny mpanohitra, fifaninanana malalaka amin’ny fandraharahàna, mangarahara amin’ny fitantanana ny vola sy ny fananam-panjakàna, fitondràna tetezamita, fialàn-dRavalomanana, sns.
Tsy ireo anefa no nentiny nifampiraharaha fa « fangatahana » 4 izay novalian’ny Filoha Ravalomanana tsara, araka ny foto-kevitra efa nifanarahana etsy aloha.
Mitsoa-teny
Rehefa avy nanaiky an’ireo Andriamatoa Andry Rajoelina dia niantso mpanao gazety ary nilaza fa tsy nivonona hifampiraharaha momba ny « fitakiam-bahoaka » mihitsy ny andaniny fa ny Firaisambe Afrikanina sy MAP no natao anton-dresaka tao.
Vokatr’io izy namadi-dresaka io dia tsy navelan’ny mpanelanelana nanao fanambaràna intsony ny mpiara-midinika taorian’izay.
Ankoatr’izany dia natao ho azy mirahalahy mianaka ihany aloha ny dingana fifampiraharahàna hatreo. Avy eo vao hiampita amin’ny solontenany. Rehefa hiditra amin’ny dingana manaraka anefa tamin’ny 25 fevrie dia nentin’Atoa Andry Rajoelina teny avokoa ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo, izay tsy solontenany amin’ny fifampiraharahàna akory.
7. chiquitta ( 27/02/2009 13:34)

ny ahy dia tsotra, na ny VIVA na ny TVM dia samy misy lainga avokoa, ka aza
manamari-tena sy faly manenjika fotsiny ny mpanohana ny fitondrana.
Raharaham-pirenena oa ataovy am-pisainana lalina fa aza faly hoe te-hanohana
an-dranona fotsiny. Izay tena ahasoa ity firenena ity banjinina.
8. jetl ( 27/02/2009 15:05)
Fa ny tena mampihomehy anie izao dia hoe mangataka mba hiseho @ TVM sy RNM ry tgv , fa angaha tsapany ihany fa ilaina ireny kanefa nodorana !
9. ratavao ( 04/03/2009 10:24)
Tsy i TGV mihitsy tompoko no nandoro ny TVM sy ny RNM fa ny vahoka izay efa fantatrao tsara fa ny toy intony moa dia natao toy ny fandrangitana hatrany ny anao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1841