tatin-jaza

1. sitlo ( 26/02/2009 11:23)
Tena mihaiky anareo vehivavy ihany aloha aho mahavita mitaiza ireny zazakely ireny fa tena henjana ianareo eh. Indrindra fa ilay somary tsy dia manana ireny dia ilay tsy maintsy sasana ny lamban-jaza nefa ny zaza babena. Dia miampy an'ilay zaza vao roa toana eo akaiky. Chapeau bas mihitsy aho.
Izaho mba efa nasaika nitaiza zaza enim-bolana nandritra ny tapak'andro fa tena valaka mihitsy ny sandriko mandrotsirotsy an'ilay izy. Dia avy eo ilay izy nikapa dia henoko nafanafana izany ny sandriko. Dia nosoloiko ilay couche fa giravy izany an. Ohatra ny hafakely mihitsy ilay fofona fa tsy ohatra an'ireny eny anelakelatranon'Ambondrona ireny. Ohatra ny manindrona atidoha izany, ireny angamba no anamboarana big boss an. Tena mihaiky anareo aho aloha eh. ^:^
novalian'i elyzo ny 12/03/2009 10:18
2. fahamarinana ( 26/02/2009 11:52)
:arrow: =)) =)) ianao ity mahatsikaiky.... :-D (l)
3. ni81 ( 26/02/2009 11:58)
Raha zaza tsy tia ray aman-dreny hono miteraha mba ahita hoy ny ohabolana e! :-D :-D Mafy ange ny asany vehivavy e!
4. sitlo ( 26/02/2009 12:15)
Ilay zazakely ange amin'io tena sambatsambatra mihitsy eh. Tadidiko tsara aho ilay babena entina maka rivotra madio any an-tsaha. Faly ery, kay ve gidraka be izy ity fa araka ny fahitana azy.
Dia ny lehilahy koa ohatra izany ihany ka. Ilay tamin'ny mbola kely ilay manao soavaly ny tongotry dadanay. Dia nony lehibe dia mba nampanaoviko an'ilay akizikely teo akaikinay. Kay ilay izy manabokona fe be. Raha vao ajanona dia mimenomenona daholo, nefa ny ainao efa ho afaka.
Nefa ny mampihomehy dia ohatra tiana ho zazakely foana ilay izy. Ilay izy mahafatifaty angamba eh.
5. Mimhie ( 26/02/2009 12:15)
t@ za nitaiza aza natao kangourou ilay zaza fa tsy ampy volana, nasiana bandy be ny kibo de natao tao izy niboridana, fa nipipy izy avy eo de tena feno ny tena anefa tsy maintsy e! tapaka ny jiro tao @ hopitaly t@ zay fa fahavaratra ny andro! :lol: :lol:
6. sitlo ( 26/02/2009 12:21)
lol izany koa no tena pira, dia heno mihitsy ilay hafanana misandriaka eh. Fa misy olona hono mahalala mialoha hoe handefa izany zaza izany dia tonga dia sokafany mialoha. Asa re
7. Mimhie ( 26/02/2009 12:33)
sitlo: tsy azo sokafana ka! tsy azo hatao azon'ny rivotra ilay zaza fa mbola marefo kely fa de niaritra ka! rehefa niverina ny courant de naverina tao anaty couveuse izy de nisolo akanjo avy eo, soa ihany izy fa tsy nanao ilay zavatra iray, hihihihi
8. Lejoba ( 26/02/2009 12:33)
rehefa an'ialahy ny zaza ra-sitlo satrin'ialahy foana hitaiza azy ah. Indrindra ilay lahy matoa iny. Ilay tanty ny baininy no natao hanasa azy satria rafotsy reraka mampinono.
Dia isika koa bokona kokoa noho ny vehivavy, ny faharetana sy ny finiavana hanao ilay zavatra no tsy mitovy.
Fa rehefa manomboka miditra @ zaza faharoa sy fahatelo eo izy vao tena lôvy ialahy. Iry mitomany, ny iray mila soloina, ny hafa miady; aoka fotsiny.

Nitaraina an'izany t@ ilay ramatoa lehibe izay aho dia novaliany hoe toy izao koa no nitaizàna anareo fa mba anjaranareo indray izao. Tampina hatr@ dômiko.

PS : hay ilay zaza tsy natao horotsirotsiana fa resahina moramora dia calme
9. ratavao ( 26/02/2009 13:10)
Tena mafy anie ny mahazo ny Reny ireny amin'ny fitaizana ny zaza mbola kely ray olona e! Indd fa ilay manana vady le tsy mety mikasika ilay zanany ireny? Misy mantsy ny lehilahy sasany zao no ataony hoe: fa angaha aty amiko ny nono hononoiny?. De ny Reny moa amin'izay tsy afa-manotra fa fa andro ana alina de eo amin'ilay zaza fona, amin'ilay karazana zaza le maditra fona lava irony idd!!!!
De mangana eo mihitsy ilay vehivavy e, nefa ilay lahilahy etsy an-kilan'izay, tezitra ery fa manakotaba ny torimasony hono fa mba ampangino io zaza io tsy misy atorina! Indrisy anefa fa le reniny amin'io efa 5 andro ny nipizi-tory mihitsy!!!!! Hoy ilay Renim-pianakaviana iray izay: "Sambatra aky indry mety manampy amin'ny fitaizana ny vadin-dry!!!" Dia nangoraka azy aho no nalahelo satria efa tena "iray tanana sisa" hoy ny fomba fiteny izay ny ahiazan'izany renim-pianakaviana izany!!!!
10. ni81 ( 26/02/2009 13:15)

Raha sendra ny lehilahy macho dia tsy maintsy ho toy izany no mahazo antsika vehivavy eo @ fiainana e! Tokony mba ho saininy fa hifanampiana ny fiainana fa tsy vitan'olon-drery!
11. Rafahafahana ( 26/02/2009 13:20)
sitlo:

Tena mihaiky anareo vehivavy ihany aloha aho mahavita mitaiza ireny zazakely ireny fa tena henjana ianareo eh. Indrindra fa ilay somary tsy dia manana ireny dia ilay tsy maintsy sasana ny lamban-jaza nefa ny zaza babena. Dia miampy an'ilay zaza vao roa toana eo akaiky. Chapeau bas mihitsy aho.
Izaho mba efa nasaika nitaiza zaza enim-bolana nandritra ny tapak'andro fa tena valaka mihitsy ny sandriko mandrotsirotsy an'ilay izy. Dia avy eo ilay izy nikapa dia henoko nafanafana izany ny sandriko. Dia nosoloiko ilay couche fa giravy izany an. Ohatra ny hafakely mihitsy ilay fofona fa tsy ohatra an'ireny eny anelakelatranon'Ambondrona ireny. Ohatra ny manindrona atidoha izany, ireny angamba no anamboarana big boss an. Tena mihaiky anareo aho aloha eh. ^:^

Tahaka izany anie ny natao anao vao lehibe tahaka izao ianao é
12. xxx ( 26/02/2009 14:14)
ratavao:

Tena mafy anie ny mahazo ny Reny ireny amin'ny fitaizana ny zaza mbola kely ray olona e! Indd fa ilay manana vady le tsy mety mikasika ilay zanany ireny? Misy mantsy ny lehilahy sasany zao no ataony hoe: fa angaha aty amiko ny nono hononoiny?. De ny Reny moa amin'izay tsy afa-manotra fa fa andro ana alina de eo amin'ilay zaza fona, amin'ilay karazana zaza le maditra fona lava irony idd!!!!
De mangana eo mihitsy ilay vehivavy e, nefa ilay lahilahy etsy an-kilan'izay, tezitra ery fa manakotaba ny torimasony hono fa mba ampangino io zaza io tsy misy atorina! Indrisy anefa fa le reniny amin'io efa 5 andro ny nipizi-tory mihitsy!!!!! Hoy ilay Renim-pianakaviana iray izay: "Sambatra aky indry mety manampy amin'ny fitaizana ny vadin-dry!!!" Dia nangoraka azy aho no nalahelo satria efa tena "iray tanana sisa" hoy ny fomba fiteny izay ny ahiazan'izany renim-pianakaviana izany!!!!

Ny lehilahy ratsy taiza no manao an'izao : ratsy taiza t@ reniny sy ny vadiny ihany koa. Ampihantaina be sy avela hanao izay tiany foana dia lasa ianao no ifoterany .

13. vale ( 27/02/2009 00:20)
xxx> hay ve oe mihanta tsy manao in'inn eee! noheveriko fa oe mihanta am zava-drehetra! misy mantsy ankizilahy mihanta fa kosa autonome be, mahavita ny retraretra ao an-tokantrano ao.
14. vale ( 27/02/2009 00:24)
Zà koa ry sitlo dia tsy mba mahazaka manolo couchen-janak'oul io! tadidiko nisy namako izay nanan-janaka lahy kely de napetrany tamiko tapak'andro le zanany, de nanao "pôpô" ary le zaza an, niezaka nanolo azy za fa tena tsy vitako, voatery niantso oul hafa nanao an,'ilay izy! :°)
15. soanja ( 27/02/2009 04:55)
Ny zavadehibe angamba dia hoe alohan'ny hanamboarana zaza dia tokony efa mahalala avy ny isanisany hoe iza avy no tena hiandraikitra ny fanoloana tatin-jaza sy ny fifohazana alina sns... Ahoana ny fifandaminana amin'izany. Manova zavatra tokoa mantsy eo amin'ny fisosan'ny tokatrano ny fiterahana ary eo amin'io fotoana io no tena ahitana hoe iza amin'ny mpivady no tena mahatanty saoka sy vonona hiatrika fiainana ary iza no mialangalana. Amin'ny fotoana hitaizana ny zaza 0- 5 taona no matetika misaraka ny mpivady na ny mpiteraka ary ny lehilahy no tena lasa matetika. Isan-karazany ny antony fa isany dia ny fialangalanan'ny iray hanao andraikitra.
Hitako isan'ny nanome vahana ny mpivady taloha tamin'ny fiterahana be dia be tany Mada ny fananana mpanampy mpitaiza namita io asa io matetika tamin'izany. Asa na izao mbola mitohy izany.

Ny manolo tatin-jaza dia vitako soamatsara aloha fa ny hanasa azy kosa hoe eny amoron-drano na eny @ bassin dia tena mila ezaka be dia be avy aty amiko.

16. kelly13 ( 27/02/2009 09:07)
sitlo>miterà fa vitanao fôna io. surtt refa le izy midegôba iny, dray dray dray, mafinaritra ery le mamafa ny lony (vomiture-ny)
17. kelly13 ( 27/02/2009 09:17)
(vomissure fa diso)
18. ari.malala ( 27/02/2009 11:22)
ny zanako iany aloha no vitako soloina tanty e! efa nasaina nitaiza cousine kely izay aho tam mbola tsy niteraka fa tena nihoaka nandoa kle! :? ts vitako!

Mimhie, ny zanako iany koa tsy ampy volana ilay farany dia natao kangooroo fa idiana tsara dolo ny trano rehefa hanolo anazy ko! zay aloha nahazo nanolo zaza e! sady t@ anay couche no nampiasaina hoe amizay tsy mialaala tao le zaza ra tsy mikaka nga hoe!
19. booboo ( 28/02/2009 11:04)
Sitlo > hihihihihihi.

20. sakaizakely ( 02/03/2009 20:54)
za ndray tam vo kely de refa ne lebe de nataon'i neninay fona oe miteraha mba hahita, de neveriko fa gidraka be zany mananjanaka zany

de tsy aiko na za no mitapy na awona fa tena kiffé-ko milay tsisy otran'zany le nananjanaka. tsy nisy noraisiko ho gidraka fa fahafinaretana foana, na ny tsy fahampiantorimaso aza satria nampinono. Azo atao hoe nilamintsaina koa aloha satria ny rainy nanampy be de tsy nisy nanahirana. Tsy nilaina rotsirotsy sy taiza valiha kou le zaza fa ampilalaovina fotsiny tsy misarangorangotra zany. De tellement nahafinaritra ko tsy ampy 2 taona akory de efa nahazo zandry. de mbola nasiana zandriny ko iny avy teo :-D :-D :-D :-D :-D :-D

de mbola mitady ihany kou fa saingy efa tonga am date limite de peremption, de mijanona tsy fidiny, fa raha ny fitiavako mitaiza de na ho 5 ara

marina fa tsy mitovy am ny any antanana, tsy mila manasa taty, ny fitrotroana zaza mena efa misy lamba spesialy de tsy mamizaka fa sady afaka manao raharaha no sady afapo le zaza

ny gidraka am le zaza mifanarakaraka, rehefa marary de mifamindra izy menakavy tena :{ :{ :{ ny gastro mampandoa sy mampivalana ireny moa de sasatry ny manasa lamba 3 andro manontolo, fa am za le m'porna oa de tsy mampaninn ah le izy. C'est grave docteur ? hihihi

fa mafinaritra le dinika pour une fois mahita tovolahy malagasy malaza macho (ny malagasy, fa tsy ilay tovolahy) miaiky ny vitan'ny vhv. =D> =D> =D> =D> =D>
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.5664