Ho an'ny PRO RA8

1. essera ( 26/02/2009 04:52)
Salama daholo,

Raha manoratra eo ambony aho hoe PRO-RA8 dia tsy midika fa mpanohana TGV saingy :

Mba hanome ny hevitro manokana kosa aho anefa momba an'ireny omaly ireny (ny tsy fahatongavan'ny filoha hajaina hhhhmmmmm RAVALOMANANA.

1/ Ireny no atao hoe olona miziriziry amin'ny heviny. Raha mihaino ny kabarin'i TGV ianareo dia mahery setra ihany ny fiteniny mikasika amin'ny tsy hanaovana fifampiraharahana amin'ny Ra.8 talohan'io fihaonana teny amin'i Le Hintsy io. Nampandeferiny anefa ny hambo-po. Izay dia efa mba naoty iray azo omena an'i TGV izay. Maninona no isaky ny misy fihaonana dia mazava be ange fa adin'iray latsaka dia lasa i Ra.8 e. Ireny dia tsy fanao mihitsy raha tena olona mba tena mpitondra manana diplomasia ianao. Dinika à huis clos ange io ry namana isany fa tsy ohatran'ny tamin'i Zafy sy Ratsiraka hoe face à face. Izany hoe afaka milaza izay tena tiany ambara na "hanaratsy" na "hanebaka" na "hilaza ny tsiambaratelon'ny iray". Raha ireny mantsy no tarafina dia azo heverina tsy ampiambahambana fa olona tsy handeha hifanakalo hevitra Ra.8. Maninona no niala i Arseveka ? Omaly aho nanipy teny teto hoe iza no président sy ny vice-président FJKM. Ho lasa juge et partie ny sasany amin'ny FFKM.

2/ Momba ireto senateur nitabataba omaly tao amin'ny televiziona, na koa momba an'i PDS n'Antananarivo napetraky ny fitondrana. Ratsy be ilay fihetsika sy ilay fomba fiteny, indrindra2 ho an'ilay faharoa. Tsy nisy nahay vava ohatra an'i Ratsiraka ange niteny hoe "Tsy hiala aho eee" fa hitantsika iny ihany ny tohiny. Tadidio fa Ratsiraka raha nitondra teto sy namitaka ny vahoaka nahay fomba diplômatika be izy rehefa miresaka fa tsy nanao valy boraingina ohatra ny ataon'ny filohantsika izao. Raha in-1 no manao an'ilay fomba fiteny dia izay no atao hoe "incident", raha in-2 mbola incidentS fa rehefa mahazatra amin'izay dia tena mila mieritreritra fa FIRENENA Madagasikara fa tsy orinasa manokana na FIANAKAVIANA ao an-trano ka tsy afaka mandefitra amin'ny ataon'i Dada.

3/ Nahoana ireo olona niaraka tamin'dRavalomanana tamin'ny 2002 efa maro dia maro no gadrainy daholo. Aza raisina amin'ny resaka seza, fa raiso hoe manana namana ianao izay tena niara-niosona taminao, avy eo nivadianao izy rehetra. Tsy efa olona tsy normal ve ianao amin'izany. Raha izaho manokana aloha dia tena efa mieritreritra aho hoe fa maninona aza ny namako rehetra no tsy tiako, na koa tsy tia ahy. Tsy azo entina amin'ny barofo fotsiny ny fiainana eny fa na dia fiainanao ao an-trano aza. Andramo fotsiny hoe ny mpiray tanana aminao tsy misy ifandraisanao dia tonga ny andro iray TSY MAINTSY ILANAO azy, oups.

Saintsaino ihany e. Averiko kely ihany fa tsy mpiondana TGV tompoko ny tenanay na dia efa nandefa sujet maromaro momba an'i Ra8 tamina forum aza.

Misaotra tompoko.
novalian'i TEGEVE ny 26/02/2009 15:36
2. ravol ( 26/02/2009 05:26)
Marina daholo izay voalaza e! Saingy ny tena mampalahelo eto @ sehatry ny serasera ity dia tsy ahitana taratra ato ho an'ireo mpisera mba mitondra vahaolana, na tsirin-kevitra mety hahasoa ny firenena, fa resaka manala azy, mifanasa vangy, ..., ambany be mihitsy ny ady hevitra kanefa izay mihitsy no ilaina mba hifanasoavana, manjary tsy mazoto ny olona mamangy ny takelaka satria efa fanatany fa tsy misy zavatra matotra azo raisina fa resaka fanalana andron'ny manan-katao fotsiny, koa mba manaitra an'Ingahy Mpandrindra mba tsy hanao ohatry ny takelaka sasany ny mpandrindra mihitsy no mifanasa vangy @ mpamangy takelaka, io angamba ilay mitady very tombontsoa ka manohana mafy araka izay tratra amin'ny fomba rehetra hiarovana izany.
Entanina koa isika eto serasera mba ho matotra e! Isika ihany no hahazo tombontsoa @ izany.
ho an'ny Pro Ra8 sy TGV, aza manohana olona fa ny hevitra ho entiny jerena, rehefa tsy mety dia maneke, ary rehefa manana ny rariny aza manenjin-dresy fa an'ankina io rariny io.
Mahaiza mandinika sy manadihady e!
3. eh ( 26/02/2009 06:00)
Tsotra ny hafatra, natao iny fifampidinihana iny mba hanomezana voninahitra hoan'ireo mpikarakara fa raha ny tena marina dia "TSY MIFANARAKA AMIN'NY MPANDROBA SY NY TSY MPANARA DALANA" gadraina ihany no mety amin'i TGV satria nanao ny tsy nety ary tokony hampiarina aminy ny lalàna!!!! Mazàva izay!!! tsy misy ambonin'ny lalàna eto ary tany misy lalàna eto fa tsy gaboraraka ka manao izay danin'ny kibony!!!
4. essera ( 26/02/2009 06:28)
Manahoana i Eh...

Raha nanoratra tetsy ambony aho hoe mba mila kely aloha mandinika dia mba tsara ihany raha mandinika kely aloha fa tsy ny fo no asaina mitsara voalohany.

Hoy ianao hoe ny tsara am tgv gadraina. Dia izaho koa aza mba gaga hoe maninona izy no tsy gadraina fa ny manodidina azy aloha no gadraina. Tsy fantatro raha azonao ny tiako hahatongavana. (...). Somary "mandinika kely ianao dia valio", zany an ?

Izaho manokana dia misaotra an'i Zoky be nanoratra tetsy ambony nampatsiahy kely hoe "tsy misy manome vahaolana ny olona misera eto", fa mifanasa vangy.

Alohan'ny mba hitondrako vahaolana kely izay mba fantatro eto rehefa avy eo dia mba tsara ihany kosa indrindra indrindra ho an'ity pseudo rangorivao96 ity ny mba manaja ity site-na gasy ity. Teny ratsy no alefanao ato, dia manopa. Na tsy mifanatri-tava aza ry se mba tsara ihany ny manisy haja kely. Hafa indray mantsy raha adresse perso fa aty amin'ny forum ve ianao no manao an'izany. Ireny no tena fomba mampiseho hakanosana eny fa na mahay miady ohatran'inona aza ianao.

Rehefa avy eo indray ry reto a.
5. naughtyboy ( 26/02/2009 07:02)
voalaza
Mazàva izay!!! tsy misy ambonin\'ny lalàna eto ary tany misy lalàna eto fa tsy gaboraraka ka manao izay danin\'ny kibony!!!

tena izay mintsiny nefa alohany ijerena arina eny @ tavan\'olonkafa de aleo ity le8 ity aloha no iompanany saina fa 7 taona izay no NANITSAKITSAHINY ny LALANA sy NANDROBA sy mba ahampahazava ny sainy rehetra,i Andry tsy mbola nitondra na nanodina volampanjakana,na nitsoaka hetrampanjakana sns...

-nanao tsolotsolotra /bribery act(efa nampigadra azy nefa mbola naveriny indray t@ taxes evasion 2007)criminal offenses against the public resources

-fivarotana tanindrazana sy fampidirana kizo ny firenena/treasonry act(ireny aferany daweoo saika nataony antsokosoko,ny rio tinto na de t@ androny ratsiraka aza no nisiany fifanarahana dia azony notsipahina ireny traité ireny talohany nadraisany fitondrana 2002 satria fatiantoka ho any tanindrazana raha 20% fotsiny no tombontaha azo @ harena ankibony taniny malagasy(marihina fa mpandraharaha izy mahalala tsara ny atao oe fatiantoka sy tombony,nefa de voatsolotry ny kanadiana de nekeny)anti-constitutional

-Rent economy act/fanagiazana ny toekarempirenena sy fampiasana ny sehatra mamokatra rehetra eo @ firenena ho tombotsoany orinasany sy ny tenany manokana(efa nomeny essera atsy ambadika ny antsipirihany @ io...),raha tsy ho tanisaina ny fifidianana ny air force 2,anti-constitutional

-fanomezana alalàna handatsaka ny ain\'ireo mpiray tanindrazana teny Ambotsirohitra izay ny présidence ihany no afaka mibaiko izany sy fanakaramana ireo zanadambo hamono ny mpiray tanindrazana tany atsimo hiakarany @ fitondrana t@ coup d\'état 2001/2002

-fanganana ny feo tokana arapolitika/unipartism izay fitaovana entina mamotika ny demokrasia ,iampitàna @ didy jadona,anti-constitutional

Izaho tsy momba le zokimbomanga Andry satria tsy alehany ko lery,tsy manana paika mazava sy mitsinjo lavitra fa ny dingana manaraka de tsotra...
Io groupe de reconciliation io de tokony hitsangana mazava hametraka ny fitsarana faratampony ,fahefamitsara ny andaniny sy ankilany izay tsy miankina @ fitondrana(non-independent institution/juridictional toy ny Haute Court Supreme de Justice) ka anadihady sy hitsara ireny tsy RARINY sy tsy FANARAHANDALANA 7 taona ireny aloha dia ampandalovana ny legislature
vondrony antenimierandoholona(2/3 feo avy @ sénat fotsiny no ilaina),tsy azo ho raisina ny PDS satria saribakoliny fitondrana dia ho tonga ny \"impeachment motion\" ary afaka hiroso ny fitondrana misolo mitantana ny fampandehanandraharaha sy manomana ny fifidianana manaraka

N\'aiza na aiza @ firenena misy ny mangaharaha dia izay ny lalana ampanjakàna ny rariny sy ny hitsiny,oh.vitsy2 @ izany ry Tony Blair izay tratrany izany ary nametrapialàna t@ aferany Irak 2003,Joseph Estrada tany Philipines 2000,P.Musharaf avy any Pakistan,R.Nixon ny bekintana,Fernando Collor de Mello avy any Brasil ....ka raha tanteraka aloha ny fampiatoana sy fitsaràna anle8 de tafita ny antsasany @ fitakiana sy tolombahoaka hatrizay hanajàna ny zony sy ny satany...

6. ARINOFY ( 26/02/2009 07:10)
Bravo Andriamatoa Ravalomanana.Aza mandany andro @ fifanarahana saritsariny toa an'iny.Saritsariny hoy aho satria fanadiovana tena eo imason'ny mpanara-baovao no betsaka fa tsy fitadiavana marimaritra iraisana.Mitombo isan'andro ny conditions apetraka.Nga moa izy ireo afaka mitsabaka @ raharaha ny fitsarana no mitaky ny fivoahan'A/toa Ranjivason?Sao kosa ka tsy raharaha politika no nitazomana azy?
Etsy andaniny ireo mpanohitra sasany de miady ny hiresaka andatabatra boribory daholo.Nga moa tsy efa i tgv no efa solotena ka inona indray no tadiavin'ny crn sy ny namany?Moa tsy nijapy rambony fotsiny izy ireo raha nahita ny tgv nitarika tolona?
Koa hoy aho oe tohizo ny lalana Ravalo fa betsaka ny vahoaka miandry fiovana fa aza mandany andro @ olona be caprice ireo.Mihanta loatra lay zanaka ka leo ilay Dada.
7. rangorivao69 ( 26/02/2009 07:25)
essory>diso be be lesy elah JEREO TSARA FA NY IRAY 69 NY IRAY 96
sokafo tsara ny mason-drangahy na manaova solomaso refa pahina fa
andywui=ralalaina=pengiun(tsy penguin sao tsy hitan-dragah ndray
=tafondro=andywu bref zay sarimbavy ato,ary atsy ambadika tena be
ompa be nefa mihanakendry eo sa mitady raharaha :-D :-D :-D
8. andrywu ( 26/02/2009 07:41)
lava be le kozy e , aleo mamaky madagate ou assidu ahazava ny resaka satanika i ra8 eh hita be izao hoe satanika
9. xxx ( 26/02/2009 07:57)
andrywu:

lava be le kozy e , aleo mamaky madagate ou assidu ahazava ny resaka satanika i ra8 eh hita be izao hoe satanika

satana no mahita satana zany hoe satana koa zany ra andriwu

10. ralalaina ( 26/02/2009 08:03)
rangovitra69, ralalaina lety tsy misy hifandraisany @ ireo anarana lazainy ela ireo
11. nyavo2000 ( 26/02/2009 08:20)
Raha samy hisafidy ihany dia aleo mijanona izao fitondrana izao, na de tsy parfait aza R8. garanti kokoa ny toekarena sy ny fiainan'ny mponina mandrapahatongan'ny 2012 hanapahan'ny vahoaka hevitra.

Toy izay hiaraka amin'i andry olona, his'aventuré amin'ny transition, de hidina any @ hantsana toy izay niseho t@ 1991.

Ny Pro-TGV aloha de miomana fa hitomany ianareo...fa ho potika sy ho rava afaka fotoana fohy.
12. rangorivao69 ( 26/02/2009 08:22)
ralalaina>lazao zay tsy izy fa elah ampidinedala @ kozy foana fa omeo ao io jerevako raha tsy elah marina :-D :-D :-D
ny ahy tonga de kofyroaka refa mifangaroharo =)) =)) =))
13. xxx ( 26/02/2009 08:23)
Tsotra sady mahitsy ny resaka , Filoha lanim-bahoaka tamin`ny Fifidianana manerana ny Nosy ny Filoha Ravalomanana Marc ka ny fanonganam-panjakàna ataon`ny TGV , izay tohanan`ireo Vondrona Politika mahatsiaro very tombo-tsoa) amin`izao fotoana izao dia fanaovana tsinontsinona ny safidin`ny maro an`isa izay tsy maintsy hitroatra ihany koa atsy ho atsy raha mitohy ny fanakorontanana . Tsy hoe anie mahafeno ary koa mitatatata sy manoso-potaka eny @ 13 Mai dia voatery arahina anjambany e ! Iaraha-mahalala ny tsy fahamarinan`ny zava-boalaza eny izay voizin`ny Radio Viva sy Antsiva ka tsy ho voafitaka amin`izany ny Malagasy fa efa misaina sy mandinika , ary ny tena fahadisoan`i TGV dia ny nieritreritra fa manaraka azy ny Besinimaro amin`io HADALANA ataony io . Ny zavatra tsy atao am-pahendrena sy am-piheverana toy ireny dia herim-po very maina satria tsy mahazo ny fankatoavan`ny vahoaka MARO AN`iSA. Noho izany mahandrasa fifidianana dia mitondrà Programa Fampandrosoana e ! Ny olona izao any amin`izay Fampandrosoana no mahamaika azy , ny mitady izay harapany , fa tsy hoe sakananao indray izy tsy hiasa , fa angaha moa i TGV no hamelona ny vady aman-janany e ? Matoa anie nety izany tolona izany tamin`ny 2002 , to-teny tamin`ny vahoaka MARO AN`ISA Ra8 e , sady nisy fifidianana tam`zany e ! Fa ianao TGV , ianao miteny ville morte , ny olona mirohotra mandeha miasa !!! dia mbola tsy azonao ihany ve owe inn no dikan`izany ? sa ve mila resultat ireo Mpanome Volabe anao ka owe ataoko foana ity na ho any na tsy ho any ? Mba mahalala menatra ! dia mahandrasa fifidianana !!!
14. ralalaina ( 26/02/2009 08:24)
Sao dia ny PRO RA8 no hitomany,efa manao tsipaky ny miala aina,kely sisa ny fotoana hitondrany,izahay tsy mila miandry @ 2012 zany,RA8 miala ihany noi fantatray
15. xxx ( 26/02/2009 09:04)
kanefa toa mbola eo ihany izy aloha raha ny fantatro ! Dia tsy maintsy mbola handeha hanakarama jiolahim-boto njay zany ny TGV aloha hanakorontana satria ilay mbô grevy general otran`ny mampme be fotsiny fa tsy tafa mihitsy ! :-D :-D :-D Tokony ho jeren`ny Fanjakana haingana ny fiavian`ireny vola atao fafin-katrana ireny ahitana hoe iza no mpamatsy !
16. ratavao ( 26/02/2009 10:06)
ralalaina! fafy katrana ny vola hoy enao! raha izaho no otrananao de aleoko tsy miteny tsony fa manontania olona iray teo amin'ny 13 mai enao raha nisy olona iray nahazo ariary tam TGV teo na iray aza. Tonga de hita be oe: tsy mahita ambara enao fa manao teny mivadika fotsiny. Ndeha ataovy ny porofo isaky ny fokontany ny amin'ireny vola zarain'ny TIM ireny, vola avy aiza ireny ? Raha mbola tsy nahazo enao de manantona ny sefom-pokontany tarihin'ny Guy Rivo fa mahazo 50.000 fmg tsy akihetsika enao raha vonona ny hanakorontana eny am 13 mai rehefa misy ny 13 mai. Za no efa nahazo an'izany, afka mijoro ho vvolombelona aho raha ilainao zany
17. ralalaina ( 26/02/2009 10:09)
ratavao= miombokevitra aminao za ratavao marina daholo ireo voalazanao ireo
18. xxx ( 26/02/2009 10:11)
Ny hevitra azoko aroso ny ahy dia izao: tena tsara raha miongana atsy ho atsy ravalo, saingy angatahana ny vahoaka mba tsy ho i tgv no atosiny hitondra ny tetezamita, fa izay no miala an'ankatso dia mbohidempona
misaotra tompoko o
19. tsiafoi1 ( 26/02/2009 10:25)
Raha tsy maintsy hisafidy ihany :

1- De aleoko misafidy ny ARA-DALANA. Izay ihany no lalan-tokana hampisy rindran-damina eto amin'ny Tany sy ny Fanjakana. Ravalomanana no ara-dalàna de aleoko mametraka ny safidiko aminy mandrapaha-tapitry ny fetr'andro voatendrin'ny lalàna ho azy. "Biby tsy manan-doha tsy mandeha, ary ny loha dia nataon'Andriamanitra ho tokana fa tsy marobe toy ny an'ny TGV sy ireo mangetaheta fahefana manodidina azy(ao ry Andry Rajoelina, Zafy Albert, Pierrot Rajaonarivelo, Rolland Ratsiraka, Maihol, Ramaroson....)".

2- Ny fanarahana ny ARA-DALANA no ankasitrahan'Andriamanitra araka ny voalaza ao @'ny Romana 13/1-2 : "Aoka isiky hanaiky ny fahefana lehibe, fa ny fahefana rehetra misy dia voatendrin'Andriamanitra, ary izay manohitra ny voatendrin'Andriamanitra dia meloka, ary efa nandray sahady ny fanamelohana tao aminy"

20. xxx ( 26/02/2009 11:08)
hihihi sahala @ hoe tsy hitanay lay 205 manga nizara vola teo am`tout pour l`ecole ! De toute façon tsy misy tokony hifamaliana zany fa sôsy adala Tompo . Zah manokana aloha tsy handany vodim-pataloha eny am`13 mai hatao tohatra fiakarana hiverenan`ny soavaly jamban`ny AREMA eo amin`ny fitondrana e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0103