HANAO AHOANA ARY NY HO AVY?....

1. lemenakely ( 21/02/2009 11:48)
Fanontaniana tokony tsara ho apetraka angamba izy ity na dia tsy mbola milamina aza ny raharaha eto @ tanàna !

Hanao ahoana ny ho avin i MADAGASIKARA @ lafiny rehetra :ara-pôlitika ,ara-toekarena,sns....

Marina fa tsy misy mpaminany nefa toa hitahita taratra ihany ny zava-misy!
2. tsinjo ( 21/02/2009 11:57)
raha ny eritrerotro alou de ho sahirana ihany izay mpitondra eo anarina ny firenena vokatry ity krizy ty e satria betsaka ihany zay zvt simba zay
3. lemenakely ( 21/02/2009 12:09)
tsinjo:

raha ny eritrerotro alou de ho sahirana ihany izay mpitondra eo anarina ny firenena vokatry ity krizy ty e satria betsaka ihany zay zvt simba zay



Marina io ary mbola misy crise hafa koa dia ny crise mondiale aza adino ! Ho sarotra ny raharaha ! izay aloha c'est sur !


Fa ny tena hitako koa ara-pôlitika dia TROP loatra ny fitiavan-tena e, trop loatra na ny mpitondra na ny mpanohitra :roll:

Isika vahoaka koa mbola mila FANABEAZANA goavana satria mora ankasiahan ny mpanao politika!
4. Fanhaiky ( 21/02/2009 12:23)
tsinjo:

raha ny eritrerotro alou de ho sahirana ihany izay mpitondra eo anarina ny firenena vokatry ity krizy ty e satria betsaka ihany zay zvt simba zay



Raha amiko de izay mamaky manolo ary izay manimba manarina eh, atao sahala amin'ny nanaovana an'i Allemagna tamin'ny GM EH
5. tsinjo ( 21/02/2009 12:26)
fanaiky: ka le ze mamaky manolo ,iza le manolo ? eo nge zao no tatara ra izay no raisina
6. lemenakely ( 21/02/2009 12:27)
Ny mahagàga koa dia milàza fa tsy manam-bola nefa toa misy vola ihany rehefa hanakaramaina jiolahim-boto , hanakaramaina mercenaires congolais,...Toa hafahafa ihany ilay fahantràna! :!:
7. mijijiky ( 21/02/2009 12:48)
Hoy tsinjo
ny eritrerotro alou de ho sahirana ihany izay mpitondra eo anarina ny firenena vokatry ity krizy ty e satria betsaka ihany zay zvt simba zay

Angambany teraka t@ 2004 i Tsinjo matoa milaza fa ho sahirana ihany izay mpitondra eo anarina ny firenena . Ka ny simba t@ 2002 anie tsy mbola antsasany izao e e e ary manerana an'ny dago mihintsy nefa mola voaharina ihany

8. lemenakely ( 21/02/2009 13:05)
ara-toekarena koa dia pitik'afo kely monja dia tena manimba zavatra eto @ tanàna !ary tsy ny hevitra intsony no miady fa lasa ny olona mihintsy :roll:
9. Mirananirina ( 21/02/2009 13:19)
Inona moa ny fiovana hisy eo ,fa vo maika misy{crise} foana eto.
Amiko ny eo ihany no eo.
Manana manana ihany
mahantra mahantra ihany
10. xxx ( 21/02/2009 13:33)
Lemenakely a !! hanao ahoana ary no ho avy ?? ny orana androany no ho avy ve ?? toa tsy nilaza oe ho avy ny orana anio ny meteo fa angamba io manjombonjombona be io mahatonga an'i Lemenakely miteny oe mety ho avy io orana io !! nefa asa ko mety hivadika tampoka io angamb rehefa harivariva eo !!
11. ravonjison ( 21/02/2009 13:41)
Ny hoavin' i Dago dia maizina e. Ny vokatr ' ity crise mondiale itý mantsy dia izao : izay manankarena dia mihamanankarena ihany , izay mahantra kosa dia mihamahantra ihany, indrindra moa fa ny kely ananana indray no potehina.Ny soamary antenaina kely dia izao, afaka 20 ans eo ho eo dia miditra indray ny generation vaovao, dia izay no mety hampiova zavatra.
12. lemenakely ( 21/02/2009 13:56)
xxx:

Lemenakely a !! hanao ahoana ary no ho avy ?? ny orana androany no ho avy ve ?? toa tsy nilaza oe ho avy ny orana anio ny meteo fa angamba io manjombonjombona be io mahatonga an'i Lemenakely miteny oe mety ho avy io orana io !! nefa asa ko mety hivadika tampoka io angamb rehefa harivariva eo !!



eny e fotoam-pahavaratra izao aleo ho avy ny orana mba hampangatsiaka ny fon ny olona fa diso mafàna loatra sa ahoana , efa ho 1 mois mahery izay :idea:
13. lemenakely ( 21/02/2009 14:03)
Mirananirina:

Inona moa ny fiovana hisy eo ,fa vo maika misy{crise} foana eto.
Amiko ny eo ihany no eo.
Manana manana ihany
mahantra mahantra ihany



Izay aloha dia sur , ary ity resaka FAHANTRANA ity dia tsy ho resy moramora fa mila FIHEZAHANA BETSAKA , ary tsy ny mpanao politika velively no hanafaka azy io raha ny eto satria ny azy ny any ampaosy aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.065