Ary raha ny devoly no niteny taminao?
41. Fody
(
27/02/2009 13:16)
Soanja:
Ny lazainao fa manamboatra aina ireo ambony ireo dia tsy misy manamboatra aina na iray aza.
Ny spermatòzòida, na tsirin'aina lahy alaina dia tsirain'aina velona, izany hoe: efa misy aina ao anatiny. fa tsy ny olona no nanamboatra an'io aina io. Ary tsy ny olona koa no nanamboatra an'ilay sperm fa nalainy tamin'ny lehilahy velona io.
Toy izany koa ny Ovule, na ny tsirin'aina vavy. Efa misy aina ao aminy. Tsy ny olona mihitsy no nanamboatra an'izay aina izay.
Ilay hoe: Andriamanitra = Asa. Dia tena tsy maha d'accord ahy mihitsy.
Ny antony dia satria lasa OBJET Andriamanitra, fa tsy SUJET.
Ary toa mbola manamafy izany ny filazanao hoe: "mpijery fotsiny..."
Raha ekenao fa lehibe mihoatra ny olombelona Izy, no sady Fitiavana dia tsy tokony ho Objet mihitsy fa Sujet. Ary tsy mpitazana fotsiny fa mpiara-miasa.
Am-pitiavana be...
42. ikaretsaka
(
27/02/2009 14:52)
amiko izany tsy hoe "mamorona aina" fa "mamboly aina"
tsy "creer" fa "batir" hoy ny filazanay architect azy
misy le hira zafindraony Kato iny raha tadidin'i soanja
"izay mamboly sy izay manondraka dia tsinontsinona avokoa raha tsy Tompo ihany no mampitsimoka ny voa"
efa neken'i soanja io fa tsy nosoratany teto fotsiny
43. coopsal
(
27/02/2009 15:01)
soanja:
Ireo soratra notsindrihako mainty ireo no mampiseho fa manontany ny tenanao ianao ary mamita ny safidy tianao atao. Inona no mety amiko, inona no tsy mety amiko?
==> Ny olona mahiratra tsy afaka hampahafantatra an-tsipirihiny ny teraka jamba hoe toy izao ny loko mena, toy izao ny loko mavo sy maitso! Mahita ireo karazana loko ireo izy saingy tsy ho hainy velively ny hanoro amin'ilay jamba azy ireo ankoatra ny anarany. Raha tsy mihiratra ny mason'ilay jamba ka tonga mahita izy dia tsy hahafantatra velively. Ka ho an'ilay dia illusion ny tenin'ilay mahiratra, fa mety tsy ho zavatra misy akory izany fa vokatry ny fiasan'ny saina.
Tadidiko ny nanasitranan'i Jesoa an'ilay teraka jamba iny : nanamboatra fotaka tamin'ny rorany Izy ka nahosony mihitsy ilay jamba aloha ... ary nasainy nandeha nisasa ilay io dia izay vao nahiratra.
Ka raha tsy ny tenin'i Kristy mihitsy no mametraka eo amin'ny mason'izay jamba ara-panahy eo ani'von'ny fivavahana (jerosalema) manambara ny fotaky ny fanahiny, avy teo izy dia mino an'i KRISTY mba hisasa ... tsy hahiratra izy.
"Jamba aho fahiny, mahiratra aho ankehitriny" ... hoy io nijoro vavolombelona teo anatrehan'ireo mpandrabiraby sy be fitsapana rehefa sitrana.
44. Fody
(
27/02/2009 15:53)
Coopsal... Dia iza no nampahiratra an'i coopsal kay ? kristy ve sa olon-kafa? mahalasa saina ihany mantsy ilay dikan-teninao sy ny interpretation-nao amin'izay voasoratra.... Avy eo dia hoe tsy teny grika, na latina na sns... ny tenin'i Kristy fa fanahy sy fiainana...
Sao mba devoly koa aloha no mampiteny anao e???
Am-pitiavana be.
48. soanja
(
04/03/2009 16:27)
Fody:
Soanja:
Ny lazainao fa manamboatra aina ireo ambony ireo dia tsy misy manamboatra aina na iray aza.
Ny spermatòzòida, na tsirin'aina lahy alaina dia tsirain'aina velona, izany hoe: efa misy aina ao anatiny. fa tsy ny olona no nanamboatra an'io aina io. Ary tsy ny olona koa no nanamboatra an'ilay sperm fa nalainy tamin'ny lehilahy velona io.
Toy izany koa ny Ovule, na ny tsirin'aina vavy. Efa misy aina ao aminy. Tsy ny olona mihitsy no nanamboatra an'izay aina izay.
Ilay hoe: Andriamanitra = Asa. Dia tena tsy maha d'accord ahy mihitsy.
Ny antony dia satria lasa OBJET Andriamanitra, fa tsy SUJET.
Ary toa mbola manamafy izany ny filazanao hoe: "mpijery fotsiny..."
Raha ekenao fa lehibe mihoatra ny olombelona Izy, no sady Fitiavana dia tsy tokony ho Objet mihitsy fa Sujet. Ary tsy mpitazana fotsiny fa mpiara-miasa.
Am-pitiavana be...
Miala tsiny fa tsy tafandalo teto aho kay misy fanontaniana ho ahy eto.
Amiko iny sperme iny dia betsaka amin'ny lehuilahy. Miforona isanandro ary ary mivoaka ho azy rehefa tsy misy firaisana amin'ny vehivavy. Tsirin'aina hoy tokoa ny gasy saingy matoa ireny mivoaka very sy ny ovule mivoaka isam-bolana amin'ny vehivavy very dia tsy mbola aina akory fa sela entina hanamboarana ny aina.
Ny aina dia izay mifandray eo. Ny fifandraisan'ny roatonta no manome ny aina. Ny sela dia n'aiza n'aiza dia misy azy avokoa. Iny sela sperma sy ny atodin'aina iny kosa no mamorona ny aina.
Noho izany tsy miasa Andriamanitra manome ny aina raha tsy efa misy ny fifandraisan'ny tsirairay. Zany hoe ny ASA ifandraisan'ny roatonta no mampisy an'Andriamanitra amin'ny asany eo amin'iny aina vao miforona iny. Raha mbola any anaty vata mangatsiaka ny sperma ny lehilahy dia tsy hilaza aho fa zaza aby iny. Fa rehefa kosa miforona ao anaty eproveta ny atody natambatra avy amin'ny tsirinaina lahy sy vavy dia izya vao zaza iny. Koa aiza no tianao handraisana azy fa afaka manamboatra ny aina raolombelona e. Afaka mamelona izy ary afaka mamono koa. Fahaizana io ary fahafahana daholo.
Andriamanitra dia ASA amiko. Fivoatran'ny zavamisy amin'ny fahatsarana izy. Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana hoy ny Xtianina. Inona avy ireo azafady o?? Misaotra mialoha.
49. soanja
(
04/03/2009 16:33)
Ny tsy mampitovy ny resantsika eto angamba ry fody dia ny hoe
VELONA = AINA??? sa tsy izay.
Ilay velona anefa ve ka hoe active hoy ny vazaha? io ve no tianao resahina?? Ny active mantsy tsy midika hoe efa olona na biby. Fa marina mihitsy hoe manana ny fahavelomany sy fahafenoany amin'ny ilana azy hanorenana zavatra iray vaovao na olona iray vaovao.

50. soanja
(
04/03/2009 16:38)
coopsal:
soanja:
Ireo soratra notsindrihako mainty ireo no mampiseho fa manontany ny tenanao ianao ary mamita ny safidy tianao atao. Inona no mety amiko, inona no tsy mety amiko?
==> Ny olona mahiratra tsy afaka hampahafantatra an-tsipirihiny ny teraka jamba hoe toy izao ny loko mena, toy izao ny loko mavo sy maitso! Mahita ireo karazana loko ireo izy saingy tsy ho hainy velively ny hanoro amin'ilay jamba azy ireo ankoatra ny anarany. Raha tsy mihiratra ny mason'ilay jamba ka tonga mahita izy dia tsy hahafantatra velively. Ka ho an'ilay dia illusion ny tenin'ilay mahiratra, fa mety tsy ho zavatra misy akory izany fa vokatry ny fiasan'ny saina.
Tadidiko ny nanasitranan'i Jesoa an'ilay teraka jamba iny : nanamboatra fotaka tamin'ny rorany Izy ka nahosony mihitsy ilay jamba aloha ... ary nasainy nandeha nisasa ilay io dia izay vao nahiratra.
Ka raha tsy ny tenin'i Kristy mihitsy no mametraka eo amin'ny mason'izay jamba ara-panahy eo ani'von'ny fivavahana (jerosalema) manambara ny fotaky ny fanahiny, avy teo izy dia mino an'i KRISTY mba hisasa ... tsy hahiratra izy.
"Jamba aho fahiny, mahiratra aho ankehitriny" ... hoy io nijoro vavolombelona teo anatrehan'ireo mpandrabiraby sy be fitsapana rehefa sitrana.
Ahoana no ahafantaranao fa jamba ara-panahy ianao avy eo nahiratra nefa koa nahiratra tsara ny masonao namaky ilay teny ary afaka nanontany tena ny mahamety sy tsy mety ny ataonao??
Amiko ny fifandraisanao amin'ny consiansanao no hampahiratra ny fiainana aminao fa tsy ilay soratra no nitsilo anao. Io soratra io akory tsy io ilay Fanahy fa ilay ao anatinao manoro anao ny safidy aleha.