Ary raha ny devoly no niteny taminao?

21. Fody ( 23/02/2009 08:11)
Misy hevitra somary tsy maha-d'accord ahy ireto ka hangatahako fanazavana misimisy kokoa mialohan'ny hilazako ny fomba fijeriko.
soanja:
Isika olombelona no mampivoatra ny tenantsika ho isika , ho anao fa tsy i Andriamanitra velively.

Raha izany no izy, inona no antony inoana an'Andriamanitra?
soanja:
Ny tiako asongadina eo dia ny atidohantsika dia mahavita zavatra betsaka tokoa. Afaka mamorona aina ary afaka manala aina.

Afaka mamorona Aina ve ny atidohantsika olombelona? Mba manomeza hoe ohatra iray monja milaza fa afaka namorona aina ny atidohan-draolomelona?
soanja:
Andriamanitra amiko dia namany mitazana fotsiny satria efa nomeny anao ny fahafahana hanetsika izay momba anao.

Ka raha Andriamanitra mpitazana fotsiny izany, inona no ilaina azy? I Jesoa anefa nilaza fa ny Rainy (Andriamanitra Ray) dia miasa mandrankehitriny....
soanja:
Zany hoe ASA Andriamanitra raha amin'izao fotoana izao ary mpanao azy sy ny vokatra kosa dia ISIKA.

ASA ahoana Andriamanitra?
Mpanao an'Andriamanitra ve ny olona? Raha ny olona no mpanao azy, inona no maha samihafa azy amin'ny sampy? Ary raha ny olona no mpanao azy, tsy tokony ho eo ambanin'ny fahefan'ny olona ve izy?

Am-pitiavana be!
22. coopsal ( 23/02/2009 14:49)
soanja:
Zany hoe ASA Andriamanitra raha amin'izao fotoana izao ary mpanao azy sy ny vokatra kosa dia ISIKA.

==> Noheveriko fa nino an'i kristy ianao.

soanja:
Ireo rehetra voalazako araka ny filozofiako no iankinan'ny zava-drehetra.
Isika olombelona no mampivoatra ny tenantsika ho isika , ho anao fa tsy i Andriamanitra velively.

==> Filaozofianao marina ireo, mety ho izany no iainanao ngamba? Izaho koa nanana ny filaozofiako momba an' Andriamanitra sy izao rehetra izao, fa ndeha izay niainako, ka mifandray amin'ny resaka lazainao eto no hoteneniko.
Fony aho tsy nino an'i KRISTY (na dia kristiana nafana fo aza), dia tena marina fa izaho tokoa no nitondra ny fiainako. Nikatsaka fahalalana aho satria tia hahalala, nikaoty sipa aho ary niaraka t@ le sipa, satria tiako le sipa.
Talentako ny resaka mozika, nazoto nanao sport sy nikarakara sakafo aho, satria tiako izany rehetra izany.

Hafa ny fandehan-javatra rehefa nino an'i Jesoa aho :
1- Tsapako fa izaho nihevi-tena sy nolazain'ny olona ho intelligent no tsy nahalala na inona na inona! Zah no tena borné ka tsy nahafantatra ny source de connaissance : "ny fahatahorana an' Andriamanitra no fiandoham-pahalalana". Insensé io ho an'ny tsy mino, fa ho an'izay mino dia izay no vérité.
2- Tsy mitady fahalalana araka ny sitrapoko intsony aho, fa araka ny sitrapon' Andriamanitra. Tsy nanambady araka ny sitrapoko aho na ilay vehivavy tiako, fa ilay sitrak' Andriamanitra ho vadiko, araka ny sitrapoNy. Tsy nanao ilay asa tiako natao sy nilofosako fahiny intsony aho, fa mandeha amin'ilay tian' Andriamanitra ataoko araka ny sitrapoNy.

Iainako tokoa ny hoe : manana safidy ny olombelona, ary roa ihany io safidy io : Andriamanitra sa hafa! Koa rehefa nisafidy an' Andriamanitra aho dia izay safidin' Andriamanitra araka ny sitrapoNy rehetra no iainako, tsy izaho intsony no tompon'ny tenako fa Kristy.
- Tamin'izany no nahafantarako fa olona very aho, satria ny maha izaho ahy dia ratsy ary misy condamnation éternelle miandry ahy sy izay tahaka ahy rehetra. Ary misoratra eo @ casier judiciaire -ko any an-danitra (dia ny fanahiko) izany.
- Tamin'izany no nahafantarako fa ny condamnation-ko, sy ireo rehetra toa ahy, dia efa nentin'i KRISTY à son compte. Ary ny hahazo casier judiciaire vaovao amin'ny fanjakàn'ny lanitra aho, noho ny ràn'i KRISTY nalatsaka.
Izay no mahatonga ahy hino fa KRISTY no Tompo sy Mpamonjy ahy.
23. ikaretsaka ( 23/02/2009 15:41)
Tsy le hoe andriamanitra na tsia kosa angamba no tian-kolazaina eto fa hoe le fomba fanompoana azy...le hoe rehefa tsy fombanareo dia tsary mety
24. soanja ( 24/02/2009 00:09)
Fody:

Misy hevitra somary tsy maha-d'accord ahy ireto ka hangatahako fanazavana misimisy kokoa mialohan'ny hilazako ny fomba fijeriko.
soanja:
Isika olombelona no mampivoatra ny tenantsika ho isika , ho anao fa tsy i Andriamanitra velively.

Raha izany no izy, inona no antony inoana an'Andriamanitra?
soanja:
Ny tiako asongadina eo dia ny atidohantsika dia mahavita zavatra betsaka tokoa. Afaka mamorona aina ary afaka manala aina.

Afaka mamorona Aina ve ny atidohantsika olombelona? Mba manomeza hoe ohatra iray monja milaza fa afaka namorona aina ny atidohan-draolomelona?
soanja:
Andriamanitra amiko dia namany mitazana fotsiny satria efa nomeny anao ny fahafahana hanetsika izay momba anao.

Ka raha Andriamanitra mpitazana fotsiny izany, inona no ilaina azy? I Jesoa anefa nilaza fa ny Rainy (Andriamanitra Ray) dia miasa mandrankehitriny....
soanja:
Zany hoe ASA Andriamanitra raha amin'izao fotoana izao ary mpanao azy sy ny vokatra kosa dia ISIKA.

ASA ahoana Andriamanitra?
Mpanao an'Andriamanitra ve ny olona? Raha ny olona no mpanao azy, inona no maha samihafa azy amin'ny sampy? Ary raha ny olona no mpanao azy, tsy tokony ho eo ambanin'ny fahefan'ny olona ve izy?

Am-pitiavana be!


Ny inoana an'Andriamanitra amiko tsy voatery hisy antony velively fa mino aho satria misy izy ary tia ahy izy. Izy no voalohany sy farany amin'ny mahaolona sy tontolo rehetra. Fianakaviana izy. Ka na mino aza aho na tsy mino ohatra dia izy eo ihany. Noho izany hinoako izy satria misy. Io potikaina fampivoarana ny mahaolombelona ahy ho Izaho io no isaorako azy ny nanomezany ahy an'io ary anindrahindrako ny momba azy satria tsy mahalala zavatra hafa na olon-kafa mahavita izany aho afa tsy Izy irery ihany.

Anisan'ny famoranana ny aina misy ataon-dRaolombelona dia ny fanaovana in vitro sy ny bebe eproveta. Olona tsy manan-janaka,. lasa mividy sperma any amin'ny banky na sperma dia ampifandraisina ny atody dia io reo zaza vitsivitsy, mifidy izay atody volamena eo ianao izay tsy afaka miteraka dia alaina ny efatra na maromaro amin'ireo dia apetraka ao anatinao mba hanjary zaza. Manamboatra aina izany amiko. Eo ihany dia vonoina izay tsy ilaina na tehirizina ireo ambin'atody sisa tsy nofidiana dia tehirizina anaty vata mangatsiaka hafa ka rehefa te hiteraka an'ireo zaza ireo ianao dia afaka alaina any indray dia velomina ho olombelona ao ankibo. Betsaka izao ny vazaha mpahay siansa miasa mafy momba ny fikarohana ny stem cell ka io dia afaka hamoronana olona mitovy aminao tokoa.

Hoy i Fody> " Ka raha Andriamanitra mpitazana fotsiny izany, inona no ilaina azy? I Jesoa anefa nilaza fa ny Rainy (Andriamanitra Ray) dia miasa mandrankehitriny....
soanja:
Zany hoe ASA Andriamanitra raha amin'izao fotoana izao ary mpanao azy sy ny vokatra kosa dia ISIKA.

ASA ahoana Andriamanitra?"

Ny tiako lazaina eo dia efa nomen'Andriamanitra antsika ny fahafahana hanao zavatra hanatsarana ny momba antsika. Safidy ny antsika na hanao izany na tsia. Izy miandry mitazana ary eo ampanaovana azy kosa ny tenanao dia Izy no miasa na Asa. Ny hatsembohana, ny hery, ny saina sy ny momba anao rehetra mamoaka ny zavatra atao dia Izy no ao anatin'iny/ na izy iny. Asa = Andriamanitra. Mamelona ny asa? Andriamanitra Izay no ao ambadika milaza ny mahatsara iny asa iny ary ny vokatra dia ISIKA. Olom-baovao na nivoatra na nihatsara.
Ohatra fantatro fa mahantra be i Gasikara. Hananako daholo ny fitaovana rehetra entiko hanalana ny fahantrana any Gasikara. Na be planina aza aho eo ambony latabatra hoe izao no ataoko sy ataoko dia mbola tsy miasa izay Andriamanitra, fa rehefa iny kosa ianao nametraka ny planina ho nivadika ASA dia eo ampanaovana ireo Asa ireo ianao dia hahatsapa fahatsapana mihoatra ny ilay ianao teny ambony latabatra nieritreritra fotsiny ilay izy na atao na tsia. Ny vokatra dia ianao nahavita, afapo, faly. Izy ilay Asa. Ianao no nanao ny Asa. Ny tiako tenenina dia tsy aiza Andriamanitra fa amin'izay rehetra ataontsika ka hanatsarantsika ny momba antsika sy ny hafa. Izy no mpanelanelana eo.
Ny Ray no nilaza sy nanamboatra, ny Zanany no nanatanteraka ary ny Fanahy no Hery. Io Hery io no ahavitana ny rehetra.

25. ikaretsaka ( 24/02/2009 00:21)
Anisan'ny famoranana ny aina misy ataon-dRaolombelona dia ny fanaovana in vitro sy ny bebe eproveta. Olona tsy manan-janaka,. lasa mividy sperma any amin'ny banky na sperma dia ampifandraisina ny atody dia io reo zaza vitsivitsy


amiko izany tsy hoe "mamorona aina" fa "mamboly aina"
tsy "creer" fa "batir" hoy ny filazanay architect azy

misy le hira zafindraony Kato iny raha tadidin'i soanja

"izay mamboly sy izay manondraka dia tsinontsinona avokoa raha tsy Tompo ihany no mampitsimoka ny voa"
26. soanja ( 24/02/2009 00:25)
coopsal:

soanja:
Zany hoe ASA Andriamanitra raha amin'izao fotoana izao ary mpanao azy sy ny vokatra kosa dia ISIKA.

==> Noheveriko fa nino an'i kristy ianao.

soanja:
Ireo rehetra voalazako araka ny filozofiako no iankinan'ny zava-drehetra.
Isika olombelona no mampivoatra ny tenantsika ho isika , ho anao fa tsy i Andriamanitra velively.

==> Filaozofianao marina ireo, mety ho izany no iainanao ngamba? Izaho koa nanana ny filaozofiako momba an' Andriamanitra sy izao rehetra izao, fa ndeha izay niainako, ka mifandray amin'ny resaka lazainao eto no hoteneniko.
Fony aho tsy nino an'i KRISTY (na dia kristiana nafana fo aza), dia tena marina fa izaho tokoa no nitondra ny fiainako. Nikatsaka fahalalana aho satria tia hahalala, nikaoty sipa aho ary niaraka t@ le sipa, satria tiako le sipa.
Talentako ny resaka mozika, nazoto nanao sport sy nikarakara sakafo aho, satria tiako izany rehetra izany.

Hafa ny fandehan-javatra rehefa nino an'i Jesoa aho :
1- Tsapako fa izaho nihevi-tena sy nolazain'ny olona ho intelligent no tsy nahalala na inona na inona! Zah no tena borné ka tsy nahafantatra ny source de connaissance : "ny fahatahorana an' Andriamanitra no fiandoham-pahalalana". Insensé io ho an'ny tsy mino, fa ho an'izay mino dia izay no vérité.
2- Tsy mitady fahalalana araka ny sitrapoko intsony aho, fa araka ny sitrapon' Andriamanitra. Tsy nanambady araka ny sitrapoko aho na ilay vehivavy tiako, fa ilay sitrak' Andriamanitra ho vadiko, araka ny sitrapoNy. Tsy nanao ilay asa tiako natao sy nilofosako fahiny intsony aho, fa mandeha amin'ilay tian' Andriamanitra ataoko araka ny sitrapoNy.

Iainako tokoa ny hoe : manana safidy ny olombelona, ary roa ihany io safidy io : Andriamanitra sa hafa! Koa rehefa nisafidy an' Andriamanitra aho dia izay safidin' Andriamanitra araka ny sitrapoNy rehetra no iainako, tsy izaho intsony no tompon'ny tenako fa Kristy.
- Tamin'izany no nahafantarako fa olona very aho, satria ny maha izaho ahy dia ratsy ary misy condamnation éternelle miandry ahy sy izay tahaka ahy rehetra. Ary misoratra eo @ casier judiciaire -ko any an-danitra (dia ny fanahiko) izany.
- Tamin'izany no nahafantarako fa ny condamnation-ko, sy ireo rehetra toa ahy, dia efa nentin'i KRISTY à son compte. Ary ny hahazo casier judiciaire vaovao amin'ny fanjakàn'ny lanitra aho, noho ny ràn'i KRISTY nalatsaka.
Izay no mahatonga ahy hino fa KRISTY no Tompo sy Mpamonjy ahy.


Mbola tsy hitako tsara ilay fifandraisana hoe i Kristy no mifidy vady ho anao sns... satria amiko dia ilay vehivavy ve zany tonga tampoka teo ampandriana nasesiky ny Fanahy sa ahoana dia iny no lasa vady satria notoloran'i Kristy sa ahoana? omeo fanazavana bebe kokoa raha mety. Amnin'ny fotoana ahoana ianao no mahatsapa fa ity no nofidian'Andriamanitra fa tsy ilay nofidiako???

Io notsindriako mainty io no tena tsy hampifandray ny filozofiantsika satria amiko Andriamanitra dia nanome antsika ny rehetra: ny tsara moa tsara , ny ratsy koa hijerena, hikarohana ny tsara. Ny rehetra dia anamboarana sy ampivoarana antsika avokoa. Ary isika, ny konsiansantsika, no mitondra ny tenantsika amin'ny fahaverezana fa tsy Izy na ny famaizana ataony. Izay tia miahy fa tsy manafay! Koa tsy misy atahorako na ahiako raha mbola manao ny fahamarinana aho. Ny tahotra angamba no fahavalo voalohany eto antany ary io no azoko lazaina fa Devoly miasa raha misy izany Devoly. Ankoatr'izay dia fenehoam-pitiavana avokoa avy amin'Andriamanitra hirosoana amin'ny TSARA ao aminy sy filaminana mandrakizay.

Mino an'I Kristy, zanak'Andriamanitra aho ka. Mino azy aho fa nandalo teto an-tany Izy dia lasa. Nanome hafatra be dia be ho antsika. Tsy Izy intsony kosa no mampiodina ny tenako fa Andriamanitra izay endrika Fanahy. Andriamanitra anefa dia miseho ho endrika telo: Ray, Zanaka sy Fanahy! Io farany io no eto amintsika isanandro, ao anatintsika, amin'ny manodidina ary manenika ny tontolo rehetra.! Namaste hatrany ary!


27. coopsal ( 24/02/2009 12:35)
Soanja:
Mbola tsy hitako tsara ilay fifandraisana hoe i Kristy no mifidy vady ho anao sns... satria amiko dia ilay vehivavy ve zany tonga tampoka teo ampandriana nasesiky ny Fanahy sa ahoana dia iny no lasa vady satria notoloran\'i Kristy sa ahoana? omeo fanazavana bebe kokoa raha mety. Amnin\'ny fotoana ahoana ianao no mahatsapa fa ity no nofidian\'Andriamanitra fa tsy ilay nofidiako?

==> Somary tantara lavalava izy fa izao no famintinana, nisy vehivavy anakiroa :
Ny iray olon-tiako tena tiako faran\'izay tiako! Ny fisarahako tamin\'izay vehivavy izay mba zavatra nampitomany ahy sy nalahelo mafy. Efa nikasa haka vady azy aho ary efa niara-nanangona vola izahay. Nisy fotoana nanomboka tsy niady izahay, nifankatia b foana fa izaho tsapany niova ary izy koa tsapako niova. Ny tena marina, hatramin\'ny ninoako an\'i Jesosy dia tena izay no tao anatiko hoe izay lazain\'i Jesosy no izy. Izy koa tena mpivavaka ary isan\'izay nahatonga ahy hahita an\'i JESOA aza izy, saingy nisy endri-pitiavako azy tsy tsapany intsony noho ny fahaersen-dahatro ny amin\'i KRISTY. Na izany aza nifankatia be izahay, fa nisy blocage interne tao aminy surtout, fa zah tena tia azy be foana ary isanandro faniriana mafy ho ahy ny te hahita sy hiaraka taminy, fa fahoriana mafy kosa isaka ny tafasaraka ny hariva.
Tetsy an-danin\'izay, nisy vehivavy iray mpiara-niasa tamiko nitory. Ny nahitako an\'io vehivavy io sy ny nahatonga anay ho mpiara-mitory dia indray mandeha aho raha nandalo tamin\'ny iray amin\'ireo mahantra fitoriako sy fizarako sakafo, dia nisy ramatoa niangavy mba hankanesako any an-tranony fa misy problema @ zanany izy. Faly sahirana aho tamin\'izay, ary nangataka t@ KRISTY mba hanome ahy olona ho entiko miaraka amiko any @io ramatoa izay mipetraka any Antohomadinika io. Nandeh solo foana ah mantsy t@zany satria leo fiangonana sy mpiangona sy mpiandry sns ... Ny harivan\'iny aho dia nifanena t@na vevavy mbola tanora, tafaresaka t@ko ary rehefa nanontaniako izy dia nilaza fa pasitera any Antohomadinika. Teo no resy lahatra aho fa ity vehivavy ity ilay olona nangatahiko tamin\'i Jesosy hiaraka amiko ... Lasa niara-niasa foana izahay sy io vehivavy io. Tsy tiako izy ary natahorako sao dia ho lasa vadiko.

Nisy fotoana aho nanomboka nisalasala raha tena sitrak\' Andriamanitra ho vadiko ilay olon-tiako na ity faharoa no tiaNy. nahita aho mantsy fa toa ohatra ny ity faharoa izay tsy tiako ity no ilay natsoina hoe : \"mpanampy tandrify\" ahy. Fa ny foko nandà, kanefa nangataka tamin\'i KRISTY ihany aho mba hahalalako izay sitrapoNy marina. Tsy nahazo valiny mihitsy aho raha tsy t@ fin fin novembre 2007 hoe tsy ilay olon-tiako no sitrak\' Andriamanitra ho vadiko, fa ilay nampihaoniny tamiko hiara-miasa tamiko.
Dia ho ahy mazava be ny teny : \"Misaraka amin\'ilay anakiray ary tsy mahazo miverina aminy. Mampakatra an\'ilay anakiray ho vady\".

Izao nonitranga : Ny dernière semaine ny novembre an, nanomboka nisalasala be aho ary presque resy lahatra (avec famoizam-po tsy maintsy hanary ilay tiako) hoe tena ilay Pasitera no tian\' Andriamanitra ho vadiko. Efa nanomboka tapakevitra aho no, ny zoma maraina nifampiresaka t@ndra malala ko aho. Resaka nankarary ny foko mafy satria teo no nahatsapako fa kay izahay roa tena mifankatia be, malgré anle comportement-ny tamiko hafahafa be. Izay vao nivaralila ny fanahiko ary tsy nahavavaka intsony aho fa hira no tao anatiko, hira izay tsy tiako akory aza fa niverimberina tao hoe : \"tsy olona iray hahasambatra ahy no tena iriako tmpo, fa olona iray hotiaviko mandritra ny fiainako\". Halako izany hira sentimaka b otrzany, nefa t@io d niverimberina b tao anatiko le izy.
Ny alina aho tsy nivavaka toy ny fanaoko intsony, fa nanokatra ny baiboliko, dia izao no teny hitako voalohany teo hoe : \"raha misy vehivavy mandao ny lehilahy iray ka mankany @ olonkafa dia tsy mahazo miverina amin\'iny vehivavy iny intsony ralehilahy\". Taitra aho teo hoe \"sanatria ve tenenin\'ny Tompo amiko hoe tsy tokony ho amin\'ilay olon-tiako iny intsony aho?\". Navadiko fanindroany ny baiboly ary ny hitako avy hatrany tao dia hoe : \"Ny nanesorana an\'i Vasti tsy ho vadin\'ny mpanjaka ary ny nampakarana an\'i Estera\". Evident tamiko amin\'izay fa non seulement, mila esoriko tsy ho vadiko ilay olon-tiako, fa hampakatra an\'ilay nofidian\' Andriamanitra ho vadiko aho.

Izay izy raha somary tsotsorina.
Raha tsy nampitodika ny foko tamin\' Andriamanitra aho tsy ho afaka nahafantatra mihitsy izany zavatra izany.
28. xxx ( 24/02/2009 13:33)
Ny tsatotsatoka no ahazoana vady izany an! :-P Tsy ratsy fa aleo ihany zalà misafidy au moins mihena ny fijangajangana!
29. coopsal ( 24/02/2009 14:45)
xxx:
Ny tsatotsatoka no ahazoana vady izany an! Tsy ratsy fa aleo ihany zalà misafidy au moins mihena ny fijangajangana!

==> Aminao izy tsatotsatoka! Amiko izy tena safidy ... fa satria KRISTY no safidiko dia izay tendren'i KRISTY no raisiko, amin'izay dia toy ny safidiko ihany izy.
Fa izao aloha e!

Ny erreur-nao eto dia izao : ny finoako fa Kristy no nanome ahy io vady io no manakana ahy tsy hijangajanga. Efa nandalovako rahateo ny nifidy izay tiako, tena tiako ilay olona ... fa ny filàna ato anatiko dia tena nitarika ahy nijangajanga, ary tsy ampy nisakana izany akory ny fitiavako an'ilay olona.

Ny mi-fantasme @ vevavy sy ny mijangajanga amin'ny nofo dia samy mijangajanga, ary mitovy ihany eo anatrehan' Andriamanitra.
Tsy ny mahakely ny fijangajangana no ilaina, fa ny tsifisiany. Koa na be na kely ny fijangajanganao, ny fitsaran' Andriamanitra dia manameloka anao foana!
30. ikaretsaka ( 24/02/2009 15:37)
ahoana koa no hamaritana hoe ity vadiko ity o notendren'i kristy fa tsy itsy sipa itsy?
nareo hoa tssss
31. soanja ( 24/02/2009 17:20)
coopsal:


Ny alina aho tsy nivavaka toy ny fanaoko intsony, fa nanokatra ny baiboliko, dia izao no teny hitako voalohany teo hoe : \"raha misy vehivavy mandao ny lehilahy iray ka mankany @ olonkafa dia tsy mahazo miverina amin\'iny vehivavy iny intsony ralehilahy\". Taitra aho teo hoe \"sanatria ve tenenin\'ny Tompo amiko hoe tsy tokony ho amin\'ilay olon-tiako iny intsony aho?\". Navadiko fanindroany ny baiboly ary ny hitako avy hatrany tao dia hoe : \"Ny nanesorana an\'i Vasti tsy ho vadin\'ny mpanjaka ary ny nampakarana an\'i Estera\". Evident tamiko amin\'izay fa non seulement, mila esoriko tsy ho vadiko ilay olon-tiako, fa hampakatra an\'ilay nofidian\' Andriamanitra ho vadiko aho.

Izay izy raha somary tsotsorina.
Raha tsy nampitodika ny foko tamin\' Andriamanitra aho tsy ho afaka nahafantatra mihitsy izany zavatra izany.


Ireo soratra notsindrihako mainty ireo no mampiseho fa manontany ny tenanao ianao ary mamita ny safidy tianao atao. Inona no mety amiko, inona no tsy mety amiko? Tsy misy maharatsy ny mametraka ireo fanontaniana ireo mihitsy ary tsy ratsy mihitsy ny hanarahana izay tsapan'ny saina fa io no mety. Fa ireo rehetra ireo dia ny tenanao avokoa no mandray ny andraikitra hanantanteraka na tsia ny safidy.
Ny soratra tao amin'ny baiboly izany no nakanao ny fanapahan-kevitrao fa tsy i Kristy velively. Satria i Kristy dia tsy ho eo hanolotra antsika ilay vady fa Izy kosa afaka mitsimbina izay safidinao.

Mbola afaka manontany tena aza ianao raha tena tianao izany hoe nanao ahoana izany ilay olona tsy voafidy ho vady? Mahatsara azy ve ny tsy nanambadiana anao? sambatra ve ianao amin'io tokatrano lazainao fa natolotr'i Kristy io?? sns snsn.... Ireo rehetra ireo dia ny SAFIDY avokoa no nahatonga izany fa tsy I Kristy.


32. ikaretsaka ( 24/02/2009 18:05)
mitovy fijery @ soanja aho eto.. dia misy koa ilay nolazain'i fody atsy ambadika atsy hoe le baiboly aza atao ohatran'ny tsabo 3...
tsy boite a outils io na kodiakely anaty kapoaka ka ze zavatra omeny eo no hoe tsy ampifandraikana @ iny ny androany..
fiainana tsato-piso izany
33. klitika ( 24/02/2009 19:05)
:lol: :lol: :lol: :-D :-D :-D
Nga ikaretsaka mbola tsy nahita an'ireny mpitory ireny, miala avy any dia eo anoloanan'ny toe-javatra iray, dia mivavabavaka eo aloha no sady mikipy dia sokafana tampoka ny baiboly, ka izay voasokany eo no lazainy hevitr'Atra tokony arahina
34. ikaretsaka ( 24/02/2009 19:13)
ko tsy manoatra noho ilay mpisikidy ireny iznay.. le atao ao anaty haronkely ny vatokely de mingonongonona eo de aparitaka @ zay de mi dechiffre ny fipetrany eo :-D
35. klitika ( 24/02/2009 19:17)
Ny sikidy indray mbola mijery tonon'andro. Ny toko-tsikidy ary ny valin-tsikidy dia miankina amin'ny zava-miseho sy ny tantara. Marina fa misy ny fara-vato saingy ny fara-vato mbola alahatra hifandraika amin'ireo voalaza etsy aloha iretsy.
36. ikaretsaka ( 24/02/2009 19:47)
de pire nohon'ny mpisikidy zany e...
fiainana fa ho any fa hoany nefa mpivavaka hono///
pouf pouf lalamby
37. xxx ( 26/02/2009 12:21)
Ny alina aho tsy nivavaka toy ny fanaoko intsony, fa nanokatra ny baiboliko, dia izao no teny hitako voalohany teo hoe : "raha misy vehivavy mandao ny lehilahy iray ka mankany @ olonkafa dia tsy mahazo miverina amin'iny vehivavy iny intsony ralehilahy". Taitra aho teo hoe "sanatria ve tenenin'ny Tompo amiko hoe tsy tokony ho amin'ilay olon-tiako iny intsony aho?". Navadiko fanindroany ny baiboly ary ny hitako avy hatrany tao dia hoe : "Ny nanesorana an'i Vasti tsy ho vadin'ny mpanjaka ary ny nampakarana an'i Estera". Evident tamiko amin'izay fa non seulement, mila esoriko tsy ho vadiko ilay olon-tiako, fa hampakatra an'ilay nofidian' Andriamanitra ho vadiko aho.

Mialatsiny aminao ry Coopsal t@ le kivalavala teo iny fa @ fomba fijery tsy miangatra de tsato-piso @ baiboly tokoa izany resaka izany an! Fa na namaky an'io ianao na tsia, rhf izy no destiné avy @ Ray ho anao de Zay fona le Izy e!
Faharoa koa, za tsy mbola nijanga² fa efa saika, fa raha tena "Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao" tokoa ve le fitiavana, inona no marina ny tokony ho hadisoana @ izany e?
Nga ikaretsaka mbola tsy nahita an'ireny mpitory ireny, miala avy any dia eo anoloanan'ny toe-javatra iray, dia mivavabavaka eo aloha no sady mikipy dia sokafana tampoka ny baiboly, ka izay voasokany eo no lazainy hevitr'Atra tokony arahina

Za lo olon-tsotra an! fa mi:lol: @ ity an'i klitika ity ka, fa isaky ny mitsatoka ao @ baiboly ohatr'izany aho de mikasika ny farany foana no verset tratrako!
Mba zarao marina hoe ahoana no fomba famaky io baiboly io ho anareo, fa ny ahy de tena tsabo3 moa izy teo ry IKa? zany ry Fody a!
38. ikaretsaka ( 26/02/2009 15:37)
ny ahy aloha io mandeha par contexte fa tsy hoe tsatohako ao fahatany fotsiny dia ny hita ao de hoe ry "kentrina sy votsa saina" ohatra dia handeha hiteny aho hoe ary manompa i Jesoa kle! fa mba fara faharatsiny mba azo hoe inona no nitranga ka nahatonga azy nanao izany...
toy izany koa ny amin-Drapaoly, raha mamaky ny Korintianina aho ohatra dia mba tokony hahalala hoe inoa no zavatra nitranga tany @ Xtianina tany Korinto t@ andro faha Paoly sy ny fiainan'ny olona t@ izany de le hevi dehibe no tsoahiko hoe:na dia teo aza izany rehetra izany dia izao no position-an-drapaoly t@ izany izao no fihevitry ry zareo momba izany!

Eritrereto hoe mamaky boky ianao ..dia eo @ le andalana nisy hoe 'Je t'aime" no nitsipalotra ny masonao... tsy hitanao akory ny loha sy vodin'ilay tantara
dia rehefa avy eo ianao manao commentaire an'ilay boky de heo J"e t'Aime hono e".
-> je t'aime qui quoi ? :-D
39. niryna ( 26/02/2009 16:17)
kelyb:

Mahafinaritra ny mihaino ireny fijoroana vavolombelona ireny fa tena mampitombo ny finoana. Ny tiako holazaina dia tena marina fa mahafita zavatra tsara sy mahafinaritra ny devoly, ary tena hainy ny zavatra afaka anjonoiny anao. Fa izany anefa dia tsy maharitra ary ny tambiny rehefa avy eo dia fahoriana be, eny mety miafara @ fahaverezana mandrakizay (afobe) aza rah tsy tafaverina @ Andriamanitra indray.


misaotra kely nampahatsiahy anay rehetra izany a,

io efa nomen'Atra an'i kely io izany ny teny ka anjarantsika no mandray na tsia ,izaho koa dia miombokevitra izany fa mahay mandangolango izy ary indrindra tsy ampahafantatra ireo izay ao anatin'ny maizina mihitsy izy hoe izahay anie ka tonga andrava e,tsofitsofiny fotsiny ny sofina dia falifaly tsy mahare ny vaovao mahafaly zaraina lava eto oops ary dia lazainy fa tsy misy izy satria izay no ataony ao an-doha mandrakariva na koa tsy tia iverina ny fahamarinana dia aleo aloha tsipahina foana ny tenin'Atra dia miara very daholo e,aza itako aza mahita ahy izany ...eny e,raha mbola tsy nahita ny herin'Atra isika dia mivavaha hoy aho mandrakariva ary mitenena aminy hoe Tsy mbola fantatro izany herinao izay,tsy fantatro tokoa na misy hianao na tsia ka ampahafantaro ahy ny fisianao,tomoera ato am-poko ....sahy mi-guarenti-a anareo aho raha tena ka vokatry ny fonareo tokoa no andraisanareo an'i Jesosy ,andramo ...
kelyb:

Fa ny tsara indrindra dia apetraka @ Jesosy daholo ny fiainana sy zay rehetra kasaina ary aoka tsy hanadino ny mangataka raha sitrapony na tsia ny zavatr iray hotanterahina na décision horaisina, eny na dia ny handeha hiantsena aza


io izao misy mifanampy ny teniko eo ambony

kelyb:
. Afaka mangataka Teny ao @ Baiboly ianao, na mangataka famantarana eny an-dalana mankany @ ilay alehanao ohatra. Araka ny teniny hoe "ny zanako sy ny asan'ny tanako aoka ho adidiko ihany, ary ny @ zavatra ho avy no anontanio ahy"
Maherez daholo ary, tsy mila formule be akory rehefa mivavaka fa ataovy ohatra ny miresaka @ olona ianao dia ataovy toy ny eo akaikinao eo izy dia ça marche.
aleloia ,misaotra kely fa mazava be a

efa im-betsaka aho no niteny an'io ary io famantarana resahin'i kelyb io dia ilay fanahy masina ,miaraka amin'i kristiana rehetra ny fanahy masina raha tena mino an'i kristy izy na iza izany na iza ,fa maninona no tsy mahazo ny fanahy masina aho? dia mivavaha ,tonga ato amiko hianao ,omeo hery aho hino fa ny fianako rehetra dia omeko tantanan'i kristy manomboka androany,ampio aho hino fa nanafaka ahy tamin'ny fahotako izy,nitondra ny heloko rehetra izy,raha mino azy tokoa aho dia ahazo fiainana mandrakizay ...koa manomboka androany dia ataoko ho tompoko izy,mpanavotra ahy sy mpanjakako tokoa izy hianao ry kristy velona no ataoko mandidy ny tokantranonay ary Atra avo indrindra ka hianao irery ihany no hiankohofako,hifikirako,hinoko ....sahy mi-guarenti-a anareo aho fa hiova
ny fiananareo,hanana fo malefaka,fo mandefitra,fo mamela,ary raha mbola tsy tonga amin'izany aza dia ny fanahy masina no itaridalana,anitsy,anadio ny fahotana ,itarika amin'ny fahamarinana,ampahatsiahy ny tokony atao,ny lalana tokony aleha,amily tsy andeha any amin'ny lala-mibiloka fa mitantana kosa andeha amin'ny lalan'ny fahamarinana aminm'izay...io ilay fanahin'i krisy izay lazaina foana ary izay manana an'i krisyt irery ihany no manana ny fanahy satria nangatahiny tamin'ny Rainy io mba itoetra aty amintsika rehetra mandrakizay ...izaho ao aminy ary izy ao amiko ....

[colo=blue] ny fanontaniako dia hoe mino izany ve hianao ?
ny valiny? ataovy ny fanandramana ka raha tsy nahita fihovana hianao dia manorata aty amiko fa hiaraka hivavaka isan'andro isika raha vonona andray ani kristy amin'izay hianao [/color] tsy manana power aho na hery hafa fa manana an'ATra kosa aho ka afaka mizara izay mba nandalovako tamin'ny fiainako eny na afaka mizara aminao ihany koa izany hoe niady ,nitolona tamin'i satana izany ......izany foana no teneniko hoe aza miteniteny foana hoe tsy misy satana raha mbola tsy nitolona sy niady taminy hianao dia mety tsy ahafantatra fa misy hery hafa mitady isintona ny herin'Atra ao aminao saingy tsy ho azony intsony satria efa nodiovin'ny ran'i kristy hianao ka tsy azy intsony...raha mbola tsy manana an'i kristy dia mety ho voatariny,raha mivadika amin'i kristy ka miverina aminy koa dia vao maika avo fito eny koa ny hery alefany ao amintsika...voasoratra ao anaty soratra masina izany fa sao hisy iteny indray eo hoa aza ampitahorina ny olona ry niryna an!


anampiako ny tenin'i coopsal dia ity koa ny tohiny

9 ny fihavin'ilehiny dia araka ny fiàsan'i Satana amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra

10 ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very
, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.

11 Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,

12 mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.

***** HAFATRA***

Ho antsika rehetra dia miambena,miambena fa satana tsy tonga mba ampihavana,tsy tonga mba anatona antsika hiaraka amin'Atra ,tonga izy mba andrava ny tokantrano rehetra ,tonga izy mba anamaizina ireo tsy mino an'Atra ka dia ny fanao rehetra izy nolazain'Atra tsy tokony atao dia saromany ka na ny fiangonana sasany azy dia ao anatin'ny maizina ka manova ny tenin'Atra (tafiditra amin'izany ireo fiangonana manambady maro,manaiky ny fanoharana noresahiny Atra amin'ny lahy sy lahy ,vavy sy vavy sy ny tsy maninona manambady maro ary miaraka aminy any an-danitra daholo ireo vadiny reheta ireo rehefa hatrizay sns .maro ,maro fa ny ampinga hoentintsika sy ahalalantsika ny marina dia ny fahalalana ny tenin'Atra ,ny fianarana ny tenin'Atra ,ny fihazonana ny tenin'Atra mba ho fitaovana hiadiana an'i satana.Ny fivavahana isan'andro sy ny fampiharana izany tenin'Atra izany amin'ny fiainana mba ho taratra sy jiro manazava ireo izay mbola tsy manana an'i kristy .Tsy ny namana ,na ny havana no atao hoe devoly fa ilay hery ao ambadiny mampiasa azy ka tsy hino sy ahatonga azy amadika ny tenin'Atra amin'ny teny ,mody malefaka feno hafetsena ,tandremo,tandremo ....mivavaha foana na dia eto amin'ny sera aza fa vitan'i satana ny manome olona amadika ny tenin'Atra ,ho an'izay miaraka amin'Atra dia mahafantatra ny fanahin'Atra ,ny tsy miaraka aminy dia tsy ahafantatra velively (efa niteny an'io koa coopsal)
ity no teny voasoratra ...

15 Koa tomoera tsara, ry rahalahy, ka hazony ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin'ny teninay, na tamin'ny epistilinay.

16 Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin'ny fahasoavana,

17 no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin'ny asa sy ny teny tsara rehetra. II Tesaloniana 2: 8-12


vita tompoko ,azafady fa somary lava be e
(l) niryna
40. ikaretsaka ( 27/02/2009 12:05)
Niryna> toa misy resaka izay ao @ matio ao hoe "heveriny fa ny halavan'ny resaka no hanamarinana sy hihainoana azy"
De asa hoe iza no mpiatsaravelatsihy miseho @ endriny eo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5204