Inona no hiafaran'ty Firenena ity ?

1. Fanhaiky ( 19/02/2009 08:07)
Mba lasa ny saiko tato ho ato amin'ty tsy filaminana ara-politika sy ara-pombam-pijery ity; mba diniho anie:
TGV sy ny vahoaka entiny tsy hijanona fa tsy maintsy tohizana hono ny tolona ka na inon-kidona na inon-kihatra de tsy hihemotra hono iz ireo mandrampa-rahoviana anefa izany.(Ts manaiky raha tsy voatsangana ny GVT TETEZAMITA sy miala teo amin'ny toerany ny FILOHA)

FITONDRANA: Efa nanome toky ny vahoaka ihany koa fa tsy hihemotra ary tsy hanaiky fa hitazona ny toerany hatrany, satria voafidim-bahoaka hono ary mbola eken'ny vahoaka

VOKANY: Mbola mihenjana ny tady hatramin'izao tsy misy ny marimaritra iraisana fa samy miziriziry amin'ny heviny avokoa.

FOLOALINDAHY: Handray fepetra rehefa tsy ahitan'ny andaniny sy ankilany vahaolana ao anatin'ny fotoana fohy izao zava-misy izao.

De ra samy hiziriziry eo ary izy ireo de m'dika ve izany fa ho tonga amin'ny fitondrana miaramila indray ity raharaha ity, nefa koa anie izy ireo tany aloha efa nilaza fa "Zavatra efa lany andro izany, ary aoka ihany koa hoy izy ireo ny tantara efa lasa tsy hiverenana intsony" Dia inona ary izany notena hiafaran'ty tantara vaovao eo amin'ny fianam-pirenena ity.

Ty no tonga amin'ilay tongo-bakivaky sady maharary no mahamenatra
Maharary satria: Ny fiainana mihasarotra isan'andro vokatrin'ny krizy aterak'izao toe-draharaha izao na dia efa eo koa aza ny krizy iraisam-pirenena
Mahamenatra satria Nosy kely ity de ts ahitam-pandrosoana sy filaminana fa de mikorontana sy mahatra hatrany. ary ankehitriny dia efa hitan'izao tontolo izao ny hadalana ao anatiny (Fandrobana, fifamonoana, sns eh )

Koa mandr-paha rahoviana vao hivaha izao olana izao ary hiafara amin'inona anjaran-tsika no mandinika fa raha amiko aloha de mbola tsy voavinaniko eh..
répondu par lemenakely le 19/02/2009 12:16
2. yuka ( 19/02/2009 08:09)
Mbola ankamatatra izy ity re se aa! :)
3. xxx ( 19/02/2009 08:39)
De ra samy hiziriziry eo ary izy ireo de m'dika ve izany fa ho tonga amin'ny fitondrana miaramila indray ity raharaha ity


tsy aleo ve mba jerena indray aloha ny vokan'io! mety hahatsara zavatra....
4. xxx ( 19/02/2009 08:53)
amiko aloha, dé na mitovy hevitra, na tsy mitovy hevitra. ny zavatra tsapako hatr@ ny nahatsiarovako saina, dia izao ihany. isika malagasy mihintsy no tena mila miova fihetsika, fisainana, fijery. hatrany ifotony mihintsy zany no tokony hiova isika. tsy mampitovy aho, fa mampitsiriritra ah mihintsy ny mijery ny fandraisan'i obama ny fitondrana tany USA ireny.
amiko de azo aseho ohatr'zao ny nisy teto amitsika hatrizay:
TSIRANANA=RATSIRAKA=ZAFY=RATSIRAKA=RAVALOMANANA=ZE HIDITRA EO NDRAY=TSY HIOVA AKORY ISIKA

raha ny tokony ho izy zany amiko, ny fanovana tanteraka ary @ tokony ho izy ny lalampanorenantsika no tokony hatao. dia ny mpitondra hiakatra eo, dia tena HANARAKA TOKOA io lalampanorenana io. fa tsy oé rehefa tonga eo aho, dia ovaiko araky ny hitiavako azy, @ tombotsoako, @ mampetipety ny antokoko.

ary ty zavatra iray, raha mbola izao aloha ny isan'ny ANTOKO POLITIKA eto amitsika, de tsy ho tanteraka akory ny fiovana eto madagasikara, fa dia hiverina hatrany foana lay:
TSIRANANA=RATSIRAKA=ZAFY=RATSIRAKA=RAVALOMANANA=ZE HIDITRA EO NDRAY=TSY HIOVA AKORY ISIKA

asa, miteniteny foana V aho? asa mandefa revy lavitra loatra ve aho? mbo faniriana izany.
5. lemenakely ( 19/02/2009 11:13)
Marina ilay hoe isan ny antoko pôlitika , efa ho 160 isa izy izao .Sahala @ SECTE milàza azy ho babany avokoa .

Ary ny tena olana dia samy mijery fotsiny na ny mpitondra na isika vahoaka ,tsy misy afaka manambatra ny hery fa aleo ganagana mandro.Ny mahazo seza androany mizesta , ny very seza mialona sy manao izay hianjeran ny nahazo seza dia izany foana .

Ny hoe TSIRANANA=RATSIRAKA =ZAFY....Tsy marina io satria samy nanana ny firehin-kevitra nitondràny ny fireneny ireo olona ireo :!:
6. xxx ( 19/02/2009 11:29)
samy nanana ny firehan-keviny reo lemenakely, fa ny tanjona nitovy ihany a, ny nampahantar ny gasy daolo ny tanjony.
7. lemenakely ( 19/02/2009 12:16)
xxx:

samy nanana ny firehan-keviny reo lemenakely, fa ny tanjona nitovy ihany a, ny nampahantar ny gasy daolo ny tanjony.



Tsy ny gasy rehetra no nampahantraina ! fa ny akamakama kosa voky tsara an aza adino izay ... :roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.043